Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana

Fiainana

Fahavelomana; fisian’ny zavamananaina iray na fotoana ahavelomany. Afaka mitombo ny zavamananaina eto an-tany amin’ny ankapobeny, ary afaka miteraka sy mamadika ny sakafo ho hery. Misy vokany eo aminy koa ny zava-mitranga manodidina azy. Ny teny hebreo hoe haiyim sy ny teny grika hoe zôe no nadika hoe “fiainana.” Ny teny hebreo hoe nefesh sy ny teny grika hoe psykè kosa no nadika hoe “aina”, na ain’ny olona izany na ain’ny biby. (Ampit. Jb 10:1; Sl 66:9; Oh 3:22.) Velona koa ny zavamaniry, saingy tsy manana aina toy ny an’ny olona sy ny biby. Ny fiainana lavorary sy ny zo hanana izany no atao hoe tena fiainana, ho an’ny zavaboary manan-tsaina.

I Jehovah Andriamanitra no Loharanony. Efa nisy foana ny fiainana satria Andriamanitra velona i Jehovah, ilay Loharanon’aina. Tsy nanam-piandohana koa izy ary tsy hanam-piafarana. (Je 10:10; Da 6:20, 26; Jn 6:57; 2Ko 3:3; 6:16; 1Te 1:9; 1Ti 1:17; Sl 36:9; Je 17:13) Izy no nanome fiainana an’ilay zavaboariny voalohany, dia ny Zanany lahitokana, na ny Teny. (Jn 1:1-3; Kl 1:15) Tamin’ny alalan’io Zanany io avy eo no namoronany anjely maro be. (Jb 38:4-7; Kl 1:16, 17) Noforonina koa izao rehetra izao hita maso. (Ge 1:1, 2) Tamin’ny andro fahatelo no namoronana ny zavaboary voalohany teto an-tany, toy ny ahitra sy zavamaniry ary hazo fihinam-boa. Noforonina tamin’ny andro fahadimy ny biby an-dranomasina sy ny voro-manidina, ary tamin’ny andro fahenina ny biby an-tanety sy ny olona.​—Ge 1:11-13, 20-31; As 17:25; jereo ANDRO; FAMORONANA, ZAVABOARY.

Tsy kisendrasendra fotsiny àry no nampisy ny fiainana eto an-tany. Mbola tsy nisy ary tsy hisy mihitsy ny hoe zavatra simika maromaro mitambatambatra ho azy eo ka mampisy zavamiaina. Lasa nisy fiainana kosa teto an-tany noho ny baikon’i Jehovah Andriamanitra mivantana sy noho ny nanatanterahan’ny Zanany an’ilay baiko. Tsy mety ho avy amin’ny zavatra tsy mananaina àry ny fiainana. Milaza ny Baiboly fa niteraka “araka ny karazany avy” ny zavaboary teto an-tany, izany hoe nitovy tamin’izay niteraka azy ny zavaboary tsirairay. (Ge 1:12, 21, 25; 5:3) Hitan’ny mpikaroka fa tsy misy mihitsy zavamiaina “karazany” iray lasa zavamiaina “karazany” hafa tanteraka. Izany sy ny famoronana àry no porofo fa tsy mitombina ny fampianarana momba ny evolisiona.​—Jereo KARAZANA.

Hery mamelona sy fofonaina. Misy hery mamelona ao amin’ny olona sy ny biby, ary ny fofonaina no mihazona an’io hery io. Avy amin’Andriamanitra ny hery mamelona sy ny fofonaina, ary maty ny zavamiaina raha esoriny ireo. (Sl 104:29; Is 42:5) Maty ny olona sy ny biby tamin’ny Safodrano. Niala ny fofonainy, ary tsy nisy hery mamelona intsony tao aminy. “Maty izay rehetra nanam-pofonaina [a.b.t.: nanana ny fofonain’ny hery mamelona] teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina.”​—Ge 7:22; jereo FANAHY.

