Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanompoan’i Jesosy Teto An-tany

Fanompoan’i Jesosy Teto An-tany

MISY vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona maro eran-tany ny fanompoan’i Jesosy Kristy. Nifantoka foana tamin’ny tanjony izy. Hoy izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’​—Lk 4:43.

Nitety toerana maro izy, ary hita eo amin’ireo sarintany ireo ny dia nataony. Saika nandeha an-tongotra foana izy tamin’izany. Nankany Jerosalema koa izy isaky ny fety. Avy tao Jerosalema izy no nankany amin’ny faritr’i Jodia. Tany amin’ny faritanin’i Galilia anefa izy no tena nanompo. Tonga hatrany amin’ny faritr’i Tyro, Sidona, Dekapolisy, ary Pere koa izy. Nanome fanazavana feno momba ny fahamarinana izy, ka modely ho an’ny mpanara-dia azy.​—Jn 18:37; As 1:8; Mt 28:19, 20.

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy Teto An-tany, Topy Maso

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy teto an-tany, tamin’ny faramparan’ny taona 29 ka hatramin’ny Paska taona 30

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy teto an-tany, taorian’ny Paska taona 30 ka hatramin’ny Paska taona 31

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy teto an-tany, taorian’ny Paska taona 31 ka hatramin’ny Paska taona 32

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy teto an-tany, taorian’ny Paska taona 32 ka hatramin’ny Fetin’ny Fitokanana taona 32

SARITANY: Fanompoan’i Jesosy teto an-tany, taorian’ny Fetin’ny Fitokanana taona 32 ka hatramin’ny 14 Nisana taona 33