Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifanekena

Fifanekena

Fifanarahana ataon’olona roa na maromaro ny amin’ny zavatra hataony na tsy hataony. Miseho im-280 mahery ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hebreo hoe berit, izay tsy fantatra ny niaviany, ka im-80 mahery no ao amin’ireo boky dimy nosoratan’i Mosesy. “Fifanekena” na fifanarahana no hevitr’io teny io. Porofon’izany ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika hita tamin’ny 1927 tany Katna, tanàna fahiny tsy an’ny Israelita, teo atsimoatsinanan’i Hamata. Hoy ny gazety iray: “Tsotra ny voalazan’ireo takelaka roa [tamin’izy 15 hita], izay nosoratan’ny olona iray ihany. Lisitra misy anaran’olona maromaro ny Takelaka A. ... Lisitry ny sakafo isan-karazany ny Takelaka B. ... Ilay Lisitra A àry dia fifanekena ataon’ireo olona ireo fa hiasa amin’olona na hanao asa sasany izy ireo ... Asehon’ny Lisitra B kosa ny mombamomba ilay fifanekena, toy ny hoe inona no sakafo homena an’ireo mpiasa ireo ho karamany. ... Hevi-dehibe tao amin’ny fampianaran’ireo Iavista ny hoe berit na ‘fifanekena.’ Io no asa soratra voalohany ivelan’ny Baiboly ahitana ny fampiasana an’ilay teny, tamin’ny voalohandohan’ny taonjato fahefatra ambin’ny folo T.K.”​—Gazetin’ireo Sekoly Amerikanina Mikaroka Momba ny any Orient, Febroary 1951, p. 22.

Ny teny grika hoe diateke kosa no nadika hoe “fifanekena”, “didim-pananana”, na “testamenta” (testamentum, Vg) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina sasany. Hoy anefa ny Rakipahalalana (1891) navoakan’i M’Clintock sy Strong momba ny hoe “Fifanekena”: “Toa tsy ilaina ... ny mampiditra teny hafa [ankoatra ny hoe “fifanekena”] manana heviny hafa. Nadikan’ny [Fandikan-teny Grikan’ny] Fitopolo hoe [diateke] foana ny hoe [berit] (izay midika foana hoe fifanekena na fifanarahana, fa tsy midika mihitsy hoe didim-pananana na testamenta) ao amin’ny Test[amenta] T[aloha]. Nampiasa an’io teny io ireo mpanoratra ny Test[amenta] V[aovao], ka azo inoana fa io heviny io ihany no tiany hampitaina tamin’ny mpamaky, izay nahay teny grika ny ankamaroany. Mitovy koa, amin’ny ankapobeny, ilay nadika hoe ‘fifanekena’ (berith) ao amin’ny Test. T. sy ilay ao amin’ny Test. V. (oh.: 2Ko 3:14; Heb. 7, 9; Ap 11:19). Indraindray anefa natao hoe ‘fifanekena’ izy io ao amin’ny Baiboly anglisy [KJ], ary indraindray hoe ‘testamenta’ (Heb. 7:22; 8:8-13; 9:15), kanefa zavatra iray ihany ireo amin’ny teny grika.”

Imbetsaka ny bokin’ny Hebreo (He 7:22; 8:6, 8-10; 9:4, 15-17, 20) no mampiasa ny hoe diateke, mba hilazana fifanekena araka ny hevitry ny teny hebreo tranainy. Maka teny ao amin’ny Jeremia 31:31-34 mihitsy aza izy io, ary miresaka momba ny “Vata misy ny fifanekena.” Diateke no nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, mba handikana ny teny hebreo hoe berit (midika hoe “fifanekena”), ao amin’ireo andininy ireo. Misy averin’ny Hebreo 9:20 koa ny voalazan’ny Eksodosy 24:6-8, izay miresaka momba ny fifanekena.

Ny nampiasana ilay teny. Olona roa na maromaro no manao fifanekena. Mety ho ny andaniny ihany anefa no manana andraikitra amin’ilay zavatra nifanekena, na mety ho ny andaniny sy ny ankilany. Misy fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’olona, fa misy koa nataon’olona roa na maromaro, na foko na firenena samy hafa. Fahotana lehibe ny nivadika tamin’ny fifanekena.​—Ezk 17:11-20; Ro 1:31, 32.