Vatana. Manana vatana daholo ny zavamananaina, na ny any an-danitra na ny eto an-tany. Ny aina kosa tsy azo tsapain-tanana. Rehefa niresaka momba ny fitsanganan’ny maty i Paoly, dia nohazavainy fa samy hafa ny vatan’ireo any an-danitra sy ny an’ireo eto an-tany satria samy hafa ny fonenany. Hoy izy momba ny zavaboary eto an-tany: “Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olombelona, hafa ny nofon’ny omby, hafa ny nofon’ny vorona, ary hafa ny an’ny trondro.” Hoy koa izy: “Hafa ny vatan’izay any an-danitra ary hafa ny vatan’izay etỳ an-tany. Hafa ny voninahitry ny vatan’ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny etỳ an-tany.”​—1Ko 15:39, 40.

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (1942, Boky Faha-14, p. 42) momba ny maha samy hafa ny nofon’ny zavamiaina eto an-tany: “Samy hafa ny zavatra simika ao aminy, satria toa samy manana ny proteinina mampiavaka azy ny karazana tsirairay. Samy hafa koa ny hafainganan’ny famokarany hery sy sela. Mitohy foana ilay famokarana hery sy sela, ary ireto zavatra telo ireto no mitranga: 1) Soloana izay proteinina simba, 2) miparitaka ny proteinina, ary 3) manana ny proteinina mampiavaka azy ny karazana tsirairay.”​—Izahay no manao sora-mandry.

Ny ahazoana ny hery mamelona. Nomen’i Jehovah hery mamelona ireo zavamananaina voalohany isan-karazany (anisan’izany ny mpivady voalohany). Mahazo an’io hery mamelona io avy amin’ny ray aman-dreny kosa ny zanany. Amin’ny zavaboary mampinono, ohatra, dia ny reny no manome oksizenina sy otrikaina an’ilay zanany ao am-bohoka. Rehefa teraka ilay zanany vao mifoka rivotra sy minono. Afaka mihinan-kanina koa izy rehefa lehibebe.

Nomen’Andriamanitra vatana i Adama rehefa noforoniny. Nila hery mamelona sy fofonaina io vatana io, mba ho velona foana. Milaza ny Genesisy 2:7 fa “nitsoka fofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] nankao am-bavorony” Andriamanitra, “ka lasa zavamananaina ny olona.” Tsy hoe nasian’Andriamanitra rivotra fotsiny ny havokavok’i Adama, fa nomeny hery mamelona sy fofonaina koa izy. Velona àry izy ary nanana ny toetra maha izy azy. Hita tamin’ny teniny sy izay nataony fa ambony noho ny biby izy sady “zanak’Andriamanitra”, izany hoe misy itovizana aminy sy noforonina araka ny endriny.​—Ge 1:27; Lk 3:38.

Velona ny olona sy ny biby ankehitriny noho ilay hery mamelona avy tamin’ny olona sy biby voalohany, sy noho ny fofonaina mihazona an’io hery io. Manaporofo izany ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa. Milaza mantsy ny manam-pahaizana sasany fa ireto avy no mitranga amin’ny olona iray vao azo lazaina hoe tena maty izy: 1) Tsy miaina intsony izy ary tsy mikoriana intsony ny rany; 2) tsy miasa intsony ny atidohany; ary 3) mitsahatra tsikelikely ny fiasan’ny taovany rehetra ary farany tsy miasa intsony. Mety ho mbola misy hery mamelona ihany àry ao aminy, na dia tsy miaina intsony aza izy, sy tsy mitepo intsony ny fony, ary tsy miasa intsony ny atidohany.

Fahanterana sy fahafatesana. Efa hatry ela ny manam-pahaizana no nikaroka ny valin’ny fanontaniana hoe: Fa nahoana ny olona no mihantitra ary maty?

Misy milaza fa efa voafetra ny fahaveloman’ny sela tsirairay. Hita tamin’ny andrana natao mantsy, hono, fa in-50 eo ho eo monja ny sela no mizarazara dia maty. Misy kosa milaza fa tsy manazava ny antony mahatonga ny vatan’ny olona hihantitra ireny andrana ireny, fa mety ho ny atidoha no mamoaka hormonina mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty. Nampitandrina anefa ny Dr. Roy Walford fa tsy tokony hinoana befahatany izay lazain’ny manam-pahaizana. Hoy izy: “Tsy tokony ho taitra na ho gaga isika raha mety ho voaporofo any aoriana any fa diso ny fanazavan’i Hayflick [hoe efa ao anatin’ny fototarazon’ny sela ny mahatonga ny olona ho antitra], na raha hisy fanazavana tsara kokoa ho solony nefa mety ho hita koa hoe diso. Toa marina ny fanazavana iray raha mbola tsy misy porofo hoe diso ilay izy.”​—Androm-piainana Lava Indrindra, 1983, p. 75.

