Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifandirana

Fifandirana

Ny hoe mifanditra dia miady vava, mifandahatra, na miady any amin’ny fitsarana.​—De 17:8; Je 25:31; 11:20.

Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba tsy hifanditra aman’olona na hifamaly tsy amin’antony. (Oh 3:30) Hoy ny Ohabolana: “Toy ny olona mihazona alika amin’ny sofiny ny mpandalo misafoaka noho ny adin’ny hafa.” (Oh 26:17) Mampisy fifandirana ny tenin’ny tsisy saina. Tsy mifehy tena ny adala ka lasa mifanditra aman’olona. (Oh 18:6; 20:3) Miteraka fifandirana “ny fahatezerana rehefa tsy voafehy.” (Oh 30:33) Tsy mitranga kosa izany, rehefa tsy mora tezitra ny olona.​—Oh 15:18.

Tsy misy intsony ny fiadanan-tsaina, ary mety tsy hahafehy tena na dia olona faran’izay be fandeferana aza, raha vao miseho ny fifandirana. (Oh 17:1). Nila ady tamin’i Mosesy, ohatra, ny Israely satria tsy nisy rano hosotroin’izy ireo tao Kadesy. Nanjary nanaonao foana àry i Mosesy sy Arona, ka tsy nahazo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Toy ny hoe nifanditra tamin’i Jehovah ny Israely, rehefa nila ady tsy amin’antony tamin’ny solontenan’i Jehovah. (No 20:2, 3, 10-13; 27:14; Sl 106:32) Mety hidiran-doza ary mety ho faty mihitsy izay mila ady na mifanditra mafy amin’ny mpanompon’Andriamanitra.​—Ampit. Is 41:8, 11, 12; 54:17.

Ratsy foana ny vokatry ny fifandirana, ka hoy ny Ohabolana 17:14: “Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.” Modely i Abrama (Abrahama) tamin’io lafiny io. Tsy tiany hifanditra ny mpiandry ny biby fiompiny sy ny an’i Lota zana-drahalahiny, ka nilaza izy hoe tsara raha nisara-toerana izy ireo. Tsy tia tena izy satria i Lota no nasainy nifidy izay faritra tian’i Lota ho an’ny biby fiompiny. (Ge 13:7-11) Tsy nanao toa an’i Abrahama razambeny kosa ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia. Izao no voalaza momba azy ireo: “Hiady sy hifanditra ... no antony ifadianareo hanina.” Nifanditra izy ireo na dia nandritra ny fifadian-kanina aza.​—Is 58:4.

Lazain’ny Lalàn’i Mosesy izay tokony hatao raha nisy olona nifanditra ka nisy naratra: Tokony handoa onitra ilay nandratra, noho ny fotoana tsy niasan’ilay naratra.​—Ek 21:18, 19.

Menomenona. Mahakivy sy mitondra voka-dratsiny hafa ny menomenona. Nimenomenona tamin’i Jehovah ny Israelita, tsy ela taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, ka nanakiana an’i Mosesy sy Arona izay mpitarika nofidin’i Jehovah. (Ek 16:2, 7) Nahakivy an’i Mosesy ireny fitarainana ireny tatỳ aoriana, ka nangataka ny ho faty izy. (No 11:13-15) Mety hidiran-doza koa ilay mimenomenona, ary mety ho faty mihitsy aza. Tamin’i Jehovah, dia toy ny hoe nikomy tamin’ny fitondrany ireo olona nimenomenona tamin’i Mosesy. (No 14:26-30) Maro no maty noho izany.

Mampitandrina momba ny voka-dratsin’ny fimenomenonana ny Soratra Grika Kristianina, ka ireny olona fahiny ireny no raisiny ho ohatra. (1Ko 10:10, 11) Miresaka momba ny olona “tsy miraharaha ny manana fahefana, ary manevateva ny manana voninahitra” i Joda. Nolazainy hoe “olona mpimenomenona ireny, be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, mandeha araka ny faniriany. Ny vavany mamoaka teny fireharehana, rehefa mandoka olona mba hahazoana tombony.”​—Jd 8, 16.

Nomelohin’i Jesosy ny olona tia manakiana. Hoy izy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina ... Koa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao? ... Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”​—Mt 7:1, 3-5; ampit. Ro 2:1.