Fankalazana Andro Nahaterahana
Fotoana ankalazana ny andro nahaterahana; yôhm holledet amin’ny teny hebreo (Ge 40:20), ary genesia amin’ny teny grika (Mt 14:6; Mr 6:21).
Noraketin’ny Hebreo an-tsoratra ny taona nahaterahany, raha jerena ny tetirazana sy ny daty manan-tantara ao amin’ny Baiboly. (No 1:2, 3; Js 14:10; 2Ta 31:16, 17) Tsy notombanana ny taonan’ny Levita sy mpisorona ary mpanjaka. (No 4:3; 8:23-25; 2Mp 11:21; 15:2; 18:2) Tsy tombantombana koa ny an’i Jesosy.—Lk 2:21, 22, 42; 3:23.
Resahin’ny Baiboly fa faly ny ray aman-dreny tamin’ny andro nahaterahan’ny zanany, ka nisaotra an’Andriamanitra. “Lova avy amin’i Jehovah” tokoa mantsy “ny zanaka maro, ary valisoa ny aloaky ny kibo.” (Sl 127:3; Je 20:15; Lk 1:57, 58) Tsy nankalaza andro nahaterahana anefa ny mpanompon’i Jehovah, fa ny mpanompo sampy no nanao izany.
Fankalazana roa monja no resahin’ny Baiboly mivantana: Ny an’i Faraon’i Ejipta (taonjato faha-18 T.K.) sy Heroda Antipasy (taonjato voalohany A.K.). Samy nanao fety be sy nanao soa izy ireo tamin’izay. Nisy olona novonoina anefa, satria notapahin-doha ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao, ary notapahin-doha koa i Jaona Mpanao Batisa.—Ge 40:18-22; 41:13; Mt 14:6-11; Mr 6:21-28.
Mety ho fankalazana ny andro nahaterahan’ny mpanjakan’ny Israely nivadi-pinoana ilay resahin’ny Hosea 7:5 hoe “tamin’ilay andron’ny mpanjakantsika.” “Nankarary tena” ireo andriana tamin’izay “noho ny herin’ny divay.” Mety ho fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahazoan’ilay mpanjaka fahefana koa anefa ilay izy.
‘Samy nanana andro iray ny zanakalahin’i Joba hanaovana sakafo be tao an-tranon’ny iray tamin’izy ireo.’ (Jb 1:4) Tsy nankalaza andro nahaterahana anefa izy ireo. Ny teny hebreo hoe yôhm no nadika hoe “andro” eo, ary ilazana ny fotoana manomboka amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany. Yôhm (andro) sy holledet kosa no nadika hoe “fankalazana ny andro nahaterahana.” Tsy mitovy ny hoe “andro” sy ny fankalazana ny andro nahaterahana, rehefa jerena ny Genesisy 40:20 manao hoe: “Tamin’ny andro [yôhm] fahatelo, dia nitsingerina ny andro [yôhm] nahaterahan’i [holledet] Farao.” Tsy fankalazana andro nahaterahana àry ilay resahin’ny Joba 1:4. Mety ho niara-nikorana kosa ny zanak’i Joba fito mirahalahy (angamba tamin’ny fetin’ny lohataona na fetin’ny fijinjana). Naharitra herinandro ilay fety, ka “samy nanana andro iray” nanaovana an’ilay izy tao an-tranony avy izy ireo.
Tsy nankalaza andro nahaterahana koa ny Kristianina voalohany. Nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy, fa tsy ny nahaterahany. Nodidiany àry ny mpianany hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lk 22:19) Ny andro nahaterahan’ilay Mpamonjy aza tsy nankalazain’ny Kristianina voalohany na notsarovany, mainka fa ny andro nahaterahan’izy ireo! Hoy i Auguste Neander, mpahay tantara: ‘Tsy tao an-tsain’ny Kristianina tamin’izany fotoana izany mihitsy ny hankalaza andro nahaterahana.’ (Ny Tantaran’ny Fivavahana Kristianina sy ny Fiangonana Nandritra Ireo Taonjato Telo Voalohany, nadikan’i H. Rose, 1848, p. 190) ‘Nanantitrantitra i Origène [mpanoratra tamin’ny taonjato fahatelo] fa “tsy nisy na iray aza tamin’ireo olo-masina rehetra voatantara ao amin’ny Baiboly nanao fety na fanasambe, rehefa nitsingerina ny andro nahaterahany. Ny mpanota (toa an’i Farao sy Heroda) ihany no nanao fety be ho fankalazana ny andro nahaterahany teto an-tany.”’—Ny Rakipahalalana Katolika, 1913, Boky Faha-10, p. 709.
Tsy mifototra amin’ny Soratra Hebreo na Grika àry ny fankalazana andro nahaterahana. Milaza koa ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1882, Boky I, p. 817) fa “[noheverin’ny Jiosy] ho anisan’ny fanompoan-tsampy ny fankalazana andro nahaterahana ... satria hitan’izy ireo angamba ny fombafomba fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra mpiaro ankalazaina amin’ilay andro nahaterahan’ilay olona.”