Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanorenana

Fanorenana

Manangana na manao zavatra amin’ny alalan’ny akora na fitaovana no dikan’ny hoe “manorina.” Banah ny teny hebreo midika hoe “manorina”, ary niavian’ny hoe binyan (“tranobe”; Ezk 41:12), sy tavnit (“modely” [Ek 25:40]; ‘sary’ [De 4:16]; ‘planina’ [1Ta 28:11]). Ôikôdômeô kosa ny matoanteny grika midika hoe ‘manorina’, ary ôikôdôme (“trano”) ny anarana iray tarika aminy.​—Mt 16:18; 1Ko 3:9.

I Jehovah Andriamanitra izay Mpamorona ny zava-drehetra no Mpanorina faran’izay mahay. (He 3:4; Jb 38:4-6) Ny Teny, izay lasa Jesosy Kristy, no Mpiasa Tena Mahay nampiasainy tamin’Izy namorona ny zava-drehetra. (Jn 1:1-3; Kl 1:13-16; Oh 8:30) Tsy mahay mamorona hoatran’i Jehovah ny olona fa zavatra efa misy no ampiasainy rehefa manorina. Efa hatry ny ela anefa ny olona no nahay nanao planina, nanamboatra fitaovana, ary nanorina satria voajanahary aminy izany.​—Ge 1:26; 4:20-22.

I Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva, no resahin’ny Baiboly voalohany hoe nanorina tanàna, izay nampitondrainy ny anaran’i Enoka zanany. (Ge 4:17) I Noa indray nanamboatra sambofiara araka ny modely nomen’i Jehovah azy. (Ge 6:13, 14) I Nimroda izay “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah” kosa no nanorina ny tanànan’i Babela, Ereka, Akada, Kalne, Ninive, Rehobota-ira, Kala, ary Resena.​—Ge 10:9-12.

Nanorina an’i Pitoma sy Ramesesy, tanàna fitehirizana entana sy vokatra, ho an’i Farao ny Israelita andevo tany Ejipta. (Ek 1:11) Nahita tanàna sy trano naorin’ny Kananita kosa ny Israelita tamin’izy ireo nampidirin’i Jehovah tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Maro tamin’ireny no lasan’izy ireo.​—De 6:10, 11.

Natao araka ny modely nomen’Andriamanitra ny tranolay masina sy ny fitaovany rehetra tany an-tany efitra, ka i Mosesy no niandraikitra ny asa. (Ek 25:9) I Bezalila sy Oholiaba kosa no nitarika an’ilay fanorenana. Nampitomboin’ny fanahy masina ny fahaizan’izy ireo ka vitany an-tsakany sy an-davany araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Mosesy ilay izy.​—Ek 25:40; 35:30–36:1.

Azon’i Davida ny tanànan’i Jerosalema rehefa resiny ny Jebosita. Nanorina trano sy zavatra hafa be dia be tao izy, anisan’izany ny tranony. (2Sa 5:9-11) Mpanorina nalaza koa i Solomona zanany, ka ny tempolin’i Jehovah no niavaka indrindra tamin’izay nataony. Naoriny araka ny planina azon’i Davida teo ambany herin’ny fanahy masina izy io. (1Ta 28:11, 12) Nanome volamena, volafotsy, varahina, vy, hazo, vato, ary vatosoa be dia be mba hanorenana ny tempoly i Davida sy ny vahoaka. Nangonin’i Davida daholo ireny. (1Ta 22:14-16; 29:2-8) Nampian’i Hirama mpanjakan’i Tyro i Solomona, toy ny efa nanampiany an’i Davida, ka nomeny mpiasa maro sy akora, indrindra fa hazo sedera sy zenevrie. (1Mp 5:7-10, 18; 2Ta 2:3) Nalefany tany koa i Hirama (Hiram-aby) (avy any Tyro ny rainy ary Israelita ny reniny). Tena nahay nanao asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo ary lamba izy io.​—1Mp 7:13, 14; 2Ta 2:13, 14.

Anisan’ny zavatra naorin’i Solomona koa ny tranony, ny Trano Alan’i Libanona, ny Lala-mitafo Maro Andry, ary ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana. Naharitra 20 taona ny fanorenana ny tempoly sy ny tranom-panjakana hafa. (1Mp 6:1; 7:1, 2, 6, 7; 9:10) Nanorina tanàna eran’ilay fanjakana i Solomona avy eo, toa an’i Gazera, Beti-horona Ambany, Baleta, ary Tamara tany an-tany efitra. Nanorina tanàna fitehirizana entana sy vokatra, fanatobiana kalesy, ary tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly koa izy. (1Mp 9:17-19) Nisy vavahadin’ny tanàna sy manda nofongarina tany Palestina, indrindra fa tany Hazora, Megido, ary Gazera. I Solomona no nanao an’ireny vavahady sy manda ireny, hoy ny mpikaroka.

