Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fasana

Fasana

Toerana asiana ny maty. Lavaka nohadina ao anaty tany, amin’ny ankapobeny, no atao hoe “fasana” ankehitriny. Ny an’ny Hebreo sy ny firenena hafa tany Atsinanana kosa lava-bato voajanahary na vatolampy nolavahana. Ilazana toeram-pandevenana sy fasana ny teny hebreo hoe kever. (Ge 23:7-9; Je 8:1; 26:23) Teny iray tarika amin’izy io ny hoe kevorah, izay ilazana fasana anaty tany na nolavahana tao anaty vatolampy.​—Ge 35:20; 1Sa 10:2.

Ny teny grika hoe tafôs (Mt 28:1) no nadika hoe fasana, ary taptô ny matoanteny nadika hoe ‘mandevina.’ (Mt 8:21, 22) Ilazana fasana koa ny hoe mnema (Lk 23:53), ary fasana atao ho fahatsiarovana ny hoe mnemeiôn (Jn 5:28, f.a.p.).​—Jereo FASANA ATAO HO FAHATSIAROVANA.

Azo ilazana fasan’olona iray na fasam-pianakaviana ireo teny hebreo sy grika ireo. Ny fasana misy ny maty rehetra kosa no dikan’ny teny hebreo hoe sheʼôhl sy ny teny grika mifanitsy aminy hoe haides. Nampiasaina amin’ny endriny milaza tokana foana àry ireo teny ireo. Azo lazaina hoe mankany amin’ny Sheôl anefa ny olona iray rehefa alevina ao am-pasana.​—Jb 17:1, 13-16, f.a.p.; 21:13, 32, 33, f.a.p.; Sl 88:3-12, f.a.p.

Naka teny tao amin’ny Salamo 5:9 ny apostoly Paoly rehefa nilaza fa toy ny “fasana misokatra” ny tendan’ny ratsy fanahy sy mpamitaka. (Ro 3:13) Toy ny fasana misokatra mba hofenoina faty ho simba ny vavan’izy ireo, satria misokatra mba hamoaka teny mahafaty sy manimba olon-kafa.​—Ampit. Mt 15:18-20.

Nolalorina fotsy ny fasana sao hisy hikasika azy ireny tsy nahy ka ho voaloto. Nolalorina toy izany ireo fasana teny akaikin’i Jerosalema, iray volana talohan’ny Paska, mba tsy hisy haloto amin’io fotoan-dehibe io. Noharin’i Jesosy tamin’ny fasana voalalotra fotsy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, satria niseho ho olo-marina izy ireo nefa “feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna” tao anatiny.​—Mt 23:27, 28.

Toy ny lavaka tian’ny olona hialana ny fasana. Nilaza anefa i Joba fa te ho faty ireo olona mijaly sy mamoy fo, izay tsy manana fanantenana sady tsy mahalala ny fikasan’ny Mpamorona, ka “dibo-kafaliana fa mahita fasana.” (Jb 3:21, 22) Ireo olona manokan-tena hanompo ny Mpamorona kosa matoky sy manantena fa hatsangana ny maty.​—Sl 16:9-11; As 24:15; Fi 1:21-26; 2Ti 4:6-8; He 11:17-19; jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA.