Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fasana Atao ho Fahatsiarovana

Fasana Atao ho Fahatsiarovana

Toerana fandevenana ny maty izay antenaina fa mbola hotsaroana, indrindra fa hotsaroan’Andriamanitra.

Hoy i A. Robertson momba ireo teny grika nadika hoe toeram-pandevenana na fasana: “Fandevenana (taptô, mandevina) no tonga ao an-tsaina amin’ilay hoe tafôs (fasana), toy ny ao amin’ny Mat. 23:27, fa fahatsiarovana (fasana, toy ny tsangambato) kosa amin’ilay hoe mnemeiôn (avy amin’ny hoe mnaômai, mimneskô, mampahatsiahy).” (Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, 1932, Boky Faha-5, p. 87) Iray tarika amin’ny hoe mnemeiôn ny hoe mnema, izay midika hoe ‘fahatsiarovana zavatra na olona efa maty, tsangambato atao ho fahatsiarovana, na fasana.’​—Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-2, p. 173.

Mety ho nohadina tao anaty tany ilay fasana. Mety ho lava-bato voajanahary na vatolampy nolavahana koa ilay izy, toy ny an’ny Hebreo. (Ampitahao As 7:16 sy Ge 23:19, 20.) Hitantsika teo fa fandevenana no hevitra misongadina amin’ilay hoe tafôs (fasana), izany hoe zavatra vetivety fotsiny. Fahatsiarovana olona efa maty kosa no tiana havohitra amin’ny hoe mnema (fasana) sy mnemeiôn (fasana atao ho fahatsiarovana), izany hoe zavatra maharitra kokoa. Misy ifandraisany amin’ny teny latinina hoe monumentum ireo teny roa ireo.

Toa natao tany ivelan’ny tanàna matetika ny fasan’ny Jiosy, rehefa jerena ny voalazan’ny Soratra Grika Kristianina. Toa tsy tany kosa ny fasan’ny mpanjaka, anisan’izany ny fasan’i Davida izay resahin’ny Asan’ny Apostoly 2:29. Tamin’ny toerana nitokana ny fasan’ny Jiosy sady tsy tian’izy ireo handalovana, satria voalazan’ny Lalàna fa naloto izay nikasika faty. Olona adala na nisy demonia àry indraindray no nonina teny.​—Mt 8:28; Mr 5:5.

Tsy be ravadravaka. Toa tsy be ravadravaka sy tsy be renty ny fasan’ny Jiosy tamin’ny ankapobeny, na dia natao ho fahatsiarovana an’ilay olona maty aza. Nisy aza tsy tazana mihitsy, ka nety ho voahitsaka tsy nahy. (Lk 11:44) Nirenty be anefa matetika ny fasan’ny mpanompo sampy teny amin’ny manodidina, indrindra raha nanan-karena ilay olona. Faran’izay tsotra kosa ny fasan’ny Jiosy fahiny. Tsy nankamasina olona maty mantsy ny Jiosy sady tsy hoatran’ny Ejipsianina sy Kananita ary Babylonianina, izay nino hoe mbola velona any ankoatra ny maty. Maro ny mpitsikera milaza fa nifototra tamin’ny zavatra inoana maro mifanohitra nefa natambatambatra ny fivavahan’ny firenen’Israely, ary avy eo nampiana foto-pinoana sy fanao avy tamin’ny fivavahana efa nisy taloha kokoa. Tsy mitombina anefa izany satria hita hoe faran’izay tsotra ny fasan’ny Jiosy. Nisy ihany ireo naningana, satria fanaon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy, ohatra, ny nandravaka ny fasan’ny mpaminany sy olon-kafa. (Mt 23:29, 30) Lasa fanaon’ny mpanankarena tamin’izany koa ny nanao fasana nirenty, ho fanahafana ny Grika sy ny Romanina.

Ny fasan’i Lazarosy sy Jesosy no tena resahin’ny Soratra Grika Kristianina, ankoatra ny fasan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mr 6:29) Lava-bato toy ny fasan’ny Jiosy ihany ny an’i Lazarosy. Nisy vato niankina teo amin’ny fidirana izay mety ho kelikely ihany, raha dinihina ireo fasana hita tany Palestina mitovitovy amin’ny an’i Lazarosy. Tany ivelan’ny tanàna izy io, rehefa jerena ny teny manodidina.​—Jn 11:30-34, 38-44.

