Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanompoana Tsy Maintsy Atao

Fanompoana Tsy Maintsy Atao

Avy amin’ny teny hebreo hoe sevel, izay teny ilazana entana ara-bakiteny na an’ohatra, enta-mavesatra tsy maintsy entina, na asa manasatra. Ilazana ny asa ampanaovin’ny manam-pahefana ny mponina ao amin’ny faritra iray koa izy io, ary tsy andraisan-karama na zara raha andraisana.

Hoy i Jehovah tamin’izy nanafaka ny Israely avy tany Ejipta: “Nesoriko teo an-tsorony ny enta-mavesatra [na fanompoana tsy maintsy nataony].” (Sl 81:6; Ek 1:11) Nasain’i Solomona Mpanjaka hanorina zavatra maro ireo voantso hanao fanompoana, ary nanendry lehiben’ny mpiasa hanara-maso azy ireo izy. (1Mp 5:13; 9:15, 23) Hitany hoe tia niasa mafy i Jeroboama tanora, ka “notendreny ho mpiandraikitra ny fanompoana rehetra tsy maintsy nataon’ny taranak’i Josefa”, izany hoe izay nataon’ireo voantso hanao fanompoana avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Manase.​—1Mp 11:26-28.

Iray tarika amin’ny hoe sevel ny teny hoe sabbal (“mpitondra entana”). Nisain’i Solomona ny lehilahy vahiny tany Israely, ka nataony mpitondra entana ny 70 000 tamin’ireo. (2Ta 2:2, 17, 18) Anisan’ny nanamboatra ny simba tamin’ny tempoly “ireo mpitondra entana” tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka, taona maro tatỳ aoriana.​—2Ta 34:12, 13.

Raharaha miaramila na asa any an’ady no tena dikan’ny hoe tsavaʼ (heb.), nefa midika koa izy io hoe “fanompoana tsy maintsy atao” mba hanefana trosa na hanonerana fahadisoana. Nilazana àry i Jerosalema fa efa tapitra ny “asa an-terivozona [na raharaha miaramila]” nataony, ary efa voaonitra ny fahadisoany. (Is 40:1, 2) Noharin’i Joba tamin’ny “asa an-terivozona” mandreraka ny fiainany, tamin’izy niharam-pitsapana sy kivy ary nijaly. Hoy izy: “Tsy asa an-terivozona ve no anjaran’ny olombelona mety maty, eto an-tany? Ary tsy toy ny andron’ny mpikarama ve ny androny?” (Jb 7:1) Hoy koa izy tamin’Andriamanitra: “Vao mainka ho tezitra amiko [ianao]. Fahoriana misesisesy no manjo ahy” na “asa an-terivozona mifanesy no ampanaovina ahy.” (Jb 10:17) Toy ny hoe nampian’Andriamanitra ny fahoriany, satria nifanesy ny olana nanjo azy. Noharin’i Joba tamin’ny asa an-terivozona koa ny fotoana ijanonan’ny maty ao amin’ny Fasana, satria terena hiandry ao izy ireny. Nanantena anefa izy fa mbola hitsangana ny maty.​—Jb 14:14.