Ireto avy ny mpanjaka nanao fanorenana tany Joda sy Israely: I Rehoboama zanak’i Solomona, izay niavaka noho izy nanamafy toerana voaro mafy sy nanisy tahirin-tsakafo tao, sady nanorina indray an’i Betlehema, Etama, Tekoa, Beti-zora, Soko, Adolama, Gata, Maresa, Zifa, Adoraima, Lakisy, Azeka, Zora, Aialona, ary Hebrona (2Ta 11:5-11); i Basa (Israely) izay “nanorina an’i Rama”; i Asa (Joda) izay nanorina an’i Mizpa sy Geba an’i Benjamina; ary i Ahaba (Israely) izay nanao trano ivoara sy tanàna maro. (1Mp 22:39) Nanorina indray an’i Jeriko i Hiela Betelita ka maty i Abirama lahimatoany noho ny nanaovany ny fototra, ary maty i Segoba faralahiny noho ny nananganany ny vavahadiny, araka ny faminanian’i Josoa.​—1Mp 15:17, 22; 16:34; Js 6:26.

Nanorina zavatra maro i Ozia mpanjakan’ny Joda. (2Ta 26:9, 10) Nahita hevitra hiarovana mafy an’i Jerosalema izy ka nampanamboatra “fitaovam-piadiana noforonin’ny lehilahy mahay.” (2Ta 26:15) Izy koa, hoy ny mpikaroka, no nahita fomba hafakely hiarovana mafy ny tilikambo, araka ny asehon’ny sary mivohitra ahitana ny fanafihan’i Sankeriba an’i Lakisy.

Nanao fanorenana be dia be koa i Jotama. (2Ta 27:3, 4) I Hezekia kosa nanao an’i Jerosalema ho tanàna voaro mafy, ary nanisy tionelina fandehanan’ny rano avy teo amin’ny loharanon’i Gihona nankao an-tanàna. (2Ta 32:2-5, 30) Mbola mahita an’io tionelina io ny mpitsidika an’i Jerosalema ankehitriny.

Olona 50 000 teo ho eo no niala tany Babylona niaraka tamin’i Zerobabela, taorian’ny sesitany. Nanorina indray ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema izy ireo, ary vita ny 6 Martsa 515 T.K. ilay izy. Tatỳ aoriana, dia niainga avy tany Sosana i Nehemia mba hanorina indray ny mandan’ilay tanàna (455 T.K.).​—Ezr 2:1, 2, 64, 65; 6:15; Ne 6:1; 7:1.

Nalaza ho nandresy firenena maro i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nanorina zavatra betsaka koa anefa izy, toy ireo tempoly ho an’ny andriamani-diso tao Babylona sy lalana ary zavatra hafa ho an’ny vahoaka. Ireo tempoly, lapa, arabe, fefiloha, manda, ary zavatra hafa naoriny no resahin’ny soratra nataony fa tsy ireo firenena resiny. Tena nahatalanjona ny nanaovany ny tanànan’i Babylona fahiny, sy ilay Zaridaina Mihantona nataony hampifalifaliana an’ilay Medianina vadiny izay nanembona ny tany aminy. Anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto an-tany io zaridaina io.

Nanorina indray ny tempolin’i Jehovah faharoa efa rava i Heroda Lehibe Mpanjaka. Tsy natoky sy tsy tia azy anefa ny Jiosy, ka tsy maintsy nataony vonona ireo fitaovana, vao narodany tsikelikely ilay tempoly sady naoriny ihany ilay vaovao. Tsy tempoly fahatelo tamin’ny Jiosy ilay tempoly vaovao, na izany aza no fiantsoan’ny sasany azy io. Efa 46 taona no nanorenana an’ilay tempoly tamin’ny taona 30 A.K. (Jn 2:20), ary mbola nitohy an-taonany maro izany taorian’izay. Nanorina an’i Kaisaria tanàna nisy seranan-tsambo koa i Heroda. Nanorina indray an’i Samaria koa izy, ary nanao fanorenana lehibe hafa tany Palestina sy tany an-tany hafa.

Niasa tamin’ny fanorenana i Jesosy teto an-tany satria “mpandrafitra.”​—Mr 6:3.

