Fanompoana An’i Jehovah Irery Ihany
Avy amin’ny teny hebreo hoe kannaʼ, midika hoe ‘mitaky ny hanompoana azy irery’ (Ek 20:5) na “saro-piaro.” (Prot.; jereo SARO-PIARO, FAHASAROTAM-PIARO.) Tsy ampiasaina afa-tsy amin’Andriamanitra io teny io. Tsy leferin’i Jehovah mihitsy àry ny fivavahana amin’andriamani-kafa.
Tsy homen’Andriamanitra ho an’ny hafa mihitsy ny voninahitra tokony ho azy. (Is 42:8) Hiharan’ny fahatezerany izay tsy manompo azy irery intsony. (De 4:24; 5:9; 6:15) Toy ny hoe vadin’i Jehovah ny Israely, ka rariny raha nitaky ny tsy hivadihan’izy ireo taminy izy. Hafana fo izy hiaro azy ireo. (Ezk 36:5) Toy ny hoe nanitsakitsa-bady àry izy ireo rehefa tsy nankatò an’i Jehovah sy nanompo andriamani-kafa, ka rariny raha nanamparany ny fahatezerany sy ny fahasarotam-piarony.—De 32:16, 21; Ezk 16:38, 42.
Inona no dikan’ny hoe mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah?
Andriamanitra irery ihany no tokony hifikirantsika sy ho tiantsika voalohany indrindra. Tsy tokony hisy olona na zavatra àry haka ny toerany ao am-pontsika, na hotompointsika sy homentsika voninahitra toa azy.
Tsy leferin’i Jehovah ny fandrafiana azy. Hoy ny didy faharoa amin’ny “Teny Folo” na Didy Folo nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao ... Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko ... fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” (De 5:6-9) Toy izao no nandikan’ny Baiboly frantsay nataon’i Drioux (1884) ny Eksodosy 34:14: “Tian’Andriamanitra hiavaka ny fitiavana azy”, izany hoe tsy tokony hisy ho tiana hoatr’azy. Nohamafisin’i Jesosy izany tamin’izy niresaka tamin’ny Jiosy iray te hamandrika azy. (Mt 22:37) Andriamanitra sy Mpanjakan’ny Israely i Jehovah, izany hoe Filoha ara-pivavahana sy Filoham-panjakana. Naniratsira mpanjaka na nivadika àry izay Israelita nandika ny didy voalohany sy faharoa ka nanompo andriamani-kafa. Izany no heloka bevava ratsy indrindra ka mendrika ny sazy mafy indrindra. Saika haripak’i Jehovah ny Israelita indray mandeha satria nanompo andriamani-kafa sy nijangajanga. Mitaky ny hanompoana azy irery ihany mantsy Izy. Voavonjy ihany anefa izy ireo satria nanao zavatra haingana i Finehasa zafikelin’i Arona, noho izy ‘tsy nilefitra mihitsy rehefa nisy nivadika’ tamin’i Jehovah.—No 25:11.
Nafahan’i Jehovah ny vahoakany natao sesitany tany Babylona, satria saro-piaro amin’ny anarany izy. (Ezk 39:25-28) Toy izao no ilazan’ny Baibolin’i Fenton ny Eksodosy 34:14: “Saro-piaro amin’ny ANARANY ilay MANDRAKIZAY.” Tsy ekeny mihitsy àry raha manome voninahitra anaran’andriamani-kafa ny vahoakany.
Tompo sy mpanompo. Mitaky ny hanompoana azy irery ihany ny tompo. I Jehovah anefa no Tompo sy Andriamanitra satria Mpamorona. Zony àry ny mitaky ny hanompoan’ny zavaboariny azy irery ihany sy hanaovan’izy ireo ny sitrapony. Atosiky ny fony hanompo an’i Jehovah irery ihany ny olona tso-po rehefa mahalala azy sy mankasitraka ny fifandraisana aminy. Mahafaly an’i Jehovah izany, satria halany ny fanompoana azy an-tendro-molotra fotsiny. (Mt 15:8, 9) Ahitana ohatra mitovitovy amin’izany ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Nafahana ny mpanompo hebreo rehefa afaka fito taona. “Raha manizingizina anefa izy hoe: ‘Tena tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te hiala aho ary tsy te ho olona afaka’, dia hoentin’ny tompony manatona an’Andriamanitra izy, ka hankininy eo amin’ny varavarana na eo amin’ny tolàna, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.” (Ek 21:2, 5, 6) Noresahin’i Paoly koa fa nanaiky an-tsitrapo ‘hanompo an’Andriamanitra velona sady tena izy’ ny tsy Jiosy lasa Kristianina tany Tesalonika, ka tsy nanompo sampy intsony.—1Te 1:9.
Andriamanitra irery ihany no tompoin’i Jesosy. Niaiky i Jesosy, na tamin’izy tany an-danitra na teto an-tany, fa tsy misy tahaka ny Rainy, ka izy irery ihany no notompoiny. (Fi 2:5-8) Nilaza izy fa ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna. (Mt 22:37) Saro-piaro tamin’ny anaran’i Jehovah izy, ary tiany ho toy izany koa ny mpianany. Manomboka toy izao ilay vavaka nampianariny azy ireo: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Mt 6:9) Tena nafana fo ho an’Andriamanitra koa izy. Nanadio ny tempoly, ohatra, izy, indray mandeha, ka nanatanteraka an’ilay faminaniana hoe: “Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” (Jn 2:17; Sl 69:9) Amin’ny hoavy no hahitantsika ny porofo lehibe indrindra fa manompo an-dRainy irery ihany i Jesosy. Rehefa resiny ny fahefana sy ny fahavalo rehetra, dia hatolony an-dRainy ny Fanjakana. Hanaiky Azy koa izy “mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1Ko 15:24-28.