Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fetin’ny Tsinam-bolana

Fetin’ny Tsinam-bolana

Nodidian’Andriamanitra ny Israely mba hitsoka trompetra eo ambonin’ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana atolony, isaky ny tsinam-bolana, izany hoe isaky ny niandoha ny volana tao amin’ny kalandrie jiosy. (No 10:10) Nisy fanatitra manokana natao tamin’ireo andro ireo, ankoatra an’ireo fanatitra fanao isan’andro: Ho fanatitra dorana ny vantotr’ombilahy roa, ondrilahy iray, ondrilahy kely fito izay herintaona avy, izay ampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy divay; ary ho fanatitra noho ny ota ny zanak’osy iray.​—No 28:11-15.

Ireo ihany no toromarika momba an’io fety io ao amin’ny Boky Dimy Voalohany amin’ny Baiboly. Nihanalaza anefa izy io, ka lasa fetim-pirenena. Tanisaina miaraka amin’ny Sabata sy ny fotoanan’ny fety izy io ao amin’ny Isaia 1:13, 14. Resahin’ny Amosa 8:5 fa tsy nivarotra ny vahoaka rehefa tsinam-bolana, tamin’ny andron’ny mpaminany tatỳ aoriana, nefa tsy noraran’ny Baiboly tsy hanao izany izy ireo. Asehon’ireo andininy ireo koa fa lasa fombafomba fotsiny ny fankalazan’ny Jiosy ny Fetin’ny Tsinam-bolana, ka nanjary halan’i Jehovah.

Niara-nikorana sy nanao fanasana ny Jiosy rehefa tsinam-bolana. Rehefa tsy hitan’i Saoly niara-nisakafo taminy àry i Davida tamin’io andro io, dia hoy izy anakampo: “Nisy zavatra nitranga angamba ka tsy madio izy, satria tsy voadio.” (1Sa 20:5, 18, 24, 26) Natao hisaintsainana momba an’Andriamanitra ilay andro, na dia nisy asa azo natao ihany aza, tsy toy ny rehefa Sabata. Nanao fivoriambe ny olona (Is 1:13; 66:23; Sl 81:3; Ezk 46:3), na nitsidika an’ireo mpaminany na lehilahin’Andriamanitra.​—2Mp 4:23.

Tsy nanandro na nivavaka tamin’ny volana toy ny nataon’ny mpanompo sampy ireo nankalaza ny Fetin’ny Tsinam-bolana.​—Mpts 8:21; 2Mp 23:5; Jb 31:26-28.

Naminany i Isaia fa ho tonga hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah ny olona rehetra rehefa tsinam-bolana. (Is 66:23) Hoy koa i Jehovah tamin’i Ezekiela, tamin’izy nahazo fahitana momba ny tempoly nandritra ny sesitany tany Babylona: “Hihidy mandritra ny enina andro fiasana ny vavahadin’ny tokotany anatiny, dia ilay vavahady mitodika miantsinanana. Hivoha kosa izy io amin’ny andro sabata sy amin’ny andro maha tsinana ny volana. Ary hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’io vavahady io, ny vahoaka rehefa sabata sy tsinam-bolana.”​—Ezk 46:1, 3.

Be fombafomba be ilay Fetin’ny Tsinam-bolana ankalazain’ny Jiosy ankehitriny, ary tena zava-dehibe amin’izy ireo izy io. Tsy takina amin’ny Kristianina anefa ny hankalazany ny tsinam-bolana sy ny Sabata, izay aloky ny zavatra ho avy fotsiny, fa ny tena izy dia an’i Jesosy Kristy. Misy heviny an’ohatra ireo fetin’ny Israely. Mifanitsy amin’izy ireny koa ny fitahiana be dia be hoentin’ny Zanak’Andriamanitra.​—Kl 2:16, 17.