Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiankohofana

Fiankohofana

Fihetsika ataon’ny olona mandohalika, na miondrika, na manaiky fahefana; na fanehoana fanajana fotsiny. Mahadika tsara ny teny hebreo hoe hishtahavah sy ny teny grika hoe prôskyneô izy io, amin’ny ankapobeny.

Midika hoe “miankohoka” ny hoe hishtahavah. (Ge 18:2) Niankohoka angamba ny olona iray ho fanajana mpanjaka (1Sa 24:8; 2Sa 24:20; Sl 45:11), mpisoronabe (1Sa 2:36), mpaminany (2Mp 2:15), manam-pahefana hafa (Ge 37:9, 10; 42:6; Rt 2:8-10), havana be taona (Ge 33:1-6; 48:11, 12; Ek 18:7; 1Mp 2:19), na vahiny (Ge 19:1, 2). Niankohoka teo anatrehan’ny Kananita taranak’i Heta i Abrahama, tamin’izy te hividy toeram-pandevenana tamin’izy ireo. (Ge 23:7) Hiankohoka eo anatrehan’i Jakoba ireo ‘rahalahiny’ sy ny firenena samy hafa, hoy i Isaka tamin’izy nitso-drano azy. (Ge 27:29; ampit. 49:8.) Noraisin’i Absaloma zanak’i Davida ny olona nanatona hiankohoka teo anatrehany ka norohany, mba hampisehoana hoe tsy ambony noho izy ireo izy. Tetika hahazoana toerana ambony fotsiny anefa izany. (2Sa 15:5, 6) Tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana kosa i Mordekay. Tsy ny miankohoka eo anatrehan’ny manam-pahefana akory no tsy tiany, fa fantany kosa hoe taranaka Amalekita voaozona io lehilahy persianina io.​—Es 3:1-6.

Tsy voatery hidika hoe mivavaka na manompo àry ilay teny hebreo hoe hishtahavah. Ilazana fanompoana an’ilay tena Andriamanitra (Ek 24:1; Sl 95:6; Is 27:13; 66:23) na sampy (De 4:19; 8:19; 11:16) anefa izy io, amin’ny ankapobeny. Misy niankohoka rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra (Ek 34:8; Jb 1:20, 21), na rehefa nahazo fanambarana avy taminy na nankasitrahany, ho mariky ny fisaorana sy fanajana azy ary fanekena ny sitrapony.​—Ge 24:23-26, 50-52; Ek 4:31; 12:27, 28; 2Ta 7:3; 20:14-19; 1Ko 14:25; Ap 19:1-4.

Azo atao ny miankohoka eo anatrehan’ny olona ho fanajana azy. Noraran’i Jehovah Andriamanitra anefa ny fiankohofana eo anatrehan’ny andriamani-kafa (Ek 23:24; 34:14) na sary sokitra na sarivongana na zavaboary hafa. (Ek 20:4, 5; Le 26:1; De 4:15-19; Is 2:8, 9, 20, 21) Marina fa nisy mpanompon’i Jehovah fahiny niankohoka teo anatrehan’ny anjely. Tsy nivavaka tamin’ny anjely anefa izy ireo, fa niaiky fotsiny hoe solontenan’Andriamanitra izy ireny.​—Js 5:13-15; Ge 18:1-3.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mitovitovy amin’ny teny hebreo hoe hishtahavah ny teny grika hoe prôskyneô, satria midika koa hoe miankohoka eo anatrehan’ny zavaboary sy hoe mivavaka amin’Andriamanitra na sampy. Tsy dia manasongadina ny fomba fiankohofana toy ny hita amin’ilay teny hoe hishtahavah anefa ilay hoe prôskyneô. Avy amin’ny matoanteny hoe kyneô midika hoe “manoroka” ilay teny grika, hoy ny manam-pahaizana. Ilazana olona miankohoka koa anefa io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, Soratra Hebreo nadika ho amin’ny teny grika).​—Mt 2:11; 18:26; 28:9.

Tsy maintsy jerena ny teny manodidina mba hahafantarana raha toa ilay prôskyneô ka ilazana olona miankohoka ho mariky ny fanajana lalina, na miankohoka mba hivavaka. Mivavaka izy raha miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra (Jn 4:20-24; 1Ko 14:25; Ap 4:10) na andriamani-diso na sampy (As 7:43; Ap 9:20), fa tsy miankohoka tsotra fotsiny toy ny rehefa eo anatrehan’ny olona. Raha tsy resahin’ilay andininy hoe iza no ivavahany, dia azo inoana fa Andriamanitra ilay izy. (Jn 12:20; As 8:27; 24:11; He 11:21, Prot.; Ap 11:1) Nasaina ho “tonga hiankohoka” teo anoloan’ny tongotry ny Kristianina ireo avy tamin’ny “synagogan’i Satana.” Tsy nivavaka tamin’ny Kristianina anefa izy ireo.​—Ap 3:9.

Noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray ny amin’ny olona niankohoka teo anatrehana mpanjaka. (Mt 18:26) Mety ho toy izany no nataon’ireo mpanandro niankohoka teo anatrehan’i Jesosy zaza, ilay “nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy.” Nilaza i Heroda fa mba te hiankohoka teo anatrehan’ilay zaza koa izy. Niankohoka teo anatrehan’i Jesosy koa ireo miaramila talohan’ny namantsihana azy, saingy ho fanesoana azy. Tsy nihevitra an’i Jesosy ho Andriamanitra anefa izy rehetra ireo. (Mt 2:2, 8; Mr 15:19) Nadikan’ny mpandika Baiboly sasany hoe “mivavaka” ilay hoe prôskyneô, mba hilazana ny nataon’ny olona teo anatrehan’i Jesosy. Tsy mitombina anefa izany. Mitovitovy amin’ny antony niankohofan’ny olona teo anatrehan’ny mpaminany sy mpanjaka fahiny ihany mantsy ny antony niankohofan’ny olona teo anatrehan’i Jesosy. (Ampitahao ny Mt 8:2; 9:18; 15:25; 20:20 sy ny 1Sa 25:23, 24; 2Sa 14:4-7; 1Mp 1:16; 2Mp 4:36, 37.) Niaiky izy ireo fa solontenan’Andriamanitra i Jesosy, ary “Zanak’Andriamanitra”, na “Zanak’olona” (ilay nambaran’ny faminaniana), na ilay Mesia nomen’Andriamanitra fahefana, fa tsy Andriamanitra akory. Niankohoka teo anatrehan’i Jesosy àry izy ireo, ho mariky ny fisaorana noho ny fanambarana azon’izy ireo avy tamin’Andriamanitra, na noho izy ireo nankasitrahany.​—Mt 14:32, 33; 28:5-10, 16-18; Lk 24:50-52; Jn 9:35, 38.

Neken’ny mpaminany sy ny anjely fahiny ny fiankohofana teo anatrehan’izy ireo. Tsy navelan’i Petera hanao izany anefa i Kornelio, ary indroa ny anjely no nisakana an’i Jaona tsy hiankohoka teo anatrehany. “Mpanompo toa anao ihany aho”, hoy ilay anjely. Hoy koa izy: “Andriamanitra no ivavaho [tôi Teôi prôskynesôn].” (As 10:25, 26; Ap 19:10; 22:8, 9) Niova mantsy ny fifandraisan’ny samy mpanompon’Andriamanitra rehefa tonga i Kristy, satria hoy izy tamin’ny mpianany: “Iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra ... Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” (Mt 23:8-12) Tanteraka taminy daholo koa ireo faminaniana, satria hoy ilay anjely tamin’i Jaona: “Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana.” (Ap 19:10) Tompon’i Davida koa i Jesosy sady lehibe noho i Solomona, ary izy ilay mpaminany lehibe noho i Mosesy. (Lk 20:41-43; Mt 12:42; As 3:19-24) Rariny àry raha tsy navelan’i Petera hiankohoka teo anatrehany i Kornelio.

Efa nambara ho marina sady voahosotra koa i Jaona. Voantso ho zanak’Andriamanitra sy ho mpanjaka any an-danitra izy. Tsy mitovy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ny anjely niseho tamin’izy ireo àry ny fifandraisan’i Jaona tamin’ilay anjely niresaka taminy. Fantatr’ilay anjely izany matoa izy tsy nety hiankohofan’i Jaona.​—Ampit. 1Ko 6:3; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Eo anatrehan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Nasandratry ny Rainy i Kristy Jesosy ka lasa manarakaraka azy, mba ho “amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Fi 2:9-11; ampit. Da 7:13, 14, 27.) Voalazan’ny Hebreo 1:6 koa fa na ny anjely aza miankohoka eo anatrehan’i Jesosy Kristy efa natsangana tamin’ny maty. Baiboly maro amin’ny fiteny hafa no mandika ny prôskyneô hoe “mivavaka” eo amin’io andininy io, fa misy kosa manao hoe ‘miankohoka’ (Prot.) sy hoe ‘mitsaoka’ (Kat.). Tsy miova anefa ny dikan’ilay teny grika, ary tsy maintsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny Baiboly manontolo ny zavatra ataon’ny anjely amin’i Kristy. I Jesosy mihitsy no nilaza tamin’i Satana hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao [endriny hafa amin’ny hoe prôskyneô], ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Mt 4:8-10; Lk 4:7, 8) Hoy koa ilay anjely tamin’i Jaona: “Andriamanitra no ivavaho.” (Ap 19:10; 22:9) Efa natsangana tamin’ny maty sy nasandratra anefa i Jesosy tamin’izay. Midika izany fa mbola tsy niova ny hoe iza no tokony hivavahana. Marina fa hita ao amin’ny Hebreo 1:6 hoe nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Kristy Jesosy ny Salamo 97, izay milaza fa i Jehovah Andriamanitra no tokony ‘hiankohofana.’ (Sl 97:1, 7) Efa nilaza anefa i Paoly fa ‘taratry ny voninahitr’Andriamanitra’ i Kristy, “ary mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.” (He 1:1-3) Na dia toa milaza aza ny Baiboly sasany fa ‘mivavaka’ amin’ny Zanaka ireo anjely, dia mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, raha ny marina. I Jehovah mantsy no Mpanjakan’izao rehetra izao, “Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Ap 14:7; 4:10, 11; 7:11, 12; 11:16, 17; ampit. 1Ta 29:20; Ap 5:13, 14; 21:22.) Mifanaraka amin’ny dikan’ny teny hebreo ao amin’ny Salamo 97:7 sy ny teny grika ao amin’ny Hebreo 1:6 kosa ny nandikana ny hoe hishtahavah sy hoe prôskyneô hoe ‘miankohoka’ sy ‘mitsaoka’ (fa tsy hoe “mivavaka”), satria izany no hevitr’ireo teny ireo.