Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana, Fampianarana

Fianarana, Fampianarana

Fampitana na fahazoana fahalalana sy fahaizana, amin’ny alalan’ny 1) fanazavana sy famerimberenana, 2) famaizana sy fampiofanana atao amim-pitiavana (He 12:5, 6), 3) fandinihana ny zava-misy (Sl 19:1-3; Mpto 1:12-14), ary 4) fananarana sy fitenenana mafy (Sl 141:5; Oh 1:7; 9:8; 13:1). Tokony harahina ny fampianarana. Midika hoe “mampianatra; manome toromarika” ny matoanteny hebreo hoe yarah. Midika hoe “fandraisana” kosa ny teny hebreo hoe lekah (fampianarana). (De 32:2; ampitahao amin’ny Je 9:19 [Kat.] manao hoe: “Aoka horaisin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany”, izay ahitana ny matoanteny hoe ‘mandray.’) Adika koa izy io hoe “maharesy lahatra.” (Oh 16:21) Midika hoe “mampianatra; manafay; mananatra” ny teny grika hoe paideoô, ary hoe “mampianatra am-bava; mampianatra” ny hoe katekeô.

I Jehovah Andriamanitra no Mpampianatra Lehibe tsy manan-tsahala. (Jb 36:22; Sl 71:17; Is 30:20) Noforoniny hahay hiteny i Adama zanany teto an-tany (Ge 2:19, 20, 23), ary nampianariny momba ny famoronana (Ge toko 1, 2) sy ny zavatra notakiny taminy. (Ge 1:28-30; 2:15-17) Azo lazaina hoe mampianatra amin’ny alalan’ny biby fiompy sy ny tany koa i Jehovah. (Jb 12:7-10; Oh 6:6) Izy ireny mantsy no porofo ahitan’ny olona hendry fa misy tokoa ny Mpamorona, ary miankina amin’Andriamanitra ny fiainan’ny zavaboary rehetra. “Tsy afa-tsiny” àry izay tsy miraharaha ireny porofo maro ireny, hoy i Paoly.​—Ro 1:20.

Tokony hanaraka ny fampianaran’i Jehovah na “handeha amin’ny atorony” ny vahoakany. Tokony “hanefy ny sabany ho angadinomby [koa] izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.” (Is 2:3, 4; Mi 4:2, 3) Mankasitraka sy te hanaraka ny fampianaran’i Jehovah ny mpanompony, ka mivavaka hoe: “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô! Handeha amin’ny fahamarinanao aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.”​—Sl 86:11; 27:11; 119:33.

Tsy toy ny fialam-boly ny fampianarana satria tokony harahina, nefa afaka mamelombelona. Hoy i Jehovah tao amin’ny hira nampianarin’i Mosesy ny Israely: “Hirotsaka toy ny orana ny fampianarako, hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, eny, tahaka ny erika eny amin’ny ahitra.” (De 32:2) Nampirisihin’i Paoly i Timoty mpiandraikitra kristianina mba “halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky, fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka, ka hahalala marina tsara ny fahamarinana izy.” (2Ti 2:25) Mety hisy famaizana koa anefa ny fampianarana. Tsy mahafaly ny famaizana, nefa mitondra “vokatra hiadanana” rehefa ekena, “ary ny fahamarinana izany vokatra izany.”​—He 12:7-11.

Tsy hoe olona te hanampy foana no mampianatra, na hoe mahasoa foana ilay fampianarana. “Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina”, ohatra, i Mosesy, nefa naleony niaraka tamin’ny Hebreo tamin’izy 40 taona ka nafoiny izay mety ho lovany tao an-dapan’i Ejipta. (As 7:22) Nampianatra lainga ny mpaminany tany Israely (Is 9:15), ary nampianatra “mba hahazoana karama” ny mpisorona (Mi 3:11). Sarivongana metaly kosa no tian’ny Israelita sasany hampianatra azy. Hadalana mihitsy izany!​—Ha 2:18.

Tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny. Teo anivon’ny fianakaviana no natomboka ny fanabeazana sy fampianarana, rehefa jerena ny Baiboly. Ny ray no loham-pianakaviana ary mety ho maro ny anisan’ny ankohonany, toy ny an’i Abrahama. Adidiny ny nampianatra azy ireny. (Ge 18:19) Nampianatra ny zanany koa i Isaka sy Jakoba, toy ny nataon’i Abrahama rainy tamin’izy ireo, matoa tsara taiza i Josefa. (Ge 39:4, 6, 22; 41:40, 41) Naharaka ny fanazavana momba ny lalàn’ny natiora i Joba havan’i Abrahama lavitra nipetraka tany Oza, ary nahalala ny fomba fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tamin’ny androny. Nampianarin’i Jehovah momba ny zavaboary koa izy.​—Jb 9:1, 9; toko 28, 38-41.

Nahalala zavatra betsaka momba ny kintana sy planeta, matematika, jeometria, taotrano, fanorenana, zavakanto, ary taranja hafa ny Ejipsianina. Nampianarin-dreniny hivavaka tamin’i Jehovah i Mosesy (Ek 2:7-10), nefa koa “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina. Ary nahery tamin’ny teniny sy ny nataony izy.” (As 7:22) Nahay namaky teny sy nanoratra ary nampianatra ny zanany ny Israelita, na dia andevo tany Ejipta aza. Nodidiana izy ireo hanoratra ny lalàn’Andriamanitra (izay tamin’ny teny hebreo) teo amin’ny tolàm-baravarany sy vavahadiny an’ohatra, ary hampianatra izany an-janany, taloha kelin’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—De 6:6-9; ampit. De 27:3; Js 8:32.

Teo ambanin’ny Lalàna, talohan’ny sesitany. Mbola ny ray aman-dreny ihany no nanana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany. (Ek 12:26, 27; De 4:9; 6:7, 20, 21; 11:19-21) Efa hatramin’izay ny ray aman-dreny jiosy no nihevitra fa anisan’ny adidiny ny nampianatra ny zanany hivavaka sy ho tsara fitondran-tena ary hahay hisaina. Nivavaka àry i Manoa mba hahazoana tari-dalana momba ny fomba hitaizana an’i Samsona zanany. (Mpts 13:8) Ny ray no tena nampianatra, nefa nampianatra koa ny reny rehefa nampirisika an’ilay ankizy hanaiky ny fampianarana sy anatry ny rainy. (Oh 1:8; 4:1; 31:26, 27) Fantatr’izy ireo fa ho lasa olom-banona ny zanany, raha tsara taiza dieny mbola kely.​—Oh 22:6.

Tokony hanaja lalina ny ray aman-dreniny ny ankizy. Ny ray aman-dreny kosa tokony ho hentitra rehefa mampihatra fahefana (Oh 22:15), nefa koa ho be fitiavana. Nofaizina ny zanaka maditra, ka nokapohina tamin’ny tsorakazo mihitsy indraindray. (Oh 13:24; 23:13, 14) Novonoina ho faty izay ankizy nanozona na namely ny ray aman-dreniny. (Le 20:9; Ek 21:15) Notoraham-bato koa izay tanora mpikomy tsy laitra nanarina. (De 21:18-21) Hoy tokoa ny fahadimy amin’ny Didy Folo, izay didy voalohany misy fampanantenana: “Hajao ny rainao sy ny reninao, ... mba ho lava andro iainana ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.”​—De 5:16; Ef 6:2, 3.

Tokony hampianatra ny zanany foana ny ray aman-dreny rehefa tao an-trano, teny am-piasana, na nanao dia. Tsy hoe nanorotoro sy nananatra fotsiny izy ireo, fa nanome modely koa satria tokony hankatò ny lalàn’Andriamanitra foana izy ireo. Nianatra momba ny jeografia ny ankizy rehefa nentina nankalaza fety intelo isan-taona tany Jerosalema, sady nifankahalala tamin’ny mpiray firenena taminy, izay avy amin’ny faritra rehetran’i Israely.​—De 16:16.

Tsy hoe nampianarina hivavaka fotsiny ny tovolahy, fa nampianarina hanao ny asan-drainy na asa hafa koa. Mpanao asa tanana matihanina i Bezalila sy Oholiaba, ary nampian’ny fanahin’Andriamanitra hampianatra olon-kafa koa rehefa naorina tany an-tany efitra ny tranolay masina. (Ek 35:34) Ny tovovavy kosa nampianarina hikarakara tokantrano sy hanaja lalina an’izay ho vadiny, toy ny nataon’i Saraha. (Ge 18:12; 1Pe 3:5, 6) Nahay sy nahavita zavatra betsaka ary nanankinana andraikitra maro ny vady tsara.​—Oh toko 31.

Toa samy nampianarina mozika ny ankizilahy sy ankizivavy, matoa nisy lehilahy sy vehivavy mpihira sy mpitendry mozika. (1Sa 18:6, 7) Nisy mpamoron-kira sy mpanao tononkalo, mpitendry mozika, ary mpihira ny lehilahy levita.​—Sl 87:t.m.; 88:t.m.; 1Ta 25.

Ny fokon’i Levy no natokan’Andriamanitra hampianatra momba ny fivavahana. Napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona tamin’ny 1512 T.K., ary anisan’ny andraikiny ny nampianatra ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra. Nampianatra lalàna ny vahoaka koa i Mosesy Levita satria mpanelanelana. (Ek 18:16, 20; 24:12) Adidin’ny mpisorona sy Levita tsy mpisorona kosa ny nanazava tamin’izy ireo ny fitsipika rehetra nampitain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. (Le 10:11; 14:57; 2Ta 15:3; 35:3) Novakin’ny Levita tamin’ny vahoaka ny Lalàna. Novorina sy nasaina hihaino an’ilay vakiteny ny rehetra, na lahy na vavy, na antitra na tanora, na ny vahiny tao an-tanàna aza, ary izay rehetra nahazo ny hevitr’izay reny, nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo isaky ny taona sabata. (De 31:9-13) Nirahin’i Josafata Mpanjaka hitety an’i Joda ny andriana sy mpisorona ary Levita mba hampianatra ny lalàn’Andriamanitra, tamin’ny taona fahatelo nanjakany.​—2Ta 17:9.

Nasongadin’i Mosesy fa tokony hekena ny fampianaran’ny mpisorona, satria hoy izy: “Araho izay teny hambarany aminao eo amin’ny toerana hofidin’i Jehovah, ary tandremo tsara izay rehetra asainy ataonao. Izay lalàna hasehony anao sy izay didim-pitsarana hambarany aminao no hataonao. Aza miala amin’izay teny holazainy aminao, ka mivily miankavanana na miankavia.”​—De 17:10, 11; 24:8.

Misy tononkalo maro ao amin’ny Soratra Hebreo. Natao hanamorana fitadidiana izy ireny. Tsy miady rima toy ny mahazatra anefa ny tononkalo hebreo, fa ny hevitra kosa no mifanitsy. Ahitana sarin-teny koa izy ireny, ka ny zavaboary na zavatra hain’ny rehetra (na ny ankizy aza) no natao teny an’ohatra. Manaraka ny filaharan’ny abidy hebreo ny teny voalohany amin’ireo andininy (Sl 25, 34, 37, 111, 112, 119; Oh 31:10-31; Ft 1-4), na koa litera iray foana no manomboka ny andininy maromaro. Manomboka amin’ny litera hebreo alefa, ohatra, ny andininy valo voalohany amin’ireo andininy 176 ao amin’ny Salamo faha-119, manomboka amin’ny beta ny andininy valo manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pahatapitr’ireo litera hebreo 22.

Taorian’ny sesitany. Tena nilaina nampianarina momba ny fivavahana marina ireo nody avy tany Babylona, rehefa voaorina ny tempoly. Olona nahita fianarana i Ezra, ary mpanao dika soratra ny Baiboly. (Ezr 7:1, 6) Nanangona fitantarana maro sy nanao dika mitovy izy, ary anisan’ny nampiditra an’ireo boky ho anisan’ny Soratra Hebreo. Nampianariny ny lalàn’Andriamanitra koa ny firenen’Israely, satria Levita mpisorona izy. (Ezr 7:11, 12, 25) Nalaminy ireo mpisorona sy Levita avy tany Babylona, mba ho afaka hampianatra an’ireo Israelita sy ny zanany ka hanompoan’izy ireo an’i Jehovah indray. (Ne 8:4-9) Nahay Lalàna ny Hebreo mpanao dika soratra na mpanora-dalàna (Soferima), ka izy ireo no lasa tena nampianatra ny vahoaka na dia nisy tsy Levita aza. Nampiditra lovantsofina maro anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka novany ny Tenin’Andriamanitra.​—Jereo MPANORA-DALÀNA.

