Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha

Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha

Zavatra mbola tsy mitranga na mbola tsy misy no lazaina eto hoe fantatra mialoha. I Jehovah Andriamanitra Mpamorona no resahin’ny Baiboly fa tena mahalala izany, indrindra fa izay misy ifandraisany amin’ny fikasany. Lazaina fa voatendry mialoha ny olona na zavatra hitranga iray raha efa voatondro, ohatra, hoe inona no hataon’ilay olona na inona no hiseho.

Teny tany am-boalohany. Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina no ahitana an’ireo teny nadika hoe “fantatra mialoha” sy “voatendry mialoha.” Ahitana hevitra mitovy amin’izy ireo koa anefa ao amin’ny Soratra Hebreo.

Ny teny grika hoe prôgnôsis (avy amin’ny hoe prô [aloha] sy gnôsis [fahalalana]), no nadika hoe ‘fantatra mialoha.’ (As 2:23; 1Pe 1:2) Matoanteny iray tarika amin’izy io ny hoe prôginôskô. Nampiasa an’io matoanteny io i Paoly rehefa niresaka momba an’ireo Jiosy “nahalala tsara” azy taloha. (As 26:4, 5) Io matoanteny io koa no nampiasain’i Petera rehefa nilaza izy hoe: “Fantatrareo mialoha izany.” (2Pe 3:17) Voafetra ihany anefa ny fahalalan’ireo Kristianina nanoratan’i Petera, satria tsy fantatr’izy ireo daholo ny tsipiriany rehetra momba ny fotoana sy ny toerana ary ny zavatra hitranga noresahiny. Fantatr’izy ireo tamin’ny ankapobeny fotsiny ilay izy, noho ny fandinihany an’ireo boky nasain’Andriamanitra nosoratan’i Petera sy ny Kristianina hafa.

Ny teny grika hoe prôôrizô (avy amin’ny hoe prô [aloha] sy hôrizô [manoritra na mamaritra ny fetra]) kosa no nadika hoe ‘manendry mialoha.’ Ahitana ny hevitry ny matoanteny grika hoe hôrizô, ohatra, ny tenin’i Jesosy Kristy hoe: “Ny Zanak’olona handeha araka izay efa voatendry [hôrismenôn].” Hoy koa i Paoly momba an’Andriamanitra: “Efa nisy fotoana voatondrony sy faritra noferany [hôrisas] honenan’ny olona.” (Lk 22:22; As 17:26) Mety hidika koa hoe “tapa-kevitra” ilay matoanteny, toy ny amin’ireo mpianatra “tapa-kevitra [hôrisan]” ny handefa fanampiana ho an’ireo rahalahiny sahirana. (As 11:29) Andriamanitra ihany anefa no resahin’ny Soratra Grika Kristianina hoe manendry mialoha.

Lafin-javatra tokony hotadidina. Ireto avy no tokony hotadidina, mba hahatakarantsika hoe inona avy no fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha:

Voalohany, milaza mazava ny Baiboly fa hain’Andriamanitra ny manendry mialoha sy mamantatra mialoha izay hitranga. Porofo omen’i Jehovah ny amin’ny maha Andriamanitra azy ny fahaizany mamantatra mialoha sy manendry mialoha an’izay hahazo famonjena sy fanafahana, na fanamelohana sy sazy, ary ny fahaizany manatanteraka izany. Vavolombelon’izany ny vahoaka nofidiny. (Is 44:6-9; 48:3-8) Marina daholo àry ny faminaniana nasainy nambaran’ny mpanompony. (Is 42:9; Je 50:45; Am 3:7, 8) Nanontanian’Andriamanitra ireo firenena fahavalon’ny vahoakany raha toa ireo lehilahy maheriny sy ny sampiny ka afaka nanaporofo hoe tena andriamanitra izy ireny. Hainy ve, ohatra, ny nilaza mialoha hoe iza no hovonjeny na hosaziny, ary afaka nanatanteraka an’izay nolazainy ve izy ireny? Tsy nisy nahavita izany anefa ny sampiny, ka hita fa “rivotra sy zava-poana.”​—Is 41:1-10, 21-29; 43:9-15; 45:20, 21.

Faharoa, afaka misafidy ny zavaboary manan-tsaina. Andraikitra koa anefa izany. Asehon’ny Soratra Masina fa Andriamanitra no nanome izany safidy sy andraikitra izany (De 30:19, 20; Js 24:15), ka hataony ampamoaka amin’izay ataony izy ireo. (Ge 2:16, 17; 3:11-19; Ro 14:10-12; He 4:13) Tsy toy ny milina tsy manan-tsafidy àry izy ireo. Tsy azo lazaina hoe noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olona, raha tsy manan-tsafidy. (Ge 1:26, 27; jereo FAHAFAHANA.) Tsy misakana ny zavaboary manan-tsaina hanao safidy mihitsy àry ny hoe misy zavatra efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha.

Fahatelo, tokony hotadidina foana koa ny fitsipik’Andriamanitra sy ny toetrany. Tia sy manao ny rariny izy, milaza ny marina, tsy manavakavaka, be fitiavana, mamindra fo, ary tsara fanahy. Tsy maintsy mifanaraka foana amin’ireo toetrany rehetra ireo àry ny fampiasany ny fahaizany manendry mialoha sy mamantatra mialoha izay hitranga. Tsy maintsy tanteraka foana izay efa fantany mialoha, ka afaka miantso “ny zavatra tsy misy ho toy ny misy” izy.​—Ro 4:17.

Efa fantatr’Andriamanitra mialoha ve izay rehetra hataon’ny olona?

Tsy manam-petra mihitsy ve ny fahaizan’Andriamanitra mamantatra mialoha izay hitranga? Tsinjony mialoha sy fantany mialoha daholo ve izay hataon’ny anjely sy ny olona rehetra? Mandahatra mialoha an’izany na izay hiafaran’ny zavaboariny rehetra ve izy, na dia mbola tsy teraka akory aza izy ireo?

Sa kosa izy mifantina na mifidy an’izay tiany hofantarina mialoha, ka izay fidiny hofantarina ihany no fantany? Mijery ve izy hoe manao ahoana ny fomba fiainan’ny olona iray ary ahoana no ataony rehefa misy fitsapana, vao mamantatra hoe hahazo fiainana mandrakizay ilay olona na tsia? Tsy maintsy ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana ireo. Resahin’izy io mantsy izay ataon’Andriamanitra amin’ny zavaboariny sy izay nampahafantariny tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy Zanany.​—1Ko 2:16.

Ny fiheveran’ireo mino ny lahatra. Mino izy ireo fa efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha daholo izay hataon’ny olona rehetra sy hiafarany. Mahalala ny zava-drehetra mantsy, hono, Andriamanitra ka tsy ny lasa sy ny ankehitriny ihany no fantany fa ny hoavy koa, satria lavorary izy. Tsy ho tena lavorary, hono, izy raha tsy fantany mialoha hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny zava-drehetra. Resahin’izy ireo fa efa voalahatr’Andriamanitra mialoha, ohatra, ny fiainan’i Esao sy Jakoba zanak’i Isaka, raha mbola tsy teraka akory izy mirahalahy. (Ro 9:10-13) Porofoin’ny Efesianina 1:4, 5 koa, hono, fa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha ny hoavin’ny zavaboariny rehetra, na dia talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao aza.

Raha marina anefa izany, dia tokony hifanaraka amin’ny lafin-javatra rehetra tetsy aloha, sy amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny toetran’Andriamanitra sy ny fitsipiny sy ny fikasany ary izay ataony amin’ny zavaboariny. (Ap 15:3, 4) Hojerentsika àry raha mitombina ny fiheveran’ireo mino ny lahatra.

Raha mitombina ilay izy, dia midika hoe efa tsinjon’Andriamanitra mialoha sy efa fantany talohan’ny namoronany ny anjely sy ny olona, fa hikomy ny anjely iray sy ny mpivady voalohany tao Edena (Ge 3:1-6; Jn 8:44), ary hisy voka-dratsiny hatramin’izao sy any aoriana izany. Midika koa izany fa efa nosaintsaininy sy efa fantany mialoha hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny faharatsiana rehetra (heloka bevava sy fitondran-tena ratsy, fampahoriana sy fijaliana, lainga sy fihatsarambelatsihy, fivavahan-diso sy fanompoan-tsampy), raha mbola tsy namorona akory izy.

Raha efa fantatry ny Mpamorona hatramin’ny voalohany anefa ny zava-drehetra hitranga aorian’ny hamoronany ny olona, dia ho ninia nampisy ny faharatsiana rehetra izy rehefa niteny hoe: “Andeha isika hanao olona.” (Ge 1:26) Tsy mitombina àry ny fiheveran’ireo mino ny lahatra. Nilaza koa i Jakoba mpianatr’i Jesosy fa tsy avy amin’Andriamanitra ny korontana sy ny zava-dratsy hafa, fa “avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia” kosa.​—Jk 3:14-18.

Fantatr’Andriamanitra mialoha daholo ve? Voaresaka tetsy aloha ny fiheveran’ireo mino ny lahatra hoe tsy maintsy mahalala mialoha amin’ny an-tsipiriany ny zava-drehetra hitranga Andriamanitra, noho izy lavorary. Izany tokoa anefa ve no atao hoe lavorary? Azo lazaina hoe lavorary na tonga lafatra ny olona na zavatra iray, rehefa hitan’izay manan-jo hitsara azy fa mifanaraka tanteraka amin’ny fitsipika napetrany izy io. (Jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA.) Izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ihany, fa tsy izay mifanaraka amin’ny fiheveran’ny olona, no atao hoe lavorary na tonga lafatra.​—De 32:4; 2Sa 22:31; Is 46:10.

Intỳ misy ohatra: Mahery indrindra Andriamanitra, ary tonga lafatra sy tsy manam-petra ny heriny. (1Ta 29:11, 12; Jb 36:22; 37:23) Hampiasa ny heriny manontolo foana anefa ve izy, satria hoe tonga lafatra ny heriny? Mbola tsy nanao izany mihitsy izy. Raha izany mantsy no nataony, dia tsy ho firenena na tanàna vitsivitsy fahiny ihany no ringana, fa ny tany manontolo mihitsy no ho potika, tamin’izy nampihatra ny didim-pitsarany sy naneho ny fahatezerany tamin’ny alalan’ny Safodrano sy ny fomba hafa. (Ge 6:5-8; 19:23-25, 29; ampit. Ek 9:13-16; Je 30:23, 24.) Tsy manampatra ny heriny manontolo àry izy rehefa mampiasa ny heriny, fa manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany foana, ary maneho famindram-po amin’izay mendrika izany.​—Ne 9:31; Sl 78:38, 39; Je 30:11; Ft 3:22; Ezk 20:17.

Toy izany koa fa raha mifantina an’izay tiany hofantarina mialoha Andriamanitra, iza ny olombelona na anjely manan-jo hanontany azy hoe: “Inona ity ataonao?” (Jb 9:12; Is 45:9; Da 4:35) Tsy azo lavina fa afaka manendry mialoha sy mamantatra mialoha izay hitranga Andriamanitra, satria ‘hainy ny zava-drehetra.’ (Mt 19:26) Izay tiany ihany anefa no fantariny mialoha sy tendreny mialoha, satria “izay rehetra mahafinaritra azy, dia ataony.”​—Sl 115:3.

Fantenany izay hofantariny mialoha. Raha marina ny hoe fantenan’Andriamanitra izay tiany hofantarina mialoha, dia tokony hifanaraka amin’ny fitsipiny sy izay lazain’ny Teniny momba azy izany. Asehon’ny andininy maro tokoa fa tsy mandahatra mialoha an’izay hitranga Andriamanitra, fa mandinika an’izay mitranga izy vao manapa-kevitra ny amin’izay hataony.

Nijery sy nandinika an’izay nitranga tao Babela izy, ohatra, vao nanapa-kevitra hoe inona no hatao mba hampandamòka ny tetikasan’ireo mpikomy tao. (Ge 11:5-8) Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa haniraka anjely hamotopototra momba ny fitomboan’ny faharatsiana tao Sodoma sy Gomora izy. Fa nahoana? Hoy izy: “Mba hahitako raha tena araka ny fitarainana tonga atỳ amiko tokoa ny zavatra ataony. Ary raha tsy araka izany, dia ho fantatro koa.” (Ge 18:20-22; 19:1) Nilaza koa Andriamanitra hoe ‘efa fantany tsara i Abrahama.’ Rehefa saika hanao sorona an’i Isaka anefa i Abrahama, vao tena niaiky i Jehovah hoe: “Fantatro tokoa izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.”​—Ge 18:19; 22:11, 12; ampit. Ne 9:7, 8; Ga 4:9.

Afaka mifidy ny tsy hahalala mialoha izay rehetra hataon’ny zavaboariny Andriamanitra, satria fantenany izay tiany hofantarina mialoha. Tsy hoe efa tsinjony mialoha ny fizotran’ny tantaran’olombelona rehetra taorian’ny famoronana, ka efa voalahatra mialoha daholo izay hitranga. Tamim-pahatsorana kosa no nilazany tamin’ny mpivady voalohany hoe afaka ny hiaina mandrakizay eto amin’ny tany tsy misy faharatsiana izy ireo. Izy mivady no zanany lahy sy vavy voalohany teto an-tany. Tena tiany izy ireo matoa nataony lavorary sy tsy misy ota, ary nasainy hameno ny tany, hanao ny tany ho paradisa, ary hanjaka amin’ny biby. Tsy asa nampanaoviny azy ireo fotsiny ilay izy, fa fanomezam-boninahitra koa. Tsy hoe efa voaozona ny tsy hahomby izy ireo. Misy antony àry matoa nametraka an’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” tao Edena Andriamanitra. Natao hitsapana azy mivady ilay izy. Natoky azy ireo izy matoa nasiany “hazon’aina” koa tao. Tsy fantany mialoha mantsy hoe hanota izy ireo ka tsy ho afaka hihinana amin’ilay “hazon’aina” mihitsy.​—Ge 1:28; 2:7-9, 15-17; 3:22-24.

Tena mpihatsaravelatsihy sy lozabe Andriamanitra raha mampanantena fiainana mandrakizay, nefa efa fantany fa tsy hahazo izany mihitsy ny olona. Resahin’ny Baiboly anefa fa tanjona azon’ny olona rehetra tratrarina ny hiaina mandrakizay. Nampirisihin’i Jesosy ‘hangataka sy hitady foana’ zava-tsoa avy amin’Andriamanitra ny mpihaino azy, satria tsy hisy ray hanome an-janany vato na bibilava, hoy izy, raha angatahina mofo na trondro. Tsy handiso fanantenana azy ireo koa ny Rainy, satria hoy i Jesosy: “Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.”​—Mt 7:7-11.

Tena amim-pahatsorana àry no anasan’Andriamanitra ny olona rehetra handray soa sy fitahiana mandrakizay. (Mt 21:22; Jk 1:5, 6) Tena amim-pahatsorana koa no ampirisihany azy ireo ‘hiala amin’ny fahadisoany mba ho velona’, toy ny nampirisihany ny Israely fahiny. (Ezk 18:23, 30-32; ampit. Je 29:11, 12.) Tsy ho afaka hanao izany i Jehovah raha efa fantany mialoha sy efa voalahatra izay olona ratsy fanahy ho ringana. (Ampit. As 17:30, 31; 1Ti 2:3, 4.) Hoy izy tamin’ny Israely: “Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: ‘Mitadiava ahy, nefa ho sasa-poana ianareo.’ Izaho no Jehovah, ary izay marina sy mahitsy no lazaiko. ... Mitadiava ahy dia ho voavonjy ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany.”​—Is 45:19-22.

Hoy koa ny apostoly Petera: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany [hoe ho avy ny andro hanaovany ampamoaka], araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2Pe 3:9) Raha efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny ela be mialoha anefa hoe iza avy no ho voavonjy mandrakizay na ho ringana mandrakizay, dia tsy ho tena “manam-paharetana” izy ary tsy ho tena tiany ho ‘tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ Nilaza anefa ny apostoly Jaona fa “Andriamanitra dia fitiavana”, ary nilaza i Paoly fa “manantena ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1Jn 4:8; 1Ko 13:4, 7) Izany no mahatonga an’Andriamanitra ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra ka hanome fotoana azy ireo hibebahana, mandra-pahitany hoe tsy mety miova intsony izy ireo. Tiany ho voavonjy mantsy izy ireo. (Ampit. 2Pe 3:9; He 6:4-12.) Hoy àry i Paoly: “Mitarika anao hibebaka ny hatsaram-panahiny.”​—Ro 2:4-6.

Tsy azo lazaina koa hoe tena natao ho an’ny olona rehetra ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy, raha toa ka efa fantatr’Andriamanitra alohan’ny hahaterahan’ny olona an-tapitrisany fa tsy handray soa amin’izany sy tsy ho mendrika an’izany mihitsy izy ireo. (2Ko 5:14, 15; 1Ti 2:5, 6; He 2:9) Tsy mizaha tavan’olona anefa Andriamanitra. “Fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (As 10:34, 35; De 10:17; Ro 2:11) Tena asaina daholo ny olona rehetra mba ‘hitady an’Andriamanitra. Raha ny marina, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.’ (As 17:26, 27) Tsy fampanantenana poakaty àry ilay fanasan’Andriamanitra hoe: “Aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”​—Ap 22:17.

Ny zavatra fantatra mialoha sy voatendry mialoha. Ny zavatra misy ifandraisany amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony no resahin’ny Baiboly fa fantany mialoha sy voatendriny mialoha. Midika hoe manana tanjona na zavatra tiana hotratrarina ny hoe “mikasa.” (Midika ara-bakiteny hoe “fametrahana na fanisiana [zavatra] eo aloha” ny teny grika hoe prôtesis nadika hoe “fikasana.”) Azo antoka fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, ka azony fantarina mialoha sy tendrena mialoha izay fomba hitany fa mety hanatanterahana izany sy izay hitranga rehefa tanteraka izany. (Is 14:24-27) ‘Mamolavola’ ny fikasany momba ny hoavy i Jehovah (ny hoe ‘mamolavola’ dia avy amin’ny teny hebreo hoe yatsar, izay misy ifandraisany amin’ny teny nadika hoe “mpanefy tanimanga” [Je 18:4]). (2Mp 19:25; Is 46:11; ampit. Is 45:9-13, 18.) Andriamanitra no Mpanefy Tanimanga Lehibe, ka ‘izy no mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.’ (Ef 1:11) “Ataony miara-miasa” mba hahasoa an’ireo tia azy ‘ny zava-drehetra ataony.’ (Ro 8:28) Izay misy ifandraisany amin’ny fikasany no tena fantariny mialoha, ka ‘ambarany hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, ary ambarany hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.’​—Is 46:9-13.

