Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana

Fanomezana

Zavatra, vola, na fanampiana omen’olona iray na maromaro ho an’olon-kafa. Midika hoe “fanomezana; anjara masina; fanatitra asandratra” ny teny hebreo hoe teromah (Ek 25:2; 29:27), izay avy amin’ny matoanteny hoe rom. Raha adika ara-bakiteny ny hoe rom dia midika hoe “avo; misandratra; manangana” (Jb 22:12; 1Sa 2:1; Ge 14:22), fa raha atao matoantenin’ny mpampanao kosa izy io dia mety hidika hoe “manandratra [fanomezana]” izany hoe “manome.”​—Le 22:15.

Efa hatramin’ny ela no fanaon’ny olona ny manao fanomezana. Nanome firavaka an’i Rebeka, ohatra, ilay zokiolona mpanompon’i Abrahama, rehefa azony antoka fa i Rebeka no nofidin’i Jehovah ho vadin’i Isaka. (Ge 24:13-22) Nomeny fanomezana indray i Rebeka rehefa nankasitrahan’i Labana sy Betoela ilay fanambadiana. “Nomeny zava-tsarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny.” (Ge 24:50-53) Nomen’i Abrahama an’i Isaka ny fananany rehetra, tatỳ aoriana. Fanomezana kosa no nomeny an’ireo zanaky ny vadikeliny, ary nasainy nandeha ireo avy eo.​—Ge 25:5, 6; ampit. 2Ta 21:3.

Fanao angamba fahiny ny nanolotra fanomezana ho an’izay niharam-boina. Rehefa natsahatr’i Jehovah mantsy ny fahorian’i Joba, dia tonga mba hampionona azy ny rahalahiny sy ny anabaviny ary izay rehetra nahafantatra azy taloha, ka samy nanome azy “farantsa volafotsy sy kavina volamena.”​—Jb 42:10, 11.

Manao fanomezana mba handraisan-tsoa. Matetika no nanao fanomezana ny olona mba hahazoany izay niriny. Nanomana fanomezana be dia be ho an’i Esao rahalahiny, ohatra, i Jakoba mba hahazoany sitraka taminy. (Ge 32:13-18; 33:8) Tsy nety nandray izany i Esao, nefa nisisika ihany i Jakoba. Nahoana? Noheverin’ny Tatsinanana hoe tsy mankasitraka mantsy ny olona iray raha manda fanomezana. (Ge 33:10) Rehefa nankany Ejipta koa ireo zanak’i Jakoba, dia nitondra fanomezana ho an’ilay lehilahy nasiaka, niandraikitra ny sakafo tany Ejipta, satria te hahazo sitraka taminy. Nanaraka ny tenin’i Jakoba rainy izy ireo ka ny tsara indrindra tamin’ny vokatry ny tany no nomeny an’ilay lehilahy, izay tsy iza fa i Josefa rahalahiny ihany. (Ge 42:30; 43:11, 25, 26) Nandefa fanomezana volafotsy sy volamena ho an’i Beni-hadada koa i Asa Mpanjaka, mba hanafoanany ny fifanekena nifanaovany tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely.​—1Mp 15:18, 19.

Andraisan-tsoa ny manao fanomezana, satria “ny fanomezana ataon’ny olona dia manokatra lalana maro ho azy, ka mahatonga azy ho eo anatrehan’ny olona ambony.” (Oh 18:16) Mety hampitony fahatezerana ny fanomezana. Tsy hahavita hampitony ny fahatezeran’ny lehilahy iray amin’izay nijangajanga tamin’ny vadiny anefa ny fanomezana na betsaka toy inona aza.​—Oh 21:14; 6:32-35.

Fanomezana ho an’ny mpanjaka, mpaminany, ary olon-kafa. Toa efa fanaon’izay nanatona ny mpanjaka ny nitondra fanomezana. Tsy nitondra fanomezana ho an’i Saoly anefa ireo “lehilahy tsy manjary” nanamavo azy. Nitondra fanomezana betsaka ho an’i Solomona kosa ny olona maro tonga avy tany an-tany lavitra mba hihaino ny fahendreny. Nanaraka fotsiny an’io fanao io ireo mpanandro namangy an’ilay “nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy”, ka nitondra fanomezana ho an’i Jesosy. (1Sa 10:27; 1Mp 10:10, 24, 25; Mt 2:1, 2, 11; jereo koa 2Mp 20:12; 2Ta 17:5.) Nitondra fanomezana koa indraindray ny olona nanatona mpaminany. (1Sa 9:7; 2Mp 8:8, 9) Tsy nanantena na nitaky fanomezana noho ny asa vitany anefa ny mpaminanin’Andriamanitra. Izany no antony nandavan’i Elisa ny “fanomezana ho fisaorana” natolotr’i Namàna.​—2Mp 5:15, 16.

