Fifadian-kanina
Tsy fihinanana na tsy fisotroana mandritra ny fotoana voafetra. Nifady hanina ny olona tso-po rehefa te hampiseho hoe nanenina sy nibebaka noho ny fahotany (1Sa 7:6; Jl 2:12-15; Jo 3:5), rehefa notandindomin-doza, nila ny tari-dalan’Andriamanitra, tojo fitsapana na fakam-panahy, na rehefa nianatra sy nisaintsaina momba ny fikasan’Andriamanitra. (2Ta 20:3; Ezr 8:21; Es 4:3, 16; Mt 4:1, 2) Tsy nampijaly tena izay nifady hanina, fa nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah kosa. (Ezr 8:21; 9:5; ampit. 1Mp 21:27-29.) Nifady hanina 40 andro i Jesosy toa an’i Mosesy sy Elia, izay niara-niseho taminy tao amin’ny fahitana rehefa niova tarehy izy.—Mt 17:1-9; Ek 34:28; De 9:9; 1Mp 19:7, 8.
Tsy misy hoe “mifady hanina” ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Mifady hanina anefa no dikan’ilay hoe ‘mampahory tena’, ao amin’ilay didy nomena ny Israelita momba ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:29-31; 23:27; No 29:7) Manamafy izany ny voalazan’ny Isaia 58:3, 5 sy Salamo 35:13.
Miresaka momba ny fahotana lehibe nataon’ny Jiosy ny Isaia toko faha-58. Tsy tena nibebaka anefa izy ireo, na dia mody nanompo an’i Jehovah aza. An-tendro-molotra ny fanompoany azy ary fisehosehoana fotsiny ny fombafomba nataony. Nifady hanina, ohatra, izy ireo, ka nihevitra fa hahazo sitraka tamin’Andriamanitra, kanjo tsy nahazo. Toa gaga àry izy ireo ka nanontany hoe: “Fa nahoana no tsy jerenao izahay rehefa mifady hanina, ary tsy raharahainao rehefa mampahory tena?” Nohazavain’i Jehovah ny antony hoe: Nangataka Azy hitsara ara-drariny izy ireo sady toy ny hoe nanao ny marina rehefa nifady hanina, nefa izay tiany sy izay asa nahazatra azy ihany no nataony. Faly erỳ izy ireo niady sy nampahory ary nampiasa herisetra, ary tsy tena nanenina na nibebaka noho ny fahotany. Tsy re hatrany an-danitra àry ny feon’ireo nifady hanina, na dia mody nidradradradra nitomany aza. Nahariharin’i Jehovah fa mpihatsaravelatsihy izy ireo, ka hoy izy: “Tokony ho toy izao ataonareo izao ve ny fifadian-kanina ekeko, dia andro ampahorian’ny olona ny tenany, sy anondrehany loha toy ny harefo, ary atoriany eo ambony gony sy lavenona? Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahan’i Jehovah?”—Is 58:1-5.
Tsy maintsy niala tamin’ny fahotany ireo nifady hanina, raha te hahazo sitraka tamin’i Jehovah. Hoy Izy momba ny atao hoe tena fifadian-kanina: “Moa ve tsy izao ny fifadian-kanina ekeko: Ny mamaha ny gadra vy izay napetaka noho ny tsy rariny, sy mamaha ny tadin’ny zioga, sy manafaka ny ampahorina, ary manapaka ny zioga rehetra? Tsy izao koa ve izany: Ny mizara ny mofonao amin’ny noana, sy mampiantrano ny ory sy ny tsy manan-kialofana, sy mampitafy an’izay hitanao mitanjaka, ary tsy miafina amin’ireo mpiray firenena aminao?”—Is 58:6, 7.
Nifady hanina inefatra isan-taona ny Jiosy. Nifady hanina imbetsaka ny Jiosy. Nisy fotoana izy ireo nanao izany inefatra isan-taona, ho fahatsiarovana ny nanaovana fahirano sy ny nandravana an’i Jerosalema (taonjato fahafito T.K.). (Za 8:19) Ireto avy ireo fifadian-kanina ireo: 1) Ny ‘tamin’ny volana fahefatra’ izay toa fahatsiarovana ny nanagorobahan’ny Babylonianina ny mandan’i Jerosalema (9 Tamoza 607 T.K.). (2Mp 25:2-4; Je 52:5-7) 2) Ny ‘tamin’ny volana fahadimy’ ho fahatsiarovana ny nandravana ny tempoly tamin’io volana io (volana Aba). (2Mp 25:8, 9; Je 52:12, 13) 3) Ny ‘tamin’ny volana fahafito’ izay toa fahatsiarovana ny namonoana an’i Gedalia, na ny nahalao an’ilay tany taorian’izay rehefa nandositra tany Ejipta ny Jiosy sisa tavela satria natahotra an’ireo Babylonianina. (2Mp 25:22-26) 4) Ny ‘tamin’ny volana fahafolo’ izay mety ho fahatsiarovana ny nandrenesan’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona hoe rava i Jerosalema (ampit. Ezk 33:21), na ho fahatsiarovana ny nanombohan’i Nebokadnezara nanao fahirano an’ilay tanàna ny fahafolon’ilay volana (609 T.K.).—2Mp 25:1; Je 39:1; 52:4.
