Fiangonana
Olona maromaro miara-mivory noho ny antony iray voafaritra tsara. Midika hoe “mamory, mivory” ny fototenin’ilay teny hebreo hoe kahal, izay adika matetika hoe “fiangonana” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (No 20:8; De 4:10) Ilazana olona maromaro voalamina izy io matetika, toy ny hoe “fiangonan’Israely” (Le 16:17; Js 8:35; 1Mp 8:14), “fiangonan’Andriamanitra” (Ne 13:1), ary “fiangonan’i Jehovah” (De 23:2, 3; Mi 2:5; No 20:4; 1Ta 28:8). Ilazana fivoriana samy hafa koa ny hoe kahal, toy ny rehefa manao fotoam-pivavahana (De 9:10; 18:16; 1Mp 8:65; Sl 22:25; 107:32), mitady vahaolana ho an’ny fiaraha-monina (1Mp 12:3), na miomana ho amin’ny ady (1Sa 17:47; Ezk 16:40). “Mpamory vahoaka” (heb.: kôhelet) no iantsoana an’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny. (Mpto 1:1, 12) Novorin’io mpanjaka io mantsy ny vahoaka mba hivavaka tamin’i Jehovah, toy ny tamin’ny vao vita ny tempolin’i Jerosalema.—1Mp 8:1-5; 2Ta 5:2-6.
Ny teny grika hoe ekklesia no nadika hoe “fiangonana” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Fitambaran’ny hoe ek midika hoe “ivelany” sy kaleô midika hoe “miantso”, ilay hoe ekklesia. Ilazana olona maromaro nampiantsoina na novorina tamin’ny fomba ofisialy na tsia, àry izy io. Io teny io no ilazana ny fiangonan’Israely ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:38, sy ilay “vahoaka” notaomin’i Demetrio mpanefy volafotsy hanohitra an’i Paoly sy ny namany tany Efesosy. (As 19:23, 24, 29, 32, 41) Ny fiangonana kristianina anefa matetika no tiana holazaina amin’ny hoe ekklesia. Mety ho ny fiangonana kristianina amin’ny ankapobeny izany (1Ko 12:28), na fiangonana tao amin’ny tanàna iray toy ny tany Jerosalema (As 8:1) sy Antiokia (As 13:1) ary Korinto (2Ko 1:1), na olona niara-nivory tao an-tranon’olona. (Ro 16:5; Flm 2) Ilazana ny fiangonana kristianina tsirairay na “ireo fiangonan’Andriamanitra” àry io teny io. (As 15:41; 1Ko 11:16) Misy Baiboly mandika azy io hoe “Eglizy”, toy ny ao amin’ny 1 Korintianina 16:19. (Kat.) Olona maro no mihevitra fa ilay trano anaovana fotoam-pivavahana no atao hoe fiangonana na eglizy, fa tsy ireo olona mivory ao. Diso hevitra anefa izy ireo.
Ny teny grika hoe ekklesia matetika no nandikana ny teny hebreo hoe kahal ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, toy ny ao amin’ny Salamo 22:22 (21:23, LXX).
Ny fiangonan’Israely. Tamin’ny andron’i Mosesy ny firenen’Israely no nanomboka nantsoina hoe fiangonana. I Jehovah Andriamanitra, fa tsy ny vahoaka, no nifehy azy io. Nampidiriny tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna àry ilay firenena. (Ek 19:3-9; 24:6-8) I Mosesy no mpanelanelana tamin’io fifanekena io, araka ny voalaza hoe: “Nanome lalàna antsika i Mosesy, ho fananan’ny fiangonan’i Jakoba.” (De 33:4) I Jehovah no Mpitsara sy Mpanome Lalàna ary Mpanjakan’izy ireo. (Is 33:22) Fiangonan’Andriamanitra àry ilay firenena, ka nantsoina hoe “fiangonan’i Jehovah.”—No 16:3; 1Ta 28:8.