Noforonin’Andriamanitra ho lavorary ny mpivady voalohany, ary hitany fa “tena tsara” ny zava-drehetra noforoniny. (Ge 1:26, 31; De 32:4) “Nanomboka nitsahatra” tamin’ny asany àry izy taorian’izay, fa tsy nanahy be hoe hivadika izy mivady. (Ge 2:2) Mahery indrindra sy faran’izay hendry mantsy izy, ka tsy hisy toe-javatra na sampona na olana mety hatahorany hoe hampandamòka ny fikasany. (2Ta 20:6; Is 14:27; Da 4:35) Mihevitra anefa ireo mino ny lahatra fa raha tsy fantarin’Andriamanitra mialoha izay hitranga, dia mety tsy ho tanteraka ny fikasany fa “mety ho voasakantsakana foana satria tsy tsinjony mialoha izay hitranga. Ho voatery hanitsy ny fomba fiasany sy izay tsy mety foana koa izy, satria mety hamoa-tsampona ny zavaboariny.” Raha fantenany koa, hono, izay tiany hofantarina mialoha, dia mety ho vitan’ny zavaboariny ny “hanafoana an’izay fepetra noraisiny ka ho voatery hiova hevitra foana izy. Hikorontan-tsaina àry izy ka ho sorena.” (Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong, 1894, Boky Faha-8, p. 556) Tsy mitombina anefa izany, rehefa dinihina ny Baiboly. Na ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany aza tsy mila ‘manahy ny amin’ny ampitso’, koa mainka fa ilay Mpamorona! Toy ny “rano indray mitete avy amin’ny siny” fotsiny mantsy ny firenena matanjaka aminy.​—Mt 6:34; Is 40:15.

Momba ny antokon’olona. Misy andininy milaza fa efa fantatr’Andriamanitra mialoha izay hataon’ny antokon’olona, na firenena, na ny ankamaroan’ny olona. Nolazainy mialoha àry izay fepetra horaisiny momba azy ireo. Mbola nanan-tsafidy ihany anefa ny olona tsirairay tamin’ireny. Ireto misy ohatra:

Nilaza i Jehovah talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa fa haringany ny olona sy ny biby. Efa nahita ny fitomboan’ny herisetra sy faharatsiana anefa izy, vao nanapa-kevitra ny hanao izany. ‘Mahalala ny ao am-pon’ny zanak’olombelona’ koa izy. Nandinika àry izy ka nahita fa ‘zava-dratsy foana no nalehan’ny sain’ny olona’ tamin’izany. (2Ta 6:30; Ge 6:5) Nanao ny tsara anefa ny olona sasany, toa an-dry Noa mianakavy, ka nankasitrahan’Andriamanitra ary tsy ringana.​—Ge 6:7, 8; 7:1.

Nampanantena Andriamanitra fa ho “fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” ny firenen’Israely, raha manaja ny fifanekena nataony taminy. Rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina anefa izy ireo, 40 taona teo ho eo taorian’izay, dia nilaza mialoha i Jehovah fa hivadika amin’ilay fifanekena ilay firenena ka hafoiny. Efa hitany mantsy fa tia nikomy sy tsy nankatò izy ireo. Hoy àry izy: ‘Fantatro tsara ny toe-tsaina mihamahazo vahana eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, na dia alohan’ny hampidirako azy ao amin’ilay tany nianianako taminy aza.’ (Ek 19:6; De 31:16-18, 21; Sl 81:10-13) Nahalala mialoha Andriamanitra fa hiharatsy fitondran-tena ny Israely, satria fantany ny toe-tsaina nihanahazo vahana tao amin’izy ireo. Tsy tompon’andraikitra tamin’izany anefa izy. Tsy misy hafa amin’ny olona iray mahalala mialoha fa tsy hateza ny trano iray, satria hitany fa tsy dia tsara ny fitaovana nanorenana azy ary nanao alasafay ireo mpiasa. Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahasimban’ilay trano anefa izy. Marina foana ilay fitsipik’Andriamanitra hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Ga 6:7-9; ampit. Ho 10:12, 13.) Nisy mpaminany àry nampitandrina fa hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra, satria efa hita fa nivadika ilay firenena sady ratsy ny toe-pony. (Sl 7:8, 9; Oh 11:19; Je 11:20) Nanaiky ny torohevitr’Andriamanitra sy ny fananarany ary ny fampitandremany anefa ny olona sasany, ka nankasitrahany.​—Je 21:8, 9; Ezk 33:1-20.

Afaka namantatra an’izay tao am-pon’ny olona ny Zanak’Andriamanitra. (Mt 9:4; Mr 2:8; Jn 2:24, 25) Nomen’Andriamanitra fahefana koa izy hahalala mialoha sy hilaza mialoha an’izay hitranga sy ny didim-pitsarana hampiharin’Andriamanitra. Nilaza mialoha, ohatra, izy fa ho any amin’ny Gehena ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. (Mt 23:15, 33) Tsy midika anefa izany hoe efa voaozona ho ringana ny Fariseo sy mpanora-dalàna rehetra. Lasa apostoly Paoly mantsy ny Fariseo iray. (As 26:4, 5) Nilaza koa i Jesosy fa hisy loza hanjo an’i Jerosalema sy ny tanàna hafa tsy nety nibebaka. Tsy midika anefa izany hoe efa voalahatra mialoha hiharan’izany loza izany ny olona tsirairay tao amin’ireo tanàna ireo. (Mt 11:20-23; Lk 19:41-44; 21:20, 21) Fantatr’i Jesosy koa ny toe-tsaina mahazo vahana ao amin’ny olona sy ny toe-pon’izy ireo. Nambarany mialoha àry ny toe-piainana hisy amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” sy ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. (Mt 24:3, 7-14, 21, 22) Naminany koa ny hiavian’ny “antikristy” (1Jn 2:18, 19; 2Jn 7) sy ny hiafaran’izy io (2Te 2:3-12; 2Pe 2:1-3; Jd 4) ny apostolin’i Jesosy, satria efa nampahafantarin’Andriamanitra azy izany.

