Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fialam-boly

Fialam-boly

Hoy ny Mpitoriteny 3:1, 4: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, ... misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana, misy fotoana idradradradrana ary misy fotoana itsinjahana.” Ny matoanteny hebreo hoe sahak no nadika eo hoe ‘mihomehy.’ Adika koa hoe ‘manao fety’, ‘milalao’, ‘manao ho fihomehezana’, ‘mampiala voly’, ary ‘mifalifaly’ anefa io teny io sy ny hoe tsahak iray tarika aminy. (2Sa 6:21; Jb 41:5; Mpts 16:25; Ek 32:6; Ge 26:8) “Falifaly” ilay “mpiasa tena mahay” rehefa vitan’i Jehovah ny Tany. (Oh 8:30, 31) Voalaza koa fa “milalao” ny biby any an-dranomasina sy eny an-tsaha. (Sl 104:26; Jb 40:20) Endriny hafa amin’ny hoe sahak eo ny hoe “falifaly” sy “milalao.”

Fanaovana izay mahafaly sy mahafinaritra. Tsy dia asongadin’ny Baiboly ny fialam-bolin’ny Israelita. Nety sy nahafinaritra anefa izy ireny rehefa nifanaraka tamin’ny toro lalan’Andriamanitra. Nitendry zavamaneno, nihira, nandihy, niresadresaka, ary nilalao ny Israelita. Be mpankafy koa ny ankamantatra sy fanontaniana saro-baliana.​—Mpts 14:12.

Nidera an’i Jehovah ny Israelita raha vao tafita ny Ranomasina Mena, ka nihira sy nandihy ary nively ampongatapaka. (Ek 15:20, 21) Nihinana sy nisotro ary nitsangana “hifalifaly [letsahek]” izy ireo ka nandihy sy nihira, rehefa nahavita zanak’omby volamena i Arona ary nilaza fa hisy “fety ho an’i Jehovah.” Nanompo sampy anefa izy ireo tamin’izay ka tsy nankasitrahan’i Jehovah.​—Ek 32:5, 6, 18, 19, 25.

Falifaly ny Israelita rehefa nankalaza ny fety telo fanao isan-taona sy nanao izay notakin’ny Lalàna. Nisy ‘nandihy nanao faribolana’ nandritra ny fety fanao isan-taona tao Silo. (Mpts 21:21) Fotoana nahafaly koa ny fandresen’ny tafika (Mpts 11:34; 1Sa 18:6, 7) sy ny fanosorana mpanjaka. (1Mp 1:40) Ny vehivavy no tena nandihy, nefa nandihy koa ny lehilahy, toa an’i Davida rehefa nentina tany Jerosalema ny Vata masina. (2Sa 6:5, 14, 21; 1Ta 13:8; 15:29) Falifaly sy nifety ny olona rehefa nanao divay sy nanety ondry. (Je 25:30; 2Sa 13:23-28) Fotoam-pifaliana koa ny fampakaram-bady. Vao mainka nahafaly ilay tany Kana noho ny fahagagana nataon’i Jesosy. (Je 7:34; 16:9; Jn 2:1-10) Nisy mozika sy dihy tamin’ilay fety nandraisana an’ilay zanaka adala niverina nody.​—Lk 15:25.

Nampianarina mozika sy dihy ny andevo tany Ejipta mba hampiala voly ny fianakaviana sy ireo nasaina. Nanana vehivavy mpandihy sy mpitendry zavamaneno matihanina mba hampiala voly an’ireo nasaina koa ny Grika. Nisy nandihy toy izany rehefa nankalazaina ny andro nahaterahan’i Heroda, izay nangatahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 14:6-8) Nandihy ny Grika rehefa niala voly. Nataony ho fankalazana sampy anefa ny dihin’izy ireo tany am-boalohany.

Fahaiza-mandanjalanja. Mila mailo isika satria misy fialam-boly ratsy. Tsy tokony handany fotoana be hialana voly koa isika. Toy ny “kilalao [sehôhk]” ny fitondran-tena baranahiny amin’ny olona tsisy saina, ary hoy ny olona avy namitaka: “Vazivazy [mesahek] fotsiny iny!” (Oh 10:23; 26:19) Tsy hoe mahasoa foana ny mifalifaly, satria “mety ho ory ny fon’ny olona na dia mihomehy [bisehôhk] aza izy, ary alahelo no iafaran’ny fifaliana.” (Oh 14:13; ampit. Mpto 2:2; 7:2, 3, 6.) Nalain’ny Filistinina i Samsona jamba mba hampiala voly (sahak) azy, nefa narodan’i Samsona ilay trano ka maty tao izy rehetra.​—Mpts 16:25-30.

Tsy niara-nipetraka tamin’ireo “be vazivazy [mesahakim]” sy nifalifaly i Jeremia, satria fantany fa efa ho rava i Jerosalema, sady nenjehina izy rehefa nitory. (Je 15:17) Naminany koa anefa izy hoe hivoaka handihy sahala amin’ny olona mifaly indray ny mponina ao, ary hitondra ampongatapaka. (Je 30:19; 31:4) Ho feno ankizy milalao indray ny tany malalak’i Jerosalema voaorina indray, hoy i Zakaria mpaminany.​—Za 8:5; jereo DIHY; KIANJA FILALAOVANA TANTARA AN-TSEHATRA; LALAO.