Fankatoavana
Ny hoe mankatò dia manaiky fahefana, manaraka baiko, manao izay takina, na tsy manao izay andrarana.
Shamaʽ no ampiasain’ny Soratra Hebreo mba hilazana hoe mankatò, ary matetika io teny hebreo io no midika hoe “mandre na mihaino.” Indraindray àry, dia mandre fotsiny, izany hoe mahalala feo amin’ny alalan’ny sofina, no dikan’ny hoe shamaʽ. (Ge 3:10; 21:26; 34:5) Midika hoe manaraka izay voalaza na mankatò anefa io teny hebreo io, raha sitrapo, na faniriana, na toromarika, na baiko ilay teny nolazaina. “Nihaino” ny feon’ny vadiny, ohatra, i Adama, izany hoe nanao izay tian’i Eva ka nihinana an’ilay voankazo voarara koa. (Ge 3:17; ampit. 21:12.) I Josefa indray tsy nihaino, izany hoe “tsy nanaiky”, mihitsy na dia nisisika foana aza ny vadin’i Potifara. (Ge 39:10) I Saoly Mpanjaka kosa natahotra ny olona, ka nihaino na “nankatò” azy ireo. Nandika ny baikon’i Jehovah anefa izy tamin’izany. (1Sa 15:24) Nampanantena hanome taranaka ho an’i Abrahama i Jehovah satria i Abrahama “nihaino”, na nankatò ny feon’i Jehovah ary nitandrina ny didiny.—Ge 22:18; 26:4, 5; ampit. He 11:8; jereo SOFINA.
Io teny hebreo io koa no ampiasaina rehefa Andriamanitra indray no ‘mandre’ na ‘mihaino’ an’izay lazain’ny olombelona. Tsy azo adika hoe “mankatò” ilay teny amin’izay, satria tsy afaka mibaiko an’Andriamanitra ny olona fa afaka miangavy azy na mitalaho aminy kosa. Rehefa nilaza tamin’i Abrahama àry Andriamanitra hoe: “Efa reko ... izay nolazainao momba an’i Ismaela”, dia te hilaza izy hoe nekeny ny fangatahan’i Abrahama ka hanao zavatra izy. (Ge 17:20) Voalaza koa fa “ren’i Jehovah” ny fitarainan’ireo mijaly na ory. Midika izany fa nanao izay nangatahin’izy ireo i Jehovah rehefa hitany hoe mendrika hamindrana fo izy ireo.—Ge 16:11; 29:33; 21:17; Ek 3:7-9; ampit. De 1:45.
Mt 27:20) Rehefa ampiasaina ho matoantenin’ny iharana sy matoanteny antenatenany (sady mpanao no iharana) izy io, dia midika hoe resy lahatra (Lk 16:31), mitoky (Mt 27:43), mino (As 17:4), ary koa manaiky na mankatò (As 5:36, 37, 40). Avy amin’io teny grika io ihany ilay teny mifanohitra aminy hoe apeiteô (midika hoe tsy mino [As 14:2; 19:9] na tsy mankatò [Jn 3:36]), sy ny teny hafa iray tarika aminy.
Mitovy hevitra amin’ny hoe shamaʽ koa ny matoanteny grika (hypakoô) midika hoe mankatò (anarana: hypakôe). Midika ara-bakiteny hoe “mandre eo ambany” (izany hoe mihaino sady vonona hanaiky) mantsy io teny grika io. Manana heviny hoe mankatò koa ny teny grika hoe peitô, izay midika hoe ‘mandresy lahatra.’ (Hita amin’izany àry fa, araka ny fiteny tany am-boalohany, dia tafiditra amin’ny mankatò ny hoe mihaino aloha, izany hoe mandray fanazavana na fahalalana (ampit. Lk 12:47, 48; 1Ti 1:13), ary avy eo manaiky hanatanteraka ny sitrapo na ny fanirian’ilay olona nampita izany am-bava na tamin’ny fomba hafa. Tafiditra amin’ny hoe manaiky kosa ny hoe miaiky fa manana fahefana na zo hibaiko ilay miteny, ary maniry na vonona hanao ny sitrapon’izy io ilay mihaino. Tafiditra amin’izany koa ny hoe mino, mitoky, ary matoky, rehefa jerena ny hevitry ny teny grika hoe peitô sy apeiteô.
Tena ilaina ny mankatò an’Andriamanitra. Andriamanitra no manan-jo voalohany indrindra hitaky ny hankatoavan’ny zavaboariny rehetra azy. Tokony hankatò tanteraka azy izy ireo, satria izy no Mpanao azy ireo. Izy koa no Loharanon’aina ary miankina aminy ny fiainana. (Sl 95:6-8) Izy no Andriamanitra hendry sy mahery indrindra ka tokony hohajaina sy hohenoina tsara izay lazainy. Rariny, ohatra, raha antenain’ny raim-pianakaviana hanao izay lazainy ny zanany, ka raha tsy manao izany avy hatrany ilay zaza, dia mety hiteny mafy izy hoe: “Henonao ve izany e?” Raha ray olombelona aza manantena izany, mainka fa ilay Raintsika any an-danitra? Tena tokony hihaino sy hanaraka ny teniny àry isika.—Ampit. De 21:18-21; Oh 4:1; Is 64:8; 1Pe 1:14.
Tsy maintsy mankatò isika, ary tsy misy mahasolo ny fankatoavana raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Hoy i Samoela tamin’i Saoly Mpanjaka: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah kokoa noho ny mankatò [endriny hafa amin’ny hoe shamaʽ] ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò [a.b.t.: mihaino] no tsara kokoa noho ny sorona, ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin’ondrilahy.” (1Sa 15:22) Rehefa tsy mankatò ny olona, dia mandà ny tenin’i Jehovah sady mampiseho hoe tsy tena mino na matoky an’izany teny izany sy Ilay nilaza izany. Mitovy amin’ny manao sikidy na manompo sampy ihany àry ny tsy mankatò. (1Sa 15:23; ampit. Ro 6:16.) Tsy misy dikany ny tenin’ny olona iray raha manaiky hanao zavatra izy nefa tsy manao akory. Tsy mino na tsy manaja an’ilay naniraka azy ilay olona matoa tsy manaraka izay nolazainy. (Mt 21:28-32) Misy koa olona mandre ny fahamarinana ary manaiky an’izany any an-tsainy fotsiny, fa tsy manao izay takin’izany akory. Mamita-tena amin’ny fiheveran-diso ny olona toy izany, ary tsy hahazo fitahiana. (Jk 1:22-25) Misy koa olona manao zavatra mitovitovy amin’izay asaina ataony, ary tsy araka ny fomba tokony hanaovana azy no anaovany azy, sady ratsy ny antony mahatonga azy hanao izany. Notsorin’ny Zanak’Andriamanitra fa na ny olona toy izany aza tsy hiditra mihitsy ao amin’ilay Fanjakana fa holavina tanteraka.—Mt 7:15-23.
Mila miady mafy mba hankatò foana. Efa hatrany am-boalohany Andriamanitra no nilaza fa tena iankinan’ny ain’ny olona ny mankatò. (Ge 2:16, 17) Tena iankinan’ny ain’ny anjely koa izany. (1Pe 3:19, 20; Jd 6; Mt 25:41) Ninia tsy nankatò i Adama ilay lehilahy lavorary. Izy anefa no lohany teo amin’izy mivady sady rain’ny olombelona rehetra, ka izy no nampiditra ny ota sy fahafatesana tamin’ny taranany rehetra. (Ro 5:12, 19) Vao teraka àry ny olona dia efa “zanaky ny tsy fankatoavana” sy “zanaky ny fahatezerana”, ka tsy mendrika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra satria mandika ny fitsipiny marina. Mora tsy mankatò ny olona, ka raha tsy miady mafy izy mba tsy ho resin’izany, dia ho ringana amin’ny farany.—Ef 2:2, 3; 5:6-11; ampit. Ga 6:7-9.
Namindra fo i Jehovah Andriamanitra, ka nanao zavatra mba hanampiana ny olona hiady amin’ny ota ary mba hahazoan’izy ireo famelan-keloka. Tsy ny ota niniana natao anefa no ho voavela fa ny ota vokatry ny tsy fahalavorariana. Ny fanahiny masina no anomezany hery hanaovana ny tsara. Izany hery izany no manampy ny mpanota haneho ny vokatry ny fanahy. (Ga 5:16-24; Tit 3:3-7) Ho voavela heloka izay mino ny sorom-panavotan’i Kristy, ary io finoana io no misakana ny olona tsy hanao ratsy sy mandrisika azy hankatò. (1Pe 1:2) Izany no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny “fankatoavana [fihainoana sady fahavononana hanaiky] avy amin’ny finoana.” (Ro 16:26; 1:16; ampit. As 6:7.) Resahiny ao amin’ny Romanina 10:16-21 fa manjary mankatò ny olona raha mihaino ka mino, ary tsy nanam-pinoana ny Israelita matoa tsy nankatò (tsy nino [avy amin’ny hoe apeiteô]). (Ampit. He 3:18, 19.) Ny tena finoana dia “fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” Ny tena finoana koa dia mitaky ny inoana fa misy Andriamanitra “sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy. Izany tena finoana izany àry no mahatonga ny olona hankatò ka hatoky fa hotahina izy rehefa manao izany.—He 11:1, 6.
