Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fasika

Fasika

Potipoti-bato faran’izay madinika avy amin’ny tany. Madinika noho ny vatokely ny fasika, nefa vaventy noho ny vovoka. Hita hoe tena manana fahendrena i Jehovah Andriamanitra rehefa nanao ‘ny fasika ho fetran’ny ranomasina, mba ho lalàna mandrakizay tsy azon’izy io dikaina.’ (Je 5:22) Tsy toy ny vato mantsy ny fasika, fa mora miletsy rehefa midona aminy ny onja. Mihena àry ny fiantraikan’ilay onja. Lasa miparitaka ny heriny ary levona, ka tsy mihoatra ny fefy ny ranomasina.

Hoy i Mosesy, rehefa nitso-drano ny fokon’i Zebolona sy Isakara: “Hitsentsitra ny harem-ben’ny ranomasina mbamin’ny harena miafina ao amin’ny fasika izy ireo.” (De 33:18, 19) Mety hidika izany fa hifaly amin’ny harena be dia be an-dranomasina sy an-tanety izy ireo.

Ampiasaina matetika ao amin’ny Baiboly ny hoe “fasika any an-dranomasina”, mba hilazana hoe be dia be na tsy voaisa. (Ge 22:17; 32:12; 41:49; Js 11:4; Sl 78:27; 139:17, 18; Je 15:8; He 11:12) Tsy tena midika ara-bakiteny hoe tsy hita isa foana anefa izany. Tiana holazaina fotsiny hoe olona na zavatra be dia be ka tsy fantatra marina ny isany. Voalaza, ohatra, fa “maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina” ny ampahany tamin’ny tafiky ny Filistinina tonga niady tamin’ny Israely, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 13:5) Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana fa “tahaka ny fasika any an-dranomasina” ny isan’ireo voafitak’i Satana, rehefa nafahana avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka izy. Midika izany fa be dia be izy ireo ka tsy fantatr’i Jaona hoe firy marina.​—Ap 20:8.

Tena mafy ny fahorian’i Joba, lehilahy tsy nivadika, ka nolazainy hoe “mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina.” (Jb 6:3) Milanja 1900 kg eo ho eo ny fasika lena 1 metatra toratelo monja. Mavesatra àry ny fasika. Mbola mavesatra noho izany anefa ny mizaka ny fahasosoran’ny adala. Izany no hevitra fonosin’ny Ohabolana 27:3, manao hoe: “Mavesatra ny vato ary mafonja ny fasika, fa ny fahasosoran’ny adala mbola mavesatra noho izy roa ireo.”