Fianakaviana
Mishpahah no teny hebreo nadika hoe fianakaviana, ary patria kosa no teny grika. Tsy ankohonana fotsiny no dikan’ny mishpahah fa foko, vahoaka, na firenena koa. Malalaka be koa ny hevitry ny patria. I Jehovah Andriamanitra no nanorina ny fianakaviana. Izy no Rain’ny fianakaviany any an-danitra sy “ahazoan’ny fianakaviana rehetra ... eto an-tany anarana.” (Ef 3:14, 15) I Jehovah mantsy no nanorina ny fianakavian’olombelona voalohany, ary fikasany ny hampiasa azy io mba hahatonga ny tany ho feno olona. Na dia lasa mpanota aza i Adama, dia navelan’i Jehovah hanana fianakaviana sy hiteraka zanaka “nisy itovizana taminy, araka ny endriny.” (Ge 5:3) Noforonin’i Jehovah ho afaka miteraka ny olona, ary asehon’ny Baiboly mazava tsara fa zava-dehibe amin’i Jehovah izany. Natao ho afaka miteraka ny olona mba hanan-taranaka foana sy tsy ho lany tamingana.—Ge 38:8-10; De 25:5, 6, 11, 12.
Nasiana lamina sy narovana ny fianakaviana. Fianakaviana maromaro niaraka no nanome ny fiaraha-monina hebreo fahiny. Toy ny fitondram-panjakana kely ny fianakaviana, ka ny ray no lohany sady tompon’andraikitra teo imason’Andriamanitra, ary ny reny no nanarakaraka azy sy nikarakara ny ankizy. (As 2:29; He 7:4) Toy ny fianakaviana ihany ny fianakaviamben’Andriamanitra: Oharin’ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady Andriamanitra, ka i “Jerosalema any ambony” no renin-janany.—Ga 4:26; ampit. Is 54:5.
Misy itovizana amin’ny orinasa maoderina ny fianakaviana fahiny. Niombonana ny ankamaroan’ny fananana, ka ny raim-pianakaviana no nitantana izany. Nanan-javatra an’ny tenany manokana ihany anefa ny tsirairay. Raha nisy mpianakavy nanao fahadisoana, dia toy ny hoe ny fianakaviany manontolo, indrindra fa ny loham-pianakaviana, no nasiany ratsy. Afa-baraka ilay loham-pianakaviana noho izany, ka nanana adidy hanao zavatra satria izy no mpitsara ny ankohonany.—Ge 31:32, 34; Le 21:9; De 22:21; Js 7:16-25.
Vady tokana no nomen’i Jehovah ny lehilahy voalohany, ary izany no modely ho an’ny fianakaviana. Mifanohitra amin’io modely napetrany io ny nataon’ny olona tatỳ aoriana rehefa nanambady maro izy ireo. Noleferin’Andriamanitra anefa izany mandra-pahatongan’ny fotoana nisian’ny fiangonana kristianina, ka naveriny tamin’ny laoniny ilay modely tany am-boalohany. (1Ti 3:2; Ro 7:2, 3) Niaiky i Jehovah fa efa nisy olona nanambady maro, tamin’izy nanao ny fifaneken’ny Lalàna. Namoaka fitsipika àry izy mba hiarovana ny fianakaviana sy mba hampandeha tsara foana ny fiainam-pianakaviana. I Jehovah mihitsy anefa no niteny hoe: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” Namerina an’izany ny Zanany sady niteny hoe: “Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Ge 2:24; Mt 19:4-6) Voalaza fa tokana ny vadin’i Adama, ary izy io no lasa “renin’ny olombelona rehetra.” (Ge 3:20) Iray ray sy iray reny daholo koa izy telo lahy zanak’i Noa, izay niteraka ka nampisy mponina teto an-tany indray taorian’ilay Safodrano naneran-tany. Samy tafavoaka velona izy telo lahy ireo, niaraka tamin’ny vady iray avy.—Ge 8:18; 9:1; 1Pe 3:20.
Teo ambany fifaneken’ny Lalàna. Rehefa nanome ny Didy Folo ho an’ny Israely Andriamanitra, dia nataony izay tsy hisaratsarahan’ny fianakaviana. Hoy ny didy fahadimy: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” Io no didy voalohany mirakitra fampanantenana. (De 5:16; Ef 6:2) Izay zanaka nikomy tamin’ny ray aman-dreniny dia nikomy tamin’ny fahefana napetrak’Andriamanitra, ka nikomy tamin’Andriamanitra koa. Tsy maintsy novonoina ho faty izay namely na nanozona ray aman-dreny na koa tena tsy laitra nanarina. (Ek 21:15, 17; Le 20:9; De 21:18-21) Tokony hatahotra ray aman-dreny ny zanaka, ary voaozona izay nanao tsinontsinona ray aman-dreny.—Le 19:3; De 27:16.
