Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feon’ny Fieritreretana

Feon’ny Fieritreretana

Nadika avy tamin’ny teny grika hoe syneidesis (syn “miaraka amin’ny” sy eidesis “fahalalana”), ka midika hoe fahalalana iaraha-manana na fahalalana ny tena ihany. Ny feon’ny fieritreretana dia fahaizana voajanahary manampy ny olona hahita ny tenany sy hitsara ny tenany ary hiampanga na hiaro azy. Hoy ny apostoly Paoly momba ny fiasan’izy io: “Na ny feon’ny fieritreretako na ny tenako dia samy vavolombelona araka ny fanahy masina.”​—Ro 9:1.

Efa ao amin’ny olombelona ny feon’ny fieritreretana satria nataon’Andriamanitra tao anatiny. Ny feon’ny fieritreretana no mahatonga ny olona hahatsapa avy hatrany hoe mety na tsy mety ny ataony, ka manjary manamelo-tena izy na manala tsiny ny tenany. Mitsara àry ny feon’ny fieritreretana. Mety hamolavola azy io ny zavatra eritreretina sy atao, ary ireo zavatra inoana sy fitsipika izay nianarana na azo avy tamin’ny zavatra niainana. Ampitahain’ny feon’ny fieritreretana amin’ireny ny zavatra atao na kasaina hatao, ka mampitandrina izy io raha hitany fa mifanohitra izany. Rehefa “donto” ihany izy io vao tsy mampitandrina toy izany. Tsy mihontsina intsony mantsy izy io rehefa tsy henoina matetika ny fampitandremany. Miaro ny olona ny feon’ny fieritreretana satria mampifaly izy io raha tsara ny atao fa manenjika kosa raha ratsy ny atao.

Efa hatrany am-piandohana no nanana feon’ny fieritreretana ny olona. Niafina avy hatrany mantsy i Adama sy Eva raha vao nandika ny lalàn’Andriamanitra. (Ge 3:8) Hoy ny Romanina 2:14, 15: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” Manana feon’ny fieritreretana koa àry ny tsy Kristianina, satria efa nanana izany i Adama sy Eva razamben’ny olombelona. Mifanaraka amin’ny zavatra eken’ny feon’ny fieritreretana kristianina ny ankamaroan’ny lalàna any amin’ny tany maro, na dia tsy manaraka fampianarana kristianina aza ny olona sy ny mpanao lalàna any amin’ireny tany ireny. Manaraka izay lazain’ny feon’ny fieritreretany fotsiny izy ireo rehefa manao lalàna. Manana feon’ny fieritreretana ny olona rehetra, ary izany no mahatonga ny olona ho tia ny fomba fiainan’ny Kristianina sy ny zavatra toriny.​—2Ko 4:2.

Mety hanoro vohony ny feon’ny fieritreretana raha tsy omena fahalalana. Hitarika ho amin’ny lalan-diso izy io raha tsy volavolaina hanaraka ny fitsipika marina, mifanaraka amin’ny fahamarinana. Mety hanimba azy io ny tontolo manodidina, ny fomba amam-panao, ny fivavahana, ary ny fahazarana, ka mety ho ireny zavatra diso ireny no entiny itsarana ny atao hoe mety sy tsy mety. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa hisy hihevitra hoe anisan’ny fanompoana masina ny famonoana ny mpanompon’Andriamanitra. (Jn 16:2) Nikasa hamono ny mpianatr’i Kristy, ohatra, i Saoly (ilay lasa apostoly Paoly), satria nino izy fa izany no fomba ampisehoany hoe mazoto manompo an’Andriamanitra izy. (As 9:1; Ga 1:13-16) Tena voafitaka koa ny Jiosy ka nanjary niady tamin’Andriamanitra satria tsy ampy ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra. (Ro 10:2, 3; Ho 4:1-3; As 5:39, 40) Ny feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Tenin’Andriamanitra ihany no mahay mitsara ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana sy manitsy izay tsy mety. (2Ti 3:16; He 4:12) Mila fitsipika tsy miovaova sy marina ny Kristianina. Tsy inona izany fa ny fitsipik’Andriamanitra.