Mitovy ny dikan’ny teny hebreo hoe ʽedah (vahoaka) sy kahal (fiangonana) indraindray. (Le 4:13; No 20:8, 10) Avy amin’ny fototeny midika hoe “manendry” na “manondro” ny hoe ʽedah. Olona maromaro mivory amin’ny fotoana voatondro àry no hevitr’izy io, ary ilazana ny “vahoakan’Israely” matetika. (Ek 12:3) Ny Hebreo ihany no nantsoina hoe fiangonana (kahal; No 15:15) teo amin’ny firenen’Israely, fa toa ny Hebreo niampy ny mpivahiny nonina teo aminy kosa no natao hoe vahoaka (ʽedah; Ek 12:19). Toa anisan’ny fiangonana koa àry ny mpivahiny voafora, rehefa itarina ny hevitr’ilay teny nadika hoe fiangonana.—No 15:14-16.
Tsy nekena ho anisan’ny “fiangonan’i Jehovah” anefa ny lehilahy novosirina na “nesorina ny filahiany.” Tsy nekena koa ny zazasary sy ny lehilahy amonita sy moabita “na hatramin’ny taranany fahafolo aza.” ‘Nahazo niditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah’ kosa ‘ny zafiafin’ny’ Edomita sy ny Ejipsianina. (De 23:1-8) Halan’i Jehovah tokoa ny fanitsakitsaham-bady matoa tsy navelany hiditra ho anisan’ny fiangonany ny zazasary, “na hatramin’ny taranany fahafolo aza.” (Ek 20:14) Marina fa tsy nekeny ho anisan’ny ‘fiangonany’ koa ireo novosirina, nefa nampahery azy ireo ny teniny ao amin’ny Isaia 56:1-7. Afaka nanantena ny hahazo an’ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah an’ireo firenena, ny olona tsy tafiditra ho anisan’ny “fiangonan’i Jehovah” tany Israely fahiny.—Ge 22:15-18.
Namindrana fo ireo anisan’ny fiangonan’Israely, raha nanota tsy nahy. Naringana kosa izay ninia nanota. (No 15:27-31) Nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ary novonoina ho faty mihitsy, ohatra, ireo olona naloto nefa tsy nety nidio, na naloto nefa nihinana tamin’ny henan’ny sorona iombonana na nihinana zava-masina, na ireo nihinana tamin’ny tavin-kenan’ny biby natao fanatitra na nihinan-dra. (No 19:20; Le 7:21-27; 17:10, 14; 22:3) Novonoina ho faty koa izay niasa tamin’ny andro Sabata (Ek 31:14), nanolotra ny taranany ho an’i Moleka, nila hevitra tamin’ny mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy, nanao firaisana tsy ara-dalàna, ary tsy ‘nampahory ny tenany’ tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona.—Le 20:1-6, 17, 18; 23:27-30; jereo koa Ek 30:31-33; Le 17:3, 4, 8, 9; 18:29; 19:5-8.
Voalamina ho foko sy fianakaviambe ary ankohonana ny firenen’Israely. Hita izany, ohatra, rehefa nasaina niseho teo anatrehan’i Josoa ny Israely noho i Akana nandika lalàna. Nasaina nanatona isam-poko izy ireo, avy eo isaky ny fianakaviambe, isaky ny ankohonana, ary isaky ny vatan-dehilahy. Voatana i Akana tamin’ny farany.—Js 7:10-19.
Nisolo tena ny vahoakan’Israely matetika ny olona nanana andraikitra. (Ezr 10:14) Ny “mpiadidy teo amin’ny foko”, ohatra, no nanome fanatitra rehefa voatsangana ny tranolay masina. (No 7:1-11) Ny mpisorona sy ny Levita ary ny “lohandohany teo amin’ny vahoaka” no solontena nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 9:38–10:27) ‘Mpiadidy vahoaka sady nantsoina foana rehefa nisy fivoriana, ary lehilahy nanan-daza’ ireo 250 niandany tamin’i Kora sy Datana sy Abirama ary Ona, izay nikomy tamin’i Mosesy sy Arona tany an-tany efitra. (No 16:1-3) Nasain’Andriamanitra nifidy 70 lahy tamin’ireo anti-panahy sady mpiadidy i Mosesy mba hanampy azy, satria tsy vitany irery ny ‘nitondra ny vahoaka.’ (No 11:16, 17, 24, 25) Miresaka momba an’ireo “anti-panahin’ny vahoaka” ny Levitikosy 4:15, ary azo inoana fa ireo anti-panahy teo amin’ilay firenena sy ireo lohany sy mpitsarany ary mpiadidiny no nisolo tena an’ilay vahoaka.—No 1:4, 16; Js 23:2; 24:1.
