Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiadiana, Fitaovam-piadiana

Fiadiana, Fitaovam-piadiana

Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny fiadiana sy ny fitaovam-piadiana. Tsy hazavainy firy anefa ny fomba nanamboarana azy ireny sy ny nampiasana azy.

Ny Soratra Hebreo no tena miresaka betsaka momba ny nampiasana sabatra sy lefona sy ampinga, ary koa fiadiana hafa. Asongadin’izy io foana koa anefa fa tena ilaina sy misy tombony ny matoky an’i Jehovah. (Ge 15:1; Sl 76:1-3; 115:9-11; 119:114; 144:2) Hita amin’ny tenin’i Davida tamin’i Goliata fa niantehitra tamin’i Jehovah izy. Hoy izy: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao ho eto an-tanako ... Ho fantatry ny fiangonana manontolo eto koa fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Jehovah, satria an’i Jehovah ny ady.” (1Sa 17:45-47) Tena ilaina sy antoky ny fahombiazana ny miantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah, fa tsy amin’ny tafika. (Za 4:6) Nanamafy ny fitiavany an’i Ziona, izay oharina toy ny vadiny, i Jehovah ka nanome toky hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao ... Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.”​—Is 54:17.

Mety hidika hoe ‘fitaovam-piadiana’ ilay teny hebreo hoe keli, nefa mety hidika koa hoe “zavatra”, “vilany”, “fitaovana”, na kojakoja fampiasa. (Mpts 9:54; Le 13:49; Ezk 4:9; Le 6:28; No 35:16; Mpto 9:18) Ilay endriny milaza maro kosa mety hidika hoe ‘fiadiana’, “entana”, ‘fananana.’ (1Sa 31:9; 10:22; 17:22; Ge 31:37; 45:20) Ny teny hebreo hafa iray nadika hoe “fiadiana” (neshek) dia avy amin’ny matoanteny hoe nashak, izay midika hoe ‘mitondra (fiadiana).’ (1Mp 10:25; 1Ta 12:2, DIEM; 2Ta 17:17) Ny teny grika hoe hôplôn (fiadiana) dia iray tarika amin’ny hoe panôplia, izay midika hoe ‘fitaovam-piadiana rehetra’ na “fiadiana fiarovana rehetra.”​—Jn 18:3; Lk 11:22; Ef 6:11.

Fiadiana (Famelezana). Sabatra sy sabatra kely. Ny teny hebreo hoe herev no matetika adika hoe ‘sabatra.’ Azo andikana azy io koa anefa ny hoe “sabatra kely”, “fandraka”, ary “antsy.” (Ge 3:24; 1Mp 18:28; Ek 20:25; Js 5:2) Ny sabatra no fiadiana voaresaka matetika indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo, ary ampiasaina hiarovan-tena sy hamelezana izy io. Misy tahony izy io, ary misy lelany metaly izay angamba vita tamin’ny varahina na vy na tsỳ (acier). Fitaovana fanapahana (1Sa 17:51; 1Mp 3:24, 25) sy fanagorobahana na fanatrobahana (1Sa 31:4) ny sabatra. Fohy ny sasany, fa lava kosa ny hafa. Nisy lelany iray ny sasany, fa ny sasany kosa roa. Ny halavany no anavahan’ny mpikaroka ny sabatra kely amin’ny sabatra. Milaza izy ireo fa manan-tombo 40 sm eo ho eo ny sabatra.

Matetika no nahantona teo amin’ny ilany havia amin’ny fehikibo ny sabatra (1Sa 25:13), ary natao tao anaty tranony, izay tsy inona fa fonony hoditra. Hita avy amin’ny 2 Samoela 20:8 fa angamba mody nanitsy ny fipetraky ny sabany i Joaba, nefa tiany hilatsaka avy tao amin’ny tranony ilay izy, ary tsy naveriny tao intsony fa notazoniny teny an-tanany. Nieritreritra angamba i Amasa hoe sendra nilatsaka ilay izy, ka tsy niahiahy mihitsy izy. Ny ainy anefa no nanefa.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina kosa, dia ilay teny hoe makaira no adika matetika hoe sabatra. (Mt 26:47) Ampiasaina koa anefa ny hoe rhômfaia izay ilazana “sabatra lava lela.” (Ap 6:8) Nisy sabatra roa tany amin’ny mpianatr’i Jesosy, tamin’ilay alina namadihana azy. (Lk 22:38) Tena fahita izany tamin’ny andron’i Jesosy. Voaporofo mantsy fa fanaon’ny Galilianina ny nitondra fiadiana. (Jereo Ny Adin’ny Jiosy, nataon’i Josèphe, III, 42 [iii, 2].) Tsy hoe nampiomana ny mpianany hisetra loza i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Aoka izay tsy manan-tsabatra hivarotra ny akanjony ivelany ka hividy sabatra.” (Lk 22:36) Tiany hisy sabatra kosa tany amin’ny mpianany tamin’io alina io mba hazava tsara fa na dia mety halaim-panahy hampiasa fiadiana aza izy ireo mba hanoherana ny fahavalony, dia tsy nikasa hampiasa sabatra mihitsy i Jesosy fa vonona hanolotra ny ainy an-tsitrapo kosa, satria izany no sitrapon’Andriamanitra. Hoy àry i Jesosy tamin’i Petera rehefa nanohitra ny fahavalo izy ka nampiasa fiadiana ary nahatapaka ny sofin’i Malko: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Mt 26:52; Jn 18:10, 11) Inona tokoa moa no ho vitan’ilay sabatr’i Petera sy ilay sabatra iray hafa, raha vahoaka nirongo fiadiana no hifanandrina amin’izy ireo? Azo antoka fa ho “fatin’ny sabatra” izy ireo raha nanandrana nampiasa sabatra. (Mt 26:47) Tsy hahomby koa izy ireo raha niezaka hanafaka an’i Jesosy, satria mifanohitra tanteraka amin’ny fikasan’i Jehovah izany. (Mt 26:53, 54) Nilaza mazava toy izao tamin’i Pilato àry i Jesosy, taoriana kely tamin’iny andro iny: “Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.”​—Jn 18:36.

Lefona, lefom-pohy, ary zana-tsipìka kely. Fiadiana atoraka na ampiasaina mba hanatrobahana izy ireo. Misy tahony izy ireo, ary misy lohany maranitra. (1Sa 18:11; Mpts 5:8; Js 8:18; Jb 41:26) Nampiasa karazany maro tamin’ireny fiadiana ireny ny firenena rehetra fahiny. Tsy tena fantatra ny naha samy hafa azy ireny, na dia misy teny hebreo samy hafa aza nilazana azy.

Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia toa ny lefona (heb.: hanit) no lehibe indrindra tamin’ireo fiadiana ireo. Lava ny tahony, ary vita tamin’ny hazo. Matetika no metaly na vato maranitra ny lohany. Ny lefona no fiadiana faharoa tena nilaina nanarakaraka ny sabatra. Nisy lelany vy nilanja “sekely eninjato” (6,8 kg) ilay lefona nentin’i Goliata goavam-be, ary “toy ny voditenon’ny mpanenona” ny tahony. (1Sa 17:7) Vy ny vodilefona sasany, ka azo natsatoka tamin’ny tany. Samy azon’ny miaramila nampiasaina tsara àry ny vodilefona sy ny lohalefona. (2Sa 2:19-23) Rehefa atsatoka amin’ny tany ny lefona, dia mety hidika izany fa eo ny mpanjaka no milasy.​—1Sa 26:7.

Miresaka momba ny lefona (Gr.: lôgke) koa ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Jaona 19:34. Voalaza ao fa ‘nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takiban’i Jesosy’ rehefa maty izy. Romanina ilay miaramila, ka lefona romanina angamba no nampiasainy. Tokotokony ho 1,8 m ny halavan’izy io. Vy lavalava tonga hatreny amin’ny antsasaky ny tahony ny lohan’izy io, ary vy maranitra miendrika telozoro no teo amin’ny tendrony.

Nisy karazana lefona koa nantsoina tamin’ny teny hebreo hoe rômah. Lava ny tahon’izy io, ary maranitra ny lohany, ka nampiasaina mba hanatrobahana. (No 25:7, 8) Io no fiadiana tena fampiasan’ny Hebreo.

Nisy lohany vy maranitra koa ny lefom-pohy (heb.: kidôhn), ary matetika no natoraka. Toa kely sy maivana kokoa noho ny lefona izy io, ka azo nohazonina na dia nitsotra aza ny tanana. (Js 8:18-26) Tsy nentin-tanana izy io mazàna, fa natao tao andamosina.