Matetika no nomena fanomezana ny olona noho ny zava-bitany. (2Sa 18:11; Da 2:6, 48; 5:16, 17, 29) Milaza koa ny Lalàna hoe tsy tokony halefa tanam-polo ny mpanompo rehefa nalefa ho olona afaka, fa tokony homena ondry aman’osy, sy vokatra avy teny am-pamoloana sy avy tamin’ny famiazan’oliva sy ny famiazam-boaloboka. (De 15:13, 14) Nifanolotra fanomezana koa ny olona rehefa nisy fotoan-dehibe nahafaly.​—Es 9:20-22; ampit. Ap 11:10.

Fanomezana ho an’ny toerana masina. Nanao fanomezana ny Israelita mba hanorenana toerana hivavahana amin’i Jehovah sy mba hanamboarana ny fitaovana tao. Nitondra “fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah” izy ireo hanaovana ny tranolay masina sy ny kojakoja tao. Nosakanana fotsiny aza izy ireo satria efa “ampy tsara” ny zavatra nomeny “ho an’ny asa rehetra hatao, eny, nihoatra aza.” (Ek 25:1-9; 35:4-9, 20-29; 36:3-7) Nanome volamena sy volafotsy (nitentina 120 200 0000 dolara mahery) izay ‘fananany’ i Davida Mpanjaka hanorenana ny tempoly. Naka tamin’ny ‘fananany’ i Davida Mpanjaka mba hanorenana ny tempoly, ka nanome volamena sy volafotsy nitentina 120 200 0000 dolara mahery. Faly koa ireo andriana sy lehiben’ny vahoaka nanome volamena sy volafotsy nitentina 199 300 0000 dolara mahery, varahina, vy, ary vatosoa.​—1Ta 29:1-9.

Nisy fanomezana notakin’ny Lalàna. Samy hanome “antsasaky ny sekely [angamba 1,10 dolara], araka ny sekelin’ny toerana masina”, ohatra, ny lahy rehetra 20 taona no ho miakatra, ho vidin’ny fanavotana ny ainy, rehefa nisain’i Mosesy ny Israelita. “Fanomezana ho an’i Jehovah” ilay izy, handrakofana ny fahotan’izy ireo sy “hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.” (Ek 30:11-16) Naloa isan-taona io “hetra masina” io, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (Ny Adin’ny Jiosy, VII, 218 [vi, 6]).​—2Ta 24:6-10; Mt 17:24; jereo HETRA.

Nasiana vata teo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah tamin’ny andron’i Joasy Mpanjaka, mba handrotsahana an’ireo fanomezana hanamboarana ny simba tamin’ny tempoly. Faly àry ny andriana sy ny vahoaka nitondra ny “hetra masina.” Nahavitana trano mafy tsara sy fitaovana ho an’ilay tranon’Andriamanitra izany.​—2Ta 24:4-14.

Nanao fanatitra samihafa ho an’i Jehovah ny Israelita, ary nisy tamin’izy ireny notakin’ny Lalàna. Nisy kosa natao an-tsitrapo, toy ny sorona fisaorana sy ny fanatitra fanefana voady.​—Le 7:15, 16; jereo FANATITRA.