Tsara homarihina anefa fa tsy eken’ny ankamaroan’ny mpikaroka hoe nisy namorona izao rehetra izao. Mihevitra izy ireo fa ho hitan’izy ireo ny antony mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty, sy ny fomba hanalavana ny androm-piainan’ny olona mba hahavelona azy mandrakizay. Odiany tsy fantatra anefa fa ny Mpamorona no namoaka didy nanameloka ny mpivady voalohany ho faty, sy nampihatra an’ilay didy tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’ny olona. Homeny fiainana mandrakizay kosa ireo mino ny Zanany.​—Ge 2:16, 17; 3:16-19; Jn 3:16.

Nafoin’i Adama sy ny taranany ny fiainana. Nasian’Andriamanitra “hazon’aina” tao amin’ny zaridainan’i Edena, rehefa noforonina i Adama. (Ge 2:9) Tsy hoe nanan-kery hanome fiainana ny voan’ilay hazo. Ilay hazo kosa no antoka avy amin’Andriamanitra fa ho velona “mandritra ny fotoana tsy voafetra” izay havelany hihinana ny voany. Rehefa hitan’Andriamanitra àry fa ampy ny porofo hoe tsy mivadika i Adama, vao avelany hihinana amin’ny voan’ilay hazo izy. Nandika lalàna anefa i Adama ka tsy navelan’i Jehovah hihinana. Hoy Izy: “Sao hanatsotra ny tanany izy ankehitriny ka haka amin’ny voan’ny hazon’aina, dia hihinana izany ka ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra, ...” Avy hatrany dia noroahiny i Adama. Tsy mendrika ny hijanona tao na hihinana tamin’ny voan’ny hazon’aina mantsy izy, satria nataon’i Jehovah ho an’ny olo-marina ihany ilay zaridaina.​—Ge 3:22, 23.

Lavorary ny fiainan’i Adama tamin’izy nankatò an’i Jehovah. (Ge 2:17; De 32:4) Izao anefa lasa mpanota izy ka ho faty. Ela velona ihany izy na dia tafasaraka tamin’Andriamanitra aza, satria 930 taona izy vao maty. Mbola afaka niteraka izy, na dia tsy lavorary aza ny fiainana nolovan’ny taranany taminy. Maro tamin’ny taranany no velona 700 ka hatramin’ny 900 taona mihitsy aza. (Ge 5:3-32) Nohazavain’i Jakoba rahalahin’i Jesosy toy izao ny zava-nitranga tamin’i Adama: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’​—Jk 1:14, 15.

Izay ilain’ny olona mba hahazoana fiainana. Odian’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana tsy fantatra ny antony mahatonga ny olona ho faty. Vao mainka tsy fantany anefa fa misy zavatra tena ilain’ny olona mba hahazoana fiainana mandrakizay. Marina fa mila rivotra sy sakafo ary rano ny vatan’ny olona. Tsy ampy mba hahavelomana foana anefa izany, satria hoy i Jehovah: “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (De 8:3) Namerina an’izany i Jesosy Kristy, ary nilaza hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jn 4:34; Mt 4:4) Hoy koa izy: “Velona ny Ray izay naniraka ahy, ary velona aho noho ny Ray. Dia toy izany koa izay mihinana ahy, ho velona izy noho ny amiko.”​—Jn 6:57.

Nataon’Andriamanitra araka ny endriny sy nisy itovizana taminy ny olona. (Ge 1:26, 27) Tsy ny bika aman’endrika akory no nitovizany taminy, satria Fanahy Andriamanitra fa ny olona kosa nofo. (Ge 6:3; Jn 4:24) Tsy nitovy tamin’ny “biby tsy misaina” àry ny olona (2Pe 2:12), fa afaka nisaina sy naneho ny toetran’Andriamanitra, toy ny fitiavana sy fahendrena sy hery ary fitiavana ny rariny. (Ampit. Kl 3:10.) Azony natao ny nahatakatra ny antony namoronan’Andriamanitra azy sy ny fikasany. Tsy hoatran’ny biby izy fa afaka nifandray tamin’ny Mpamorona sy nankasitraka ary nanompo azy. Midika izany fa tsy sakafo ara-nofo ihany no nilain’i Adama. Nila sakafo ara-panahy sy nila nifandray tamin’Andriamanitra koa izy, mba hahasoa ny sainy sy ny vatany.