Nisy trompetra volafotsy roa nampiasaina tany an-tany efitra, mba hamoriana vahoaka sy hampilazana fa tokony hiainga ny toby. Raha niara-notsofina izy roa, dia ny vahoaka no namonjy ny fotoanany tamin’i Mosesy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. ‘Ireo mpiadidy, izany hoe ireo mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely’ kosa no nantsoina, raha ny iray ihany no notsofina. (No 10:1-4) Namory vahoaka koa ny mpanjaka indraindray. (1Mp 8:5; 2Ta 20:4, 5) Naniraka mpihazakazaka hampiantso azy ireo ho any Jerosalema, ohatra, i Hezekia, mba hankalaza ilay Paska nanetriketrika.—2Ta 30:1, 2, 10-13.
Niforona ny Fitsarana Avo Jiosy tatỳ aoriana. Nisy mpikambana 71 tao amin’izy io, dia ny mpisoronabe sy ireo 70 lahy izay samy olona ambony teo amin’ny firenena. Nanana fahefana be ireo ‘anti-panahy rehetra’ ireo.—Mt 26:59; Lk 22:66.
Nanomboka nivory tamin’ny trano natao hoe synagoga ny Jiosy, nandritra ny sesitany tany Babylona na taoriana kelin’izay. Nanjary nisy synagoga isan-tanàna, tatỳ aoriana. Nampianatra tao amin’ny synagogan’i Nazareta, ohatra, i Jesosy. (Lk 4:16-21) Nianatra sy namaky ny Soratra Masina ny olona tao amin’ny synagoga, ary nivavaka sy nidera an’Andriamanitra.—As 15:21; jereo SYNAGOGA.
Tsy nanan-tsahala ny fiangonan’Israely. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.” (De 7:6) Lasa tsy fiangonan’Andriamanitra intsony anefa ny firenena jiosy, satria nanda ny Zanany.—As 4:24-28; 13:23-29; Mt 21:43; 23:37, 38; Lk 19:41-44.
Ny fiangonana kristianina. Talohan’ny nandavana ny firenena jiosy tsy ho fiangonan’Andriamanitra intsony, dia nilaza i Jesosy Kristy fa izy no “vatolampy” ary eo amboniny no hanorenany ny ‘fiangonany.’ (Mt 16:18) Nanaiky izany ny apostoly Petera satria nilaza izy tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay “vato” nolavin’ny olona, nefa “voafidy sy sarobidy amin’Andriamanitra.” I Jesosy, hoy izy, no “vato fehizoro” ary tsy ho diso fanantenana izay mino azy. (1Pe 2:4-6; Sl 118:22; Is 28:16) Niaiky koa i Paoly fa i Jesosy Kristy no fototra iorenan’ny fiangonana kristianina. (Ef 2:19-22; 1Ko 3:11) An’i Jehovah ilay fiangonana, ka mety raha antsoina hoe “fiangonan’Andriamanitra.”—As 20:28; Ga 1:13.
Sady fototra iorenan’ny fiangonana (gr.: ekklesia) kristianina i Kristy, no lohany. Hoy ny Baiboly: “[Nasain’Andriamanitra] nanaiky an’i Kristy ny zava-drehetra, ka nataony eo ambany tongony. Ary nataony ho lohan’ny zavatra rehetra izy, mba hahasoa ny fiangonana, izay tsy inona fa ny vatany. Feno azy ny fiangonana ary izy no mameno ny zava-drehetra ao amin’ny rehetra.”—Ef 1:22, 23; jereo koa Kl 1:18.
