Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fatana Fandrendrehana

Fatana Fandrendrehana

Fitaovana 1) fanadiovana metaly, 2) fanempoana na fanafanana metaly efa voadio ka hotefena, ary 3) fandoroana zavatra vita amin’ny tanimanga na seramika. Biriky na vato ny fatana fandrendrehana fahiny. Nisy fatana boribory fandrendrehana varahina tamin’ny andron’ny Mpitsara angamba, hita tany Tell Kasileh tany amin’ny sisiny avaratr’i Tel Aviv-Yafo sy tany Tell Jemmeh (Tel Gamma), tany atsimon’i Gaza. Nisy fantsona lehibe vita tamin’ny biriky tao anatiny, izay fandehanan’ny rivotra nankao amin’ny efitra fandoroana. Napetraka teo ambony takela-bato natao tao anaty lavenona, tao anatin’ilay fatana, ny vilany tanimanga mahazaka hafanam-be izay fasiana varahina.

Hoatran’ny fatana fandrendreham-by i Ejipta, satria nampahory sy nanandevo an’ireo Israelita. (De 4:20) Toy ny nampitsonika metaly tao anaty fatana fandrendrehana Andriamanitra, rehefa nampihatra ny fahatezerany tamin’ny taranak’Israely. (Ezk 22:18-22) Miresaka fatana fandrendrehana an’ohatra koa ny Ohabolana 17:3; 27:21 sy Salamo 12:6.​—Jereo LAFAORO; LAFAORO FANDOROANA BIRIKY; MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.