Tsy afaka ny hiaina mandrakizay àry ny olona, raha tafasaraka amin’i Jehovah Andriamanitra sy tsy mahazo sakafo ara-panahy. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”​—Jn 17:3.

Hatao lavorary indray. Nanome ny fahamarinana na ny “tenin’ny fiainana” i Jehovah, mba hanampiana ny olombelona ho lasa lavorary indray sy ho afaka hiaina mandrakizay. (Jn 17:17; Fi 2:16) Raha manaiky ny fahamarinana ny olona iray, dia ho fantany fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy Kristy mba hanome ny ainy “ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Mt 20:28) Amin’ny alalan’io vidim-panavotana io ihany no hahafahan’ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra sy ho lavorary indray.​—As 4:12; 1Ko 1:30; 15:23-26; 2Ko 5:21; jereo VIDIM-PANAVOTANA.

Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy àry no hahazoana fiainana lavorary indray. Izy mantsy ilay “Adama farany” izay “fanahy mahavelona.” (1Ko 15:45) “Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana” mba hatao “fanatitra noho ny heloka” izy. “Ray Mandrakizay” koa izy (Is 9:6), ka afaka manome fiainana ho an’ireo mino ny vidim-panavotana sy mankatò azy.​—Is 53:10-12.

Fanantenan’ny olona fahiny. Nanantena ny hahazo fiainana ny olona nanam-pinoana fahiny. Nanamafy izany i Paoly rehefa nitantara izay nitranga talohan’ny nanomezana ny Lalàna ho an’ny Hebreo taranak’i Abrahama. Nilaza ny tenany ho toy ny efa velona tamin’izany i Paoly, satria toy ny hoe efa tao an-kibon’ny razambeny izy. Hoy izy: “Velona tsy nanan-dalàna aho fahiny. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty. Ary ny didy izay natao hitondra fiainana, dia hitako fa, hay, natao hitondra fahafatesana.” (Ro 7:9, 10; ampit. He 7:9, 10.) Nanantena an’Andriamanitra ry Abela, Enoka, Noa, ary Abrahama. Nino izy ireo fa hisy ‘taranaka’ hanorotoro ny lohan’ny menarana ka hitondra fanafahana. (Ge 3:15; 22:16-18) Niandry ny hiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra, na ilay “tanàna manana fototra tena izy”, izy ireo. Nino koa izy ireo fa haverina ho amin’ny fiainana indray ny maty.​—He 11:10, 16, 35.

Hoy i Jehovah, tamin’izy nanome ny Lalàna: “Tandremo ny lalàko sy ny didim-pitsarako, fa izay olona mankatò izany no ho velona amin’ny alalan’izany.” (Le 18:5) Faly àry ny Israelita rehefa nahazo ny Lalàna, satria nahatonga azy hanantena hahazo fiainana izy io. ‘Masina sy ara-drariny’ ny Lalàna, ka ho lasa olo-marina izay nanaraka azy io an-tsakany sy an-davany. (Ro 7:12) Tsy nahazoan’ny Israelita fiainana anefa ny Lalàna, fa vao mainka nampiharihary fa tsy lavorary sy mpanota izy ireo sy ny olona rehetra. Nanameloka ny Jiosy ho faty koa izy io. (Ga 3:19; 1Ti 1:8-10) Hoy tokoa i Paoly: ‘Rehefa tonga ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.’ Tsy ny fanarahana ny Lalàna àry no hahazoana fiainana.

Hoy koa i Paoly: “Raha nisy lalàna nahavita nanome fiainana, dia ho ny lalàna no nahatonga ny olona ho marina.” (Ga 3:21) Niharihary anefa hoe mpanota ny Jiosy satria taranak’i Adama. Lasa voaozona koa izy ireo satria nandika ny Lalàna. Izany no antony nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Hoy mantsy i Paoly: “Nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona hisolo antsika, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.’” (Ga 3:13) Nesorin’i Jesosy Kristy ilay ozon’ny Lalàna izay nisakana ny Jiosy tsy hahazo fiainana. Hitondra soa ho azy ireo sy ny hafa àry ilay vidim-panavotana.

