Fifamaliana
Ny hoe mifamaly dia mifanditra na miady vava noho ny fifankahalana. Teny hebreo iray ihany no nadika hoe “mila ady”, “miady”, “mampisy fifandirana” ary “tezitra.” Ireto avy no mahatonga fifamaliana, raha ny Soratra Masina no jerena: Fankahalana (Oh 10:12); fahatezerana mafy (Oh 15:18; 29:22); teti-dratsy (Oh 16:28); fanesoana (Oh 22:10); fisotroana tafahoatra (Oh 23:29, 30); fanendrikendrehana (Oh 26:20); fanambonian-tena (Oh 28:25); ary fampianaran-diso (1Ti 6:3, 4). Manimba fihavanana sy mahasorena ny fifamaliana. Asongadin’ny Ohabolana imbetsaka fa misy voka-dratsiny amin’ny hafa izy io ary tsy misy tia miaraka amin’ny olona tia mifamaly. (Oh 19:13; 21:9, 19; 25:24; 27:15) Mety ho tena sarotra ny mamitram-pihavanana raha misy fifandirana eo amin’ny olon-droa nifampitondra toy ny mpiray tam-po. Hoy ny Baiboly: “Sarotra azo kokoa noho ny tanàna misy manda ny rahalahy voaisy ratsy, ary ny fifandirana sasany dia toy ny bara vy hidin’ny tilikambo fonenana.”—Oh 18:19.
Anisan’ny asan’ny nofo ny fifamaliana, ka halan’i Jehovah. (Ga 5:19, 20; ampit. Oh 6:19; Ro 1:28, 29, 32; Jk 3:14-16.) Tsy tokony hisy fifamaliana àry eo anivon’ny fiangonana. (Ro 13:13; 1Ko 3:3; 2Ko 12:20; Fi 2:3; Tit 3:9) Anisan’ny fepetra takina amin’ny mpiandraikitra ny hoe tsy mpila ady. (1Ti 3:1, 3) Homelohin’Andriamanitra àry izay tia miady sy tia mifamaly aman’olona.—Ro 2:6, 8.
Voatery nifanandrina tamin’ny olona tia ady ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany. Nisy tamin’izy ireny nitory ny vaovao tsara, nefa noho ny fitia te hifanditra. Angamba izy ireny te hisongadina, ary te hitarika ny hafa tsy hanaja ny fahefan’i Paoly. Tsy niraharaha an’izany anefa i Paoly, satria rehefa i Kristy no notorina dia efa nahafaly azy izany.—Fi 1:15-18.