Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faritany, Faritra

Faritany, Faritra

FARITANY, FARITRA

Ny “faritany”, izay antsoina koa hoe “faritra” indraindray, dia velaran-tany iray misy solontenam-panjakana mitantana, na faritra manodidina tanàna iray, na faritra misy sisin-tany voafaritra tsara. Mety ho faritra lehibe ao anatin’ny fanjakana iray koa ny faritany ary io fanjakana io mihitsy no mifehy azy. (Es 1:16; 2:3, 18) Adika koa hoe “faritany” ilay teny hebreo sy aramianina hoe medinah. Avy amin’ilay matoanteny fototeny hoe din, izay midika hoe “mitsara” izy io. Mampiasa an’io teny io ny Baiboly, rehefa miresaka momba ireo faritanin’ny Israely sy Babylona ary Media-Persa.—1Mp 20:14-19; Es 1:1-3; Da 3:1, 3, 30.

Notendrena ho filohan’ny faritanin’i Babylona i Daniela mpaminany. Io faritany io angamba no niavaka indrindra ary tao no nisy ny tanànan’i Babylona. (Da 2:48) Voatendry hitantan-draharaha tao koa ireo Hebreo telo lahy namany, izany hoe i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. (Da 2:49; 3:12) Toa anisan’ireo faritany tany Babylona koa i Elama. (Da 8:2) Rehefa tafaverina tany an-tanindrazana ireo Jiosy natao sesitany, dia nantsoina hoe “zanaky ny faritany”, angamba noho izy ireo nipetraka tany amin’ny faritanin’i Babylona talohan’izay. (Ezr 2:1; Ne 7:6) Mety hoe nantsoina toy izany koa izy ireo satria nonina tao amin’ny faritanin’i Joda, tamin’izy teo ambany fifehezan’ny Medianina-Persianina.—Ne 1:3.

Maro be ny faritany tao amin’ny Fanjakana Medianina-Persianina. Tamin’ny andron’i Ahasoerosy (Ksersesy I) Mpanjaka, ohatra, dia nisy faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia. Niparitaka eran’izany fanjakana nidadasika izany ireo Jiosy. (Es 1:1; 3:8; 4:3; 8:17; 9:2, 30) Anisan’ireo faritany 127 ireo ny tanin’i Joda, izay notantanan’ny governora sy manam-pahefana lefitra. (Ne 1:3; 11:3) Toa tao anatin’ny fizaran-tany mbola lehibe kokoa, izay notantanan’ny manam-pahefana ambony kokoa, anefa i Joda. Toa io manam-pahefana io no nanao tatitra tany amin’ny mpanjaka, rehefa nisy fitarainana lehibe avy tamin’ireo faritany notantanany. Niandry alalana tamin’ny mpanjaka izy, avy eo, vao nanao zavatra. Azon’ireo manam-pahefana lefitra natao koa ny nangataka mba hamotopotorana an’izay nataon’ny olona tao amin’ny faritany iray. (Ezr 4:8-23; 5:3-17) Afaka mahazo vola avy amin’ny trano fitehirizana ny harenam-panjakana ny faritany, rehefa mahazo alalana avy amin’ny mpanjaka. Nampitondraina an’ireo iraka ny taratasy nisy izany didim-panjakana izany mba haparitany eran’ilay fanjakana. (Ezr 6:6-12; Es 1:22; 3:12-15; 8:10-14) Fantatry ny mponina rehetra tany amin’ireo faritany àry ny lalàna sy ny didy navoakan’ny fitondram-panjakana.—Ampit. Es 4:11.

Matetika no nanasarotra ny fiainan’ny vahoaka ny fizarazarana firenena ho faritany maro, fahiny. Niaiky an’izany ilay olon-kendry nanoratra ny Mpitoriteny (5:8).

Rehefa namboarina indray ny mandan’i Jerosalema, dia nozarazarain’i Nehemia tamin’ireo ‘andriana’ sy ny mponina tany amin’ny ‘faritany’ (heb.: pelek) sasany ilay asa. Ny anaran’izay tanàna lehibe tao amin’ny faritany iray no niantsoana an’ilay faritany. Nizara roa ny faritany sasany, anisan’izany i Jerosalema sy Beti-zora ary Keila. (Ne 3:9, 12, 14-18) Mbola zana-paritany tao anatin’ny ‘faritanin’i’ Joda na ‘tanin’i’ Joda anefa ireny, tamin’ny fotoana nifehezan’i Persa an’i Joda. (Ne 1:3; Prot.) Avy amin’ilay teny akadianina hoe pilko ilay teny hebreo hoe pelek. Toa midika izany fa ny Babylonianina no namaritra an’ireny faritany ireny, rehefa rava i Jerosalema.

