Farao
(Farào).
Anaram-boninahitry ny mpanjakan’i Ejipta, ary avy amin’ny teny ejipsianina midika hoe “Trano Lehibe.” Toa nilazana ny lapan’ny mpanjaka ilay teny, tao amin’ny asa soratra ejipsianina fahiny. Efa tany antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K. tany ho any ilay izy vao nilazana mpitondra fanjakana na mpanjaka, hoy ny Ge 12:14-20) Mety hoe Farao koa anefa no efa nilazan’ny olona an’ilay mpanjaka tamin’ny andron’i Abrahama (2018-1843 T.K.), na dia tsy tao amin’ny asa soratra ofisialy aza. Asa soratra tamin’ny andron’i Sisaka (nanjaka tamin’ny andron’i Solomona sy Rehoboama) no voalohany nahitana hoe Farao niaraka tamin’ny anaran’ny mpanjaka. Ahitana toy izany koa ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe Farao Neko (2Mp 23:29) sy Farao Hofra (Je 44:30), tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito sy teo am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K. Nampiasa an’ilay anaram-boninahitra niaraka tamin’ny anaran’ny mpanjaka koa ny asa soratra ejipsianina tamin’izany.
manam-pahaizana. Mpanjaka àry ilay Farao noresahin’i Mosesy hoe hitan’i Abrahama tany Ejipta, satria izany no nilazana ny mpanjakan’i Ejipta tamin’ny androny (1593-1473 T.K.). (Ireto avy ireo Farao tononin’ny Baiboly: Sisaka, So, Tiraka, Neko, ary Hofra. (Jereo ny lahatsoratra momba azy tsirairay.) Tsy tena fantatra raha mpanjakan’i Ejipta i Zera Etiopianina na tsia. Tsy voalaza kosa ny anaran’ireo Farao hafa. Misafotofoto ny fanisan-taona ejipsianina (jereo EJIPTA, EJIPSIANINA [Tantara]; FANISAN-TAONA [Fanisan-taona ejipsianina]), ka tsy tena fantatra hoe iza amin’izy ireo no Farao resahin’ny tantara. Ireto avy ireo tsy voalaza anarana: Ilay saika haka an’i Saraha vadin’i Abrahama (Ge 12:15-20); ilay nanome fahefana an’i Josefa (Ge 41:39-46); ilay (na ireo) nampahory ny Israelita talohan’ny niverenan’i Mosesy avy tany Midianina (Ek toko 1, 2); ilay nanjaka nandritra ny Loza Folo sy rehefa niala tany Ejipta ny Israelita (Ek 5-14); ilay rain’i Bitia vadin’i Mareda avy tamin’ny fokon’i Joda (1Ta 4:18); ilay nandray an’i Hadada Edomita tamin’ny andron’i Davida (1Mp 11:18-22); ilay rain’ny vadin’i Solomona (1Mp 3:1); ary ilay nanafika an’i Gaza tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany (Je 47:1).
Tsy solontenan’ireo andriamanitra fotsiny i Farao tamin’ny Ejipsianina, fa andriamanitra mihitsy koa. Zanak’i Ra andriamanitra masoandro mantsy, hono, izy, sady andriamanitra Horus (manana lohana hitsikitsika) niseho vatana ary mpandimby an’i Osiris. Anaram-boninahiny koa ny hoe “ilay masoandron’ny tontolo roa”, “Tompon’ny Satroboninahitra”, “ilay andriamanitra mahery”, “zanak’i Ra”, “ilay mandrakizay”, sy ny maro hafa. (Tantaran’i Ejipta Fahiny, nataon’i G. Rawlinson, 1880, Boky I, p. 373, 374; Tantaran’izao Tontolo Izao, nataon’i J. Ridpath, 1901, Boky I, p. 72) Nisy sarina kôbrà masina nipetaka teo amin’ny satroboninahiny. Namoaka afo handripahana ny fahavalony, hono, io kôbrà io. Matetika no teo anilan’ny sarin’ireo andriamanitra ny an’i Farao, tao amin’ireo tempoly. Misy aza sarina Farao mivavaka eo anoloan’ny sarin’ny tenany ihany. Toy ny hoe lalàna ny tenin’i Farao satria andriamanitra izy, ka izay didiny no narahina fa tsy nisy fehezan-dalàna efa nipetraka. Asehon’ny tantara anefa fa voafetra ny fahefany satria nanana fahefana be koa ny mpisorona, olona ambony, ary tafika. Tsy mahagaga àry raha sarotra tamin’i Mosesy ny nankeo anatrehan’i Farao sy nilaza ny fangatahan’i Jehovah sy ny fampitandremany.—Ampit. Ek 5:1, 2; 10:27, 28.
Tsy voalaza hoe tsy nanompo sampy intsony ilay zanakavavin’i Farao lasa vadin’i Solomona. (1Mp 3:1; 11:1-6) Matetika no nanambady zanaka mpanjaka hafa firenena ny mpanjaka fahiny (sy ny ankehitriny), mba hanamafisana ny fifandraisan’ny fanjakana roa tonta. Izany koa angamba no tanjon’i Solomona sy Farao, saingy tsy voalaza hoe iza no tompon’ilay hevitra. (Jereo FIFANARAHANA.) Nalaza ny kalesy ejipsianina tamin’ny andron’i Solomona, matoa nohariny tamin’ny soavalivavy nitarika ny kalesin’i Farao ilay tovovavy solemita.—To 1:9; ampit. 1Mp 10:29.
Milaza ny faminanian’i Isaia (taonjato fahavalo T.K.) fa sahiran-tsaina na ho sahiran-tsaina i Ejipta sy ireo mpanolo-tsain’i Farao. (Is 19:11-17) Asehon’ny tantara fa nisy ady an-trano sy krizy tany Ejipta, nanomboka tamin’ny andron’i Isaia ka hatramin’ny taonjato fahafito T.K. Tsy nankatò an’i Jehovah ny mponin’i Joda ka nitady ny fanampian’ny tafik’i Ejipta indraindray. Toy ny “bararata torotoro” anefa ireo Farao nirehareha ka tsy azo nianteherana.—Is 30:2-5; 31:1-3; Ezk 29:2-9; ampit. Is 36:4, 6.