Valisoa homen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay. Asehon’ny Baiboly fa manantena hahazo fiainana mandrakizay avy amin’Andriamanitra ny mpanompony. Izany fanantenana izany no manampy azy ireo tsy hivadika mihitsy. Tsy hoe tia tena akory izy ireo, satria hoy i Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (He 11:6) Mpamaly soa Andriamanitra. Tsy mahagaga àry raha mahafoy tena tanteraka ho azy ny zavaboariny.

Tsy mety maty, tsy mety lo, fanahy tahaka an’Andriamanitra. Tsy mety maty sy tsy mety lo i Jehovah. (1Ti 1:17) Ny Zanany no voalohany nataony lasa tsy mety maty sy tsy mety lo koa, ary izy irery ihany no toy izany tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly tamin’i Timoty. (1Ti 6:16) Nampanantenaina koa anefa ireo rahalahin’i Kristy fa ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo izy ireo. (Ro 2:7; 1Ko 15:53, 54) Ho “fanahy tahaka an’Andriamanitra” izy ireo, ary homem-boninahitra miaraka amin’i Kristy. (2Pe 1:4) Fanahy koa ny anjely saingy mety maty, satria haringana ireo anjely lasa demonia ratsy fanahy.​—Mt 25:41; Lk 4:33, 34; Ap 20:10, 14; jereo TSY METY LO; TSY METY MATY.

Ho afaka amin’ny fahalovana ireo hiaina eto an-tany. Ahoana ny amin’ireo olona tsy ho any an-danitra? Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jn 3:16) Nilaza koa izy tao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa “ho any amin’ny fiainana mandrakizay” ireo ondry eo ankavanany. (Mt 25:46) Noresahin’i Paoly ny amin’ireo “zanak’Andriamanitra” sy ireo “mpiara-mandova amin’i Kristy.” Nilaza koa izy fa “ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” Hoy izy avy eo: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:14-23) “Zanak’Andriamanitra” i Adama tamin’izy noforonina ho lavorary. (Lk 3:38) Milaza koa ny Apokalypsy 21:1-4 fa hisy “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” ka “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Tsy ny anjely no nomena izany fampanantenana izany fa ny “olombelona.” Izany àry no antoka fa ho salama tanteraka ny olombelona na ny “tany vaovao” hofehezin’ny “lanitra vaovao”, ka ho lavorary ny sainy sy ny vatany. Ho lasa “zanak’Andriamanitra” izy ireo ka hiaina mandrakizay eto an-tany.

Tsy maty i Adama raha nankatò ny didin’Andriamanitra. (Ge 2:17) Tsy tokony ho faty intsony àry ny olombelona mankatò rehefa tsy hisy ota intsony ary ho foana ny fahafatesana, izay fahavalo farany. (1Ko 15:26) Hofoanana ny fahafatesana rehefa mifarana ny fanjakan’i Kristy maharitra 1 000 taona, araka ny bokin’ny Apokalypsy. Voalaza ao fa ho “velona” ireo ho lasa mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy, ka ‘hiara-manjaka aminy arivo taona.’ ‘Ny sisa amin’ny maty’ kosa mbola tsy ho velona “mandra-pahatapitry ny arivo taona.” Tsy iza izy ireo fa ireo olona velona amin’ny faran’ny arivo taona, alohan’ny hanafahana an’i Satana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka mba hitsapa ny olona. Ho lavorary ny olona eto an-tany amin’izay, hoatran’i Adama sy Eva tamin’izy ireo mbola tsy nanota. Ho afaka hiaina mandrakizay avy eo ireo tsy mivadika mandritra ilay fitsapana farany hataon’i Satana.​—Ap 20:4-10.

Fomba hahazoana fiainana. I Jehovah no Loharanon’aina ka nampahafantariny ao amin’ny Teniny ny fomba hahazoana fiainana. “Nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo” koa i Jesosy Kristy Tompo. (2Ti 1:10) Hoy izy: “Ny fanahy no manome fiainana, fa ny nofo tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo dia avy amin’ny fanahy ary manome fiainana.” Nanontaniany avy eo ny apostoliny raha handao azy koa, toy ny nataon’ny olona sasany. Hoy anefa i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jn 6:63, 66-68) Nilaza ny apostoly Jaona fa i Jesosy no “tenin’ny fiainana” ary ‘nisy tamin’ny alalany ny fiainana.’​—1Jn 1:1, 2; Jn 1:4.

