Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Festosy

Festosy

(Festòsy) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe Ravoravo; Faly].

Governoran’i Jodia, faritany romanina, rehefa nesorina tamin’ny toerany i Feliksa mba ho any Roma. (As 24:27) Tsy fantatra ny taona tena nitrangan’izany. Ny Baiboly sy Josèphe ihany no miresaka an’i Festosy, nefa tsy noresahin’izy ireo ny nametrahan’i Néron azy teo amin’ny toerany. Misy milaza fa tamin’ny taona 54 i Porsio Festosy no tonga tao Jodia. Misy indray miteny hoe tamin’ny taona 61 izany no nitranga. Ny mpahay tantara kosa milaza fa teo anelanelan’ny taona 58 sy 61 i Festosy no tonga tao Jodia. Voalazan’ilay boky hoe Famakafakana sy Fizahana Teny ao Amin’ny Baiboly nataon’i Young (p. 342), fa tamin’ny taona 58 i Festosy no lasa governoran’i Jodia, ary io no toa mitombina kokoa.

Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Festosy tao Kaisaria, dia nankany Jerosalema izy, angamba mba hamantarana ny olana mahazo ny vahoaka hoentiny. Navelan’i Feliksa tao am-ponjan’i Kaisaria i Paoly tamin’izay. Nangataka avy hatrany ny hitondrana an’i Paoly tany Jerosalema ireo lehiben’ny mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy. Nitetika ny hanafika azy teny an-dalana sy hamono azy mantsy izy ireo. Tapa-kevitra ny hitsara indray an’i Paoly anefa i Festosy, ka nasainy niseho teo amin’ny fitsarany tany Kaisaria ireo mpiampanga. Taorian’ilay ‘fitsarana’ dia niaiky i Festosy fa tsy meloka i Paoly, ka hoy izy tamin’ny mpanjaka Agripa II: “Takatro ... fa tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy izy.” (As 25:25) “Nila sitraka tamin’ny Jiosy” anefa i Festosy talohan’izay, ka nanontany an’i Paoly raha tiany ny hotsaraina tany Jerosalema. (As 25:9) Namaly àry i Paoly hoe: “Tsy misy afaka manolotra ahy amin’izy ireo mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!”​—As 25:11.

Vao maika nahita olana àry i Festosy. Tsy maintsy nandefa an’io voafonja io tany Roma izy nefa tsy nanan-javatra hiampangana azy. Nohazavainy tamin’i Agripa toy izao izany: “Tsy mety ... araka ny hevitro, ny manatitra voafonja nefa tsy milaza ny fiampangana azy.” (As 25:27) Nanaiky ny hihaino an’i Paoly i Agripa mba hamahana ilay olana. Tena nahay nandaha-teny sy nanohina ny fo i Paoly rehefa niaro ny tenany, ka hoy i Festosy: “Lasa adala ianao, ry Paoly! Mahalasa adala anao ny fianarana be!” (As 26:24) Nanao izay hahaliana an’i Agripa koa i Paoly, ka hoy io taminy: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (As 26:28) Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: “Raha tsy nampakatra ny raharaha any amin’i Kaisara izy, dia ho efa nafahana.” Tena nety tsara izany, satria efa nilaza tamin’i Paoly ny Tompo hoe: ‘Mahereza! Fa tsy maintsy hitory ny teny any Roma koa ianao.’​—As 23:11; 26:32.

Tian’ny olona kokoa ny fitondran’i Festosy satria tsy nampahory vahoaka toa an’i Feliksa izy. Nofongorany ilay andian-jiolahy mpampihorohoro nantsoina hoe Mpamono Olona, na Sicarii (mpitan-tsabatra), ary niezahany nampiharina ny lalàna romanina. Nisy didy iray navoakan’i Festosy tsy neken’i Roma anefa. Tsy inona izany fa ilay didy handrodanana manda iray naorin’ny Jiosy. Tazana avy teo amin’ny efitra fisakafoan’i Agripa mantsy ny faritry ny tempoly ka nanorina an’ilay manda ny Jiosy mba hanakonana izany. Lasa tsy afaka nanara-maso an’ilay toerana anefa ny miaramilan’i Festosy ka izany no nahatonga an’i Festosy handidy ny hanesorana an’ilay manda. Nampiakarin’ny Jiosy tany Roma anefa ilay raharaha, ka nahazo alalana hamela ilay manda teo izy ireo. Maty am-perinasa i Festosy ka i Albinus no nandimby azy.