Ny fasan’i Jesosy. Nalevina tao amin’ny fasana vaovaon’i Josefa avy any Arimatia i Jesosy. Tsy lava-bato ilay izy fa vatolampy nolavahana. Tao amin’ny zaridaina iray teo akaikin’ny toerana namantsihana an’i Jesosy ilay izy. Vato be boribory angamba (toy ny fampiasa tsindraindray) no natao varavaram-pasana. (Mt 27:57-60; Mr 16:3, 4; Jn 19:41, 42) Mety ho natao hoatran’ny talantalana ny lavaka teo amin’ilay rindrina, na noloahana ny rindrina mba hasiana lavaka maromaro ka napetraka tao ny faty.​—Ampit. Mr 16:5.

Misy milaza fa ny iray amin’ireto toerana roa ireto no nisy ny fasan’i Jesosy: Na ilay lazaina fa misy ny Eglizin’ny Fasana Masina, na ilay antsoina hoe Ny Fasana Anaty Zaridaina. Fasana nolavahana tao anaty vato be eo amin’ny tehezan-kavoana io faharoa io, ary any ivelan’ny mandan’i Jerosalema ankehitriny no misy azy. Tsy voaporofo anefa hoe teo amin’iray amin’ireo toerana ireo tokoa no nisy ny fasan’i Jesosy.​—Jereo GOLGOTA.

‘Nisokatra ny fasana’ rehefa maty i Jesosy. Niteraka adihevitra be ireo teny ao amin’ny Matio 27:52, 53 hoe ‘nisokatra ny fasana’ vokatr’ilay horohoron-tany tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy. Nisy maty nitsangana tamin’izay, hoy ny sasany. Tsy mitombina anefa izany rehefa jerena ireo andininy hafa miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nipitika avy tao am-pasana fotsiny ireo faty, noho ilay horohoron-tany. Izany, ohatra, no nitranga tany Ekoatera tamin’ny 1949. Nisy horohoron-tany nahery vaika koa tany Sonsón any Kolombia tamin’ny 1962, ka faty 200 no nipitika avy tao am-pasana.​—El Tiempo, Bogotá, Kolombia, 31 Jolay 1962.

Tsaroan’Andriamanitra. Mety tsara ny nampiasana ny hoe mnemeiôn (fa tsy hoe tafôs) ao amin’ny Jaona 5:28, izay milaza fa hitsangana “izay rehetra any amin’ny fasana atao ho fahatsiarovana” (f.a.p.). Fahatsiarovana mantsy no hevitra fonosin’io teny io ka tena mifanohitra amin’ny hoe Gehena, izay toerana andefasana an’ireo afoy tanteraka sy tsy hotsarovana intsony. (Mt 10:28; 23:33; Mr 9:43) Zava-dehibe tamin’ny Hebreo ny fandevenana (jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA) satria naniry mafy ny hotsarovana izy ireo, indrindra fa ny hotsarovan’i Jehovah Andriamanitra izay ninoan’izy ireo fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (He 11:1, 2, 6) Zara raha nisy soratra ny fasan’ny Israelita, ary raha nisy aza, dia ny anaran’ilay olona fotsiny matetika. Tsy mba nanao tsangambato niavaka nisy teny fiderana na fitanisana ny zava-bitany ny mpanjaka nalaza tany Joda, tsy toa an’ireo mpanjakan’ny firenen-kafa. Izay hahavoasoratra ny anarany ao amin’ilay “boky fahatsiarovana” (Ml 3:16) àry no tena nimasoan’ireo olona tsy nivadika fahiny.​—Ampit. Mpto 7:1; jereo ANARANA.

Koa satria manana heviny hoe fahatsiarovana ny teny grika nadika hoe “fasana” na “fasana atao ho fahatsiarovana”, dia azontsika kokoa ny antony niangavian’ilay jiolahy nofantsihana teo akaikin’i Jesosy hoe: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.”​—Lk 23:42.