Te hilaza i Jesosy fa tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hanalava ny androm-piainany mba hahavelomana mandrakizay. Mety hihatsara ny fahasalamany, noho ny ezaka ataony na ny sakafo haniny na ny fampiasany vatana. Tsy maharitra anefa izany. Ny fankatoavana ny vaovao tsara na ny “tenin’ny fiainana” no hany fomba hahazoana fiainana. (Fi 2:16) Tsy maintsy mampifantoka ny sainy “amin’ny zavatra any ambony, fa tsy amin’ny zavatra etỳ an-tany” izay te hahazo fiainana. (Kl 3:1, 2) Hoy i Jesosy: “Izay mandre ny teniko ka mino an’ilay naniraka ahy no manana fiainana mandrakizay, ary tsy melohina izy fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.” (Jn 5:24; 6:40) Tsy mpanota voaheloka ho faty intsony izy ireo. Hoy mantsy i Paoly: “Tsy mahazo fanamelohana àry izay tafaray amin’i Kristy Jesosy. Efa nanafaka anao tamin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana mantsy ny lalàn’ny fanahy. Io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.” (Ro 8:1, 2) Fantatry ny Kristianina koa hoe “efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” izy, raha tia an’ireo rahalahiny.​—1Jn 3:14.

Tsy maintsy manara-dia an’i Kristy izay te ho velona, satria “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.” (As 4:12) Nilaza i Jesosy fa tokony ho tsapan’ilay olona hoe mila an’Andriamanitra izy. Tokony ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana koa izy. (Mt 5:3, 6) Tsy maintsy mihaino ny vaovao tsara izy, ary avy eo mino an’i Jesosy Kristy sy miantso ny anaran’i Jehovah amin’ny alalany. (Ro 10:13-15) Tsy maintsy atao batisa anaty rano izy, hoatran’i Jesosy. (Mt 3:13-15; Ef 4:5) Tsy maintsy mikatsaka foana ny Fanjakan’i Jehovah sy ny fahamarinany koa izy.​—Mt 6:33.

Arovy ny fo. Tsy tokony hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana ny mpianatr’i Jesosy Kristy. Hoy ny Baiboly: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.” (1Ko 10:12) “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Oh 4:23) Nilaza mantsy i Jesosy fa avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, fanitsakitsaham-bady, vonoan’olona, sy ny toy izany, ary ireny zava-dratsy ireny no mahatonga fahafatesana. (Mt 15:19, 20) Hiaro ny fony tsy haniry zava-dratsy ny Kristianina, raha mandray ny fahamarinana na sakafo ara-panahy tsy tapaka avy amin’ilay Loharanon’aina. Tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana koa izy.​—Ro 8:6; jereo FO.

Tsy maintsy fehezina ny lela, raha tiana harovana ny fo sy ny aina. “Samy vitan’ny lela na ny mahafaty na ny mahavelona, ary izay tia mampiasa azy dia hijinja ny vokany.” (Oh 18:21) Hoy mantsy i Jesosy: ‘Izay mivoaka avy amin’ny vava dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona.’ (Mt 15:18; Jk 3:5-10) Tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana kosa izay mampiasa ny lelany mba hiderana an’Andriamanitra sy hilazana ny marina.​—Sl 34:12-14; 63:3; Oh 15:4.

Izao fiainana izao. Nahazo izay rehetra niriny teo amin’ny fiainana i Solomona Mpanjaka, toy ny harena, trano, zaridaina, ary zavatra mahafinaritra isan-karazany. Hoy anefa ny fanatsoahan-keviny: “Halako ny fiainana, satria amiko dia mampahory ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro. Fa zava-poana sy toy ny misambo-drivotra fotsiny ny zava-drehetra.” (Mpto 2:17) Tsy ilay fiainana izay ‘fanomezana tsara sy tonga lafatra avy any ambony’ akory no halany (Jk 1:17), fa ny fiainana feno fahoriana sy zava-poana, tsy misy hafa amin’ny fiainana eto amin’ity tontolo ity. (Ro 8:20) Nampirisika ny olona hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny izy, tamin’ny farany. Izany no fomba hahazoana ny tena fiainana. (Mpto 12:13, 14; 1Ti 6:19) I Paoly sy ny Kristianina hafa indray niezaka mafy nitory momba an’i Kristy sy ny fitsanganana amin’ny maty, na dia nenjehina aza. Hoy i Paoly tamin’ireo namany ireo: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra.” Ho diso fanantenana mantsy izay tsy misy antenaina afa-tsy izao fiainana izao. ‘Efa natsangana tamin’ny maty anefa i Kristy’, hoy i Paoly. “Noho izany, ry rahalahy malalako, dia aoka ianareo hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asa mafy ataonareo ao amin’ny Tompo.”​—1Ko 15:19, 20, 58.