Azo antsoina hoe “fifanekena”, ohatra, ny lalàna momba ny mofo aseho (Le 24:8), na ilay lalàna napetrak’Andriamanitra hoe mifandimby foana ny andro sy alina. (Je 33:20) Manana heviny an’ohatra kosa ny “fifanekena” amin’ilay hoe ‘fifanekena tamin-dRafahafatesana.’ (Is 28:18) Niresaka momba ny fifanekena amin’ny bibidia koa i Jehovah. (Ho 2:18) Azo lazaina fa vita fifanekena ny mpivady. (Ml 2:14) Midika ara-bakiteny hoe “tompon’ny fifanekena” ny hoe “nanao fifanekena” ao amin’ny Genesisy 14:13.

Azo lazaina fa fifanekena ataon’i Jehovah ny fampanantenany. Tsy maintsy ho tanteraka izany, ka tena azo itokisana. (He 6:18) Manan-kery foana ny fifanekena iray mandra-pahatanterak’ilay zavatra tokony hatao, ka manana adidy hanatanteraka izany ny andaniny iray na ny andaniny roa. Mety haharitra ela na mandrakizay mihitsy aza ny fitahiana azo noho ny fifanekena iray.

Fomba fanaovana fifanekena. Matetika no natao vavolombelona Andriamanitra. (Ge 31:50; 1Sa 20:8; Ezk 17:13, 19) Nisy koa nanao fianianana. (Ge 31:53; 2Mp 11:4; Sl 110:4; He 7:21) Nisy indray nampiasa famantarana na vavolombelona, toy ny fanomezana (Ge 21:30), na tsangambato na antontam-bato (Ge 31:44-54), na nanome anarana toerana (Ge 21:31). Avana no nataon’i Jehovah famantarana, indray mandeha. (Ge 9:12-16) Nisy kosa namono biby ka nozarainy roa. Nandalo teo anelanelan’izany izy ireo avy eo. (Ge 15:9-11, 17, 18; Je 34:18, 19) Nanao fety ireo nanao fifanekena, indraindray. (Ge 26:28, 30) Nisy fiaraha-misakafo koa rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. (Ob 7; Ek 24:5, 11) Mety ho nanome ny akanjony na ny fitaovam-piadiany ilay manan-kaja kokoa. (1Sa 18:3, 4) Fanaon’ny mpanompo sampy fahiny kosa ny nifampisotro ra na ra nafangaro divay (nefa izany fandikana ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny rehetra ao amin’ny Genesisy 9:4, sy ny lalàna ho an’ny Israelita), ary nozoniny mafy izay mety hivadika any aoriana.

Antsoin’ny Baiboly hoe “fifaneken-tsira” ny fifanekena maharitra tsy azo ovana. (No 18:19, f.a.p.; 2Ta 13:5, f.a.p.; Le 2:13) Niara-nihinana sira ny mpinamana fahiny, ho mariky ny tsy fivadihana. Nihinan-tsira koa izay nihinana sorona iombonana, mba hampisehoana fa tsy hivadika mihitsy izy.

Fifanekena an-tsoratra. Nosoratan’ny “rantsantanan’Andriamanitra” tamin’ny takela-bato ny Didy Folo. (Ek 31:18; 32:16) Nanao taratasy fifanekena kosa i Jeremia, nanisy tombo-kase an’ilay izy, ary naka vavolombelona. (Je 32:9-15) Nosoratan’ny olona fahiny tamin’ny takelaka tanimanga ny fifanekena nataony, ary matetika izany no nofonosiny tanimanga.

Ilay fampanantenana tany Edena. Nolazain’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva ary ny “menarana” tao amin’ny zaridainan’i Edena ny fikasany, izay hita ao amin’ny Genesisy 3:15.

I Satana Devoly ilay “menarana”, araka ny fahitana nomena ny apostoly Jaona. (Ap 12:9) Asehon’ny porofo koa fa ilay ‘taranak’i’ Abrahama, na Jesosy Kristy, ilay ‘taranaky’ ny “vehivavy” nandrasana hatry ny ela. (Ga 3:16; Mt 1:1) Handratra an’ilay ‘taranaka’ eo amin’ny voditongony ilay menarana. Novonoina ho faty tokoa i Jesosy Kristy. Tsy naharitra anefa ilay ratra, satria natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy. Ilay ‘taranaka’ kosa hanorotoro ny lohan’ilay menarana, izany hoe handringana azy mandrakizay.

