Fe
Rantsambatana ambany manomboka eo amin’ny andilana ka hatreo amin’ny lohalika. Ilay teny hebreo nadika hoe “fe” dia mety hidika koa hoe ‘lafin’ny’ zavatra iray, ohatra hoe lafin’ny tranolay masina na lafin’ny alitara.—Ek 40:24; 2Mp 16:14.
Teo amin’ny andilana, na teo amin’ny fe ilany, no nitondrana ny sabatra. (Ek 32:27; Mpts 3:16, 21; To 3:8; Sl 45:3) Milaza ny Apokalypsy 19:11-21 fa mitaingina soavaly fotsy i Kristy Jesosy, ary miady amin’ilay “bibidia” sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny. Voasoratra mazava eo amin’ny akanjony ivelany, eo amin’ny feny, ny anarany hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” Teo matetika no nitondrana ny sabatra mariky ny fahefana.
Avy teo amin’ny andilana ka manarona ny fe hatreo amin’ny lohalika ny kilaoty lava fanaon’ny mpisorona teo amin’ny Israely. Azo antoka àry fa tsy nitanjaka izy rehefa nanompo tao amin’ny toerana masina sy teo amin’ny alitaran’i Jehovah. Mety hahafaty azy mantsy ny tsy fanarahany izany.—Ek 28:42, 43.
Fanaon’izay nianiana ny nametraka ny tanany tao ambanin’ny fen’ilay olona nanaovany fianianana. (Ge 24:2-4, 9; 47:29-31) Jereo ny FIHETSIKA SY FANAO (Fianianana) raha te hahalala ny dikan’izany. Fanao koa ny nikapoka ny fe rehefa ory na nalahelo, na nanenina.—Je 31:19; Ezk 21:12.
Hoy i Jehovah tamin’i Babylona: “Esory ny rebareban’akanjo. Asehoy ny fe, ary miampità ny renirano.” (Is 47:1, 2) Asehon’izany faminaniana izany fa tsy ho toy ny mpanjakavavy miaingitraingitra intsony i Babylona, fa lazaina an’ohatra kosa hoe voatery hampiakatra ny akanjony hatreo amin’ny andilany mba handehanany tsy nanao kapa ka hiampita renirano, satria hotaritaritin’ireo nandresy azy.
Taovam-pananahana. Eo akaikin’ny fe no misy ny taovam-pananahana. Voalaza àry fa ‘avy tao amin’ny foto-pe’ ny taranaka. (Ge 46:26, f.a.p.; Ek 1:5, f.a.p.; Mpts 8:30, f.a.p.) Manampy antsika izany hahazo ny anton’ilay sazy nampiharina tamin’izay vehivavy voaporofo fa meloka ho nanitsakitsa-bady nefa nanafina izany.
Raha nisy lehilahy niahiahy ny vadiny hoe nanitsakitsaka azy, dia tsy maintsy nentiny tany amin’ny mpisorona ravehivavy. Nasain’ilay mpisorona nijoro teo anatrehan’i Jehovah ravehivavy, ary naka rano madio (na rano masina) ilay mpisorona dia nasiany vovoka nalaina teo amin’ny tany itoeran’ny tranolay. Hofafany ao anatin’ilay rano ny ozona nosoratany. Nasaina nisotro an’ilay rano ilay vehivavy rehefa avy nianiana hoe tsy meloka. ‘Nikainkona ny feny’ ary nibontsina ny kibony, raha meloka izy. Tsy hisy hanjo azy kosa izany raha tsy nanao ratsy izy.—No 5:12-31.
Inona no dikan’ilay hoe “hikainkona” ny fen’ny vehivavy nanitsakitsa-bady?
Toa teny mihaja hilazana ny taovam-pananahana ny hoe fe ao amin’io Nomery io. (Ampit. Ge 46:26.) Izany taova izany no nampiasain’ilay vehivavy rehefa nanao ratsy izy, ka ara-dalàna raha nisy vokany tamin’ilay taova ny sazy. (Ampit. Mr 9:43-47.) Ilay hoe “hikainkona” àry dia mety hidika hoe hifintina kely ny taovam-pananahany ary ho lasa momba izy ka tsy ho afa-miteraka. Hataon’ny vadiny izay hahabevohoka an-dravehivavy raha tsy meloka izy. Toa midika izany fa tsy ho bevohoka intsony ny vehivavy iray raha tena nanitsakitsa-bady tokoa. (No 5:28) Hibontsina ny kibony, nefa tsy noho ny fitahiana fa noho ny ozona. Fitahiana mantsy ny hoe bevohoka!
Tsy misy itovizana amin’izany mihitsy ilay fanao teo anelanelan’ny taona 476 sy ny taona 1000 tany ho any. Fanao tamin’izany ny nampijaly olona mba hamantarana raha tena meloka izy, na tsia. Ho tena fahagagana tamin’izay raha nisy olona tafavoaka velona. Tsy azo ampitovina amin’izany ilay voalazan’ny Nomery. Tsy hoe nisy zavatra nankarary tao amin’ilay rano. Voalaza kosa aza hoe rano masina izy io ary nisy tany masina tao anatiny sady nofafana tao anatiny ireo ozona voasoratra. Misy heviny an’ohatra àry ilay rano. Sady nisotro azy io teo anatrehan’i Jehovah ilay vehivavy no niozona tamin’i Jehovah, ka azo antoka fa hiharihary ny marina. Nataon’i Jehovah nanan-kery tao aminy tamin’ny fomba mahagaga ilay rano, raha meloka ilay vehivavy. Nahazo ny valin’ny nataony izy amin’izay. Raha ny tokony ho izy, dia novonoina ho faty izay nanitsakitsa-bady raha nisy vavolombelona roa. Tsy izany anefa no natao tamin’ity raharaha ity. (No 35:30; De 19:15) Mazàna koa no voaresaka izay lehilahy nanao firaisana tamin’ny vehivavy nanitsakitsa-bady, fa tamin’ity raharaha ity kosa tsy voaresaka izy, na dia mendrika ny ho faty koa aza.
Fen’ondrilahy. Anisan’ny “fanatitra ahetsiketsika” ny fe ankavanan’ny ondrilahy iray rehefa natao sorona izy io ‘mba hametrahana mpisorona teo amin’ny toerany.’ (Le 8:22, 25-27) Nomena ho anjara masina ho an’izay mpisorona nanolotra sorona ny fe ankavanan’ny biby sasany natao sorona. Azo inoana fa io no faritra tsara indrindra amin’ny tongotra eo aoriana. (Le 7:32-34; 10:12, 14, 15) Nomena ho an’ny mpisorona koa ny tongotra eo aloha, na ny “sorok’ilay” (a.b.t.: ny sandrin’ilay) ondrilahy.—No 6:19; De 18:3.
Fe itsambikinana. Amin’ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, dia ireo “manana fe itsambikinana” (heb.: keraʽayim) ihany no lazain’ny Lalàna hoe madio ka azo hanina. (Le 11:21) Io teny hebreo io koa no ilazana ‘ranjom-biby’, any amin’ny andininy hafa.—Jereo RANJO.