Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fety

Fety

Anisan’ny fanompoan’ny Israely an’i Jehovah, araka ny didiny nosoratan’i Mosesy ho an’ilay vahoaka voafidiny. Nadika hoe “fety” ny teny hebreo hoe hag, izay mety ho avy amin’ny matoanteny midika hoe mihodikondina, boribory, na mandihy manao faribolana, ka manana heviny hoe mankalaza fety miverimberina. Ilazana fotoana na toerana nifanarahana kosa ny hoe môhʽed, izay nadika koa hoe “fety.”​—1Sa 20:35; 2Sa 20:5.

Ireto avy ireo fety sy andro manokana nankalazain’ny Israely:

FETY TANY ISRAELY

TALOHAN’NY SESITANY

FETY FANAO ISAN-TAONA

1. Paska, 14 Abiba (Nisana)

2. Mofo Tsy Misy Lalivay, 15-21 Abiba (Nisana)

3. Ireo Herinandro na Pentekosta, 6 Sivana

4. Fitsofana Trompetra, 1 Etanima (Tisry)

5. Andro Fandrakofam-pahotana, 10 Etanima (Tisry)

6. Trano Rantsankazo, 15-21 Etanima (Tisry); fivoriambe manetriketrika ny 22

FETY NIVERIMBERINA

1. Sabata isan-kerinandro

2. Tsinam-bolana

3. Taona sabata (isaky ny 7 taona)

4. Taon-jobily (isaky ny 50 taona)

TAORIAN’NY SESITANY

1. Fetin’ny Fitokanana, 25 Kisleo

2. Fetin’ny Porima, 14 sy 15 Adara

Ireo fety lehibe telo. Efa nisy fotoana voatondro hankalazana an’ireo “fety” (heb.: môhʽed) lehibe telo. Nantsoina koa hoe fety fivahiniana masina izy ireo satria nankany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’izay. (Le 23:2, 4) Ny teny hebreo hoe hag anefa no tena ilazana an’ireo fety telo ireo matetika. Zavatra miverimberina sy fotoam-pifaliana lehibe no hevitra fonosin’io teny io. Ireto avy ireo fety lehibe telo:

1) Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (Ek 23:15), izay natao ny ampitson’ny Paska na ny 15 Nisana (Abiba) ka hatramin’ny 21 Nisana. Natao ny 14 Nisana ny Paska ary nankalazaina mitokana. Taorian’ny Paska avy hatrany anefa ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ka matetika no nantsoina hoe Paska izy roa miaraka.​—Mt 26:17; Mr 14:12; Lk 22:7.

2) Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta (anarany tatỳ aoriana), izay nankalazaina ny 6 Sivana, ny andro faha-50 nisaina nanomboka ny 16 Nisana.​—Ek 23:16a; 34:22a.

3) Fetin’ny Trano Rantsankazo (Tranolay) na Fanangonam-bokatra, izay nankalazaina ny 15 ka hatramin’ny 21 Etanima (Tisry), volana fahafito. Fivoriambe nanetriketrika ny 22 Etanima.​—Le 23:34-36.

I Jehovah no nifidy ny fotoana sy toerana ary fomba ankalazana azy telo ireo. Tao anatin’ireto fizaran-taona tao amin’ny kalandrie ara-pivavahana ireto no nankalazana an’ireo “fety nandidian’i Jehovah” ireo: Fiandohan’ny lohataona, faran’ny lohataona, ary fararano tany Israely. Nety tsara izany satria niakatra ny voaloham-bokatra teny an-tsaha sy ny voaloham-bokatry ny voaloboka tamin’ireo fotoana ireo, ka faly be ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nisaotra an’i Jehovah Mpanome ny zava-tsoa rehetra àry izy ireo!

Fomba fankalazana. Tsy maintsy niseho isan-taona ‘teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny, tany amin’izay toerana hofidiny’ ny lehilahy rehetra, isaky ny nankalaza an’ireo fety lehibe telo. (De 16:16) I Jerosalema ilay toerana voafidy tatỳ aoriana. Tsy voasazy ireo tsy nanatrika, fa izay tsy nankalaza ny Paska ihany no nomelohina ho faty. (No 9:9-13) Nomelohina sy nahita loza anefa ilay firenena rehefa tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra, anisan’izany ny momba ny fety sy sabata. (De 28:58-62) Tsy maintsy nankalazaina ny 14 Nisana ny Paska, na iray volana taorian’izay raha nisy toe-javatra maningana.

Tsy voatery nandeha nankalaza an’ireo fety fanao isan-taona ny vehivavy. Nisy anefa nandeha foana, toa an’i Hana renin’i Samoela (1Sa 1:7) sy Maria renin’i Jesosy. (Lk 2:41) Nandeha nankalaza fety ireo vehivavy israelita tia an’i Jehovah, raha mbola afaka koa. Nandeha foana ny ray aman-drenin’i Jesosy, ary niaraka taminy koa ny havany sy ny olom-pantany.​—Lk 2:44.

Nampanantena i Jehovah hoe: “Tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tavan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.” (Ek 34:24) Tsy nisy lehilahy niambina an’ilay tany sy ireo tanàna, nefa tsy nisy fahavalo nanafika mihitsy nandritra ny fety, talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Namono olona 50 tao Lyda kosa i Cestius Gallus nandritra ny Fetin’ny Tranolay tamin’ny taona 66, rehefa nanda an’i Kristy ny Jiosy.

Tsy nahazo nitondra tanam-polo ny lehilahy tamin’ireo fety, fa tokony hitondra fanomezana ‘arakaraka ny habetsahan’ny fitahiana nomen’i Jehovah Andriamaniny azy.’ (De 16:16, 17) Niarahana nihinana tamin’ny Levita tany Jerosalema koa ny ampahafolony ‘faharoa’ (tsy ilay nomena ny Levita [No 18:26, 27]) avy tamin’ny varimbazaha, divay, ary menaka tamin’iny taona iny, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondry. Ho an’izay nipetraka lavitra anefa, dia azony navadika ho vola ireo zavatra ireo, ka iny no nividianany sakafo sy zava-pisotro rehefa tany amin’ny toerana masina izy. (De 14:22-27) Nasehon’ireo nankalaza an’ireo fety fa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ireo. Tokony hifaly izy ireo, ary nasaina hiara-mifaly aminy ny mpivahiny sy kamboty ray ary mpitondratena. (De 16:11, 14) Mazava ho azy fa tokony ho mpanompon’i Jehovah voafora ny lehilahy tamin’ireny mpivahiny ireny. (Ek 12:48, 49) Nisy fanatitra manokana natolotra ankoatra ireo fanatitra fanao isan’andro. Notsofina koa ny trompetra rehefa natolotra ny fanatitra dorana sy sorona iombonana.​—No 10:10.

Nalamin’i Davida Mpanjaka ny asa fisoronana ka notsinjarainy ho fizarana 24 ireo mpisorona an-jatony taranak’i Arona sy ireo Levita, taloha kelin’ny nanorenana ny tempoly. (1Ta 24) Nanompo herinandro, indroa isan-taona, tao an-tempoly ny fizarana tsirairay, ary ny lohan’ny fianakaviambe no nandamina izany. Niara-nanompo daholo kosa ireo mpisorona tao amin’ny fizarana 24 rehefa notokanana ny tempoly, tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo na Tranolay. (2Ta 5:11; 1Mp 8:2; Le 23:34) Nilaza i Alfred Edersheim fa noraisina an-tanan-droa izay mpisorona tonga nanampy tao an-tempoly rehefa andro fety, fa tsy maintsy teo daholo kosa ireo fizarana 24 tamin’ny Fetin’ny Tranolay (Trano Rantsankazo).​—Ny Tempoly, 1874, p. 66.

Be atao ireo mpisorona sy Levita ary ireo Netinima nanampy azy, nandritra ireo fety. Resahin’ny 2 Tantara 30:21-24 ny nataon’izy ireo rehefa voadio ny tempoly ka nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay i Hezekia Mpanjaka. Nanome ombilahy 1000 sy ondry 7000 hatao sorona i Hezekia, ary nanome ombilahy 1000 sy ondry 10 000 ireo andriana. Nohalavaina fito andro koa ilay fety.

