Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faritr’i Jordana

Faritr’i Jordana

Deboka somary lavalava, izay ikorianan’ny Reniranon’i Jordana. Anisan’io faritra io ilay ampahany iva kokoa amin’ny Lohasahan’i Jordana satria voalaza fa teo amin’ny “Faritr’i Jordana” i Solomona no nandrendrika varahina, teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana. (1Mp 7:46; 2Ta 4:17; ampit. 2Sa 18:23.) Toa mbola nitatra tany amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty anefa io ‘Faritra’ io satria tany no nisy an’ireo “tanànan’ny Faritr’i Jordana.” (Ge 13:10-12) Voafaoka ao anatin’izy io àry ny lemak’i Jeriko hatrany Zoara, izany hoe ilay tanàna nandosiran’i Lota sy ny zanany vavy.​—Ge 19:17-25; De 34:3.

Nanaovana fikarohana tany amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty. Hita tamin’izany fa tany maina taloha ny ampahany lehibe amin’ny faritra ivaiva amin’ny Saikinosin’i Lisana, saingy lasa rakotry ny ranomasina tatỳ aorina. Maro àry ny manam-pahaizana milaza fa dibo-drano ao amin’io faritra io “ireo tanànan’ny Faritr’i Jordana” fahiny. “Azon-drano tsara” ilay faritra taloha, sady “tahaka ny zaridainan’i Jehovah.” (Ge 13:10) Tsy ny faritra tany avaratry ny Ranomasina Maty ihany no toy izany taloha, fa ny tapany atsimo amin’ny Faritr’i Jordana koa. Ankehitriny anefa dia ny Lemak’i Moaba sy ny faritra lonaka any an-tany efitr’i Jeriko ihany no mbola mahavokatra be, any avaratry ny Ranomasina Maty. Any atsimo kosa dia mbola lazaina hoe “faritra lonaka any an-tany efitra” ny lemaka eo akaikin’i Lisana, satria mahavokatra orza, varimbazaha, antrendry, ary voaloboka. Lazaina koa hoe “faritra mahavokatra be any an-tany efitra” ny vinanin’ny Renirano Zareda izay mivarina ao amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty.