Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fery Mandoaka

Fery Mandoaka

Aretina mamono ny sela eo amin’ny faritra amin’ny vatana, toy ny rantsantongotra na ny tongotra. Vokatry ny lalan-dra tsentsina izy io ka tsy afaka mikoriana ny ra. Lazaina hoe maina io karazana fery mandoaka io, rehefa tsentsina ny mpanelira (raha lasa mihamafy ny lalan-dra, ohatra) eo amin’ny faritra voa, ka mainty sy maina ary donto io faritra io. Lazaina kosa hoe mandranoka izy io, raha ny lalan-dra madinika no voa. Lazaina hoe misy gazy kosa izy io, raha mamoaka roatrany eo ambany hoditra ny bakteria ao amin’ny sela maty na efa ho faty. Mihofakofaka haingana ireo tambatsela, noho izany. Mazàna no misy bakteria manafika eo amin’ny fery mandoaka. Matetika àry no mihabetsaka ny sela maty ao anatin’ny fotoana fohy. Vao mainka tena ratsy raha tonga hatrany amin’ny lalan-dra ny bakteria, satria mahafaty raha tsy tsaboina haingana.

An’ohatra no nampiasan’ny apostoly Paoly ny hoe “fery mandoaka”, mba hilazana fampianaran-diso sy “resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina.” Nasongadiny fa tena manimba ny fiangonana iray manontolo ny resaka toy izany. Hoy izy: “Vao mainka tsy hatahotra an’Andriamanitra ireny, ary ny teniny dia hiely toy ny fery mandoaka.” Hoy koa izy: “Anisan’izy ireny i Hymeneo sy Fileto. Niala tamin’ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty. Koa nandrava ny finoan’ny sasany izy ireo.” (2Ti 2:16-18) Niresaka an’ohatra momba ny fery mandoaka i Paoly mba hanasongadinana fa tena tokony hofoanana tsy hisy eo anivon’ny fiangonana ny fampianaran-diso sy ny resaka manazimbazimba zava-masina. Nampitovin’i Paoly tamin’ny vatana misy rantsambatana, toy ny tongotra sy tanana, mantsy ny fiangonana, (1Ko 12) ary efa voalaza fa tena manimba ny vatana ny fery mandoaka.