Momba ny olona sasany. Fantatr’Andriamanitra mialoha koa ny hataon’ny olona sasany, toa an’i Esao sy Jakoba (voaresaka tany aloha), ilay Farao resahin’ny Eksodosy, Samsona, Solomona, Josia, Jeremia, Kyrosy, Jaona Mpanao Batisa, Jodasy Iskariota, ary Jesosy Zanak’Andriamanitra.

Nofantarin’i Jehovah mialoha izay hataon’i Samsona sy Jeremia ary Jaona Mpanao Batisa, raha mbola tsy teraka akory izy ireo. Tsy nilaza mialoha izay hiafaran’izy ireo anefa izy. Notendreny mialoha ho Nazirita nandritra ny androm-piainany sy hanafaka ny Israelita tamin’ny Filistinina i Samsona, notendreny ho mpaminany i Jeremia, ary notendreny hialoha lalana ny Mesia i Jaona Mpanao Batisa. (Mpts 13:3-5; Je 1:5; Lk 1:13-17) Voninahitra lehibe ny azy telo mirahalahy, nefa tsy antoka izany hoe ho voavonjy mandrakizay na tsy hivadika mandra-pahafatiny izy ireo (na dia tsy nivadika tokoa aza izy telo lahy). Nilaza mialoha koa i Jehovah fa hatao hoe Solomona ny iray tamin’ny zanakalahy maro be naterak’i Davida, ary izy io no voatendriny hanorina ny tempoly. (2Sa 7:12, 13; 1Mp 6:12; 1Ta 22:6-19) Voninahitra tokoa izany, ary nanoratra boky ao amin’ny Baiboly mihitsy aza izy. Nivadi-pinoana anefa izy rehefa antitra.​—1Mp 11:4, 9-11.

Nolazain’Andriamanitra mialoha koa fa ny vahoaka taranak’i Jakoba no hahery kokoa noho ny taranak’i Esao (Ge 25:23-26), fa tsy nolazainy kosa izay hiafaran’izy mirahalahy. Midika izany fa i Jakoba no hahazo ny zon’ny lahimatoa, ka hipoitra avy aminy ilay ‘taranak’i’ Abrahama nampanantenaina. (Ge 27:29; 28:13, 14) Tsy araka izay efa fanao na izay ampoizin’ny olona àry no ifidianan’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray. Tsy miankina fotsiny amin’izay ataon’ilay olona koa no anomezany andraikitra azy, sao hihevitra ilay olona hoe ‘manan-jo’ hahazo an’ilay andraikitra izy. Nanasongadina izany i Paoly rehefa nanazava fa nomen’Andriamanitra andraikitra sy voninahitra koa ny hafa firenena, fa tsy ny Israelita ihany, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.​—Ro 9:1-6, 10-13, 30-32.

Ny Malakia 1:2, 3, izay nosoratana ela be taorian’ny andron’i Jakoba sy Esao, no naverin’i Paoly rehefa nilaza izy fa tian’i Jehovah i Jakoba, fa i Esao kosa halany. Tsy milaza àry ny Baiboly hoe efa izay no fihetseham-pon’i Jehovah tamin’ireo kambana ireo, tamin’izy ireo mbola tsy teraka. Porofoin’ny siansa fa vao miforona ao an-kibo ny zaza dia efa azo fantarina ny ankamaroan’ny toetrany, satria nolovany tamin’ny rainy sy ny reniny izany. Fantatr’Andriamanitra izany, matoa nilaza i Davida hoe hitan’i Jehovah izy “na dia mbola vao niforona aza.” (Sl 139:14-16; jereo koa Mpto 11:5.) Tsy fantatra raha izany no nahatonga an’i Jehovah hilaza mialoha fa i Jakoba no ho tiany kokoa noho i Esao. Tsy midika anefa izany hoe efa voalahatra ho ringana i Esao sy ny Edomita taranany. Voaozona koa ny firenena kananita, nefa nisy Kananita nifandray tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ihany ka nahazo fitahiana. (Ge 9:25-27; Js 9:27; jereo KANANA, KANANITA No. 2.) Tsy tia zavatra ara-panahy i Esao ka tsy nomen’i Isaka rainy azy ilay tsodrano natokana ho an’ny lahimatoa, fa nomeny an’i Jakoba. Tsy nibebaka mihitsy i Esao ka tsy nahazo an’ilay tsodrano, na dia nitalaho mafy tamin-dranomaso aza izy mba ‘hiova hevitra’ i Isaka.​—Ge 27:32-34; He 12:16, 17.

Naminany i Jehovah fa hisy taranak’i Davida hantsoina hoe Josia hanafoana ny fanompoan-tsampy tao Betela. (1Mp 13:1, 2) Tanteraka tokoa izany, 300 taona mahery tatỳ aoriana. (2Mp 22:1; 23:15, 16) Maty anefa izy rehefa tsy nihaino “ny teny nampilazain’Andriamanitra an’i Neko.” (2Ta 35:20-24) Mbola afaka nifidy ihany àry izy hoe hanaiky torohevitra na tsia, na dia efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha hanafoana ny fanompoan-tsampy aza.

Nilaza koa i Jehovah efa ho 200 taona mialoha, fa hampiasa an’i Kyrosy izy mba hanafaka ny Jiosy tany Babylona. (Is 44:26-28; 45:1-6) Tena nisy Persianina nantsoina hoe Kyrosy nanatanteraka an’io faminaniana io. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe lasa mpivavaka tamin’i Jehovah izy. Asehon’ny tantara kosa fa mpanompo sampy foana izy.

Tsy mifanohitra amin’ny toetran’Andriamanitra na ny fitsipiny àry ny nahafantarany mialoha izay hataon’ireo olona ireo, raha mbola tsy teraka akory izy ireo. Tsy notereny hanao zavatra tsy tian’izy ireo koa izy ireo. Tsy nofantarin’i Jehovah mialoha koa izay hataon’i Farao sy Jodasy Iskariota talohan’ny nahaterahan’izy ireo, na izay hataon’ny Zanany talohan’ny namoronana azy. Misy fitsipika arahin’Andriamanitra foana rehefa mifidy ny hamantatra mialoha sy hanendry mialoha izy. Andeha hojerentsika ireo fitsipika ireo.

Misy zavatra ataon’Andriamanitra na avelany hitranga amin’ny olona iray mba hitsapany azy, na ataon’Andriamanitra izay hahalalany ny teniny. Tsy maintsy mifidy izay hataony àry ilay olona amin’izay, ka ho hitan’i Jehovah ny tena toe-pony. (Oh 15:11; 1Pe 1:6, 7; He 4:12, 13) Arakaraka izay ataon’ilay olona sy ny safidiny no amolavolan’Andriamanitra azy avy eo. (1Ta 28:9; Sl 33:13-15; 139:1-4, 23, 24) Mety hisy zavatra irin’ny ‘fon’ilay olona’ àry aloha, vao mitarika ny diany i Jehovah. (Oh 16:9; Sl 51:10) Rehefa ao anatin’ny fitsapana ny olona iray vao hita ny tena toe-pony: Mikiry manao ratsy sy mikomy ve izy, sa tena tia an’i Jehovah Andriamanitra ka te hanao ny sitrapony foana? (Jb 2:3-10; Je 18:11, 12; Ro 2:4-11; He 3:7-10, 12-15) Ny safidy ataony àry no ahafahana milaza mialoha ny hiafarany. Ara-drariny tanteraka izany fa tsy hoe fanitsakitsahana ny zony hisafidy.​—Ampit. Jb 34:10-12.

Manamarina izany izay nataony tamin’i Abrahama (voaresaka teny aloha) sy tamin’ilay Farao be di-doha resahin’ny Eksodosy. Fantatr’i Jehovah mialoha fa tsy hamela ny Israelita handeha mihitsy i Farao, “raha tsy hampiasana hery.” (Ek 3:19, 20) Efa voatendriny mialoha àry hoe hisy loza hahafaty ny lahimatoa rehetra tao Ejipta. (Ek 4:22, 23) Izay nolazain’i Paoly momba ny nataon’Andriamanitra tamin’i Farao no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fon’ny olona mba hanatanterahana ny fikasany, ka tsy miraharaha an’izay tian’ilay olona na ny toe-pony izy. (Ro 9:14-18) Milaza ny Baiboly sasany fa ‘hanamafy ny fon’i Farao’ Andriamanitra, araka ny teniny tamin’i Mosesy. (Ek 4:21, Prot.; ampit. Ek 9:12; 10:1, 27, Prot.) Misy anefa Baiboly milaza hoe ‘navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny’ i Farao. (TV) Mitovitovy amin’izany koa ny voalazan’ny Baiboly nadikan’i Rotherham. Resahin’ny fanazavana fanampiny ao amin’izy io fa amin’ny teny hebreo, dia matetika no aseho ho toy ny antony mahatonga zavatra iray ny famelana azy hitranga, ary “na ny baiko aza indraindray heverina fotsiny hoe famelana zavatra hitranga.” Ny teny hebreo ao amin’ny Eksodosy 1:17, ohatra, dia midika ara-bakiteny hoe “nahatonga an’ireo zazalahy ho velona” ny mpampivelona. Navelany ho velona anefa ireo zazalahy, raha ny marina, satria tsy novonoiny ho faty. Noresahin’ny Baiboly nadikan’i Rotherham fa mitovy hevitra amin’izany i M. Kalisch sy H. Gesenius ary B. Davies, izay samy manam-pahaizana momba ny teny hebreo. Nohazavain’izy io fa ny hevitry ny teny hebreo ao amin’ny Eksodosy dia hoe “navelan’Andriamanitra hanamafy ny fony i Farao, ka nomeny fotoana izy hanatanterahana ny fanirian-dratsy tao am-pony. Izay fotsiny ilay izy.”​—Ny Baiboly Manamafy Hevitra, fanazavana fanampiny, p. 919; ampit. Is 10:5-7.

Marina tokoa izany satria voalaza fa “nanamafy ny fony” i Farao. (Ek 8:11, 28, Prot. [8:15, 32, TV]) Izy ihany no nifidy ny hanamafy ny fony. Efa tsinjon’i Jehovah mialoha sy nolazainy mialoha àry izay ho vokatr’izany. Imbetsaka izy no navelan’i Jehovah hisafidy ka voatery nanapa-kevitra. Vao mainka anefa izy nanamafy ny fony. (Ampit. Mpto 8:11, 12.) Navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny i Farao mandra-pahatapitr’ireo loza folo, mba hanehoany ny heriny sy hampahalaza ny anarany eran-tany. Nohamafisin’i Paoly izany rehefa namerina ny voalazan’ny Eksodosy 9:16 izy.​—Ro 9:17, 18.

Efa voalahatr’Andriamanitra hamadika an’i Jesosy ve i Jodasy, mba hahatanteraka ny faminaniana?

Tanteraka tokoa ny faminaniana rehefa namadika an’i Jesosy i Jodasy Iskariota. Porofo koa izany fa mahalala mialoha izay hitranga i Jehovah sy ny Zanany. (Sl 41:9; 55:12, 13; 109:8; As 1:16-20) Tsy nilaza mialoha anefa Andriamanitra hoe i Jodasy ilay mpamadika. Nilaza fotsiny ny faminaniana hoe hisy naman’i Jesosy hamadika azy, fa tsy nolazainy ny anarany. Tsara hotadidina koa ilay fitsipik’Andriamanitra hoe: “Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny olona, fa arovy ny tenanao mba hadio hatrany.” (1Ti 5:22; ampit. 3:6.) Nivavaka nandritra ny alina manontolo tamin-dRainy àry i Jesosy, mba hahaizany hifidy amim-pahendrena an’ireo apostoliny 12. (Lk 6:12-16) Raha efa voalahatra ho mpamadika anefa i Jodasy, dia toa midika izany fa ratsy ny fitarihan’Andriamanitra, ary niombona ota tamin’i Jodasy izy.

Mbola tsy nisy faniriana ny hamadika àry tao am-pon’i Jodasy, tamin’izy nofidina ho apostoly. Namela ‘faka misy poizina hitsimoka’ handoto azy anefa izy, ka nanaiky hotarihin’ny Devoly hangalatra sy hamadika, fa tsy nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra intsony. (He 12:14, 15; Jn 13:2; As 1:24, 25; Jk 1:14, 15; jereo JODASY No. 4.) Fantatr’i Jesosy àry ny tao am-pon’i Jodasy tamin’izy io nanaiky hofitahin’ny Devoly, ka afaka nilaza mialoha izy fa hamadika azy i Jodasy.​—Jn 13:10, 11.

