Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fetra Mamaritra Tany

Fetra Mamaritra Tany

Nomena anjara tany ny fianakaviana israelita tsirairay, rehefa nonina tao Kanana izy ireo. Nasiana fetra namaritra azy ny tanin’izy ireo. Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona izany, fa angamba zavatra natsatoka, na vato, na vava asa mihitsy aza. Ilay teny hebreo (gevol) izay nadika hoe fetra mamaritra tany no nadika koa hoe ‘sisin-tany’ sy “faritra” ary ‘faritany.’ (Ge 10:19; Ek 10:14; De 12:20) Nisy soratra nilaza ny mombamomba an’ilay tany ny sasany tamin’ireny fetra ireny, tany Palestina. Be tsipiriany kosa ny soratra tamin’ireny fetra na vato namaritra tany ireny, tany Ejipta sy Mezopotamia. Nahitana vato toy izany, ohatra, tany Nippour, ary an’i Nebokadnezara I ilay izy.

Vato mamaritra tany hita tany Sosa, ary nisy marika nampiseho an’ireo andriamanitra babylonianina Ishtar (kintana misy rantsany valo), Sîn (volan-tsinana), Shamash (masoandro)

Mandrara ny fanemorana an’ireny fetra mamaritra tany ireny ny lalàn’i Jehovah. (De 19:14; jereo koa Oh 22:28.) Voaozona mihitsy izay mampihemotra “ny fetra mamaritra ny tanin’ny namany.” (De 27:17) Matetika ny olona no nivelona tamin’ny vokatry ny taniny. Toy ny hoe naka ampahany tamin’ny antom-piveloman’ilay olona àry izay nampihemotra ny fetra mamaritra ny taniny. Nitovy tamin’ny halatra izany fahiny. (Jb 24:2) Maty eritreritra anefa ny olona sasany ka mbola nanao izany heloka izany ihany. Nampitovina tamin’ireny olona ireny ny andrianan’ny Joda tamin’ny andron’i Hosea.​—Ho 5:10.

Miahy ny mpitondratena sy ny kamboty ray i Jehovah. Voalaza mantsy fa horavany ny tranon’izay manandra-tena, “fa hataony mafy orina kosa ny fetra mamaritra ny tanin’ny mpitondratena.” (Oh 15:25) Hoy koa ny Ohabolana 23:10, 11: “Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tany, izay efa napetraka taloha ela be. Ary aza miditra ao amin’ny tanin’ny kamboty ray, fa mahery ilay Mpanavotra azy, ary Izy no hiady aminao eo amin’ny fitsarana mba hiarovana azy.”