Ny zana-tsipìka kely (heb.: massaʽ) kosa nitovy tamin’ny zana-tsipìka ihany, saingy fohy kokoa ary nisy tendrony maranitra. (Jb 41:26) Fiadiana azo atifitra lavitra, toy ny zana-tsipìka, no tondroin’ilay teny hebreo hoe shelah, izay avy amin’ny matoanteny fototeny hoe shalah, midika hoe ‘mamoaka, maninjitra.’ (Ge 8:8, 9; Ek 9:15) “Zana-tsipìka mirehitra” kosa no tondroin’ny teny hebreo hoe zikkim, izay iray tarika amin’ny hoe zikôht, midika hoe “pitik’afo” na zana-tsipìka mirehitra.​—Oh 26:18; Is 50:11.

Avy amin’ny matoanteny grika hoe ballô, midika hoe “mitoraka”, ny teny hoe belôs (fiadiana azo atifitra lavitra). Nampiasa an’io teny io i Paoly rehefa nanoratra momba ny “zana-tsipìka mirehitra”, izay azo vonoina amin’ny alalan’ny ampinga lehibe. (Ef 6:16) Bararata poakaty no nanamboaran’ny Romanina zana-tsipìka kely. Nisy vy azo nofenoina solitany mirehitra teo ambanin’ny tendron’izy io. Tsy nohenjanina ny tadin’ny tsipìka rehefa nandefa an’io karazana zana-tsipìka io, mba tsy ho faty ilay afo. Vao mainka nidedadeda izy io raha notondrahana rano. Tsy maty mantsy izy io raha tsy nototofana tany.

Tsipìka sy zana-tsipìka. Efa hatramin’ny fahagolan-tany no nentina nihaza sy nampiasaina tamin’ny ady ny tsipìka (heb.: keshet; gr.: tôksôn). (Ge 21:20; 27:3; 48:22; Ap 6:2) Io no fiadiana fampiasan’ny Israelita (2Ta 26:14, 15), sy ny mpanohana an’i Ejipta (Je 46:8, 9), sy ny Asyrianina (Is 37:33), ary ny Medianina sy Persianina.​—Je 50:14; 51:11; jereo koa MPANDEFA ZANA-TSIPÌKA.

Nisy koa ny “tsipìka varahina.” (2Sa 22:35) Azo inoana fa tsipìka hazo izy io, fa nofonosina varahina fotsiny. Alefitra ilay hazo rehefa ‘mamatotra tadin-tsipìka [a.b.t.: manitsaka ny tsipìka].’ (Sl 7:12; 37:14) Itsahina mafy avy eo afovoany mantsy ilay tsipìka, na koa atehika amin’ny tany ny tendrony ilany efa misy tady mifatotra ka tohanana amin’ny tongotra, fa ny tendrony ilany kosa alefitra mba hamatorana ny ilan’ilay tady.

Bararata na hazo maivana no nanaovana zana-tsipìka (hits·tsim), ary matetika no nasiana volom-borona ny fotony. Vatoafo na taolana no natao lohany fahiny, fa vy kosa tatỳ aoriana. Natao niendrika telozoro ny lohany indraindray. Nisy fotoana koa natsoboka tao anaty poizina (Jb 6:4) ilay izy, na nasiana zavatra mora mirehitra. (Sl 7:13) Ahoana ny amin’ireo zana-tsipìka mirehitra? Nasiana tady vonto-menaka tao amin’ireo lavaka teny amin’ny sisin’ilay lohany vy, ary nampirehetina ireny rehefa halefa ilay zana-tsipìka.

Zana-tsipìka 30 matetika no natao tao amin’ny tranony iray vita tamin’ny hoditra. Hita amin’ireo sary mivohitra asyrianina fa zana-tsipìka 50 kosa no natao tao amin’ny tranony tao anaty kalesin’ady.​—Ampit. Is 22:6.