Feon’ny fieritreretana madio sy miasa tsara. Tokony hadio ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray manatona an’i Jehovah. (He 10:22) Tokony hiezaka foana àry ny Kristianina mba hanao ny marina amin’ny zava-drehetra. (He 13:18) Hoy i Paoly: “Izany ... no iezahako mandrakariva hanana feon’ny fieritreretana madio, izay milaza amiko fa tsy nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona aho.” (As 24:16) Nanitsy ny fiainany foana izy mba hanarahana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaran’i Kristy. Fantany mantsy fa Andriamanitra no hitsara azy amin’ny farany fa tsy ny feon’ny fieritreretany. (1Ko 4:4) Mety henjehina ireo manaraka ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly. Mampahery anefa ny tenin’i Petera hoe: “Fa raha misy olona mizaka fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny, noho ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’Andriamanitra, dia ankasitrahana izany.” (1Pe 2:19) Tokony hiezaka hanana “feon’ny fieritreretana madio” foana ny Kristianina, rehefa misy manohitra.​—1Pe 3:16.

Tsy nahatonga ny olona hanana feon’ny fieritreretana madio tanteraka ny Lalàna sy ireo sorona biby. Ny vidim-panavotan’i Kristy kosa afaka manadio ny feon’ny fieritreretan’ireo mino azy io. (He 9:9, 14) Nilaza i Petera fa tsy maintsy manana an’io feon’ny fieritreretana madio sy miasa tsara io ireo ho voavonjy.​—1Pe 3:21.

Feon’ny fieritreretan’ny hafa. Raha tsy volavolaina hifanaraka tsara amin’izay tena lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana dia mety halemy, ka tsy hahay hamantatra ny mety sy ny tsy mety. Malemy ny feon’ny fieritreretana raha mora ampanginina, na mora tafintohina amin’izay ataon’ny hafa na lazainy nefa mety ho tsy nisy fahadisoana vita akory. Nalain’i Paoly ho ohatra momba izany ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fiheverana ny andro sasany ho ambony. (Ro 14:1-23; 1Ko 8:1-13) Asaina manisy fiheverana an’izay manana feon’ny fieritreretana malemy ireo Kristianina manam-pahalalana sy manana feon’ny fieritreretana voavolavola tsara. Ampirisihina koa izy ireo mba hampandefitra ny zavatra sasany azony atao na ananany “zo”, ary tsy hanao foana izay tiany. (Ro 15:1) “Manota amin’i Kristy” mantsy izay mandratra ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina mbola malemy. (1Ko 8:12) Tsy te hanao zavatra mety hanafintohina ny rahalahiny malemy i Paoly, mba tsy hitsaran’izy ireo azy. Tokony hanisy fiheverana ny rahalahiny koa anefa ireo malemy, ka hiezaka ny ho matotra, izany hoe hiezaka hahazo fahalalana sy fampiofanana bebe kokoa, mba tsy ho mora tafintohina ny feon’ny fieritreretany, ka hahatonga azy hitsara ny hafa.​—1Ko 10:29, 30; Ro 14:10.

Feon’ny fieritreretana simba. Mety tsy hadio sy tsy hiasa tsara intsony ny feon’ny fieritreretana raha simbana. Tsy hampitandrina intsony àry izy io ary tsy ho azo antoka ny fitarihany. (Tit 1:15) Ny tahotra sao ho tratra sy ho voasazy sisa no mibaiko ny fitondran-tenan’ilay olona fa tsy miasa tsara intsony ny feon’ny fieritreretany. (Ro 13:5) Nilaza i Paoly fa nisy feon’ny fieritreretana voatomboky ny vy mahamay, izany hoe donto ka tsy mahare na inona na inona toy ny nofo feno holatra satria may. (1Ti 4:2) Tsy mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety ny olona manana feon’ny fieritreretana toy izany. Tsy ankasitrahany ny fahafahana omen’Andriamanitra azy, fa mikomy izy ka lasa andevozin’ny feon’ny fieritreretana ratsy na simba. Mora voaloto ny feon’ny fieritreretana, ka izao no tokony ho tanjon’ny Kristianina: “Ry rahalahy, nitondra tena tsara teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny feon’ny fieritreretana madio tanteraka aho mandraka androany.”​—As 23:1.