Marina fa nilaza toy izao ny Jaona 6:64, rehefa nisy mpianatra tafintohina tamin’ny fampianaran’i Jesosy: “Hatrany am-piandohana [“hatramin’ny voalohany”, Prot.] mantsy dia efa fantatr’i Jesosy hoe iza avy no tsy nino, ary iza ilay hamadika azy.” Ny fiandohan’ny famoronana no tian’ny 2 Petera 3:4 holazaina amin’ny hoe ‘fiandohana’ (gr.: arke), nefa azo ilazana fotoana hafa koa izy io. (Lk 1:2; Jn 15:27) Nilaza, ohatra, i Petera fa nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanahy masina, “toy ny nilatsahany tamintsika tamin’ny voalohany.” Tsy tamin’izy vao lasa mpianatra na apostoly anefa no tiany holazaina tamin’ny hoe “voalohany”, fa ilay fotoana nandatsahana “voalohany” ny fanahy masina tamin’ny mpianatra, dia ny Pentekosta taona 33, izay fotoan-dehibe teo amin’ny fanompoany. (As 11:15; 2:1-4) Mahaliana àry ny fanazavan’i Lange, manam-pahaizana momba ny Baiboly, ny Jaona 6:64, hoe: ‘Tsy ny fiandohan’ny zava-drehetra ilay fiandohana, na tamin’i Jesosy vao sambany nahafantatra ny mpianany tsirairay, na izy vao nifidy an’ireo mpianatra hiaraka aminy, na izy lasa Mesia ka nanomboka ny fanompoany, fa tamin’ny vao nitsimoka tao am-pon’ny mpianatra sasany ny tsy finoana [izay nahatonga azy ireo ho tafintohina]. Azo lazaina koa àry fa fantany hatrany am-piandohana ilay hamadika azy.’ (Fanazavana ny Soratra Masina, nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976, p. 227; ampit. 1Jn 3:8, 11, 12.) Misy an’izao fanamarihana ambany pejy izao koa ao amin’ny Fiainana Feno, Baiboly Fianarana: “Ny mety ho hevitr’izany dia hoe fantatr’i Jesosy fa efa nanomboka nivily niala tamin’ny finoany voalohany i Jodasy sady namoron-tsaina hamadika Azy. ... Tatỳ aoriana anefa i Jodasy dia niala tamin’ny nahim-pony (Asa 1:25) ... Tsy hoe olona anankiray efa voatendry hatramin’ny fahagola mihitsy no hamadika an’i Kristy.”

Voatendry mialoha ny Mesia. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra mialoha sy nambarany mialoha fa hijaly ny Mesia, hovonoina ho faty, ary hatsangana amin’ny maty. (As 2:22, 23, 30, 31; 3:18; 1Pe 1:10, 11) Naneho ny heriny Andriamanitra nefa koa nanao zavatra ny olona sasany, matoa tanteraka ireny faminaniana ireny. (As 4:27, 28) Nanaiky ho voafitak’i Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra anefa ireny olona ireny. (Jn 8:42-44; As 7:51-54) Na ny Kristianina tamin’ny andron’i Paoly aza ‘nahafantatra ny teti-dratsin’i Satana’, mainka fa Andriamanitra! Tsinjony mialoha tokoa fa handrisika olona hanana fanirian-dratsy sy hampiasa teti-dratsy ny Devoly mba hamelezana an’i Jesosy Kristy, ilay Voahosony. (2Ko 2:11) Azon’Andriamanitra natao koa ny nampandamòka na nisakana an’izay tetika tsy nifanaraka tamin’ny fomba na fotoana voalazan’ny faminaniana.​—Ampit. Mt 16:21; Lk 4:28-30; 9:51; Jn 7:1, 6-8; 8:59.

Nilaza i Petera hoe ‘efa fantatra mialoha talohan’ny nanorenana [endriny hafa amin’ny teny grika hoe katabôle] izao tontolo izao [kôsmo]’ i Kristy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra hanao sorona ny ainy. Milaza àry ireo mino ny lahatra fa talohan’ny namoronana ny olombelona no nahafantaran’Andriamanitra izany. (1Pe 1:19, 20) Midika ara-bakiteny hoe “manipy” ny teny grika hoe katabôle nadika eo hoe ‘manorina’, na koa hoe ‘manana anaka’ ao amin’ny Hebreo 11:11. Marina fa tamin’Andriamanitra namorona ny mpivady voalohany no “nanorenana” an’izao tontolo izao (He 4:3, 4), saingy tsy zanak’Andriamanitra intsony izy mivady rehefa nanota. (Ge 3:22-24; Ro 5:12) Nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa anefa izy roa ka navelany hiteraka sy hanan-taranaka. Anisan’ny zanany i Abela izay nankasitrahan’Andriamanitra ka nanantena ny hahazo fanavotana sy famonjena. (Ge 4:1, 2; He 11:4) Noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:49-51 koa ny amin’ny “ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” Nilaza izy fa “nanomboka tamin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria” izany. Nasehon’i Jesosy àry fa tamin’ny andron’i Abela ilay “nanorenana izao tontolo izao” noresahin’i Petera.

Ny Mesia na Kristy no Taranaka nampanantenaina, ary amin’ny alalany no hitahiana ny olo-marina amin’ny firenena rehetra eto an-tany. (Ga 3:8, 14) Efa taorian’ilay fikomiana tany Edena, fa talohan’ny nahaterahan’i Abela kosa, vao noresahina ny amin’io ‘taranaka’ io (Ge 3:15), izany hoe 4 000 taona teo ho eo talohan’ny nampiharihariana an’ilay “zava-miafina masina”, na nahafantarana hoe iza marina ilay ‘taranaka’ na Mesia. “Tsy naharihary mihitsy hatramin’ny ela be” àry io zava-miafina io.​—Ro 16:25-27; Ef 1:8-10; 3:4-11.

Notendren’i Jehovah Andriamanitra hanatanteraka an’ilay faminaniana momba ilay ‘taranaka’ ny Zanany lahimatoa, tamin’ny fotoana voatondrony. Izy àry ilay Mesia. Tsy hoe talohan’ny namoronana azy na talohan’ilay fikomiana tany Edena anefa izy no efa “voalahatra” ho toy izany. Tsy anjoanjo fotsiny koa no nifidianan’Andriamanitra azy. Efa niara-niasa akaiky foana izy mianaka talohan’ny nanirahany azy tetỳ an-tany. ‘Fantatr’i’ Jehovah tsara àry ny Zanany, ka natoky izy fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany an’ireo faminaniana momba azy izy io.​—Ampit. Ro 15:5; Fi 2:5-8; Mt 11:27; Jn 10:14, 15; jereo JESOSY KRISTY (Notsapaina sy natao lavorary).