Nisy Jiosy nanontany hoe: “Tokony hitomany ve aho amin’ny volana fahadimy, ka hifady hanina, toy ny efa nataoko tao anatin’izay taona maro be izay?” Dia hoy i Jehovah: “Ho ahy tokoa ve no nifadianareo hanina tamin’ianareo nifady hanina ... nandritra ny fitopolo taona?” Nilaza koa izy fa tokony hankatò azy ny olona tena nifady hanina, hilaza ny marina, hamoaka didim-pitsarana misy fihavanana, ary ho tso-po. Raha nanao izany izy ireo, dia tsy ho nanembona ny lasa na ho nalahelo rehefa nifady hanina. Ho nifaly sy niravoravo kosa izy ireo rehefa fety, satria afaka nanompo an’i Jehovah indray sady nisy olon-kafa koa lasa nanompo Azy.—Za 7:3-7; 8:16, 19, 23.
Torohevitra ho an’ny Kristianina. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Rehefa mifady hanina ianareo, dia aza malahelo tarehy intsony toy ny mpihatsaravelatsihy, fa tsy karakarainy ny tarehiny mba hahitan’ny olona fa mifady hanina izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra. Fa ianao kosa rehefa mifady hanina, dia hosory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao, mba ho ny Rainao izay ao amin’ny miafina, fa tsy ny olona, no hahita fa mifady hanina ianao. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.” (Mt 6:16-18) Niresaka momba ny fanaon’ny Fariseo mpihatsaravelatsihy izy teo sy tao amin’ny fanoharana hafa. (Lk 18:9-14) Nifady hanina indroa isan-kerinandro izy ireo, dia ny andro faharoa sy fahadimy.—Lk 18:12.
Mbola manaiky hodidiana hoe “aza mandray, aza manandrana, aza mikasika”, hoy ny apostoly Paoly, ny olona mifady hanina ho fombafomba fotsiny. Hoy koa izy: “Toa fahendrena tokoa ireo zavatra ireo, ary maneho izany izy ireo amin’ny fanarahany fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany, sy amin’ny fanehoany fanetren-tena sarintsariny, ary ny fampijalian-tena. Tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy anefa izany.”—Kl 2:20-23.
Misy fivavahana milaza azy ho Kristianina mandidy ny mpivavaka ao aminy hifady hanina. Tsy takin’ny Baiboly amin’ny Kristianina anefa izany. Mbola teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy sy ny mpianany tamin’izy niresaka momba ny fifadian-kanina (Mt 6:16-18), sady mbola nankalaza ny Andro Fandrakofam-pahotana (nisy fifadian-kanina).
Tsy hita ao amin’ny ankamaroan’ny sora-tanana malaza fahiny ilay hoe fifadian-kanina ao amin’ny Matio 17:21 sy Marka 9:29 sy Asan’ny Apostoly 10:30 ary 1 Korintianina 7:5, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.
Misy mihevitra fa nandidy ny Kristianina hifady hanina i Jesosy ao amin’ny Matio 9:15. Nolazainy fotsiny anefa hoe inona no hitranga rehefa maty izy. Tsy nila nifady hanina ny mpianany fony izy niaraka tamin’izy ireo tetỳ an-tany. Nalahelo sy nifady hanina kosa izy ireo rehefa maty izy. Tsy nila nanao izany intsony anefa izy ireo rehefa natsangana i Jesosy, ary indrindra fa rehefa nilatsahan’ny fanahy masina izy ireo. (Mr 2:18-20; Lk 5:33-35) Tsy voatery nifady hanina ny Kristianina rehefa nitsingerina ny fotoana nahafatesan’ny Tompo, satria hoy i Paoly tamin’ireo nihinam-be tany am-pivoriana, talohan’ny nankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo: “Tsy manana trano ihinanana sy isotroana mihitsy angaha ianareo? ... Koa rehefa mivory mba hihinana izany [ny Sakafo Harivan’ny Tompo] ianareo, ry rahalahiko, dia aoka hifampiandry. Raha misy noana, dia aoka izy hihinana any an-tranony, mba tsy hivorianareo ho amin’ny fanamelohana.”—1Ko 11:22, 33, 34.
Nifady hanina ihany anefa ny Kristianina voalohany tamin’ny fotoan-dehibe sasany, na dia tsy nodidiana hanao izany aza. “Nifady hanina” sy nivavaka, ohatra, ireo naniraka an’i Barnabasy sy Paoly ho misionera tany Azia Minora, sy ireo nanendry anti-panahy teo anivon’ny fiangonana vaovao. (As 13:2, 3; 14:23) Tsy didiana hifady hanina àry ny Kristianina, nefa koa tsy rarana tsy hanao izany.—Ro 14:5, 6.