Fariseo
Sekta lehibe iray anisan’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Misy manam-pahaizana milaza fa midika ara-bakiteny hoe “Ireo Tafasaraka; Mpisaraka” ny hoe Fariseo. Fisorohana an’izay fahalotoana voalazan’ny Lalàna angamba no tiana holazaina amin’izany, na koa fisarahana tamin’ny tsy Jiosy. Tsy tena fantatra hoe oviana no nanomboka nisy ny Fariseo. Voalazan’ireo asa soratr’i Josèphe mpahay tantara fa efa nanana ny naha izy azy ny Fariseo tamin’ny andron’i Joany Hirkana I (faramparan’ny taonjato faharoa T.K.). Hoy i Josèphe: “To teny teo amin’ny vahoaka izy ireo, ka ninoana avy hatrany ny teniny na dia ny mpanjaka sy ny mpisoronabe aza no notoheriny.”—Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 288 (x, 5).
Nanome tsipiriany momba ny zavatra inoan’ny Fariseo koa i Josèphe. Hoy izy: “Mino izy ireo fa tsy maty ny fanahy rehefa maty ny olona, ary misy valisoa sy sazy any ambanin’ny tany, na ho an’izay nanao ny tsara na ho an’izay nanao ny ratsy: Fanagadrana mandrakizay no anjaran’ny fanahy nanao ratsy, fa miampita mora foana mankamin’ny fiainana vaovao kosa ny fanahy nanao ny tsara.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 14 [i, 3]) “Tsy mety maty ny fanahy rehetra, araka ny antitranterin’izy ireo, fa ny fanahin’ny olo-marina ihany no mankao amin’ny vatana vaovao, ary ny fanahin’ny ratsy fanahy kosa voasazy mandrakizay.” Nino ny anjara sy ny fitondran’Andriamanitra koa ny Fariseo, ka izao no nosoratan’i Josèphe momba izany: “Mino [izy ireo] fa avy amin’ny Anjara sy avy amin’Andriamanitra ny zava-mitranga rehetra; milaza izy ireo fa miankina betsaka amin’ny olona ny hoe hanao ny tsara izy na tsia. Miara-miasa aminy foana anefa ny Anjara amin’izay ataony rehetra.”—Ny Adin’ny Jiosy, II, 162, 163 (viii, 14).
Milaza ny Soratra Grika Kristianina fa nifady hanina indroa isan-kerinandro ny Fariseo, ary tsy nanao kinanga mihitsy teo amin’ny resaka ampahafolon-karena. (Mt 9:14; Mr 2:18; Lk 5:33; 11:42; 18:11, 12) Tsy neken’izy ireo koa ilay finoan’ny Sadoseo hoe “tsy misy fitsanganana amin’ny maty na anjely na fanahy.” (As 23:8) Nirehareha izy ireo hoe olo-marina (nihevi-tena ho marina, raha ny tena izy) ka nohambaniany ny sarambabem-bahoaka. (Lk 18:11, 12; Jn 7:47-49) Te hisehoseho izy ireo hoe olo-marina, ka nohalehibeaziny ilay boaty ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy ao amin’ny Soratra Masina, ary nataony lava kokoa ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony. (Mt 23:5) Tia vola koa izy ireo (Lk 16:14), te hisongadina, ary tia anaram-boninahitra. (Mt 23:6, 7; Lk 11:43) Nampihariny araka izay netinety taminy ny Lalàna, ka nataony lasa enta-mavesatra ho an’ny olona. Nanizingizina izy ireo fa tokony ho araka ny fanazavany sy ny fampianarany ny fomba hitandremana ny Lalàna. (Mt 23:4) Tsy noraharahainy ny zavatra mavesa-danja, izany hoe ny manao ny rariny, ny mamindra fo, ny ho mendri-pitokisana, ary ny ho tia an’Andriamanitra. (Mt 23:23; Lk 11:41-44) Niezaka mafy hampiova olona hanaraka ny finoany ny Fariseo.—Mt 23:15.
Anisan’ny nampifanolana mafy azy ireo tamin’i Kristy Jesosy ny fitandremana sabata (Mt 12:1, 2; Mr 2:23, 24; Lk 6:1, 2), sy ny fanarahana fomban-drazana (Mt 15:1, 2; Mr 7:1-5), ary ny fiarahana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra (Mt 9:11; Mr 2:16; Lk 5:30). Toa nihevitra ny Fariseo hoe nandoto azy ny fiarahana tamin’olona tsy nitandrina ny Lalàna araka izay tiany hitandremana azy. (Lk 7:36-39) Nanohitra àry izy ireo rehefa hitany fa nifanerasera sy niara-nisakafo mihitsy tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra i Kristy Jesosy. (Lk 15:1, 2) Nokianin’izy ireo i Jesosy sy ny mpianany, satria tsy mba nanasa tanana araka izay notakin’ny fomban-drazana. (Mt 15:1, 2; Mr 7:1-5; Lk 11:37, 38) Noporofoin’i Jesosy anefa fa diso hevitra izy ireo, sady mpandika ny lalàn’Andriamanitra satria nifikitra tamin’ny fomban-drazana noforonin’olombelona. (Mt 15:3-11; Mr 7:6-15; Lk 11:39-44) Tsy faly izy ireo ary tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra rehefa nanao fanasitranana mahagaga tamin’ny sabata i Jesosy. Romotra izy ireo satria nandika ny sabata, hono, i Jesosy. Nitetika ny hamono azy izy ireo noho izany. (Mt 12:9-14; Mr 3:1-6; Lk 6:7-11; 14:1-6) Nisy jamba iray nositranin’i Jesosy tamin’ny andro sabata, ka hoy izy ireo momba an’i Jesosy: “Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata.”—Jn 9:16.
Hita amin’ny toe-tsain’ny Fariseo fa ivelany fotsiny ny fahamarinan’izy ireo sy ny fahadiovany. (Mt 5:20; 23:26) Nila nibebaka sahala amin’ny Jiosy hafa izy ireo. (Ampit. Mt 3:7, 8; Lk 7:30.) Naleon’ny ankamaroany anefa jamba ara-panahy (Jn 9:40), ka vao mainka nanohitra an’ilay Zanak’Andriamanitra izy ireo. (Mt 21:45, 46; Jn 7:32; 11:43-53, 57) Nisy Fariseo niampanga an’i Jesosy ho namoaka demonia tamin’ny alalan’ny lehiben’ny demonia (Mt 9:34; 12:24), ary nanasoketa azy ho vavolombelona mandainga. (Jn 8:13) Te hampitahotra an’ilay Zanak’Andriamanitra ny Fariseo sasany. (Lk 13:31) Nisy koa nangataka azy hampiseho famantarana (Mt 12:38; 16:1; Mr 8:11), namandrika azy tamin’ny teniny (Mt 22:15; Mr 12:13; Lk 11:53, 54), na koa nanontany azy mba hitsapana azy (Mt 19:3; 22:34-36; Mr 10:2; Lk 17:20). Tsy nahateny intsony izy ireo rehefa nasain’i Jesosy nanazava hoe ahoana no maha zanak’i Davida an’ilay tompon’i Davida. (Mt 22:41-46) Nisy Fariseo ireo vahoaka nisambotra an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Jn 18:3-5, 12, 13) Nisy Fariseo koa ireo olona nangataka tamin’i Pilato mba hatao tsara ambina ny fasan’i Jesosy, sao hisy hangalatra ilay faty.—Mt 27:62-64.
Nanana fahefana lehibe ny Fariseo nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, hany ka tsy sahy niaiky ampahibemaso hoe nino an’i Jesosy ny olona ambony sasany (Jn 12:42, 43), anisan’izany ilay Fariseo atao hoe Nikodemosy. (Jn 3:1, 2; 7:47-52; 19:39) Tsy ny Fariseo rehetra no nanohitra mafy an’i Jesosy. Fariseo, ohatra, i Gamaliela, nefa nanoro hevitra an’ireo Jiosy namany mba tsy hanohintohina ny asan’ny Kristianina. (As 5:34-39) Nisy Fariseo aza lasa Kristianina tatỳ aoriana, anisan’izany i Saoly (Paoly) avy any Tarsosy, ilay lasa apostolin’i Jesosy Kristy.—As 26:5; Fi 3:5.