Nalain’Andriamanitra ny Levita mba ho fanomezana ho an’ny taranak’i Arona. Nomena an’i Jehovah ny Levita mba hanao ny fanompoana momba ny toerana masina. (No 18:6, 7) Nasain’Andriamanitra nanome ‘ampahafolony’ tamin’ny vokatry ny taniny ny Israelita mba ho an’ny Levita mpisorona. Ny ampahafolon’izany kosa nomen’ny Levita ho an’ny mpisoronabe sy ny fianakaviany. (No 18:26-28; jereo AMPAHAFOLON-KARENA.) Notendren’i Jehovah hiandraikitra an’ireo fanomezana i Arona mpisoronabe, ary nomeny alalana izy sy ny zanany haka tamin’ireo fanatitra sy sorona biby, menaka, divay, varimbazaha, ary voaloham-bokatry ny tany nomen’ny vahoaka ho an’i Jehovah. Nakana hetra ireo zavatra azo babo tany an’ady, ary nomena ny mpisoronabe izany “ho fanomezana ho an’i Jehovah.” Nisy ampahany tamin’ireo azo babo koa nomena ny Levita. (No 31:1, 2, 28-30) Nanompo tao ny Gibeonita sy ny olon-kafa, izay nantsoina hoe Netinima (midika hoe “Ireo Nomena”). (Js 9:27; 1Ta 9:2; Ezr 8:20) Fanomezana masina koa ny sorona sy ny fanomezana natao hanatanterahana ny fanompoana tao.​—Ek 28:38; Le 23:37, 38; No 18:29; Mt 5:23, 24; Lk 21:1.

Nanao fanomezana koa ny tsy Israelita, ho fanohanana ny fivavahana marina. Nanome volafotsy sy volamena ary fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitra i Artaksersesy mpanjakan’i Persa, ny mpanolo-tsainy, ny andrianany, ary ny Israelita tany Babylona, rehefa niala tany i Ezra sy ny Jiosy sasany mba ho any Jerosalema (468 T.K.). Nankinina tamin’ny olona efa voafantina izy ireny nandritra ilay dia.​—Ezr 7:12-20; 8:24-30.

Fananarana momba ny fanomezana. Mampiova ny ao am-po sady mamadika ny rariny ny fanomezana, raha ampiasaina ho kolikoly. Mananatra antsika àry ny Soratra Masina mba hankahala ny fanomezana toy izany, ary melohina koa izay te hahazo izany. (De 16:19, 20; Mpto 7:7; Oh 15:27; Is 1:23; jereo KOLIKOLY, TSOLOTRA.) Toy ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana ny “olona mirehareha hoe hanao fanomezana nefa tsy manao akory.” (Oh 25:14) Mety ho be namana ny olona tia manao fanomezana, saingy tsy azo antoka hateza ny fisakaizana toy izany.​—Oh 19:6.

Melohina mafy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny fanaon’ny olona sasany momba ny fanomezana. Notenenin’i Jesosy mafy, ohatra, ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, satria nandika ilay didy nitaky ny hanajana ny ray sy ny reny. Nilaza mantsy izy ireo fa raha miteny ny olona iray hoe fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra ny fananany, dia tsy voatery hanao adidy amin’ny ray aman-dreniny izy. Mbola afaka mampiasa ny fananany ihany anefa ilay olona. (Mt 15:1-6; jereo KORBANA.) Tsy mendrika ny hoderaina ny olona manao fanomezana, raha manantena hahazo valiny.​—Lk 6:30-36; 14:12-14.

Fanomezan’ny Kristianina. Nandray an’izay fanampiana nomena azy i Jesosy Kristy sy ny apostoliny, rehefa nanao ny fanompoany. (Lk 8:1-3) Fanaon’ny Kristianina voalohany ny nanome fanampiana ho an’ireo rahalahiny sahirana. (1Ko 16:1, 2) Nazoto nanampy an’ireo rahalahiny sahirana, ohatra, ny Kristianina tany Makedonia sy Akaia. ‘Sitrak’izy ireo ny hizara ny fananany ka hanao fanomezana [vola angamba] ho an’izay mahantra tamin’ny olona masina tany Jerosalema.’ (Ro 15:26; jereo FAMORIAM-BOLA.) Mety hidika ara-bakiteny hoe “fizarana” ny teny grika nadika hoe “fanomezana” (kôinônia) ao amin’ny Romanina 15:26 sy 2 Korintianina 9:13. Io teny grika io koa no nampiasaina ao amin’ny Hebreo 13:16, manao hoe: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”

Maro ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy no lasa Kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33. Avy any an-tany hafa izy ireo ka nijanona elaela tao Jerosalema, mba hianatra bebe kokoa momba an’ilay fivavahany vaovao. Nanome an-tsitrapo an’izay nananany àry izy ireo mba tsy hisy ho sahirana. “Niombonan’izy rehetra daholo ny zava-drehetra.” (As 4:32-37; ampit. As 5:1-4.) Nizarana sakafo isan’andro ny mpitondratena sahirana teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema, tatỳ aoriana. (As 6:1-3) Nohazavain’i Paoly hoe iza no mpitondratena mendrika ny homena fanampiana avy tamin’ireo fanomezana voaray.​—1Ti 5:9, 10; jereo FANAMPIANA.

