Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanompoan’ny Apostoly Paoly

Fanompoan’ny Apostoly Paoly

NIRAHIN’I Jesosy ho apostoly ho an’ny hafa firenena i Paoly, ka nazoto nitory. (Ro 11:13) Nankany Sipra sy Azia Minora izy, tamin’ny diany misionera voalohany. Noroahin’ny vahoaka romotra tany ivelan’ny tanàna izy, ary notoraham-bato ka saika maty. Niverina nampahery an’ireo lasa Kristianina anefa izy.

Tonga tany Makedonia sy Gresy izy, tamin’ny diany faharoa, ary afaka nitory teny amin’ny Areopago tao Atena.

Nitory telo taona teo ho eo tao Efesosy (tanàna teo amin’ny fihaonan’ireo lalamben’ny Fanjakana Romanina) izy, tamin’ny diany fahatelo, avy eo nankany Makedonia sy Gresy mba hampahery ny fiangonana tany.

Nogadrain’ny Romanina izy, nefa nanararaotra ny fotoana nigadrany mba hanoratana taratasy izay lasa anisan’ny Baiboly ankehitriny.

SARITANY: Dia Misionera Voalohany Nataon’i Paoly

SARITANY: Dia Misionera Faharoa Nataon’i Paoly

SARITANY: Dia Misionera Fahatelo Nataon’i Paoly

Damaskosy: Ilay lalana atao hoe Imahitsy. Nentina tao amin’ny trano iray teo amin’io lalana io i Saoly lasa jamba, rehefa niova finoana (As 9:3-16)

Kianja filalaovana tao Efesosy: Nisahotaka tao ny mpivavaka tamin’i Artemisy (sary ankavia) nanohitra ny fitorian’i Paoly (As 19:29-41)

Antiokia any Pisidia efa ravarava. Nihaino tsara an’i Paoly ny tao amin’ny synagoga, saingy nandroaka azy tany ivelan’ny tanàna ny vahoaka romotra (As 13:14-50)

Fonja fahiny efa ravarava tany Filipy. Nokapohina sy nogadraina tany i Paoly, nefa lasa Kristianina ilay mpiambina ny fonja sy ny ankohonany (As 16:19-34)

Mandan’i Tesalonika fahiny. Nandresy lahatra niorina tamin’ny Soratra Masina i Paoly tao, saingy nampisavorovoro ny tanàna ny vahoaka romotra (As 17:1-9)

Korinto fahiny efa ravarava sy Acrocorinthe, havoana be vato. Nampitandreman’i Paoly ny Kristianina tany mba tsy haloto fitondran-tena toy ny manodidina azy ireo

Acropole any Atena ankehitriny. Eo aloha ankavanana ny Areopago, izay nitorian’i Paoly

SARITANY: Dian’i Paoly Nankany Roma

Nambenana roa taona tao an-tranony i Paoly tao Roma, ary notarihin’ny fanahy hanoratra taratasy dimy tamin’izay