Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiandrilavenombazaha

Fiandrilavenombazaha

[Heb.: hallamot].

Maniry mandavantaona ny fiandrilavenombazaha (Althaea officinalis), mafy ny tahony izay mahatratra 1,8 m, ary misy nifinifiny sy matsoko loha ny raviny lehibe. Rakotra lainy malemy ny tahony sy raviny. Misy felany dimy ny voninkazony mavokely, izay 5 sm eo ho eo ny savaivony. Natao sakafo ny fakany fotsy (toy ny karaoty) rehefa nisy mosary. Matsatso ny fiandrilavenombazaha, hoy ilay hany andininy miresaka azy.​—Jb 6:6.

Ao amin’ny Joba 6:6 ihany no ahitana ny hoe hallamot (heb.), izay nadika hoe “tafotsin’atody” (Prot.), “ron’anana” (Kat.), na koa “fiandrilavenombazaha”, araka ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 304).