Fivoriambe nanetriketrika na fivoriambe masina ny andro sasany tamin’ireo fety, izany hoe sabata, toy ny Sabata isan-kerinandro, ka tsy azo nanaovana asa na inona na inona, fa najanona ny asa aman-draharaha rehetra. Azo natao kosa ny nanomana sakafo hohanina mandritra ireo fety. (Ek 12:16) Izany no tsy nampitovy an’ireo “fivoriambe masina” (natao rehefa fety) sy ny Sabata isan-kerinandro (sy ny Sabata tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana izay andro fahafolon’ny volana fahafito sy andro fifadian-kanina), izay tsy azo nanaovana asa na inona na inona, na dia ny nandrehitra afo ‘tany amin’izay toeram-ponenana’ aza.​—Ampitahao Levitikosy 23:3, 26-32 sy ny andininy 7, 8, 21, 24, 25, 35, 36 ary Eksodosy 35:2, 3.

Zava-dehibe tamin’ny Israely. Tena zava-dehibe tamin’ny firenen’Israely ny fety. Nolazain’i Mosesy tamin’i Farao ny antony nangatahany ny hamelana ny Israelita andevo sy ireo biby fiompiny hiala tany Ejipta. Hoy izy: “Misy fety hataonay ho an’i Jehovah.” (Ek 10:9) Misy toromarika maro momba ny fankalazana an’ireo fety ao amin’ny Lalàna. (Ek 34:18-24; Le 23:1-44; De 16:1-17) Nankatò ny didin’Andriamanitra ireo nankalaza fety, ka nifantoka tamin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fifandraisana taminy, fa tsy variana loatra tamin’ny fiainany andavanandro. Tsaroan’izy ireo koa nandritra ireo fety fa vahoaka nitondra ny anaran’i Jehovah izy ireo. Afaka nifampahery izy ireo tamin’ny diany nandroso sy niverina, ka niresaka hoe tena tsara toetra ilay Andriamaniny izay nanome fitahiana isan’andro sy isaky ny fizaran-taona. Afaka nisaintsaina, nifanerasera, ary niresaka momba ny lalàn’i Jehovah koa izy ireo nandritra ireo fety. Lasa fantany bebe kokoa ilay tany nomen’Andriamanitra azy. Nifampihevitra sy nifankatia kokoa izy ireo, ary tafaray satria samy nanaraka ny fivavahana marina. Falifaly daholo ny rehetra. Ny hevitr’Andriamanitra sy ny fitsipiny no nameno ny sainy, ary nahazo fitahiana be dia be avy aminy izy ireo. Nahazo fitahiana, ohatra, ireo olona an’arivony nankalaza ny Pentekosta tao Jerosalema tamin’ny taona 33.​—As 2:1-47.

Fotoam-pifaliana ny fety tamin’ny Jiosy. Nanampy azy ireo hifandray tsara tamin’Andriamanitra ireo fety. Hadinon’izy ireo anefa izany talohan’ny sesitany tany Babylona. Naminany àry i Hosea sy Amosa fa ho lao i Jerosalema, ary hitsahatra ireo fety na fotoam-pifaliana fa hovana ho fisaonana. (Ho 2:11; Am 8:10) Nitaraina toy izao i Jeremia rehefa rava i Jerosalema: “Misaona ireo lalan’i Ziona, satria tsy misy mandeha mamonjy fety.” “Hadino” ny fety sy Sabata. (Ft 1:4; 2:6) Hoy kosa i Isaia momba ireo Jiosy hody avy any an-tsesitany: “Hanao hira ianareo, toy ny olona mihira amin’ny alina rehefa manamasina ny tenany ho amin’ny fety.” Tanteraka izany tamin’izy ireo nody avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K. (Is 30:29) Tsy ela anefa dia nanazimbazimba indray an’ireo fety ny Jiosy tafaverina an-tanindrazana. Nasain’Andriamanitra nilaza tamin’ny mpisorona àry i Malakia hoe hafafiny eny amin’ny tavan’izy ireo ny taim-biby avy amin’ny fetin’izy ireo.​—Ml 2:1-3.

Imbetsaka ny Soratra Grika Kristianina no miresaka mivantana na an-kolaka an’ireny fety ireny. Misy heviny an’ohatra na ara-paminaniana ny sasany amin’izy ireny, ary ho tanteraka amin’ny Kristianina. Tsy nodidiana hankalaza an’ireny fety ireny anefa ny Kristianina.​—Kl 2:16, 17; jereo ny lahatsoratra momba ny fety tsirairay.