Iza àry ilay “vehivavy”? Tsy i Eva akory, satria lasa fahavalon’Andriamanitra izy. Zavaboary ara-panahy i Satana Devoly, ka tsy maintsy ho zavaboary ara-panahy koa ilay ‘taranaka’ handresy sy ‘hanafoana’ azy. (He 2:14) Olombelona i Jesosy Zanak’Andriamanitra tamin’izy teraka. Nandatsahan’Andriamanitra ny fanahy masina anefa izy tamin’izy natao batisa ka nekeny ho Zanany. Lasa Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy àry izy. (Mt 3:13-17; Jn 3:3-5) “Fanahy” koa izy “rehefa novelomina”, na natsangana tamin’ny maty. (1Pe 3:18) Iza àry no ‘renin’ilay’ Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy? Nilaza ny apostoly Paoly fa sary an’ohatra i Abrahama, Saraha, Isaka, Hagara ary Ismaela, ka mifanitsy amin’i Isaka ireo manantena ny ho any an-danitra, anisan’izany i Paoly. Nilaza izy avy eo hoe ‘ilay Jerosalema any ambony no renin’izy ireo.’ Nantsoin’i Jesosy hoe ‘rahalahiny’ koa izy ireo. Midika izany fa iray reny amin’i Jesosy izy ireo. (He 2:11) “Ilay Jerosalema any ambony” àry ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy 3:15.​—Ga 4:21-29.

Mila fotoana ilay “menarana” mba hahafahany hanana ‘taranaka’ hifandrafy amin’ny ‘taranaky’ ny vehivavy. Nisy 6 000 taona teo ho eo izay no nanaovana ilay fampanantenana. Hatsipy ao anaty lavaka mangitsokitsoka ilay “menarana”, aloha kelin’ny hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona. Haringana tanteraka izy rehefa tapitra ny arivo taona.​—Ap 20:1-3, 7-10; Ro 16:20.

Fifanekena tamin’i Noa. I Noa no nisolo tena ny ankohonany, ary nanao fifanekena taminy i Jehovah Andriamanitra fa harovany izy sy ny ankohonany ary ireo biby, rehefa haringany ny ratsy fanahy. (Ge 6:17-21; 2Pe 3:6) Niteraka ny zanany voalohany i Noa tamin’izy 500 taona. (Ge 5:32) Efa nanambady ireo zanany, tamin’Andriamanitra nilaza taminy ny fikasany. Anjaran’i Noa ny nanamboatra sambofiara ary nampiditra ny vady aman-janany, ireo vinantovaviny ary ny biby sy sakafo tao amin’ilay samboafiara. Anjaran’i Jehovah kosa ny niaro azy rehetra. Narovan’i Jehovah tokoa izy ireo satria nankatò i Noa. Tsy nanan-kery intsony ilay fifanekena tamin’ny 2369 T.K., taorian’ny Safodrano, rehefa tafidina an-tanety ary nanan-taranaka ry Noa sy ireo biby.​—Ge 8:15-17.

Fifanekena ny amin’ny avana. Fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny nofo rehetra (olombelona sy biby) izy io, tamin’ny 2369 T.K. Teo amin’ny tendrombohitra Ararata izy io no natao, ary nisolo tena ny nofo rehetra ry Noa mianakavy. Nilaza i Jehovah fa tsy haringany amin’ny safodrano intsony ny nofo rehetra. Ny avana àry no famantarana ny amin’ilay fifanekena, izay haharitra mandrakizay raha mbola misy olona koa eto an-tany.​—Ge 9:8-17; Sl 37:29.

Fifanekena tamin’i Abrahama. Toa nanomboka nanan-kery ilay fifanekena, tamin’i Abrama (Abrahama) niampita ny Reniranon’i Eofrata mba ho any Kanana. Natao 430 taona taorian’izay ny fifaneken’ny Lalàna. (Ga 3:17) Tany Oran’ny Kaldeanina tany Mezopotamia i Abrahama no nasain’i Jehovah nankany amin’ilay tany mbola hasehony azy. (As 7:2, 3; Ge 11:31; 12:1-3) Milaza ny Eksodosy 12:40, 41 (LXX) fa ‘tamin’ilay andro’ nahataperan’ny 430 taona nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta sy Kanana, no niala tany Ejipta izy ireo. Ny 14 Nisana 1513 T.K., tamin’ny Paska, io andro nanafahana azy ireo io. (Ek 12:2, 6, 7) Toa midika àry izany fa niampita an’i Eofrata tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K. i Abrahama, ka tamin’izay no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena natao taminy. Nanome tsipiriany fanampiny momba ilay fampanantenana Andriamanitra, rehefa nankany Kanana i Abrahama ka tonga hatrany Sekema. Niseho taminy indray Izy ka nilaza hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Midika izany fa misy ifandraisany amin’ilay fampanantenana tany Edena ilay fifanekena, ary olombelona no razamben’ilay ‘taranaka.’ (Ge 12:4-7) Nisy tsipiriany hafa koa nolazain’i Jehovah tatỳ aoriana, araka ny hita ao amin’ny Genesisy 13:14-17; 15:18; 17:2-8, 19; 22:15-18.

Ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka (Ge 26:2-4) sy Jakoba (Ge 28:13-15; 35:11, 12) no nahazo an’ilay fampanantenana. Nilaza ny apostoly Paoly fa i Kristy sy ireo tafaray aminy no tena “taranak’i Abrahama.”​—Ga 3:16, 28, 29.

Nambaran’Andriamanitra fa noho ilay fifanekena tamin’i Abrahama, dia hipoitra avy amin’i Abrahama ilay taranaka nampanantenaina, hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ilay taranaka, tsy ho tambo isaina ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka, hatao malaza ny anaran’i Abrahama, ho lasan’ilay taranaka ny Tany Nampanantenaina, ary hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ilay taranaka ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany. (Jereo ireo andininy ao amin’ny Genesisy etsy aloha.) Efa nisy tanteraka izany, nefa mbola ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’ny alalan’i Kristy. Nanazava koa i Paoly fa nanana heviny an’ohatra ilay fifanekena, rehefa nilaza izy fa sary an’ohatra i Abrahama sy Saraha sy Isaka sy Hagara ary Ismaela.​—Ga 4:21-31.

“Fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra” ilay fifanekena tamin’i Abrahama. Tsy hanan-kery intsony anefa izy io rehefa ringana ny fahavalon’Andriamanitra rehetra, ary mahazo fitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.​—Ge 17:7; 1Ko 15:23-26.

Niresaka momba ilay fifanekena tamin’i Abrahama sy ny fifaneken’ny Lalàna i Paoly, ary nilaza fa “tsy ilaina ny mpanelanelana raha olona iray monja no voakasika.” Hoy koa izy: “Andriamanitra irery ihany anefa no nanao an’ilay fampanantenana.” (Ga 3:20; jereo MPANELANELANA.) Fampanantenana ilay fifanekena tamin’i Abrahama, raha ny marina, ary tsy nisy zavatra notakin’i Jehovah taminy mba hahatanteraka an’ilay izy. (Ga 3:18) Tsy nilana mpanelanelana àry ilay izy. Fifanekena nataon’i Jehovah sy ny firenen’Israely kosa ny fifaneken’ny Lalàna, ka i Mosesy no mpanelanelana. Nanaiky hanao an’ilay fifanekena ny Israelita, ka nivoady fa hankatò ny Lalàna. (Ek 24:3-8) Tsy nanafoana ny fifanekena tamin’i Abrahama akory io fifanekena io.​—Ga 3:17, 19.

Fifanekena ny amin’ny famorana. Fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ny taranany izy io, tamin’ny 1919 T.K., tamin’i Abrahama 99 taona. Tsy maintsy noforana ny lahy rehetra, anisan’izany ny mpanompo. Haringana kosa izay tsy nanaiky hoforana. (Ge 17:9-14) Nilaza Andriamanitra tatỳ aoriana fa raha nisy vahiny te hihinana ny Paska (izany hoe te hanompo an’i Jehovah), dia tsy maintsy noforana aloha ny lahy rehetra tamin’ny ankohonany. (Ek 12:48, 49) Ny famorana no tombo-kasen’ny fahamarinana nananan’i Abrahama, noho izy nino tamin’izy mbola tsy voafora. Izy io koa no famantarana fa tao anatin’ilay fifanekena ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Jakoba. (Ro 4:11, 12) Tsy notakin’Andriamanitra intsony ny famorana, rehefa nifarana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny 33 A.K. (Ro 2:25-28; 1Ko 7:19; As 15) Marina fa notakin’ny Lalàna ny famorana, kanefa nilaza imbetsaka tamin’ny Israelita i Jehovah fa zava-dehibe kokoa ny ‘hamorana ny fo.’​—De 10:16; Le 26:41; Je 9:26; As 7:51.

