FANAZAVANA MAHALIANA
Fielezan’ny Fivavahana Kristianina
HOY i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany, rehefa hiakatra tany an-danitra izy tamin’ny taona 33: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (As 1:8) Lasa vavolombelony tokoa izy ireo.
Nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatra 120 teo ho eo tany Jerosalema, folo andro taorian’izay, tamin’ny Pentekosta, ka nitory “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (As 2:1-4, 11) Nisy 3000 teo ho eo no natao batisa ny androtr’iny. (As 2:37-41) Tsy ela dia ‘nofenoin’ny mpianatra ny fampianarany i Jerosalema’ (As 5:27, 28, 40-42), ka “nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany.”—As 6:7.
Avy tao Jerosalema ireo mpianatra no niparitaka nanerana an’i Jodia sy Samaria rehefa nenjehina. Nitory tany amin’izay nalehany izy ireo ka nihamaro ireo lasa mpino.—As 8:1, 4, 14-17.
Nitory ny vaovao tsara tamin’i Kornelio sy ny ankohonany tany Kaisaria ny apostoly Petera, tamin’ny taona 36. Izy ireo no hafa firenena tsy voafora voalohany lasa mpino sy natao batisa. (As 10) Toa natomboka tany Antiokia any Syria ny fitoriana tamin’ny tsy Jiosy taorian’izay, ka “olona maro be tonga mpino no niova sy nanaiky ny Tompo.” (As 11:20, 21) Niely ny asa fitoriana ka tonga hatrany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.”