Pilotra. Efa hatramin’ny taloha ny pilotra (heb.: kelaʽ) no fiadiana fampiasan’ny mpiandry ondry (1Sa 17:40) sy ny miaramila. (2Ta 26:14) Hoditra lavalava izy io, na koa hoza-biby na harefo na volo norandranina. Teo amin’ny “foitran’ny pilotra”, izany hoe ilay faritra mivelatra kokoa eo afovoany, no nasiana ny vato. (1Sa 25:29) Mety ho nafatotra tamin’ny tanana na hatotanana ny tendrony iray, fa notazonina kosa ny tendrony ilany mba ho azo avotsotra rehefa nitifirana. Nasiana vato ilay pilotra ary nahodinkodina mafy tany ambony loha, angamba imbetsaka. Navotsotra tampoka ilay ilany, avy eo, ka nisidina mafy nankany aloha ilay vato. Vato boribory sy malama no tena tian’ny mpampiasa pilotra, na dia afaka nampiasa zavatra hafa aza izy. (1Sa 17:40) Nisy mpampiasa pilotra foana tao amin’ny tafiky ny Joda (2Ta 26:14) sy ny Israely.​—2Mp 3:25.

Kibay sy langilangy ary famaky. Azo inoana fa hazo mafonja be ny kibay, ary nasiana vy izy io indraindray. (Oh 25:18) Hazo lavalava kosa ny “langilangy”, ary natao fitaovam-piadiana. Nasiana vy angamba ny tendrony. (Ezk 39:9) Fiadiana hafa koa ny famaky fampiasa tamin’ny ady. Fohy ny tahony, ary vita tamin’ny hazo na vy. Vato na vy ny tendrony, izay nisy lelany maranitra. Resahina kely an’ohatra izy io ao amin’ny Salamo 35:3, tamin’i Davida niangavy an’i Jehovah hoe: “Ampiasao koa ny lefona sy ny famaky roa lela, mba hamelezana an’ireo manenjika ahy.”

Fiadiana (Fiarovana). Nampiasa ampinga sy fiadiana maro ny miaramila mba hiarovany ny tenany tamin’ireo fiadiana nampiasain’ny fahavalo.

Miaramila romanina mihazona ampinga

Ampinga. Fiadiana fiarovana nivelatra be izy io, ary nampiasa azy ny firenena rehetra fahiny. Nampiasain’ny miaramila tany an’ady izy io. Avy tao anatiny no fihazonana azy, ary matetika izy io no natao teo amin’ny sandry havia na nohazonin’ny tanana havia. Nahantona teo an-tsoroka angamba izy io rehefa teny an-dalana hiady. Milaza ny Isaia 22:6 fa nety ho nasiana sarony ny ampinga sasany, ka nesorina ilay izy rehefa hiady. Matetika no natao tao amin’ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana ny ampinga, rehefa tsy nisy ady.​—To 4:4.

Hazo nofonosina hoditra mazàna no natao ampinga tamin’ny andro fahiny. Azo nodorana àry izy ireny. (Ezk 39:9) Ny ampinga hazo sy hoditra no tena fampiasa. Toa vitsy kosa ny ampinga vy, satria ny mpitari-tafika sy ny mpiambina mpanjaka ihany no nampiasa azy, ary angamba tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny fotoan-dehibe. (2Sa 8:7; 1Mp 14:27, 28) Nasiana menaka ny ampinga mba halefaka sy hahatanty hamandoana, ary mba halama tsara sy tsy ho harafesina. (2Sa 1:21) Matetika ny ampinga hoditra no nasiana vy nivohitra teo afovoany (foitran’ampinga) mba ho haingony. Niaro kokoa ny ampinga nisy azy io.​—Jb 15:26.

Ny “ampinga lehibe” (heb.: tsinnah) kosa nentin’ny miaramila mpandeha an-tongotra nirongo fiadiana. (2Ta 14:8). Nitondra azy io koa indraindray ny mpitondra ampinga. (1Sa 17:7, 41) Somary boribory izy io, na mahitsizoro toy ny varavarana. Toa “ampinga lehibe” toy izany no tiana holazaina amin’ilay teny grika hoe tyreôs (avy amin’ny hoe tyra, midika hoe “varavarana”), ao amin’ny Efesianina 6:16. Lehibe ny tsinnah ka maharakotra ny vatana manontolo. (Sl 5:12) Indraindray izy io nohazonin’ireo miaramila loha laharana tany an’ady, ka nakambankambany ho toy ny rindrina, ary nataony nipoipoitra teny anelanelany ny lefony. Fiadiana amin’ny ankapobeny, indraindray, no tiana holazaina amin’ny hoe ampinga lehibe, rehefa resahina miaraka amin’ny lefona.​—1Ta 12:8, 34; 2Ta 11:12.