Fifaneken’ny Lalàna. Fifanekena nataon’i Jehovah sy ny firenen’Israely manontolo izy io, tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, tamin’ny 1513 T.K. (Ek 19:1) Tao anatin’io fifanekena io àry ny Israelita tsirairay raha vao teraka, ka nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah. Natao an-tsoratra ny Lalàna, ary nosokajina ho fitsipika maromaro. Nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray, dia i Mosesy. Nisy sorona biby (ho solon’i Mosesy ilay mpanelanelana, na ilay “nanao fifanekena”) natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, mba hampanan-kery azy io. (Ga 3:19; He 2:2; 9:16-20) Nafafin’i Mosesy teo amin’ny alitara ny antsasaky ny ran’ireo biby, ary novakiny tamin’ny vahoaka ny bokin’ny fifanekena. Nanaiky hankatò izy ireo, ary nafafin’i Mosesy tamin’ilay boky sy tamin’ny vahoaka avy eo ny ra. (Ek 24:3-8) Notendrena ho mpisorona ny taranak’i Arona, izay avy tamin’ny taranak’i Kehata zanak’i Levy. (No 3:1-3, 10) I Arona no mpisoronabe voalohany, ary nandimby azy i Eleazara zanany. Nandimby an’i Eleazara kosa i Finehasa zanany, ary dia toy izany hatrany.​—No 20:25-28; Js 24:33; Mpts 20:27, 28.

Araka ilay fifaneken’ny Lalàna, dia hitondra ny anaran’i Jehovah sy ho fanjaka-mpisorona ary ho firenena masina hahazo ny fitahiany ny Israelita raha manaja an’ilay fifanekena (Ek 19:5, 6; De 28:1-14), fa ho voaozona kosa raha mivadika. (De 28:15-68) Ireto avy no zava-kendren’izy io: Hampiharihary ny fandikan-dalàna (Ga 3:19); hitarika ny Jiosy ho amin’i Kristy (Ga 3:24); ho aloky ny zavatra tsara ho avy (He 10:1; Kl 2:17); hiaro ny Jiosy amin’ny fanompoan-tsampy; ary hiaro ny fivavahana marina sy ny razamben’ilay taranaka nampanantenaina. Natao fanampin’ilay fifanekena tamin’i Abrahama izy io (Ga 3:17-19), ary nahatonga an’ilay firenena taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ho voalamina.

Nandray soa tamin’ilay fifanekena koa ny hafa firenena, raha nanaraka ny Fivavahana Jiosy sy noforana.​—Ek 12:48, 49.

Nahoana no lazaina fa “efa lany andro” ny fifaneken’ny Lalàna?

Nanjary toy ny hoe “efa lany andro” ny fifaneken’ny Lalàna, rehefa nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jeremia fa hanao fifanekena vaovao izy. (Je 31:31-34; He 8:13) Nofoanana àry ilay fifaneken’ny Lalàna tamin’ny taona 33 ka nosoloana an’ilay fifanekena vaovao, rehefa novonoina teo amin’ny hazo fijaliana i Kristy.​—Kl 2:14; He 7:12; 9:15; As 2:1-4.

Fifanekena tamin’ny fokon’i Levy. Nanao fifanekena tamin’ny fokon’i Levy i Jehovah fa hatokany hanompo sy hanao asa fisoronana ao amin’ny tranolay izy ireo. Tany an-tany efitr’i Sinay ilay fifanekena no natao, tamin’ny 1512 T.K. (Ek 40:2, 12-16; Ml 2:4) I Arona sy ny zanany izay taranak’i Kehata no ho mpisorona, fa ny Levita sisa kosa hiantsoroka andraikitra hafa, toy ny fananganana sy famindrana ny tranolay. (No 3:6-13; toko 4) Mbola nitohy ny asan’izy ireo tao amin’ny tempoly. (1Ta 23) Napetraka teo amin’ny toerany ireo mpisorona ny 1-7 Nisana 1512 T.K., ary nanomboka ny asany ny 8 Nisana. (Le toko 8, 9) Tsy nahazo lova tao amin’ilay tany ny Levita. Nahazo ampahafolon-karena avy tamin’ny foko hafa anefa izy ireo, ary nomena tanàna teo amin’ny lovan’ireny. (No 18:23, 24; Js 21:41) Nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah irery ihany i Finehasa. Nanao fifanekem-pihavanana taminy àry Andriamanitra ka nilaza fa ho azy sy ny taranany mandimby azy ny asa fisoronana, mandritra ny fotoana tsy voafetra. (No 25:10-13) Tsy nanan-kery intsony ny fifanekena tamin’ny fokon’i Levy rehefa foana ny fifaneken’ny Lalàna.​—He 7:12.

Fifanekena tamin’ny Israelita tany Moaba. