Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fatorana

Fatorana

Zavatra amehezana ka tsy ahafahana mihetsika firy, toy ny gadra vy na rojo; fitanana am-ponja; hery mamatotra; zavatra mampiray na manakambana. Nasiana gadra vy na rojo ny tanana sy tongotry ny voafonja fahiny. Nisy kosa nogejaina tamin’ny boloky hazo na natao am-ponja.

Nadika matetika hoe “gadra varahina” ny teny hebreo hoe nehôshet (“varahina”) ao amin’ny Baiboly, satria matetika no vita tamin’ny varahina na halimo ny gadra, na dia nisy ihany aza vita tamin’ny hazo sy vy. (2Sa 3:34; 2Mp 25:7) Nisy gadra vy hita tany Tocra any Libya ary toy ireo eo amin’ny sary mivohitra tao amin’ny lapa asyrianina ilay izy. Vy boribory roa (13 sm avy ny savaivony) antonona tongotra ilay izy, ary vy fisaka nirefy 18 sm no nampitohy azy ireo, ka zara raha afa-namindra ilay voafatotra. Nadika hoe “gadra vy” ny teny grika hoe pede izay iray tarika amin’ny hoe pos (tongotra).​—Lk 8:29.

Fototenin’ny teny telo misy ifandraisany amin’ny hoe fatorana ny teny hebreo hoe ʼasar midika hoe “mamatotra.” (Mpts 16:5; Ezk 3:25; 2Mp 23:33) Ilazana “gadra vy” ny hoe ʼesor (Mpto 7:26), “fatotra” ny hoe môhserôht (Sl 2:3), ary ‘voafatotra’ ny hoe masôret (Ezk 20:37). Desmôs kosa ny teny grika midika hoe fatorana (Lk 8:29), ary syndesmôs ny hoe “fatorana mampiray.”​—Ef 4:3.

Nofatorana rojo vy koa ny voafonja. Avy amin’ny fototeny hoe ratak (‘gadrana’) ny teny hebreo roa ilazana ny rojo vy (retokah sy rattôhk). (Na 3:10, Prot.) Halysis kosa ny teny grika nadika hoe rojo vy.​—Mr 5:3, 4.

Maro ny vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika fahiny izay nofatorana sy natao am-ponja. (He 11:36) “Nogejaina”, ohatra, ‘ny tongotr’i’ Josefa zanak’i Jakoba “ary nasiana gadra vy izy” tany Ejipta. (Sl 105:18) Nofatoran’i Delila tamin’ny hozatra fito mbola tsy nohamainina, ary avy eo tamin’ny tady vaovao i Samsona mba hosamborin’ny Filistinina, kanjo notapahiny mora foana ireny. Niala taminy ihany anefa ny heriny ka voasambotra izy ary ‘nofatorana tamin’ny gadra varahina roa.’ (Mpts 16:6-12, 21) I Jeremia kosa nogejain’i Pasora (mpiadidy ny tempoly) tamin’ny boloky hazo, ary nataon’ireo andrianan’ny Joda tao amin’ny “trano figadrana.”​—Je 20:2, 3; 37:15.

Sarina voafonja mifatotra hita eo amin’ny faladian’ny faty notehirizina tsy ho lo sy nofonosina. Toy ny hoe ‘natao teo ambany tongotra’ ireo fahavalo

Nivadika tamin’i Jehovah i Manase Mpanjaka, ka nasian’ny mpanjakan’i Asyria gadra varahina ny tongony. Nofatorana tamin’ny gadra varahina koa i Zedekia Mpanjaka, rehefa nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka sesitany tany Babylona. (2Mp 25:7; 2Ta 33:11; Je 39:7; 52:11) Nafahan’i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro an’i Nebokadnezara i Jeremia, ka novahany ny gadra vy tamin’ny tanany.​—Je 40:1, 4.

Nofatoran’ireo nisambotra azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy, ary nentina nifatotra nankany amin’i Anasy, avy eo tany amin’i Kaiafa. Nasain’ny Fitsarana Avo Jiosy nofatorana izy rehefa avy notsaraina, ary nentina tany amin’i Pilato. (Jn 18:12, 13, 24, 28; Mr 15:1) Nanao haza lambo an’ireo Kristianina i Saoly talohan’ny niovany ho apostoly Paoly, mba hitondra azy ireo mifatotra any amin’ny Fitsarana Avo Jiosy. (As 9:2, 21) Nasain’i Heroda nofatorana rojo vy teo anelanelan’ny miaramila roa i Petera, araka ny fanaon’ny Romanina.​—As 12:6, 7.

Nanoratra taratasy maromaro i Paoly tamin’izy nigadra voalohany tany Roma. Nilaza izy fa “ambasadaoro mifatotra rojo vy” ny tenany noho izy nifatotra tao am-ponja. (Ef 6:20; Fi 1:7, 13-17; Kl 4:18; Flm 10, 13) Afaka nanao zavatra maro ihany anefa izy, satria navela hanoratra taratasy, handray vahiny sy mpitsidika ary hitory tamin’izy ireny. (As 28:16-31) Nafahana izy, nefa nosamborina indray tatỳ aoriana. Nofatorana tamin’ny rojo vy indray izy rehefa nogadraina fanindroany tany Roma, ary novonoina ho faty.​—Flm 22; 2Ti 1:16; 2:9; 4:6-8.

Heviny an’ohatra. Ilazana fitanana am-ponja na ny toy izany matetika ny teny hoe “fatorana” sy “rojo vy” ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe nofatorana tamin’ny tady, ohatra, ny vozon’i Ziona na Jerosalema rehefa natao sesitany tany Babylona ny mponina tao. (Is 52:2) Lasa nanana trano sy afaka nanao zavatra maro ny ankamaroan’ireo natao sesitany, nefa tsy afaka nody.​—Je 29:4, 5.

‘Nofatoran’Andriamanitra mandrakizay ao amin’ny haizim-be’ ny anjely tsy nankatò (Jd 6), ary natolony ho “ao an-davaka maizim-be.” (2Pe 2:4) Afaka manao zavatra ihany anefa izy ireo satria mahavita miditra ao amin’ny olona, ary afaka nankany an-danitra mandra-pandroakan’i Mikaela sy ny anjeliny azy ireo tany sy nanipazany azy tetỳ an-tany. (Mr 1:32; Ap 12:7-9) Hofatoran’ilay anjely manana ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka amin’ny rojo vy lehibe i Satana Devoly, ary hatsipiny ao amin’ilay lavaka. Hogadraina ao arivo taona izy ary hovahana vetivety avy eo. (Ap 20:1-3) Tsy ara-bakiteny anefa ilay rojo vy satria tsy nofo aman-dra ny anjely. Ilazana hery mamatotra àry ilay izy, saingy tsy fantatsika hoe inona.

Nafatotr’i Satana nandritra ny 18 taona, hoy i Jesosy, ilay vehivavy nanjoko be nositraniny. Azon’ny fanahy ratsy mampahalemy mantsy izy io. (Lk 13:11, 16) Nilaza i Petera fa “voafatotry ny tsy fahamarinana” i Simona, izay saika hividy ny fanomezan’ny fanahy masina.​—As 8:23.

Hoatran’ny gadra vy ny tanan’ny vehivavy ratsy fitondran-tena, ary “toy ny adala nasiana gadra vy mba hofaizina” ny tovolahy manaraka azy.​—Mpto 7:26; Oh 7:22.

Manana heviny tsara ilay tenin’i Ezekiela hoe “voafatotry ny fifanekena”, satria tokony hohajaina ny fifanekena. (Ezk 20:37) “Voafatotry” ny fanambadiana koa ny mpivady. (Ro 7:2; 1Ko 7:27, 39) “Fatorana mampiray tonga lafatra” ny fitiavana.​—Kl 3:14.