Feliksa
(Felìksa) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe Sambatra].
Governoran’i Jodia, faritany romanina. Tamin’i Paoly nankany Jerosalema farany (t. 56), dia notanan’i Feliksa am-ponja nandritra ny roa taona izy. Milaza i Tacite fa governora niara-nitondra an-taonany maro i Cumanus sy Feliksa, ary tatỳ aoriana vao i Feliksa irery no lasa governoran’i Jodia. (Ny Tantara, XII, LIV) Tsy milaza kosa i Josèphe hoe niara-nanao ny asan’ny governora i Cumanus sy Feliksa, ka maro ny manam-pahaizana mihevitra fa tamin’ny taona 52 i Feliksa no lasa governora. (Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 137 [vii, 1]; Ny Adin’ny Jiosy, II, 247, 248 [xii, 8]) Rehefa jerena anefa ny fotoana nanaovan’i Feliksa ny asany, dia afaka niteny taminy i Paoly hoe: “Mpitsaran’ity firenena ity efa an-taonany maro ianao.”—As 24:10.
Milaza ny mpahay tantara fa andevo i Feliksa taloha, fa nafahan’i Klaodio Mpanjaka izy sy Pallas rahalahiny. Nomena anarana hoe Antonio, hono, izy, ary nahery setra sy naloto fitondran-tena. Nilaza i Tacite fa “nataony [nataon’i Feliksa] daholo
izao karazana herisetra sy fanao vetaveta rehetra izao”, tamin’izy governora, ary “toy ny an’ny mpanjaka ny fahefany, nefa ny fisainany toy ny an’ny andevo.” (Ny Tantara, V, IX) Voalaza fa izy no nikotrika ny famonoana an’i Jonatana Mpisoronabe. Milaza i Suétone fa nanambady mpanjakavavy telo i Feliksa. (Ny Fiainan’ireo Kaisara, Klaodio, XXVIII) Mifanaraka amin’izay resahin’ny Baiboly momba an’i Feliksa izany.Rehefa voasambotra i Paoly, dia hitan’i Klaodio Lysia, mpitari-tafika romanina, fa notandindomin-doza ny ain’io apostoly io raha navela hijanona tao Jerosalema izy. Nalefany hidina haingana tany Kaisaria àry ilay voafonja niandraiketany ka natao tsara ambina. Ireo mpiampanga kosa ‘nasainy nilaza izay iampangany azy’ teo anatrehan’i Feliksa. (As 23:23-30) Dimy andro taorian’izay, dia nidina avy tany Jerosalema i Ananiasy Mpisoronabe sy Tertylo ary olon-kafa maro mba hiampanga an’i Paoly. Tsy nitombina mihitsy anefa ny fiampangan’izy ireo. I Feliksa no nitarika an’ilay fitsarana, ary nahemony ilay raharaha. Nasainy notanana am-ponja ihany i Paoly, saingy nohalefahiny ny fanagadrana azy sady navela hikarakara azy ny namany.—As 24:1-23.
“Nampaka an’i Paoly” i Feliksa tatỳ aoriana, “ka nihaino izay nolazainy ny amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” “Niresaka momba ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy” i Paoly tamin’izay, ary toa teo i Drosila vadin’i Feliksa. “Natahotra” i Feliksa, rehefa nandre izany ka hoy izy: “Mandehana aloha, fa mbola hampaka anao ihany aho rehefa mety ny fotoanako.” Nampaka an’i Paoly matetika sy niresaka taminy i Feliksa, nandritra ny roa taona. Nanantena ny hahazo tsolotra avy tamin’ilay apostoly mantsy izy.—As 24:24-27.
Tena halan’ny Jiosy ny fitondran’i Feliksa. Tamin’ny taona 58 angamba “i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa. Ary navelan’i Feliksa nifatotra i Paoly, satria te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy izy.” (As 24:27) Tsy nanamaivana ny fahoriana nampitondrainy ny Jiosy anefa izany, sady tsy nisakana azy ireo tsy handefa solontena hankany Roma mba hiampanga azy. Tsy voasazy izy tamin’izy voantso tany Roma, satria nitana toerana ambony i Pallas rahalahiny sady tian’i Néron.