Nisolo ny fiangonan’Israely ny fiangonana kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatr’i Jesosy tao Jerosalema. Nangonina ireo ho anisan’io fiangonana io tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany, taoriana kelin’ny batisany. (As 2:1-4; Jn 1:35-43) Nifidy apostoly 12 tamin’ireo mpianany voalohany izy (Lk 6:12-16), ary nifidy an’i Saoly avy any Tarsosy tatỳ aoriana, mba ho “apostoly ho an’ny hafa firenena.” ( As 9:1-19; Ro 11:13) Anisan’ny fototra iorenan’ny fiangonana kristianina koa ireo apostoly 12 nofidin’ny Zanak’ondry (Jesosy Kristy), anisan’izany i Matia izay nisolo an’i Jodasy.—As 1:23-26; Ap 21:1, 2, 14.
Antsoina hoe “fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra” io fiangonana io. Miisa 144 000 ireo voantso ho anisan’izy io ary i Kristy no lohany. (He 12:23; Ap 7:4) “Novidina avy teo amin’ny olombelona” izy ireo mba hanao asa manokana etỳ an-tany, ary avy eo ho vadin’i Kristy any an-danitra. Misy zavatra takina amin’ireo Kristianina anisan’ny “fiangonan’Andriamanitra” ireo, toy ny tamin’ireo anisan’ny fiangonan’Andriamanitra teo amin’ny Israely fahiny ihany. Virjiny an’ohatra izy ireo, ary arahiny foana ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. ‘Tsy misy lainga hita eo am-bavany sady tsy misy tsiny ireo.’—Ap 14:1-5.
I Jehovah no mifidy an’ireo ho anisan’ny fiangonana kristianina. (Ro 8:30; 2Te 2:13) Jiosy avy tamin’ilay firenena tsy nanaiky ny Zanak’Andriamanitra ho Mesia ireo nofidina voalohany. Nisy hafa firenena kosa ireo nofidina nanomboka tamin’ny taona 36, rehefa lasa mpino i Kornelio. Hoy i Paoly: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.” (Ga 3:28; As 10:34, 35; Ro 10:12; Ef 2:11-16) Ny fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny alalan’i Mosesy no nifehy ny fiangonan’Israely. Notanterahin’i Kristy izy io, ka nesorin’i Jehovah Andriamanitra (Mt 5:17; 2Ko 3:14; Kl 2:13, 14), ary nosoloany an’ilay fifanekena vaovao, izay natao tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay mifanitsy amin’i Mosesy. Mandray soa amin’io fifanekena vaovao io ny fiangonana kristianina. (Mt 26:28; He 12:22-24; As 3:19-23) Nohosorana menaka ny mpisorona sy mpanjaka teo amin’ny Israely (Ek 30:22-30; 2Mp 9:6), fa hosorana fanahy masina kosa ireo fidin’i Jehovah Andriamanitra ho anisan’ilay fiangonana kristianina (2Ko 1:21, 22; 1Jn 2:20), ary atsangany ho zanany.—Ef 1:5.
Israelita ara-nofo ny ankamaroan’ireo anisan’ny fiangonan’Israely. Israelita ara-panahy kosa ireo anisan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ary ireo no fokon’ny Israely ara-panahy. (Ap 7:4-8) Nanda an’i Jesosy Kristy ny ankamaroan’ny Israelita ara-nofo, ka “tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena ‘Israely’”, izany hoe Israely ara-panahy. (Ro 9:6-9) Hoy i Paoly momba ireo Jiosy ara-panahy anisan’ny fiangonana kristianina: “Tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy.”—Ro 2:28, 29.
