Fifaliana
Fihetseham-po tsapa rehefa mahazo na manantena hahazo zava-tsoa, rehefa sambatra na ravoravo. Na ireo teny hebreo na ireo teny grika nadika hoe fifaliana, firavoravoana, ary faly, dia samy manana heviny mifanakaikikaiky, arakaraka ny haben’ilay fifaliana. Midika hoe “mifaly; miravoravo; manao horakora-pifaliana; mitsinjaka noho ny hafaliana” ireo matoanteny avy amin’ny fifaliana, ary milaza ny fihetseham-po tsapa sy izay ataon’ilay olona noho ny hafaliany.
Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1Ti 1:11) Mahafaly azy ny mamorona sy miasa, ary ataony mba hahafaly ny zavaboariny izany. Mifaly amin’ny asany izy. (Sl 104:31) Tiany koa raha faly amin’ny asany sy amin’ny asan’izy ireo ny zavaboariny. (Mpto 5:19) Avy aminy ny zava-tsoa rehetra (Jk 1:17), ka mila mahafantatra azy ny zavaboary manan-tsaina rehetra, na olona na anjely, raha tena te ho faly. (Je 9:23, 24) Hoy i Davida Mpanjaka: “Hahafinaritra azy anie ny fisaintsainako azy! Ary izaho kosa hifaly amin’i Jehovah.” (Sl 104:34) Hoy koa izy: “Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy tokoa. Ary hirehareha avokoa ny mahitsy fo.” (Sl 64:10) Nampirisihin’ny apostoly Paoly ny Kristianina mba ho faly foana noho izy ireo mahalala an’i Jehovah sy noho izay ataon’i Jehovah ho azy ireo. Hoy izy: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo [“Jehovah” ao amin’ny Baiboly sasany], eny, hoy indray aho: Mifalia!”—Fi 4:4.
Nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Jesosy Kristy, ka tena mahalala Azy tsara (Mt 11:27), ary afaka nanazava tsara ny momba Azy tamin’ny mpianany. (Jn 1:18) Falifaly àry i Jesosy, ka nantsoina hoe “ilay Tompom-pahefana falifaly sady tokana.” (1Ti 6:14, 15) Tiany ny Rainy ka may erỳ izy hanao izay sitrany foana. (Jn 8:29) Rehefa nasaina nanketỳ an-tany àry izy mba hijaly sy ho faty mba tsy ho afa-baraka intsony ny anaran’ny Rainy, dia “niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra.” (He 12:2) Tena tiany sy nahafaly azy koa ny olombelona. Asehon’ny Soratra Masina ho toy ny fahendrena izy tamin’izy mbola tsy tonga tetỳ an-tany. Toy ny hoe izy àry no nilaza hoe: “Mpiasa tena mahay teo [anilan’i Jehovah] aho, ary tena tia ahy isan’andro isan’andro izy. Falifaly foana aho teo anatrehany, eny, nahafaly ahy ny tany lonaka teo amin’ny tany noforoniny. Ary tena tiako izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.”—Oh 8:30, 31.
Tian’i Jesosy ho faly koa ny mpianany, ka hoy izy: “Lazaiko aminareo izany mba ho ao aminareo koa ny fifaliako, ary mba ho feno ny fifalianareo.” Faly koa ny anjely rehefa noforonina ny tany. (Jn 15:11; 17:13; Jb 38:4-7) Mandinika ny fitondran-tenan’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo, ka faly rehefa tsy mivadika izy ireny. Tena mahafaly azy ny mahita mpanota iray mibebaka ka manaraka ny fivavahana marina sy manompo an’i Jehovah.—Lk 15:7, 10.
