Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feo

Feo

Ilazana an’izay ren’ny sofina rehefa misy olona miteny na mihira sy ny toy izany ny teny hoe kôhl (heb.) sy kal (aram.) ary fône (gr.). Azo ilazana ny feon’ny biby koa ireo. (Ge 3:8, 10; 21:17; Jb 4:10; Da 4:31; Mt 27:46) Mety hidika koa hoe “kotroka”, “tabataba”, “vaovao”, sy ny toy izany ny hoe kôhl (Ge 45:16; Ek 9:28; 32:17), ary “antso” sy ‘antsoantso’ ny hoe fône (As 19:34; 1Ko 14:8).

Andriamanitra sy anjely. Manana ny fiteniny koa izy ireo, matoa ny apostoly Paoly niresaka momba ny “fitenin’olona sy fitenin’anjely.” (1Ko 13:1) Efa nisy olona nandre anjely sy nandre an’i Jehovah Andriamanitra niteny, ary azony tsara ny fitenin’izy ireo. Mety ho hafa mihitsy anefa ny feon’izy ireo rehefa mifampiresaka any an-danitra, satria any tsy misy atmosfera toa an’ilay manodidina ny tany izay afaka mampita ny onjam-peo ren’ny olona sy takatry ny sainy.

Tsy maintsy niova ho onjam-peo àry ny feon’Andriamanitra sy ny anjely vao ren’olona ny feony. Tsy misy hafa amin’ny hoe nila nitafy vatana ny anjely na nampita sary tao an-tsain’ny olona, vao lasa hita maso. Na ny mpahay siansa aza izao efa mahay manova ny onjan’ny feon’olona ho onja elektrika azo ampitaina mankany amin’ny milina iray, izay manova an’ireo onja elektrika ireo ho feo mitovy amin’ny an’ilay olona indray avy eo.

Tena nisy olona nahare ny feon’Andriamanitra tokoa ve?

Resahin’ny Baiboly fa intelo no ren’olona niteny i Jehovah: 1) Tamin’ny batisan’i Jesosy (taona 29) rehefa ren’i Jesosy sy Jaona Mpanao Batisa Izy niteny hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mt 3:17; Mr 1:11; Lk 3:22) 2) Tamin’i Jesosy niova tarehy (taona 32) teo anatrehan’ny apostoly Petera sy Jakoba ary Jaona, izay nandre teny nitovitovy tamin’ireo ihany. (Mt 17:5; Mr 9:7; Lk 9:35) 3) Taloha kelin’ny Paska farany (taona 33) nankalazain’i Jesosy, rehefa avy niangavy an’Andriamanitra izy mba hanome voninahitra ny anarany. Nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.” Nihevitra ny vahoaka tamin’izay fa nikotroka ny andro, na nisy anjely niteny tamin’i Jesosy.​—Jn 12:28, 29.

I Jehovah Andriamanitra mihitsy tamin’ireo fotoana ireo no nanao izay handrenesan’ny mpanompony ny feony sy hahatakaran’izy ireo ny dikan’ny teniny. Tsy ren’ny vahoaka tsara anefa ilay feo tamin’ilay fahatelo, matoa nisy nampitovy azy io tamin’ny kotroka. Azo antoka fa i Jehovah no niteny tamin’ireo fotoana ireo, satria Zanany sady mifandray am-po aminy kokoa noho ny zavaboary hafa rehetra i Jesosy, ilay noresahiny.​—Mt 11:27.

Hoy i Jesosy tamin’ireo Jiosy tsy nino azy, tamin’ny Paska taona 31 tany ho any: “Ny Ray izay naniraka ahy mihitsy koa no nanome porofo momba ahy. Mbola tsy nisy fotoana nandrenesanareo ny feony, na nahitanareo ny tarehiny. Ary tsy mitoetra ao am-ponareo ny teniny, satria tsy inoanareo ilay nirahiny.” (Jn 5:37, 38) Mbola tsy nahare ny feon’Andriamanitra ireo olona ireo, ary tsy nankatò ny teniny sady tsy nanaiky ny porofo niharihary fa nanohana an’i Jesosy Andriamanitra. Toa i Jesosy sy Jaona Mpanao Batisa ihany àry no mbola nahare ny feon’i Jehovah talohan’izay, satria tatỳ aoriana vao re indroa ny feony.

Ilazana ny fahefan’i Jehovah hibaiko koa ny hoe ‘feony’ indraindray, toy ny amin’ilay hoe “ny feon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”​—Ezk 10:5.

Feon’anjely. Tsy Andriamanitra indraindray no ‘niteny’, fa anjely nisolo tena azy, toy ireo niresaka tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Horeba sy tamin’ny Israelita teo am-pototr’ilay tendrombohitra. (Ek 34:4-7; 20:1-17; Ga 3:19) Tsy niseho vatana ireny anjely ireny indraindray, fa ny feony fotsiny no re, toy ny teo amin’ilay tendrombohitra nihovotrovotra sy nidona-tsetroka. (Ek 20:18, 19; De 4:11, 12; He 12:18, 19) Niseho tao amin’ny fahitana izy ireo indraindray (Da 8:1, 15, 16; Ap 14:15-18), na matetika nitafy vatan’olombelona rehefa nampita hafatra ho an’ny olona.​—Ge 18:1-3, 20; 19:1; Js 5:13-15.

Dikan’ny hoe mihaino ny feon’Andriamanitra. Tsy hoe mahare feo ara-bakiteny foana akory no dikan’izany, fa hoe manaiky sy mankatò an’izay nampanoratin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny sy nampitainy tamin’ny alalan’ny mpanompony eto an-tany. (1Jn 2:3, 4) “Ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah” àry no atao hoe “feony.” Anisan’izany ny didy nampitainy mivantana tamin’ny olona, na tamin’ny alalan’ny anjely sy olona, na izay nasainy nosoratana.​—Sl 103:20; Mt 4:4; jereo FANKATOAVANA.

Dikan’ny hoe mihaino ny feon’i Jesosy. I Jesosy Kristy no “mpiandry tena tsara”, ka “mihaino ny feony ny ondry ... ary ny ondry manaraka azy satria fantatr’ireo ny feony.” ‘Tsy fantatr’izy ireo’ kosa ‘ny [feon’olona] tsy fantany.’ (Jn 10:2-5, 11) ‘Fantatry’ ny ‘ondrin’i’ Kristy ny feony, izany hoe ekeny fa marina ny tenin’i Kristy ao amin’ny Baiboly. Laviny kosa ny fampianaran’olona “tsy fantany” na mpiandry sandoka. “Mihaino” ny feon’i Jesosy ny ondry, rehefa mankatò ny didiny ao amin’ny Baiboly. (Jn 15:10, 15) Ho tafaray amin’i Jehovah izay manara-dia an’i Kristy, satria solontenan’Andriamanitra i Kristy Jesosy ary mihaino ny feon’i Jehovah foana sady milaza an’izay asainy lazaina.​—Jn 5:19; 1Jn 2:6.

Ny feon’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty. Niseho sy niresaka tamin’i Saoly avy any Tarsosy (lasa apostoly Paoly) i Kristy, taorian’ny nitsanganany sy niakarany tany an-danitra. Nahazo tsara an’izay nolazainy i Saoly, tsy toa an’ireo lehilahy niaraka taminy. (As 9:1-9; 22:6-11; 26:12-18) Nandre “feo” ireo niaraka tamin’i Saoly, hoy ny Asan’ny Apostoly 9:7. Amin’ny endriny ilazana tompon-javatra ny teny grika hoe fônes eo, izay avy amin’ny hoe fône, ary midika ara-bakiteny hoe mandre an’ilay feo. Mety ho nandre feo fotsiny àry ireo lehilahy ireo, fa tsy nahazo ny dikan’ilay teny. “Tsy nandre ny tenin’ilay niresaka” izy ireo, hoy i Paoly tatỳ aoriana. (As 22:9) Fônen no nampiasain’i Paoly eo, ary fameno izy io. Mety hidika izany fa na dia ren’ny sofin’izy ireo aza ilay feo, dia tsy nazava tsara taminy ny teny nolazain’i Kristy tamin’i Saoly, ka tsy azony. I Saoly kosa nahazo.