Ireo voahosotra 144 000 mpianatr’i Kristy ihany no antsoina matetika hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary tsy anisan’izy io i Jesosy. (Ef 5:32; He 12:23, 24) Azo lazaina hoe anisan’ny “fiangonana” koa anefa ilay lohany na i Jesosy Kristy, matoa nampiharina taminy ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 22:22. (He 2:12) Hoy ilay nanoratra ny boky ho an’ny Hebreo: “Fa iray ihany no niavian’izy roa tonta, na ilay manamasina na ireo hamasinina, hany ka tsy mahamenatra azy [Jesosy Kristy] ny miantso azy ireo hoe ‘rahalahy’, araka ny teniny hoe: ‘Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho. Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao an-kira.’” (He 2:11, 12) Anisan’ny fiangonan’Israely i Davida ary nidera an’i Jehovah teo anivon’izy io izy. Azo lazaina koa àry hoe anisan’ny fiangonana kristianina i Jesosy Kristy, satria antsoina hoe ‘rahalahiny’ ireo anisan’izy io. (Ampit. Mt 25:39, 40.) Toa an’i Davida, dia anisan’ny fiangonan’Israely koa i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. Teo anivon’izy io izy no nitory. Nisy vitsivitsy tamin’io fiangonana io lasa anisan’ny fiangonan’i Kristy.
Fomba nandaminana ny fiangonana kristianina. Nisy fiangonana kristianina niorina tany amin’ny toerana samy hafa, kanefa tsy hoe nahaleo tena akory izy ireo. Nanaiky ny fahefan’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema kosa izy rehetra. Ny apostoly sy ny anti-panahin’ny fiangonan’i Jerosalema no anisan’io filan-kevi-pitantanana io, ary tsy nisy hafa ankoatra azy io nanara-maso ny asan’ny fiangonana. Nentina hodinihina teo anatrehany ny raharaha momba ny famorana, tamin’ny taonjato voalohany. Nampian’ny fanahy masina izy io hanapa-kevitra. Nilaza izy io fa didy tokony hotandreman’ny fiangonana rehetra ilay fanapahan-kevitra, ary nanaiky izany an-tsitrapo izy ireo.—As 15:22-31.
Nanana solontena nitety an’ireo fiangonana ilay filan-kevi-pitantanana. Naniraka an’i Paoly sy ny hafa, ohatra, izy io mba hampahafantatra ny fanapahan-keviny momba ny famorana. Hoy ny Baiboly: “Dia nandeha nitety tanàna izy ireo ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona.” Inona no vokany rehefa nankatoavina ilay didy? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.” (As 16:4, 5) “Ren’ny” apostoly tany Jerosalema taloha kelin’izay “fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy Jaona. Dia nidina tany izy roa lahy ka nivavaka mba handraisan’ireo ny fanahy masina.”—As 8:14, 15.
Narahin’ny fiangonana tsirairay tsara ny toromariky ny filan-kevi-pitantanana, izay nandamina ny fanendrena anti-panahy. (Tit 1:1, 5) Nisy mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana notendrena àry isaky ny fiangonana, araka ny toromariky ny filan-kevi-pitantanana izay notarihin’ny fanahy masina. Tsy maintsy nahafeno fepetra ireo lehilahy natokisana sy nanankinana andraikitra ireo. (1Ti 3:1-13; Tit 1:5-9) Nanara-dia an’i Kristy ireo solontenan’ny filan-kevi-pitantanana, anisan’izany i Paoly, ka nanome modely hotahafina. (1Ko 11:1; Fi 4:9) Ny mpiandry rehetra mihitsy no tokony “ho modely ho an’ny andian’ondry” (1Pe 5:2, 3), hiahy sy ho tia ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana (1Te 2:5-12), ary hanampy an’ireo marary ara-panahy.—Ga 6:1; Jk 5:13-16; jereo ANTI-PANAHY; MPIANDRAIKITRA; MPANOMPO.