Tsy manao didiko fe lehibe, na manao didy jadona àry Andriamanitra rehefa mifandray amin’ny olona. Tsy tiany raha mankatò an-jambany ny olona, toy ny ataon’ny biby baikoina amin’ny lamboridy. (Ampit. Jk 3:3; Sl 32:8, 9.) Tsy tiany koa raha mankatò ho fanefana adidy fotsiny ny olona, na mankatò tsy sazoka toy ny nataon’ny demonia tamin’i Kristy sy ny mpianany. (Mr 1:27; Lk 10:17, 20) Tian’i Jehovah kosa raha mankatò azy ny olona satria mankasitraka azy amin’ny fo manontolo. (Sl 112:1; 119:11, 112; Ro 6:17-19) Rehefa mampahafantatra ny sitrapony sy ny fikasany àry izy, dia arahiny fanazavana izany. Mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny, sy ny fitiavana sy ny hatsaran-toetra izany fanazavana izany, ary misy fahendrena sady eken’ny saina. (De 10:12, 13; Lk 1:17; Ro 12:1, 2) Mankatò noho ny fitiavana izay manana toe-po tsara. (1Jn 5:2, 3; 2Jn 6) Mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny rariny ny hafatra ampitain’ny mpanompon’Andriamanitra ka maharesy lahatra an’izay mihaino ary manjary mankatò izany izy ireo. Izany no nahatonga ny apostoly Petera hilaza fa nisy Kristianina “nankatò ny fahamarinana”, ka ‘fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy no vokatr’izany.’—1Pe 1:22; ampit. Ro 2:8, 9; Ga 5:7, 8.
Tena nanam-paharetana tamin’ny Israely i Jehovah. Nilaza izy fa ‘nifoha maraina isan’andro’, ka naniraka mpaminany mba hananatra sy hanitsy azy ireo. Hoy koa izy: “Tontolo andro no namelarako ny tanako tamin’ny vahoaka izay sady tsy mankatò no mamalivaly.” Mbola nataon’izy ireo mafy toy ny vato anefa ny fony, ka tsy laitra nanarina izy ireo. (Je 7:23-28; 11:7, 8; Za 7:12; Ro 10:21) Niezaka nanamarina ny tenany araka izay fomba noheveriny fa mety izy ireo, ka mbola nitandrina ny Lalàna ihany na dia efa taorian’ny nahatongavan’ny Mesia aza. Tsy nanam-pinoana izy ireo sady tsy nankatò ny toromarik’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, ka Israelita maro no tsy tafiditra tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Lasan’ny olona maro hafa firenena àry ny tombontsoa ho anisan’ilay firenena voafidy, izany hoe ny Israely ara-panahy.—Ro 10:1-4; 11:13-23, 30-32.
Mandrisika ny olona hankatò ny tahotra an’Andriamanitra. Fantany mantsy fa Mahery Indrindra Andriamanitra, sady tsy azo fitahina na vazivazina satria mbola hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy. (Ampit. Fi 2:12, 13; Ga 6:7, 8; He 5:7.) Ireo minia tsy mankatò na tsy miraharaha ny sitrapon’Andriamanitra dia ‘hiandry amin-tahotra ny fanamelohana.’—He 10:26-31.
Maro ny olona nankatò sy tsy nivadika tantarain’ny Soratra Masina. Nankatò foana izy ireny na inona na inona nitranga ary na inona na inona fanoherana nanjo azy, ary mampahery izany. Ilay Zanak’Andriamanitra no miavaka indrindra tamin’ireny. “Nanetry tena” izy “ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” (Fi 2:8; He 5:8) Nankatò foana izy ka nohamarinina ary nambara ho marina noho ny ezaka nataony. Afaka nanome ny vatany ho sorona lavorary àry izy mba hanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Ro 5:18-21.
Mankatò an’ireo manana fahefana. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka ny Zanany, ka tokony hankatò azy ny rehetra. (Da 7:13, 14) Izy no “Silo” avy amin’ny fokon’i Joda izay tokony ‘hankatoavin’ireo firenena’ (Ge 49:10), ilay mpaminany toa an’i Mosesy izay tokony hohenoin’izay tsy te ho ringana (As 3:22, 23), ilay ‘filoha sy mpitarika an’ireo firenena’ (Is 55:3, 4), ilay natao “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana” (Ef 1:20, 21), ary ilay tokony ‘handohalehan’ny lohalika rehetra’ ho fanekena ny fahefana nomen’Andriamanitra azy (Fi 2:9-11). Izy no Mpisoronabe ka izay mankatò ny toromariny dia hahazo fanasitranana sy fiainana mandrakizay. (He 5:9, 10; Jn 3:36) Izy no Mpitondra Tenin’Andriamanitra lehibe indrindra, ka azony natao tsara ny nilaza fa ny fankatoavana ny teniny no hany fototra mafy tsara azon’ny olona hanorenana ny hoaviny. (Mt 7:24-27) Tia azy ny mpanara-dia azy matoa mankatò azy. (Jn 14:23, 24; 15:10) Nomen’Andriamanitra anjara asa lehibe teo amin’ny fanatanterahana ny fikasany rehetra ny Zanany. (Ro 16:25-27) Izay mankatò “ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika” ihany àry no hahazo fiainana. Milaza ampahibemaso ny finoany an’i Jesosy koa izay mankatò izany vaovao tsara izany.—2Te 1:8; Ro 10:8-10, 16; 1Pe 4:17.
