Fefy
Zavamaniry be tsilo mifanety no natao fefy manodidina saham-boankazo sy tanimboaloboka, sao hidiran’ny mpangalatra na biby mpanimba voly. (Is 5:5) Miaro no dikan’ny hoe ‘manisy fefy.’ (Jb 1:10, f.a.p.) Midika kosa hoe manisy sakana eo anoloan’ny olona na firenena iray ny hoe ‘mamefy manodidina’, mba ho tapi-dalan-kaleha izy ka hamoy fo. (Jb 3:23; Ho 2:6; ampit. Jb 19:8; Ft 3:7-9.) “Ratsy noho ny fefy tsilo” manindrona sy mandratra “ny olo-marina indrindra” tamin’ny andron’i Mika, satria tena ratsy fitondran-tena ireo Israelita.—Mi 7:4.