Nataon’i Jehovah izay hisian’ny anti-panahy hiandraikitra ny fiangonana kristianina (As 14:23), toy ny nataony tamin’ny fiangonan’Israely ihany, izay nisy anti-panahy sy lohany sy mpitsara ary mpiadidy. (Js 23:2) Nisolo tena ny fiangonan’Israely manontolo indraindray ireo lehilahy nanana andraikitra, toy ny rehefa nisy raharaham-pitsarana. (De 16:18) Nisy lehilahy nanana andraikitra koa notendren’ny fanahy masina hisolo tena ny fiangonana tsirairay, rehefa nisy raharaha nalamina. (As 20:28; 1Ko 5:1-5) Ny tenin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 18:15-17 (nihatra tamin’ny fiangonan’Israely aloha satria nolazaina talohan’ny nandavan’i Jehovah azy io) kosa no tokony harahina, raha nisy Kristianina tsy nifanaraka teo anivon’ny fiangonana.
Napetrak’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny ‘vatan’i Kristy’ an’ohatra ny rantsambatana tsirairay, “araka izay tiany.” Hoy i Paoly: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana ireo rantsambatana samihafa: Voalohany, apostoly; faharoa, mpaminany; fahatelo, mpampianatra; avy eo, fahagagana, fahaiza-manasitrana, fanampiana, fahaiza-mitarika, ary fitenenana amin’ny fiteny samihafa.” Tsy nitovy ny andraikitry ny tsirairay, nefa samy nilain’ny fiangonana kristianina izy rehetra. (1Ko 12:12-31) Nohazavain’i Paoly ny antony nametrahana apostoly sy mpaminany sy mpitory ny vaovao tsara sy mpiandry ary mpampianatra teo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Mba hanitsiana ny olona masina, ka hanaovany asa fanompoana, sy hanorenana ny vatan’i Kristy. Ary izany dia mandra-pananantsika rehetra zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, sy mandra-pahatongantsika ho olon-dehibe, ary hahatratrarantsika ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”—Ef 4:11-16.
Nomena an’ireo lalàn’Andriamanitra ny fiangonan’Israely, ary nanjary niaiky fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (De 8:1-3) Niaiky toy izany koa i Jesosy Kristy. (Mt 4:1-4) Mba hahazoan’ny fiangonana kristianina ny sakafo ara-panahy ilainy àry, dia nilaza i Kristy fa hisy “mpanompo” hanome sakafo an’ireo Kristianina ‘mpanompo ao an-trano.’ Nilaza koa izy rehefa niresaka momba ny fanatrehany sy “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, fa hotendren’ny “tompony” “hiandraikitra ny fananany rehetra” io “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io, rehefa tonga izy.—Mt 24:3, 45-47.
Zava-dehibe tamin’ny fiangonan’Israely ny nivory mba hivavaka tamin’i Jehovah sy hianatra ny lalàny. (De 31:12; Ne 8:1-8) Tena zava-dehibe amin’ny fiangonana kristianina koa ny mivory mba hivavaka amin’i Jehovah sy hianatra ny Soratra Masina. Nampirisika an’ireo olona nanoratany àry ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo mba tsy hahafoy ny fiaraha-mivory. (He 10:24, 25) Nivory tany amin’ireo synagoga ny Jiosy mba hamaky sy hianatra ny Soratra Masina, hivavaka ary hidera an’Andriamanitra. Toy izany koa no nataon’ireo Kristianina tany amin’ny toeram-pivoriany, saingy tsy nisy an’ireo fombafomba maro be izay lasa fanao tany amin’ireo synagoga tatỳ aoriana. Tsy nisy mpitondra fivavahana tany amin’ny synagoga, fa izay lehilahy jiosy tia fivavahana dia nahazo namaky sy nanazava ny Soratra Masina. Tsy nisy mpitondra fivavahana koa teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany, fa nitovy daholo ny rehetra. Tsy nampianatra sy tsy nanana fahefana teo amin’ny lehilahy anefa ny vehivavy, toy ny tany amin’ny synagoga ihany.—1Ti 2:11, 12.
Nilamina tsara ny fivorian’ny fiangonana kristianina, satria “tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana” i Jehovah, izay nanorina azy io. Nandray soa be dia be tamin’izany filaminana izany koa ny mpivory rehetra.—1Ko 14:26-35, 40; jereo FIVORIANA, FIVORIAMBE.