Nisy koa ny “ampinga kely” (heb.: magen), ary niara-nampiasaina tamin’ny fiadiana maivana toy ny tsipìka izy io matetika. Ny mpandefa zana-tsipìka mazàna no nitondra azy io, ohatra hoe ireo mpandefa zana-tsipìka benjaminita anisan’ny tafik’i Asa mpanjakan’ny Joda. (2Ta 14:8) Saika boribory foana ny ampinga kely, ary be mpampiasa kokoa noho ny ampinga lehibe. Ireo miaramila nifanandrina nivantana angamba no tena nampiasa azy io. Samy hafa be ny hangezan’ny tsinnah sy ny magen, raha ireo ampinga volamena namboarin’i Solomona no anombanana azy. Avo efatra heny noho ny volamena lany tamin’ny ampinga kely mantsy ny volamena tamin’ireo ampinga lehibe. (1Mp 10:16, 17; 2Ta 9:15, 16) Toa anisan’ireo fitaovam-piadiana fampiasa foana ny magen sy ny tsinnah.​—2Ta 14:8; 17:17; 32:5.

Miseho impito ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe shelet, izay adika hoe “ampinga boribory.” Azo inoana fa mitovy amin’ny magen (ampinga) ihany izy io, satria miara-tononina amin’ny magen ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 4:4.

Fiarovan-doha. Karazana satroka miaramila fitondra miady, ary anisan’ny fiadiana tena nilaina mba hiarovan-tena. Kôhvaʽ ny teny hebreo adika hoe “fiarovan-doha”, fa perikefalaia kosa ny teny grika. Midika ara-bakiteny hoe “manodidina ny loha” ny hoe perikefalaia.​—1Sa 17:5, 38; Ef 6:17.

Vita tamin’ny hoditra angamba ny fiarovan-dohan’ny Israelita tany am-boalohany. Norakofana varahina na vy kosa izany tatỳ aoriana, ary satro-bory vita tamin’ny hoditra na volonondry no tao anatiny. Efa nampiasa fiarovan-doha varahina ny Israelita tamin’ny andro nanjakan’i Saoly. (1Sa 17:38) Nety ho natokana ho an’ny mpanjaka sy ny mpitari-tafika ny fiarovan-doha tany am-boalohany, fa nampiasa azy io kosa ny miaramila rehetra tatỳ aoriana. Nomen’i Ozia fiarovan-doha, ohatra, ny tafiny manontolo.​—2Ta 26:14.

Nanana fiarovan-doha metaly ny Filistinina. Varahina, ohatra, ny an’i Goliata. (1Sa 17:5) Nilaza koa i Ezekiela fa nampiasa fiarovan-doha ny Persianina sy ny Etiopianina ary ny firenen-kafa.​—Ezk 27:10; 38:5.

Akanjo mifono vy. Akanjo natao hiarovan-tena tany an’ady. Ahoana no nanamboarana akanjo mifono vy (heb.: shiryôhn na shiryan)? Lamba na hoditra no natao akanjo, ary nopetahana takela-by nifampidipiditra toy ny kiran-trondro. Matetika izy io no nandrakotra ny tratra sy ny lamosina ary ny soroka. Tonga hatreny an-dohalika na hatrany an-kitrokely anefa izy io indraindray.​—1Sa 17:5.

Hoditra nopetahana takela-by toy ny kiran-trondro mazàna no nataon’ny Hebreo akanjo mifono vy. Tena niaro àry izy io. Nety ho voa teo anelanelan’ireo kirany ihany anefa ilay nanao azy, na koa avy teo amin’ny faritra nikambanan’ireo tapany samihafa tamin’ilay akanjo vy. Matin’ny zana-tsipìkan’ny fahavalo, ohatra, i Ahaba mpanjakan’ny Israely rehefa “voany teo anelanelan’ny tapany samy hafa amin’ilay akanjo mifono vy.”​—1Mp 22:34-37.

