Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fetin’ny Fitokanana

Fetin’ny Fitokanana

Avy amin’ny teny hebreo hoe hanokkah; fahatsiarovana ny nahazoan’ny Jiosy fahaleovan-tena avy tamin’ny fitondrana syrianina-grika, sy ny nanokanana ho an’i Jehovah indray ny tempolin’i Jerosalema, izay nozimbazimbain’i Antiokosa Faha-4 Epifana nihambo ho Teôs Epifanes (“Andriamanitra Miseho Vatana”). Nankahala sy naniratsira an’i Jehovah Andriamanitry ny Jiosy izy, ary te handoto tanteraka an’ilay tempoly naorin’i Zerobabela. Nanorina alitara teo ambonin’ilay alitara lehibe nanolorana ny fanatitra dorana isan’andro àry izy (1 Makabeo 1:57-62, Kat.), ary nanao sorona kisoa teo ambonin’izy io (25 Kisleo 168 T.K.). Nisy nalain-dro ny nofon’ilay henan-kisoa ary nafafiny eran’ny tempoly ilay rony. Nodorany koa ireo vavahadin’ny tempoly, noravany ireo efitra ho an’ny mpisorona, ary nentiny ilay alitara volamena sy ny latabatry ny mofo aseho ary ny fitoeran-jiro volamena. Notokanana ho an’i Zeosy (andriamanitra nifehy ny Tendrombohitra Olympe) avy eo ilay tempoly.

Azon’i Jodasy Makabeo indray ilay tanàna sy ny tempoly, roa taona tatỳ aoriana, saingy lao ny toerana masina ary feno kirihitra ny tokotanin’ny tempoly. Noravany ilay alitara voaloto ary nosoloany alitara vita tamin’ny vato tsy voapaika. Nampanao fitaovan’ny tempoly izy, ary naveriny tao an-tempoly ny alitaran’ny emboka manitra, ny latabatry ny mofo aseho, ary ny fitoeran-jiro. Voadio ilay tempoly ka notokanana indray tamin’ny 25 Kisleo 165 T.K., telo taona katroka taorian’ny nanaovan’i Antiokosa sorona ho an’ny sampy teo ambonin’ilay alitara. Natolotra isan’andro indray ny fanatitra dorana.​—1 Makabeo 4:36-54; 2 Makabeo 10:1-9.

Fombafomba. Fotoam-pifaliana lehibe io fety io. Nitovitovy tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo izy io. Nanomboka ny 25 Kisleo ilay fety, ary naharitra valo andro. (1 Makabeo 4:59) Nisy jiro nazava be teo an-tokotanin’ny tempoly, ary samy noravahana jiro ny isan-tokantrano. “Fetin’ny Fahazavana” ilay fety, hoy ny Talmoda. Tatỳ aoriana, dia nisy nandrehitra jiro valo ny alina voalohany, ary nahena iray isak’alina izany. Nisy kosa nandrehitra jiro iray ny alina voalohany, ary lasa valo izany ny alina farany. Napetraka teo akaikin’ny varavarana fidirana ny jiro, mba hanazava ny tao an-trano sy mba ho hitan’izay rehetra teny ivelany. Sady nandrehitra jiro ny olona no nihira fiderana an’Andriamanitra Mpanavotra ny Israely. Hoy i Josèphe momba ny niandohan’ilay fety: “Tena faly be [ny Jiosy] fa afaka nanao ny fomba amam-panaony indray. Tsy nampoiziny hoe nahazo nanompo indray izy ireo rehefa ela ny ela! Namoaka lalàna àry izy ireo hoe tokony hankalazain’ny taranany mandritra ny valo andro ilay fitokanana indray ny tempoly. Mbola ankalazainay hatramin’izao io fety io. Antsoinay hoe fetin’ny Jiro izy io, satria nahazo nanompo an’Andriamanitra indray izahay, araka ny hevitro, tamin’izahay efa tsy nanantena intsony hoe mbola ho afaka hanao izany.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XII, 324, 325 [vii, 7]) Tsy voarara ny nanao asa mafy, satria tsy sabata ilay fety.

Efa indroa notokanana ny tempoly: Voalohany, rehefa vita ilay naorin’i Solomona, ary faharoa rehefa vita ilay naorin’i Zerobabela. Tsy nisy fety fankalazana sy fahatsiarovana an’ireny fitokanana ireny anefa tatỳ aoriana, tsy toy ilay Fetin’ny Fitokanana nasain’i Jodasy Makabeo natao. Azo nankalazaina isan-tanàna io fety io, hoatran’ny Fetin’ny Porima ihany, fa tsy voatery nankany Jerosalema ny lehilahy rehetra, toy ny rehefa nankalaza an’ireo fety lehibe telo. (Ek 23:14-17; Es 9:18-32) Nivory tao amin’ny synagoga ny olona, nihira sy nifaly, ary nitondra sampan-kazo. Nohazavain’ny jiro maro kosa ireo synagoga sy trano. Mbola mankalaza ny Fetin’ny Fitokanana ny Jiosy hatramin’izao.

Tamin’ny andron’i Jesosy. Nankao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’ny Fetin’ny Fitokanana tamin’ny taona 32. Ririnina tamin’izay, ary efa hifarana ny fanompoany. Hoy ny Jaona 10:22, 23: “Ary tonga ny fetin’ny fitokanana tany Jerosalema. Ririnina tamin’izay, ary nandeha tao amin’ny tempoly i Jesosy, tao amin’ny lala-mitafon’i Solomona.” Mifanitsy amin’ny Novambra-Desambra ny Kisleo (volana fahasivy). Fantatry ny Jiosy fa tamin’ny ririnina no nanaovana an’ilay fety. Mety ho nilaza ny toetrandro fotsiny àry i Jaona teo, fa tsy nilaza hoe nialokaloka tao amin’ny “lala-mitafon’i Solomona” i Jesosy rehefa ririnina mba hampianatra tao. Teo amin’ny lafiny atsinanan’ny tokotanin’ny hafa firenena io lala-mitafo io, ary be olona nivorivory teo.​—As 3:11; 5:12.

Tsy milaza ny Baiboly hoe i Jehovah no nanampy an’i Jodasy handresy, na nandidy azy hanamboatra indray ny tempoly sy ireo fitaovany, ary hitokana azy io indray. Tsy maintsy mbola nijoro anefa ny tempoly rehefa tonga ny Mesia, mba ho tanteraka ireo faminaniana momba an’i Jesosy sy ny fanompoany ary mba ho afaka hanompo sy hanolotra sorona tao an-tempoly foana ny Levita, mandra-pahavitan’ilay sorona lehibe nataon’ny Zanak’Andriamanitra. (Jn 2:17; Da 9:27) Lehilahy hafa firenena, toa an’i Kyrosy, aza nampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany momba ny fanompoana Azy (Is 45:1), koa mainka fa Jiosy anisan’ny vahoaka voatokana ho Azy?

Na ahoana na ahoana, dia mbola nisy nanompo tao amin’ny tempoly, tamin’ny andron’i Jesosy Kristy. Ilay tempoly naorin’i Zerobabela no namboarin’i Heroda indray (nosoloany), ary nataony tsara tarehy kokoa. Tempoly roa monja àry no tena resahin’ny Jiosy, dia ilay naorin’i Solomona sy ilay naorin’i Zerobabela, satria tsy tian’izy ireo i Heroda. Tsy nilaza i Jesosy sy ireo mpianany hoe ratsy ny Fetin’ny Fitokanana. Tsy nodidiana hankalaza azy io anefa ny Kristianina tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao.​—Kl 2:16; Ga 4:10, 11; He 8:6.