Izay mahafaly an’Andriamanitra. Faly ny fon’i Jehovah, rehefa tsy mivadika aminy ny mpanompony. Nokianin’i Satana Devoly foana ny fomba fitondran’Andriamanitra. Nampangainy koa izay rehetra manompo an’Andriamanitra. (Jb 1:9-11; 2:4, 5; Ap 12:10) Natao ho azy ireo àry izao teny izao: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Oh 27:11) Mampifaly an’Andriamanitra ny mpanompony eto an-tany raha tsy mivadika aminy.—Is 65:19; Ze 3:17.
Vokatry ny fanahy. Avy amin’i Jehovah ny fifaliana, ary tiany ho faly ny vahoakany. Vokatry ny fanahiny masina àry ny fifaliana. Tononina aorian’ny fitiavana avy hatrany ny fifaliana, ao amin’ny Galatianina 5:22, 23. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Nanjary nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, satria nandray ny teny tao anatin’ny fahoriana be sy fifaliana avy tamin’ny fanahy masina.” (1Te 1:6) Nanazava tamin’ny Kristianina tany Roma izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia “fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana amin’ny alalan’ny fanahy masina.”—Ro 14:17.
Toetran’ny fo ny tena fifaliana ary mahasoa ny vatana manontolo. “Mahamiramirana endrika ny fo falifaly”, ary “ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana [na mahasoa ny vatana]”, hoy ilay lehilahy hendry mpanao ohabolana.—Oh 15:13; 17:22.
Fifaliana manompo an’Andriamanitra. Tsy mavesatra ny zavatra takin’i Jehovah. (1Jn 5:3) Tiany ho faly manompo azy ny mpanompony. Tokony hifaly ny Israely noho ireo fety natao ho azy ireo, sy noho ny zavatra hafa, ary noho ny fanompoany an’Andriamanitra. (Le 23:40; De 12:7, 12, 18) Tokony ho faly miresaka momba an’Andriamanitra izy ireo. (Sl 20:5; 51:14; 59:16) Tsy tsara ny toe-pon’izy ireo ary tsy nankasitraka ny hatsaram-panahin’Andriamanitra sy ny hatsaran-toetrany izy ireo, raha tsy falifaly nanompo azy. Raha tsy nankatò àry izy ireo ka tsy falifaly nanompo azy, dia nampitandrina azy Andriamanitra hoe: “Ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ... satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tsy nitandrina ny didiny sy ny lalàny ... Ho famantarana sy fambara eo aminao sy eo amin’ny taranakao foana ireo ... satria ianao tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fifaliana sy faharavoam-po, nefa ianao nanam-be tamin’ny zava-drehetra.”—De 28:45-47.
Tokony ho falifaly koa ny Kristianina rehefa manompo an’Andriamanitra, raha tena mankasitraka azy amin’ny fo. (Sl 100:2) “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo”, hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray tsy nivadika. (Ne 8:10) Nambaran’ny anjely iray hoe “fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra” ilay vaovao tsara torin’ny Kristianina. (Lk 2:10) Tokony ho faly ny vavolombelon’i Jehovah satria mitondra ny anaran’i Jehovah sy mahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hoy i Jeremia mpaminany: “Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko. Fa antsoina amin’ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!”—Je 15:16.
Faly koa ny Kristianina rehefa ampiharina eo anivon’ny fiangonana sy eo amin’izy ireo ny didim-pitsaran’i Jehovah ara-drariny. Voahosihosy mantsy ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ity tontolo ity. (Sl 48:11) Tena mahafaly koa ilay fanantenana mahatalanjona ananan’ny Kristianina. (“Mifalia amin’ny fanantenana”; Ro 12:12; Oh 10:28.) Mahafaly ny famonjena azy ireo. (Sl 13:5) Mahafaly koa ny manampy olona hahalala an’i Jehovah sy ho lasa mpanompony. (Fi 4:1; 1Te 2:19) Tena mahafaly ny miara-mivory sy miara-miasa amin’ny vahoakan’Andriamanitra.—Sl 106:4, 5; 122:1.