Hoy i Paoly momba ny fanangonana ny olona masina voahosotr’Andriamanitra: “Ny Tompo [Jesosy Kristy] mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.” (1Te 4:16) “Filohan’ny anjely” na “anjely lehibe indrindra” no dikan’ny hoe “arkanjely.” Manasongadina ny fahefan’i Jesosy hanome baiko àry ilay hoe “feon’arkanjely.” Hoy i Jesosy momba ny fahefana nomen’Andriamanitra azy: “Fa toy ny ananan’ny Ray fiainana ao aminy no anomezany alalana ny Zanaka mba hanana fiainana ao aminy. Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak’olona. ... Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”​—Jn 5:26-29.

Feon’olombelona. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny feo sy fiteny. Tokony hampiasaina hiderana Azy àry ny feo. Manao izany isika rehefa miresaka “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”, mampahery ny hafa amin’ny alalan’ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, ary manao hira fiderana sy fisaorana.​—As 2:11; Sl 42:4; 47:1; 98:5; Ef 5:19; Kl 3:16.

Henoin’Andriamanitra ny feon’ny mpanompony. Matoky ireo manompo an’Andriamanitra araka ny fanahy sy ny fahamarinana fa henoiny ny feon’izy ireo, na inona na inona fiteny ivavahany aminy. Na dia tsy mamoaka feo na miloa-bava aza ilay olona dia mbola ‘henoin’Andriamanitra’ ihany ny fiangaviany, satria mahalala ny ao am-po Izy. (Sl 66:19; 86:6; 116:1; 1Sa 1:13; Ne 2:4) Henoiny ny feon’ny ory miantso vonjy aminy. Reny koa ny feon’ireo manohitra azy sy mitetika ny hanisy ratsy ny mpanompony ary fantany ny fikasan’izy ireo.​—Ge 21:17; Sl 55:18, 19; 69:33; 94:9-11; Je 23:25.

Zavaboary tsy mananaina. Tsy mamoaka feo ny ankamaroan’ny zavaboary, nefa voalaza fa manambara ny voninahitry ny Mpamorona azy. Kôhl (“feo”) ny teny hebreo ilazana ny fanambarana ataon’izy ireny. (Sl 19:1-4) “Manandratra ny feony” eny an-tany malalaky ny tanàna ny fahendrena oharina amin’ny olona, satria afaka ny ho hendry izay rehetra mitady azy. Asain’Andriamanitra hambara amin’ny rehetra koa ny fahendrena, ka tsy afa-tsiny izay tsy mety mihaino.​—Oh 1:20-30.

Heviny an’ohatra. Toy ny feon’ny vehivavy marary ny fitarainan’ny mponin’i Jerosalema notafihin’ny Babylonianina, ary toy ny fitarainan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany “ny feon’i Ziona zanakavavy.” (Je 4:31) Naetrin’ny fahavalony ho ambany dia ambany i Jerosalema, ka toy ny hoe avy tao amin’ny vovoka ny feony sady iva kely toy ny an’ny mpamoha angatra. (Is 29:4) Naminany koa i Jeremia fa hanafika sy handresy an’i Ejipta ny Babylonianina, izay ho avy hikapa azy toy ny ataon’ny mpikapa kitay. Haetry izy, ka hivalampatra amin’ny tany. Hitomany moramora sy hitaraindraina izy, ary ho iva toy ny an’ny bibilava mandositra ny “feony.”​—Je 46:22.