Adika koa hoe “faritra” ilay teny hebreo hoe kikkar, izay ampiasaina mba hilazana zavatra boribory, ohatra hoe “mofo boribory” (Ek 29:23), “sarony firamainty boribory” (Za 5:7), “talenta” volamena na volafotsy (Ek 25:39; 1Mp 20:39), ary ‘faritra’ somary boribory.—Ge 13:10; Ne 12:28.

Midika ara-bakiteny hoe ‘sisin-tany’ ilay teny grika hoe hôriôn (milaza maro foana) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (As 13:50; Mt 19:1) Mety hidika koa hoe toerana misy sisin-tany anefa izy io, izany hoe “faritra.” (Mt 2:16; 15:22) Ampiasaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:12 ilay teny hoe meris mba hilazana ny “faritr’i” Makedonia, ary midika ara-bakiteny hoe ampahany na “anjara.”—As 8:21.

Faritany romanina. Rehefa nitarin’ny Romanina tany ivelan’i Italia ny faritra nanjakany, dia nantsoiny hoe faritany ny faritra nofehezin’ny manam-pahefana romanina iray. Ilay teny grika hoe eparkeia no nadika hoe “faritany”, ary manondro ny faritra niadidian’ny governora iray izy io.

Nisy 22 ny faritany tamin’ny andron’i Aogosto, mpanjaka romanina voalohany. Nosokajiny ho roa ireo, tamin’ny taona 27 T.K., ka nasainy notantanan’ny Antenimieran-doholona ny faritany folo nilamina kokoa sy tsy nilana andian-tafika. Ny governoram-paritra no manam-pahefana romanina nifehy ny faritany toy ireny. (As 18:12; jereo GOVERNORAM-PARITRA.) Ny mpanjaka kosa no nitantana nivantana an’ireo faritany sisa. Izy no nanendry governora hitondra an’ireny faritany ireny. Mpitari-tafika, izany hoe Jeneraly, kosa no notendreny raha lehibe kokoa ilay faritany. Matetika no tany akaikin’ny sisin-tany ireo faritany notantanan’ny mpanjaka. Nila nametrahana andian-tafika izy ireny noho izany, na noho ny antony hafa. Nanara-maso akaiky an’ireny faritany ireny ny mpanjaka, mba hahafahany hifehy ny miaramila. Lasa faritany vaovao notantanan’ny mpanjaka ireo firenena resin’ny Romanina, taorian’ny taona 27 T.K. Mety ho nozarazaraina ho faritra madinika kokoa nisy olona nitantana ny faritany iray.

Mety hiova ho lasa tantanan’ny mpanjaka ny faritany tantanan’ny Antenimieran-doholona, na ny mifamadika amin’izany. (Jereo SIPRA.) Nasiana fanovana koa indraindray ny sisin-tanin’ny faritany iray. Mety ho lasa anisan’ny faritany hafa eo akaikiny eo àry ny tanàna na faritra iray, na mety ho lasa any amin’ny faritany vaovao mihitsy. Mba hahitana ohatra momba izany, dia jereo KAPADOKIA; KILIKIA; PAMFYLIA; PISIDIA.

Governora romanina no nitondra an’i Jodia, rehefa niongana i Arkelaosy (Mt 2:22), zanak’i Heroda Lehibe. Ny governoran’i Jodia indray azo lazaina hoe teo ambany fahefan’ilay jeneraly nitantana an’i Syria, izay faritany lehibe kokoa.

Nentina tany Kaisaria, teo anatrehan’i Feliksa governora, i Paoly. Nanontany azy i Feliksa hoe “avy amin’ny faritany aiza izy, sady nofantariny tsara raha avy any Kilikia.” (As 23:34) Teraka tany Tarsosy, tany Kilikia, i Paoly ary faritany romanina izy io.—As 22:3.

Tany amin’ireo faritany notantanan’ny mpanjaka, dia ny mpanjaka no nanendry ny governora, ary tsy voafaritra hoe hafiriana izy no hitondra an’ilay faritany. Herintaona monja kosa, tamin’ny ankapobeny, ny fotoana nitondran’ireo governoram-paritra tany amin’ireo faritany notantanan’ny Antenimieran-doholona. Faritany notantanan’ny mpanjaka i Jodia, ary i Festosy no governora nasolo an’i Feliksa tao.—As 25:1.