Mahafaly ny fanenjehana. Tsy mahafinaritra ny hoe enjehina, nefa na ny fanenjehana aza dia tokony hahafaly an’izay Kristianina miaro ny fony, satria fandresena ny hoe tsy mivadika fa miaritra. Hanampy an’ilay tsy mivadika Andriamanitra. (Kl 1:11) Matoa koa ny olona iray enjehina dia porofo izany fa ankasitrahan’Andriamanitra izy. Nilaza i Jesosy fa tokony ‘hiravoravo fatratra’ ny Kristianina rehefa tevatevain’ny olona sy enjehiny.—Mt 5:11, 12; Jk 1:2-4; 1Pe 4:13, 14.
Zavatra hafa mahafaly. Misy zavatra maro hafa nataon’Andriamanitra hahafaly ny olona isan’andro, anisan’ireny ny fanambadiana (De 24:5; Oh 5:18), ny manana zanaka manao ny marina sy hendry (Oh 23:24, 25), ny sakafo (Mpto 10:19; As 14:17), ny divay (Sl 104:14, 15; Mpto 10:19), ary ireo zavaboary maro be (Jk 1:17; 1Ti 6:17).
Fifaliana sandoka na mihelina. Mandre ny fahamarinana ny olona sasany, ary mandray izany amim-pifaliana nefa tsy mahazo ny hevitr’ilay izy. Nilaza i Jesosy fa tsy tafalatsaka ao am-pon’izy ireny ny tenin’ny fahamarinana, ka vetivety dia mihemotra izy rehefa misy fahoriana na fanenjehana noho ny teny, ary manjavona ny fifaliany. (Mt 13:20, 21) Sandoka sady mihelina ny fifaliana avy amin’ny harena. Izay faly amin’ny loza manjo ny hafa, na dia ny manjo an’izay mankahala azy aza, dia manota ka hataon’i Jehovah ampamoaka. (Jb 31:25-30; Oh 17:5; 24:17, 18) Adala ny tanora mieritreritra fa tsy afaka mankafy fiainana izy raha tsy manaram-po amin’ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2Ti 2:22; Mpto 11:9, 10) Ho voa mafy koa izay tia fahafinaretana. (Oh 21:17; Mpto 7:4) Diso na dia ny Kristianina mifaly rehefa mampitaha ny tenany amin’ny hafa aza. Tokony handinika izay ataony kosa izy ka hanana antom-pifaliana amin’ny tenany ihany.—Ga 6:4.
Fifaliana mandrakizay. Nampanantena i Jehovah fa hampodiny ny Israely olony izay natao sesitany tany Babylona. Nampodiny tany Jerosalema tokoa izy ireo tamin’ny 537 T.K., ka faly be rehefa napetraka ny fototry ny tempoly. (Is 35:10; 51:11; 65:17-19; Ezr 3:10-13) Mbola ho tanteraka amin’ny heviny lehibe kokoa anefa ny faminanian’i Isaia (65:17), satria hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” hifalian’ny olombelona rehetra mandrakizay eo ambany fitantanan’i “Jerosalema Vaovao.”—Ap 21:1-3.
Manembantsembana ny fifalian’ny olona ny faharatsiana, ny aretina ary ny fahafatesana, ankehitriny. Hoy anefa ny Baiboly: “Kororohin’ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy.” (Oh 20:26) Mpanjaka i Jesosy Kristy ka haringany ny fahavalon’Andriamanitra rehetra sy izay rehetra tsy tia rariny. (1Ko 15:25, 26) Tsy ho voasembantsembana intsony ny fifaliana satria na ny fahafatesana aza ‘tsy hisy intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’ (Ap 21:4) Tsy hisy intsony halahelo noho ny famoizana havan-tiana satria hatsangana ny maty. Mampahery ny mahalala izany, ka na ankehitriny aza dia efa ‘tsy malahelo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana’ ny Kristianina.—1Te 4:13, 14; Jn 5:28, 29.