Tamin’ny taonjato voalohany. Mbola adidin’ny ray aman-dreny foana ny nampianatra ny zanany, indrindra fa ireo mbola kely. (2Ti 1:5; 3:14, 15) Nobeazin’ny ray nitaiza azy sy ny reniny tany Nazareta i Jesosy, ary nihalehibe sy nihanatanjaka ary nitombo fahendrena. Gaga ny mpampianatra tao amin’ny tempoly tamin’izy 12 taona, noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny. (Lk 2:41, 46-52) Mbola ny mpanora-dalàna ihany no tena nampianatra ampahibemaso sy tany amin’ny sekoly tao amin’ny synagoga. (Jereo SYNAGOGA.) Nianarana tany ny siansa, ny Lalàna ary ny fampianaran’ireo raby izay natao fanampin’ny Lalàna. Nila nampianatra asa ny zanany koa ny ray aman-dreny.

Mpampianatra faran’izay mahay i Jesosy. Na ny mpiara-belona taminy aza niaiky fa mpampianatra nalaza izy ary nisy vokany be tamin’ny olona ny fampianarany. Nantsoin’ny mpianany hoe “Raby”, midika hoe “Mpampianatra”, izy (Mr 9:5; jereo RABY), satria neken’izy ireo fa manana fahefana izy ary tokony harahin’izy ireo ny toromariny. (Lk 5:5; 9:33) Niantso an’i Jesosy hoe Mpampianatra koa ny boka folo lahy niangavy azy hiantra azy ireo. (Lk 17:13) Na ny mpanohitra aza niaiky indraindray fa marina ny teniny. Hoy koa ireo mpiambina nirahin’ny Fariseo hisambotra azy, rehefa nanontaniana hoe nahoana izy ireo no niverina tanam-polo: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.”​—Jn 7:46; Lk 20:39, 40; Mr 12:32, 34.

Voalohany, tsy araka ny nahim-pon’i Jesosy no nitenenany, fa tonga tamin’ny anaran-dRainy izy ka izay nianarany taminy no nolazainy. (Jn 5:19, 30, 43; 6:38; 10:25) Nahalala tsara an’i Jehovah Andriamanitra izy satria Zanany lahitokana avy any an-danitra, ka izy no tsara toerana indrindra hampianatra momba ny toetran-dRainy sy ny asany ary ny fikasany. (Mt 11:27) Tia an’ireo nampianariny koa izy, ary io no toetra faharoa tena ilain’ny mpampianatra mahay. (Mr 10:21; Jn 13:1, 34; 15:9, 12) Vitsy ny mpampianatra tia mpianatra ka hoe vonona hamoy ny ainy ho azy ireo mihitsy, toa an’i Jesosy. (Jn 15:13) Fantany ny tao an-tsain’ny olona (Jn 2:25) ary tena nahay nanavaka izy (Lk 6:8). Tsy nitady ny tombontsoany izy, satria tsy nisy ota sady tso-po. (He 7:26) Tsy nampiasa teny sarotra fampiasan’ny mpanora-dalàna koa izy. Marina fa nanao fanoharana maro izy nefa zavatra fahita isan’andro no nataony fanoharana, ka mbola azon’ny olona hatramin’izao ny fampianarany.​—Jereo FANOHARANA.

Nananatra sy nanitsy koa i Jesosy rehefa nampianatra. (Mr 8:33) Tsy niteny fotsiny izy fa nanome modely koa, ka nazoto nitory sy nampianatra. Feno fahefana izy rehefa niteny, fa tsy toy ny mpanora-dalàna. Nampian’ny fanahy masina koa izy ka hita hoe avy any an-danitra tokoa ny fampianarany, ary afaka nibaiko tamim-pahefana sy hery an’ireo demonia mba hivoaka tamin’ny olona nidiran’izy ireo izy. (Mr 1:27; Lk 4:36) Sahy sy tsy natahotra koa izy nanala sarona an’ireo mpampianatra sandoka, izay nisakana ny hafa tsy hihaino ny fampianarany.​—Mt 23.

Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nampianatra sy nahita vokatra toa an’i Jesosy ny mpianany. Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra hatraiza hatraiza izy ireo, ary nampianatra an’ireo vonon-kihaino. (As 2:42) Nanana fahasahiana sy fahefana izy ireo rehefa niteny, toa an’i Jesosy. (As 4:13, 19, 20; 5:29) Ny fanahin’Andriamanitra no nanome hery azy ireo sy nanaporofo fa sitrak’Andriamanitra ny fampianarany. Nampianatra tao amin’ny tempoly sy synagoga ary isan-trano izy ireo. (As 5:16, 21; 13:14-16; 20:20) Niara-nivory koa izy ireo mba handray fampianarana sy hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy asa tsara. (As 20:7, 8; He 10:24, 25) Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonana kristianina: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Ro 15:4) Tokony hofantarintsika àry ny didin’Andriamanitra sy ny toro lalana ao amin’izy ireny ary ny lesona ao amin’ny Teniny, ary tokony hampiharintsika.​—Jereo MPAMPIANATRA AMPAHIBEMASO.

Noresahin’ny apostoly Paoly ireo andraikitra sy asa sahanin’ny lehilahy matotra eo anivon’ny fiangonana. Natao ireny asa ireny mba hampianarana sy hampiofanana an’ireo olona masina, ka hanaovany asa fanompoana sy hanorenana ny vatan’i Kristy. (Ef 4:11-16) Nianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ny fiangonana. (1Ko 14) Tokony ho mpampianatra ny rehetra teo anivony, na ny vehivavy aza, satria tokony hatao mpianatra ny olona eran-tany. (As 18:26; He 5:12; Ro 12:7) Lehilahy matotra anefa no notendrena hiandraikitra ny fiangonana, toa an’i Timoty sy Titosy. (1Ti 2:12) Tokony hahay hampianatra sy hanitsy izay tsy mety izy ireo, nefa nila nitandrina mafy koa mba ho marina sy hahasoa foana ny fampianarany.​—1Ti 4:16; 2Ti 4:2, 3; Tit 2:1.

Tsy dia miresaka firy momba ny fanatanjahan-tena ny Baiboly, afa-tsy ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” (1Ti 4:8) Mila mampiasa vatana anefa ny Kristianina satria ampirisihina hazoto hitory sy hampianatra. Nandeha an-tongotra lavitra i Jesosy sy ny mpianany, anisan’izany i Paoly izay matetika nanao dia lavitra rehefa nanompo.

Tsy resahin’ny Baiboly firy koa ny fianarana tsy ara-pivavahana. Ampitandremany anefa ny Kristianina mba tsy ho variana amin’ny filozofia, na handany fotoana hikarohana fanontaniana adaladala sy tsy mahasoa, na hihaino ny fampianaran’ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ny Teniny. (1Ti 6:20, 21; 1Ko 2:13; 3:18-20; Kl 2:8; Tit 3:9; 1:14; 2Ti 2:16; Ro 16:17) Neken’ny Kristianina fa adidiny teo anatrehan’Andriamanitra ny namelona ny fianakaviany, ka nila nianatra sy niofana izy matetika mba hahavitany izany. (1Ti 5:8) Izay hahafahany hitory “ny vaovao tsara” sy hianatra Baiboly miaraka amin’ireo mihaino azy anefa no tena nimasoany hatramin’izay, ka nitady ny fomba mety rehetra hanaovana izany izy ireo.​—1Ko 9:16.

Hoy ny Profesora E. Goodspeed: “Nanararaotra namoaka boky ny Kristianina, raha vao fantany fa azo ampiasaina hanelezana ny filazantsara eran-tany izy ireny. Tsy boky vaovao ihany no navoakany fa boky tranainy koa, ary mbola tia mamoaka boky izy ireo hatramin’izao. Diso hevitra izay milaza fa rehefa nisy ny fanontam-pirinty vao nanao izany izy ireo. Efa izany foana no nampiavaka ny Kristianina hatramin’ny taona 70. Vao mainka narisika izy ireo rehefa nahita vokatra. Tsy nahasakana azy ireo ny fanafihan’ny mpanompo sampy sy ny Vanim-potoan’ny Haizina [t. 476-1000]. Porofo izany fa tena nafana fo ny Kristianina voalohany rehefa nampahafantatra ny filazantsara tamin’ny olon-drehetra. Nampahafantariny daholo izany, tsy tamin’ny alalan’ny teny sy atao ihany, fa tamin’ny amin’ny alalan’ny teknika rehetra tena arifomba nahafahany namoaka boky koa.”​—Mamoaka Boky ny Kristianina, 1940, p. 111; jereo MPITAIZA; SEKOLY.