Voatendry mialoha ireo ‘voantso sy voafidy.’ Misy koa ireo Kristianina “voantso” na ‘voafidy’ (Jd 1; Mt 24:24), izay ‘voafidy araka ny efa fantatr’Andriamanitra mialoha’ (1Pe 1:1, 2), ‘voafidy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao’, ‘voatendry mialoha mba hatsangana ho zanak’Andriamanitra’ (Ef 1:3-5, 11), ary ‘voafidy hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena sy voantso ho amin’izany indrindra.’ (2Te 2:13, 14) Ny Kristianina voahosotra tsirairay ve ireo voatendry mialoha ireo? Sa izay rehetra hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra, dia ny fiangonana kristianina izay “vatana iray” ihany?​—1Ko 10:17; Ef 1:22, 23; 2:19-22; He 3:1, 5, 6.

Raha efa voatendry mialoha ho voavonjy mandrakizay ny Kristianina voahosotra tsirairay, dia toa midika izany fa tsy hivadika mihitsy izy, satria efa fantatr’Andriamanitra mialoha ny momba azy ary tsy tokony ho diso hevitra mihitsy Andriamanitra. Tsy tokony ho voasakana na handamòka mihitsy koa ny fikasany momba azy. Nilaza anefa i Petera sy Paoly fa misy efa ‘voavidy’ sy ‘nohamasinina’ tamin’ny ran’ny sorom-panavotan’i Kristy, sy efa “nanandrana ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra” sy ‘anisan’ny nahazo ny fanahy masina, ary efa nanandrana ny herin’ilay tontolo ho avy’, nefa mihemotra sy tsy mety mibebaka ka hahatonga fandringanana ho an’ny tenany. (2Pe 2:1, 2, 20-22; He 6:4-6; 10:26-29) Hoy àry ireo apostoly ireo: “Tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana.” “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.” (2Pe 1:10, 11; Fi 2:12-16) “Voantso ho apostolin’i Jesosy Kristy” i Paoly (1Ko 1:1), nefa tsy nihevitra hoe efa voalahatra ho voavonjy mandrakizay ny tenany. Nilaza mantsy izy fa mbola niezaka mafy ho tonga amin’ny ‘tanjona, mba hahazoany ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra avy any ambony’ (Fi 3:8-15), sao izy indray no “tsy hankasitrahana.”​—1Ko 9:27.

Homena ny “satroboninahitry ny fiainana” ny Kristianina voahosotra, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny, na dia iharam-pitsapana aza. (Ap 2:10, 23; Jk 1:12) Mety tsy ho azony koa anefa ilay satroboninahitra ka tsy hiara-manjaka amin’ny Zanak’Andriamanitra izy. (Ap 3:11) Natoky i Paoly fa ‘notehirizina’ ho azy “ny satroboninahitry ny fahamarinana.” Efa akaiky ho ‘vitany’ anefa tamin’izay ny ‘fihazakazahany’, matoa izy afaka nilaza izany.​—2Ti 4:6-8.

Raha efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha kosa ny hisian’ny fiangonana kristianina, na ilay “firenena masina” (1Pe 2:9) manontolo (fa tsy ny Kristianina voahosotra tsirairay), dia midika izany fa notendreny mialoha ny “modely” tokony harahin’ireo rehetra ho voantso ho anisan’ilay fiangonana, ary mifanaraka amin’ny fikasany izany. (Ro 8:28-30; Ef 1:3-12; 2Ti 1:9, 10) Efa voatendriny mialoha koa ny asa tokony hataon’izy ireo, ary efa fantany fa hisy fitsapana hatrehiny noho ny fampahorian’ity tontolo ity.​—Ef 2:10; 1Te 3:3, 4.

Jereo ny hoe ANARANA, mba hahitana ny fanazavana ny hoe ‘anarana voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana.’

Finoana ny anjara sy lahatra. Nino ny firenena mpanompo sampy fahiny, anisan’izany ny Grika sy Romanina, fa ireo andriamanitra no mandahatra ny fiainan’ny olona tsirairay, indrindra fa ny halavan’ny androm-piainany. Nilaza ny angano grika fa andriamanibavy telo no nandahatra ny fiainan’ny olona: Clotho (mpanenona), izay nanenona ny kofehin’ny fiainana; Lachésis (mpanao antsapaka), izay namaritra ny halavan’ny androm-piainana; ary Atropos (tsy azo ivalozana), izay manapitra ny androm-piainana rehefa tonga ny fotoana. Nisy andriamanitra telo mitambatra toy izany koa ninoan’ny Romanina.

Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (taonjato voalohany), fa nino an’Andriamanitra ny Fariseo ary nino fa manan-tsafidy ny olona. Nino ny lahatra koa anefa izy ireo ka nitady hevitra hampifandraisana an’ireo zavatra ninoany ireo. (Ny Adin’ny Jiosy, II, 162, 163 [viii, 14]; Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 13, 14 [i, 3]) Hoy Ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog: “Tsy dia mbola nanazava momba ny lahatra ny Fivavahana Kristianina, talohan’i Augustin [velona tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy].” “Tsy nahalala mihitsy an’izany atao hoe lahatra izany” ireo antsoina hoe “Rain’ny Eglizy”, toa an’i Justin sy Origène ary Irénée, izay velona talohan’i Augustin. “Nampianatra izy ireo hoe manan-tsafidy ny olona.” (Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Fitsipi-pitondran-tena nataon’i Hastings, 1919, Boky Faha-10, p. 231) Noporofoin’izy ireo koa fa tsy marina ny fampianaran’ny Gnostika, izay nino fa ratsy fanahy Andriamanitra. Nilaza foana mantsy izy ireo fa manan-tsafidy ny olona, ary izany no “mampiavaka ny olona. Izany no andraikiny, ary izany no fanomezan’Andriamanitra mba hahafahany hisafidy ny hampifaly Azy.” Nilaza koa izy ireo fa “afaka manapa-kevitra samirery ny olona, ary tsy terena izy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.”​—Ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog, nataon’i S. Jackson, 1957, Boky Faha-9, p. 192, 193.