Hoy ny didy fahafito: “Aza manitsakitsa-bady.” (Ek 20:14) Meloka àry izay olona efa manambady nefa manao firaisana amin’olon-kafa. Tsy tokony hisy zanaka ateraka any ivelan’ny tokantrano. Tsy nekena ho zanaka ny zazasary, ary tsy navela hiditra ho anisan’ny fiangonan’Israely ny taranany na hatramin’ny taranany fahafolo aza.—De 23:2.
Natao hiarovana ny fianakaviana tsy hisaratsaraka ny didy fahafito izay nandrara ny fanitsakitsaham-bady. Ny didy fahafolo kosa nanamafy izany fiarovana izany ho an’ny fianakaviana rehetra voakasika, satria izy io nandidy ny olona hiady amin’ny fanirian-dratsy, ka voaro ny zavatra tena ilain’ny fianakaviana, toy ny trano, ny vady, ny mpanompo, ny biby fiompy, ary ny fananana hafa.—Ek 20:17.
Teo ambanin’ny Lalàna, dia noraketina an-tsoratra tsara ny tetirazana, ka vao mainka voaro tsy hisaratsaraka ny fianakaviana noho ny lovan’izy ireo, izany hoe ny anjara tany avy tamin’ny razambe. Tena zava-dehibe ny tetirazan’ny taranak’i Joda, ary indrindra fa ny tetirazan’i Davida taranak’i Joda. Noraketina an-tsoratra ireny tetirazana ireny ary notehirizina fatratra, satria efa nampanantenaina hoe avy amin’ny fianakavian’izy ireo no hiavian’ny Mesia Mpanjaka. Na dia tsy nanafoana ny fananana vady maro aza ny Lalàna, dia nisy lalàna hentitra kosa nifehy azy io mba hiarovana ny fianakaviana tsy hisaratsaraka, sy mba hiarovana ny tetirazana. Nandrara mafy ny fitondran-tena baranahiny sy ny fanaovana firaisana tamin’ny olona maro ny lalàna. Raha nisy lehilahy nanana vady na vadikely maro ka nitera-dahy, dia noheverina ho zanany ara-dalàna izy ireny.—Jereo VADIKELY.
Voararan’ny Lalàna ny fanaovana fifanarahana ara-panambadiana tamin’ireo firenena kananita fito, izay tokony horoahina tsy ho eo amin’ilay tany. (De 7:1-4) Tsy nankatò an’io didy io ny firenen’Israely ka voatarika hivavaka tamin’ny andriamani-diso ary nobaboin’ny fahavalony tamin’ny farany. Nandika an’io didy io koa i Solomona, ary izy no ohatra ratsy indrindra tamin’izany. (Ne 13:26) Nanambady vehivavy hafa firenena ny Israelita maro tafaverina an-tanindrazana, ka nandoto ny fianakaviany sy ilay firenena mihitsy. Voatery nanitsy izany imbetsaka àry i Ezra sy Nehemia.—Ezr 9:1, 2; 10:11; Ne 13:23-27.
Rehefa naniraka ny zanany lahitokana ho etỳ an-tany Andriamanitra, dia nataony izay hahatonga azy io ho teraka teo anivon’ny fianakaviana iray. Lehilahy matahotra an’Andriamanitra no nomeny ho ray nitaiza azy ary vehivavy be fitiavana no nomeny ho reniny. Zaza nanaiky sy nanaja ary nankatò ray aman-dreny i Jesosy. (Lk 2:40, 51) Na dia rehefa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana aza izy, dia nasehony fa nanaja ny reniny izy ary tia sy niahy azy. Azo inoana fa efa maty vady ny reniny tamin’izay. Hoy i Jesosy tamin-dreniny: “Io ny zanakao, ravehivavy!” Hoy kosa izy tamin’ilay mpianatra tena tiany: “Io ny reninao!” Toa nasainy nitondra an-dreniny ilay mpianatra mba hiara-mipetraka aminy.—Jn 19:26, 27.
Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa zava-dehibe ny fianakaviana eo anivon’ny fiangonana kristianina?
Fianakaviana maromaro miaraka no manome ny atao hoe fiangonana kristianina. Maro ny andinin-teny manome toromarika ho an’ny fianakaviana, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nomena voninahitra ny lehilahy satria natao loham-pianakaviana, toy ny taloha ihany. Ny vehivavy kosa tokony hanaiky ny vadiny ka hitantana ny tokantranony eo ambany fiandraiketan’ny vadiny. (1Ko 11:3; 1Ti 2:11-15; 5:14) Noharina tamin’ny lehilahy manambady i Jesosy ka izy no lohan’ny fiangonana kristianina izay toy ny ‘vadiny.’ Nilaza an’io ohatra io i Paoly mba hampirisihana ny lehilahy manambady hampihatra ny fahefany amim-pitiavana. Nanoro hevitra ny vehivavy koa izy mba hanaja sy hanaiky ny vadiny. (Ef 5:21-33) Nasaina nankatò ray aman-dreny ny ankizy, ary voalaza fa andraikitry ny ray ny mitaiza ny zanany amin’ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.—Ef 6:1-4.