Lohan’ny fiangonana kristianina i Kristy Jesosy, ka nanome fahefana olon-kafa, anisan’izany ny apostoly. (2Ko 10:8) Mampita ny toromarik’ilay Lohan’ny fiangonana izy ireny, ka mety sady mahasoa ny mankatò azy ireny. (2Ko 10:2-6; Fi 2:12; 2Te 3:4, 9-15) Mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra mantsy izy ireny, ka “miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka.” (He 13:17; 1Pe 5:2-6; ampit. 1Mp 3:9.) Faly ireny mpiandraikitra ireny rehefa vonona hankatò sy hanaiky ny Kristianina, toy ny nataon’ireo Kristianina tany Roma sy Filipy ary nataon’i Filemona koa. Hoy, ohatra, i Paoly tamin’i Filemona: “Izany no anoratako aminao, satria fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.”—Ro 16:19; Fi 2:12, 17; Flm 21.
Oh 23:22) Nankatò ray aman-dreny i Jakoba, ka izany no anisan’ny antony nilazan’i Jehovah hoe: ‘Tiako i Jakoba, fa i Esao kosa halako.’ (Ml 1:2, 3; Ge 28:7) Nankatò ray aman-dreny koa i Jesosy teto an-tany, tamin’izy mbola kely. (Lk 2:51) Hoy i Paoly amin’ny ankizy: “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo.” Tokony hotadidina fa nanoratra ho an’ny Kristianina izy teo. Tsy anisan’ny “zava-drehetra” voaresaka eo àry ny didy mety hahatonga ny Kristianina tsy hankatò an’i Jehovah Andriamanitra, Ray any an-danitra, satria tsy ‘ankasitrahana’ eo anatrehan’ny Tompo izany. (Kl 3:20; Ef 6:1) Asehon’ny Soratra Masina fa tena raharaha lehibe ny hoe tsy mankatò ray aman-dreny. Milaza ny Lalàna fa novonoina ho faty mihitsy aza ny zanaka tsy mpankatò.—De 21:18-21; Oh 30:17; Ro 1:30, 32; 2Ti 3:2.
Eo anivon’ny fianakaviana. Tokony hankatoavina ny ray aman-dreny, ary zo nomen’Andriamanitra azy izany. (Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ka tokony hanaiky azy “amin’ny zavatra rehetra” ny vadiny, ary i Saraha no voalaza fa fakan-tahaka amin’izany. (Ef 5:21-33; 1Pe 3:1-6) Hita eto indray koa fa tena marina ilay hoe tsy tompon’ny fahefana fara tampony ny lehilahy, na dia loham-pianakaviana aza, satria mbola eo ambany fahefan’Andriamanitra sy Kristy izy.—1Ko 11:3.
Mankatò an’ireo tompo sy manam-pahefana. Ampirisihina ny mpanompo mba hankatò ny tompony “amin’ny zava-drehetra”, ary tsy hanao fanompoana eo imaso fotsiny, fa hanompo amin-tahotra an’i Jehovah, “toy ny mpanompon’i Kristy.” (Kl 3:22-25; Ef 6:5-8) Azony alaina tahaka i Kristy Jesosy, raha miaritra fijaliana izy. Afaka manao toy izany koa ny vehivavy kristianina manambady, raha mijaly. (1Pe 2:18-25; 3:1) Voafetra ihany ny fahefana ananan’ny tompo. Marina fa tokony hankatò “amin’ny zava-drehetra” ny mpanompo, nefa tsy amin’ny zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny.
Tokony hankatoavina koa ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra. (Tit 3:1) Andriamanitra mantsy mbola mamela azy ireny hiasa sy hanao zavatra mahasoa ny mpanompony mihitsy aza. Ilazana àry ny Kristianina hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.” (Mr 12:14-17) Tsy noho ny tahotra ny “sabatra”, na sazy ampiharin’i Kaisara, no mahatonga azy ireo hankatò fa noho ny feon’ny fieritreretany. (Ro 13:1-7) Izay lalàna tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ihany àry no ankatoaviny. Koa rehefa nodidian’ny manam-pahefana ny apostoly mba tsy hanao an’ilay asa fitoriana nasain’Andriamanitra nataony, dia hoy izy ireo: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—As 5:27-29, 32; 4:18-20.