Fehikibo. Hoditra nahodidina ny andilana ny fehikibon’ny miaramila fahiny. Nirefy 5 ka hatramin’ny 15 sm ny sakany, ary matetika no nasiana takelaka metaly, toy ny vy na volafotsy na volamena. Nahantona teo amin’ny fehikibo ny sabatra. Nasiana hoditra niantsampy nankany an-tsoroka koa ny fehikibo indraindray mba tsy hiborotsaka. (1Sa 18:4; 2Sa 20:8) Ilazana olona efa makamaka aina ny hoe mamaha fehikibo, fa olona vonona hiasa na hiady kosa no mamatotra na misikina fehikibo.​—1Mp 20:11; Ek 12:11; 1Mp 18:46; 1Pe 1:13, Prot.

Fiarovan-dranjo. Takela-by manify mandrakotra ny ranjo, eo anelanelan’ny kitrokely sy ny lohalika, izy io. Ao amin’ny 1 Samoela 17:6 ihany no ahitana azy io. Voalaza ao fa “nisy fiarovan-dranjo [heb.: mitshat] varahina” teo amin’ny tongotr’i Goliata, miaramila filistinina goavam-be avy any Gata. Nety ho nampiasa kely fiarovan-dranjo koa ny Israelita.

Fiadiana ara-panahy. Tsy mandray anjara amin’ny ady ara-bakiteny ny tena Kristianina. Misy ady ataony ihany anefa, ka oharina amin’ny miaramila izy. (Fi 2:25; 2Ti 2:3; Flm 2) Miady tokoa izy ireo, saingy “amin’ireo fanjakana [tsy olombelona nofo aman-dra] sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Ef 6:12) Tsy mahefa inona ny fitaovam-piadiana ara-bakiteny, raha hiadiana amin’ireo fanahy ratsy mahery noho ny olombelona. Tsy maintsy mandray “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” àry ny Kristianina.​—Ef 6:13.

Nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly hoe: “Ataovy fehikibo eo amin’ny andilanareo ny fahamarinana.” (Ef 6:14) Ny fehikibo dia manatanjaka sy miaro ny andilana, ary manatanjaka ny Kristianina mba tsy hivadika ao anatin’ny fitsapana koa ny mifikitra mafy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Tsy maintsy mitafy “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra” koa ny Kristianina. (Ef 6:14) Natao inona ny fiarovan-tratra? Mba hiarovana ireo taova iankinan’ny aina, indrindra fa ny fo. Tokony hatao fiarovan-tratra hiarovana ny fo ara-panoharana koa àry ny fahitsiana, satria mora manota ny fo.​—Ge 8:21; Je 17:9.

Tokony hatao toy ny kiraro ny “fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana.” (Ef 6:15) Midika koa hoe “fitaovana” ilay teny grika hoe hetôimasia, izay nadika hoe “fahavononana” eto. Tokony ho ampy fitaovana sy ho vonona foana hitory ny vaovao tsara àry ny Kristianina, na dia ao anatin’ny sarotra aza. Hanampy azy hiaritra sy tsy hivadika izany.

Anisan’ny misongadina amin’ny fiadiana ara-panahy ny “ampinga lehibe, dia ny finoana.” Maharakotra saika ny vatana manontolo ny ampinga lehibe. Toy ny hoe manana azy io àry ny Kristianina raha mino an’i Jehovah, sy mino hoe mahavita manatanteraka ny fampanantenany izy. Ho vitan’ny Kristianina ny “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy”, raha manana finoana toy izany izy. (Ef 6:16; ampit. Sl 91:4.) Ny finoana koa no hanampy azy hahatohitra an’ireo fanahy ratsy, handresy ny fakam-panahy haloto fitondran-tena, hiady amin’ny fitiavam-bola, ary tsy ho resin’ny tahotra sy ny fisalasalana ary ny alahelo tafahoatra.​—Ge 39:7-12; He 11:15; 13:6; Jk 1:6; 1Te 4:13.

Miaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Miaro ny sain’ny Kristianina amin’ny fitaoman-dratsy koa àry ny “fiarovan-dohan’ny famonjena.” (Ef 6:17) Tokony ‘hotafina ny fanantenana famonjena’ mba “ho fiarovan-doha.” Midika izany fa tokony hanahaka an’i Mosesy ny Kristianina ka ‘hibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa.’​—1Te 5:8; He 11:26.

Tena ilain’ny Kristianina koa “ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra”, satria hanampy azy hiady amin’ny fampianaran-diso sy ny lovantsofin’olombelona. Ilainy koa izy io mba hampianarana ny fahamarinana sy “handravana zavatra efa mafy orina.”​—Ef 6:17; 2Ko 10:4, 5.