Hazon’aina. Misy “hazon’aina” maromaro resahin’ny Baiboly, ankoatra ilay hazon’aina tao Edena (Ge 2:9), ary amin’ny heviny an’ohatra foana izy ireny. “Hazon’aina ho an’izay mitana azy”, ohatra, ny fahendrena, satria mahatonga an’ilay olona hahazo fahalalana an’Andriamanitra sy ho lalin-tsaina ary hankatò ny didiny. Ho afaka hankafy ny fiainana ankehitriny izy amin’izay, ary hahazo fiainana mandrakizay amin’ny hoavy.​—Oh 3:18; 16:22.

“Hazon’aina no vokatry ny fahamarinana, ary hendry izay mahavita mitaona olona”, hoy ny ohabolana hafa. (Oh 11:30) Mahataona olona amin’ny teniny sy ny ataony ny olo-marina, satria hanjary hahalala an’Andriamanitra ilay olona mihaino azy, ka hanompo Azy ary hahazo fiainana. “Hazon’aina ny tenin’ny olona tony, fa ny tenin’ny mpamitaka kosa mahakivy.” (Oh 15:4) Afaka manampy sy mamelombelona ny tenin’ny olona tony. Lasa te hanana toetra tsara koa ilay olona mihaino azy, ka handeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Toy ny voankazo lo kosa ny tenin’ny mpamitaka, ka mahakivy sy mitondra loza.

Hoy ny Ohabolana 13:12: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina, fa hazon’aina kosa ny faniriana tanteraka.” Mampahery sy mamelombelona tokoa rehefa tanteraka ny faniriana, indrindra raha efa ela no naniriana azy.

Nilaza i Jesosy Kristy nomem-boninahitra fa izay mandresy dia havelany hihinana amin’ny “hazon’aina, izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra.” (Ap 2:7) Hoy koa ny Apokalypsy 22:19: “Raha misy manaisotra teny ato amin’ny horonam-bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin’ity horonam-boky ity.” Nilaza i Kristy Jesosy fa “tsy ho azon’ny fahafatesana faharoa” (Ap 2:11) ireo mpandresy ireo, ary homena “fahefana amin’ireo firenena” (Ap 2:26), sy hatao ‘andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra’ (Ap 3:12), ary hiara-manjaka aminy any an-danitra. (Ap 3:21) Tsy ara-bakiteny àry ireo hazon’aina, satria nahazo fiantsoana ho any an-danitra (He 3:1) sy efa nanomanana toerana any (Jn 14:2, 3; 2Pe 1:3, 4) ireo hihinana amin’ny voan’ireo hazo. Hihinana amin’ny hazon’aina ireo mpandresy tsy nivadika ireo amin’ny heviny hoe homen’Andriamanitra fiainana any an-danitra izy ireo ary ho lasa tsy mety maty.

Resahin’ny Apokalypsy 22:1, 2 koa ny amin’ny “hazon’aina” hafa, izay eo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Hihinana ny ravin’ireo hazo ny firenena mba ho sitrana. Ho tanteraka izany rehefa miorina ny lanitra vaovao sy tany vaovao sady “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra.” (Ap 21:1-3, 22, 24) Tsy ara-bakiteny àry ireo hazon’aina ireo sy ilay renirano, fa ilazana kosa ny fomba hanasitranan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy (Zanak’ondry) ny olombelona sy hanomezany azy ireo fiainana mandrakizay.

Resahina imbetsaka koa ny amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” na ‘bokin’Andriamanitra.’ Ny anaran’izay rehetra manam-pinoana ka hiaina mandrakizay any an-danitra na eto an-tany no voasoratra ao, dia ny an’ireo mpanompon’i Jehovah “nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao” na ny nahaterahan’ny olona azo vonjena. Toa ny anaran’i Abela olo-marina àry no voasoratra voalohany ao amin’ilay ‘horonam-boky.’​—Ap 17:8; Mt 23:35; Lk 11:50, 51.