Tsy noterena hanao fanomezana ny Kristianina voalohany. Hoy i Paoly: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2Ko 9:7) Tsy hoe izay manome be akory no tena malala-tanana. Nandinika an’ireo nandrotsa-bola tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly i Jesosy Kristy, indray mandeha. Nandatsaka vola madinika be dia be ny mpanankarena, fa ny vehivavy mpitondratena iray nahantra kosa nandatsaka vola madinika roa faran’izay kely vidy. Hoy i Jesosy: “Io mpitondratena io no nandatsaka betsaka kokoa noho izy rehetra na dia mahantra aza. Izy rehetra mantsy nandatsaka fanomezana avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka ny fivelomany rehetra.” (Lk 21:1-4; Mr 12:41-44) Hoy koa i Paoly momba ny fanampiana an’ireo mpiray finoana mahantra: “Raha misy aloha ny fahavononana hanome, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.”​—2Ko 8:12.

Tsy voatery ho zavatra foana no omena. Nanampy an’ireo nahafoy tena tanteraka tamin’ny fanompoana ny Kristianina. Nanome zavatra ho an’i Paoly sy ny hafa, ohatra, ny Kristianina tany Filipy sady nampiely ny vaovao tsara. Nanohana ny asa fitoriana koa izy ireo rehefa nanao izany. Nisaotra an’Andriamanitra àry i Paoly. Tena nankasitrahany ny fanomezana nalefan’ireo rahalahiny. Tsy nanantena hahazo fanomezana anefa izy, na izany aza.​—Fi 1:3-5; 4:16-18.

Misy zavatra sarobidy kokoa noho ny zavatra ara-nofo azon’ny Kristianina omena. Afaka manome zavatra sarobidy kokoa noho ny zavatra ara-nofo ny Kristianina. Azony omena, ohatra, ny fotoanany na ny fahaizany mba hanatanjahana ny finoan’ny hafa sy mba hampaherezana azy ireo. Mitondra soa lehibe kokoa izany. Ny fanampiana ny hafa hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra no fanomezana lehibe indrindra azo omena, satria mety hahazoany fiainana mandrakizay.​—Jn 6:26, 27; 17:3; As 20:35; 2Ko 12:15; Ap 22:17; jereo FIANTRANA NY MAHANTRA.

Noho ny fitiavana. Mpamorona i Jehovah, ka azy ny zava-drehetra. Mamerina ampahany amin’izay nomen’i Jehovah azy àry ny olona manao fanomezana hampandrosoana ny fivavahana marina. (Sl 50:10; 1Ta 29:14) An’i Jehovah ny zava-drehetra, ka tsy misy olona afaka mampanan-karena azy. (1Ta 29:14-17) Voninahitra ho an’ny mpanompony anefa ny manao fanomezana ho Azy ho porofon’ny fitiavany Azy. Mahasambatra sy ahazoana fitahiana ny manome noho ny antony tsara sy ho fampandrosoana ny fivavahana marina, fa tsy ho fisehosehoana fotsiny na noho ny fitiavan-tena. (As 20:35; Mt 6:1-4; Oh 3:9, 10) Sambatra izay manokana tsy tapaka amin’ny fananany, mba hanohanana ny fivavahana marina sy hanampiana an’ireo tena sahirana.​—1Ko 16:1, 2.

Mpanome tena fakan-tahaka i Jehovah, satria nomeny ho an’ny olona “ny aina sy ny fofonaina [sy] ny zava-drehetra” (As 17:25) ary ny Zanany lahitokana (Jn 3:16). Ataony manankarena koa ny Kristianina mba halala-tanana amin’ny hafa. (2Ko 9:10-15) “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra izany.”​—Jk 1:17.

Jereo koa FANOMEZANA MASINA.