Raha lehilahy manambady ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, dia tokony ho loham-pianakaviana modely, ka hahay hitondra ny ankohonany ary hanana zanaka mankatò fa tsy mpiliba na maditra. Toy ny fianakaviana ihany mantsy ny fiangonana, ka hoy i Paoly: “Fa raha misy tokoa lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, ataony ahoana no fikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?” (1Ti 3:2-5; Tit 1:6) Tokony ho tia vady aman-janaka, hikarakara tokantrano, ary hanaiky ny vadiny ny vehivavy.—Tit 2:4, 5.
Nilaza i Jesosy fa mety hisara-bazana ny fianakaviana rehefa toherin’ny mpianakavy hafa ny mpianakavy mianatra ny fahamarinana. (Mt 10:32-37; Lk 12:51-53) Nananatra mafy an’ireo Kristianina anefa ny apostoly Paoly mba tsy hisaraka amin’ny vadiny. Ny hahasoa an’ilay vady tsy mpino sy ny ankizy no anton’izany. Nasongadiny fa zava-dehibe ny fatoram-pianakaviana, satria izany no hahafahan’Andriamanitra hihevitra ny ankizikely ho masina na dia mbola tsy voadio ho afaka amin’ny fahotany aza ilay vady tsy mpino noho izy tsy mino an’i Kristy. Mety ho mbola zatra manao an’ireo fanao efa nialan’ny Kristianina sasany mihitsy aza izy. (1Ko 7:10-16; 6:9-11) Nanome toromarika ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady koa i Paoly momba ny fanefana ny adidy amim-bady, satria tiany ho tafaray foana ny fianakaviana kristianina.—1Ko 7:3-5.
Tena nanampy olona maro hanaraka ny Fivavahana Kristianina ny fiarahany tamin’ny ankohonany, satria hoy i Paoly: “Tsy fantatrao angaha ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao? Ary tsy fantatrao angaha ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?” (1Ko 7:16) Marina mihitsy izany raha jerena ny teny fiarahabana nataon’i Paoly ho an’ny fianakaviana maromaro. Nisy fianakaviana mpino nampiasa ny tranony hivorian’ny fiangonana. (Ro 16:1-15) Nanambady sy nanan-janaka efa-bavy tsy nivadika i Filipo misionera kristianina. Afaka nampiantrano an’i Paoly sy Kristianina hafa mpiara-miasa tamin’i Paoly koa izy tany Kaisaria. (As 21:8-10) Lazaina hoe “ankohonan’Andriamanitra” ny fiangonana kristianina. I Jesosy Kristy no lehibe indrindra anisan’izy io sady lohan’izy io. Manaiky ireo anisan’io ‘ankohonana’ io fa i Jesosy no ilay Taranaka hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany.—1Ti 3:15; Ef 2:19; Kl 1:17, 18; Ge 22:18; 28:14.
Efa nilaza ny Soratra Masina fa ho potika ny fianakaviana ary tsy ho toy ny nanaovana azy tany am-boalohany intsony, ka ho simba tanteraka ny fitondran-tena sy ny fiaraha-monina any ivelan’ny fiangonana kristianina. Nilaza i Paoly fa anisan’ny fampianaran’ny demonia hiseho “any aoriana any” ‘ny fandrarana tsy hanambady.’ Efa nilaza koa izy fa “amin’ny andro farany” dia ho maro be ireo tsy mpankatò ray aman-dreny, tsy mena-mivadika, ary ‘tsy tia ny mpianakaviny’, ka ho hita izany na dia eo amin’ireo “jerena toa mpivavaka be” aza. Nasain’i Paoly niala tamin’ireny olona ireny ny Kristianina.—1Ti 4:1-3; 2Ti 3:1-5.
Voalaza fa “mpivaro-tena” lehibe i Babylona Lehibe, izay fahavalon’ilay “vehivavy” vadin’Andriamanitra (Ge 3:15; Ga 4:27) sady fahavalon’ilay ‘ampakarin’i’ Kristy. (Ap 21:9) Nijangajanga tamin’ireo mpanjakan’ny tany koa izy. Manan-janakavavy mpivaro-tena izy matoa lazaina hoe “renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” Midika koa izany fa ampirisihiny ny olona tsy hiraharaha ny lamina rehetra napetrak’i Jehovah sady tsy hiraharaha ny didin’i Jehovah, anisan’izany ny fitsipiny izay natao hiarovana ny fianakaviana tsy hisaratsaraka. (Ap 17:1-6) Niezaka foana i Babylona Lehibe hitarika ny olona hivaro-tena. Lasa maro àry ny zanany vavy mpivaro-tena. Niezaka foana koa izy handoto an’ilay ‘ampakarin’i’ Kristy. Tsy resin’izany anefa ilay “ampakarina”, fa madio sy marina ary mendrika ny ho anisan’ny ‘ankohonan’i’ Jehovah sy ho vadin’i Jesosy Kristy foana, mba hitahiana an’izao rehetra izao.—2Ko 11:2, 3; Ap 19:2, 6-8; jereo FANAMBADIANA sy ireo lahatsoratra momba ny mpianakavy tsirairay.