Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanompoana Masina

Fanompoana Masina

Asa masina ataon’izay manompo an’Andriamanitra.

Midika hoe ‘manompo’ (Ge 14:4; 15:13), “miasa” (Ge 4:12; 29:15; Ek 34:21), na ‘mikarakara’ (De 28:39) ny teny hebreo hoe ʽavad. Ilazana fanompoana masina io teny io rehefa ampiasaina amin’i Jehovah na andriamani-diso. (Ek 10:26; De 11:16) Ilazana fanompoana an’Andriamanitra koa ny teny grika hoe latreoô (Mt 4:10; Lk 1:74; 2:37; 4:8; As 7:7; Ro 1:9; Fi 3:3; 2Ti 1:3; He 9:14; 12:28; Ap 7:15; 22:3), toy izay natao tao amin’ny toerana masina na tempoly (He 8:5; 9:9; 10:2; 13:10), na ilazana an’izay nataon’ireo nanompo zavatra noforonina. (As 7:42; Ro 1:25) Ny fanompoana an’Andriamanitra ihany no ampiasana ny anarana hoe latreia, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Jn 16:2; Ro 9:4; 12:1; He 9:1, 6) Midika koa hoe “fanompoana” ny teny grika hoe diakônia, saingy tsy misy ifandraisany amin’ny zava-masina fa amin’ny zavatra fanao andavanandro.

I Jehovah Andriamanitra ihany no tokony hivavahana na hanaovana fanompoana masina. (Mt 4:10; Lk 4:8) Nanaovany fifanekena ny Jiosy, ka tokony ho Jiosy daholo ireo zanak’Andriamanitra ateraky ny fanahy sy voatendry ho ‘mpisorona sy mpanjaka’ mba hanao fanompoana masina ho Azy. Tsy nino an’i Kristy Jesosy anefa ny ankamaroany ka tsy voafidy. (Ro 9:3-5, 30-33; 1Pe 2:4-10) Nihevitra i Saoly (tamin’izy mbola tsy Kristianina) sy ny Jiosy maro fa nanao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy ireo, rehefa nanenjika an’ireo mpianatr’i Kristy.​—Jn 16:2; As 26:9-11; Ga 1:13, 14.