Inona no dikan’ny hoe voasoratra ao amin’ny ‘bokin’Andriamanitra’ na ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’ny olona iray?

Tsy midika akory izany hoe efa voalahatra hiaina mandrakizay izy. Raha mankatò izy vao ho voasoratra ao foana ny anarany. Niangavy an’i Jehovah hamela ny heloky ny Israely, ohatra, i Mosesy, ka nilaza hoe: “Raha mba vonona hamela ny helony mantsy ianao...! Fa raha tsy izany dia vonoy ao amin’ny boky nosoratanao re ny anarako e!” Hoy anefa i Jehovah: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hovonoiko ao amin’ny bokiko.” (Ek 32:32, 33) Hiova àry ny lisitry ny anarana ao amin’ilay ‘boky’ raha misy tsy mankatò. ‘Hofafana’ na ‘hovonoina’ ao amin’ilay ‘boky’ mantsy ny anarany.​—Ap 3:5.

Mitantara momba ny fitsarana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny Apokalypsy 20:11-15. Hovelarina ny “horonam-bokin’ny fiainana” amin’izay, mba hasiana anarana hafa. Hisy horonam-boky hafa koa hovelarina mba hampianarana ny olona. Hosoratana ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’ireo ‘tsy marina hatsangana’, raha mankatò sy manaraka ny voalazan’ireo horonam-boky mirakitra fampianarana izy ireo. (As 24:15) Efa ao amin’ilay “horonam-bokin’ny fiainana” kosa ny anaran’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika izay anisan’ireo ‘marina hatsangana.’ Ho ao foana ny anarany, raha mankatò ny fampianaran’Andriamanitra ao amin’ireo horonam-boky izy ireo.

Inona no tokony hataon’ny olona mba ho voasoratra mandrakizay ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany? Tokony hanam-pinoana foana ireo voantso ho any an-danitra ka ‘handresy’ an’ity tontolo ity, izany hoe ‘tsy hivadika mandra-pahafatiny.’ (Ap 2:10; 3:5) Ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany kosa tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mandritra ilay fitsapana farany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Ap 20:7, 8) Tsy hesorin’Andriamanitra mihitsy ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anaran’ireo tsy mivadika amin’izay fotoana izay. Hekeny mantsy fa tena olo-marina izy ireo ka mendrika sy manan-jo ny hiaina mandrakizay eto an-tany.​—Ro 8:33.

“Horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” Horonam-boky hafa ilay ‘horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.’ Toa ny anaran’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra ihany no voasoratra ao, na dia mbola eto an-tany aza izy ireo. (Ap 13:8; ampit. Ap 14:1, 4.) Miditra ao amin’ilay tanàna masina, na i Jerosalema Vaovao, ireo voasoratra anarana ao amin’ny “horonam-bokin’ny Zanak’ondry”, izany hoe lasa anisan’ireo hitondra ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra. (Ap 21:2, 22-27) Sady voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny Zanak’ondry” ny anarany no ao amin’ny “bokin’ny fiainana.”​—Fi 4:3; Ap 3:5.

Reniranon’ny ranon’aina. Nahita “reniranon’ny ranon’aina” tao amin’ny fahitana i Jaona. ‘Mangalahala toy ny vato kristaly izy io ary mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry’, eo afovoan’ny lalamben’ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao. (Ap 22:1, 2; 21:2) Tena ilaina amin’ny fiainana ny rano. Nanomboka tanteraka io fahitana io raha vao niorina kelikely ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe taoriana kelin’ny nanombohan’ny “andron’ny Tompo.” (Ap 1:10) Misy mbola eto an-tany ireo anisan’ilay “ampakarina”, ka asainy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina “izay mangetaheta.” (Ap 22:17) Mbola hikoriana io renirano io ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa rava ity tontolo ratsy ankehitriny ity. Hihabetsaka ny ranony amin’izay. Hisy hazo mamoa eo amoron’ilay renirano, ary ho fanasitranana ho an’ny firenena ny raviny. Fandaharana ataon’i Jehovah mba hanomezana fiainana ho an’izay rehetra ho eto an-tany àry ilay renirano. Hataony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry, izany.