Tany, hazo isan-karazany, vato, vatosoa, metaly, lamba, lalotra, rihitra ary godorao no nampiasaina hanorenana fahiny. Nampiasaina koa ny sokay natao lalotra fotsy, sy ny loko nandokoana hazo fandravahana sy lamba. Nolokoana na nasiana verinia ny biriky indraindray.​—Jereo BIRIKY.

Ireto avy ny fitaovam-panorenana resahin’ny Baiboly: Famaky (De 19:5), marotoa (Mpts 4:21), marotoan’ny mpanefy sy riandriana ary fantsika (Is 41:7), tsofa (Is 10:15), tsofam-bato (1Mp 7:9), tady fandrefesana (Za 1:16; 2:1), bararata fandrefesana (Ezk 40:3; Ap 21:15), pilao (Am 7:7, 8; Za 4:9, 10), filamatra (2Mp 21:13; Is 28:17), fandraka sy kômpà (Ek 20:25; Is 44:13), antsy fanaovana sokitra (Is 44:12; Je 10:3), ary mizana (Is 40:12).

Heviny an’ohatra. Oharina amin’ny trano na tempoly ‘izay an’Andriamanitra’ ny fiangonana kristianina, ary antsoina hoe “toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.” Ny apostoly sy ny mpaminany no fototra, ary i Kristy Jesosy no vato fehizoro. (1Ko 3:9; Ef 2:20-22) Tanteraka tamin’ny tenany, hoy i Jesosy, ny Salamo 118:22, ka izy “ilay vato” nolavin’ny “mpanao trano”, na ny mpitondra fivavahana jiosy sy ny mpanara-dia azy ireo. (Mt 21:42; Lk 20:17; As 4:11; 1Pe 2:7) “Vato velona” kosa no ilazana ny Kristianina voahosotra tsirairay. (1Pe 2:5) Oharina koa amin’ny tanàna izay antsoina hoe Jerosalema Vaovao ny fiangonana nomem-boninahitra, na ny ampakarin’i Jesosy Kristy.​—Ap 21:2, 9-21.

Toy ny mpanorina roa samy hafa ny mpihaino azy, hoy i Jesosy Kristy: Misy manorina eo ambony vatolampy izany hoe mankatò azy, ka lasa manana toetra sy fomba fiaina tsara ary tsy kivy raha tojo fanoherana sy fahoriana oharina amin’ny rivo-mahery. Misy kosa manorina eo ambony fasika ka tsy mahavita miaritra. (Mt 7:24-27) “Lehiben’ny fanorenana” ny apostoly Paoly ka nilaza fa toy ny manao fanorenana ny Kristianina manampy ny hafa hanana toetra tsara. (1Ko 3:10-15) Hoy i Jesosy tamin’ny Jiosy, indray mandeha: “Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako izy ao anatin’ny telo andro.” (Jn 2:19) Noheverin’ny Jiosy hoe ny tempolin’i Heroda no noresahiny, ka niampanga azy toy izao ny vavolombelona rehefa notsaraina izy: “Efa renay izy nilaza hoe: ‘Harodako ity tempoly nataon-tanana ity ka hanorina hafa tsy nataon-tanana aho rehefa afaka telo andro.’” (Mr 14:58) “Tempoly” an’ohatra anefa no noresahin’i Jesosy, dia “ny vatany.” Novonoina ho faty izy ary natsangana tamin’ny andro fahatelo. (Jn 2:21; Mt 16:21; Lk 24:7, 21, 46) Natsangan’i Jehovah izy ka nomeny vatana hafa, dia vatana ara-panahy nataon’ny (naorin’ny) Rainy. Tsy nataon-tanana izy io, tsy hoatran’ny tempolin’i Jerosalema. (As 2:24; 1Pe 3:18) Tsy eo ihany ny Baiboly no mampiasa teny hoe “manorina” rehefa miresaka vatan’olona, fa izao koa no voalaza momba ny namoronana an’i Eva: “Ary i Jehovah Andriamanitra nanao [a.b.t.: nanorina] vehivavy tamin’ilay taolan-tehezana nalainy tamin-dralehilahy.”​—Ge 2:22.

Nilaza i Jesosy Kristy fa ho variana hanorina trano sy hanao ny asa aman-draharahany ny olona amin’ny “andro farany”, toy ny tamin’ny andron’i Lota ihany, ka tsy hahatsapa hoe akaiky ny farany. Ho tonga tampoka amin’izy ireo àry ny fandringanana.​—Lk 17:28-30; jereo TAOTRANO; TOERANA VOARO MAFY.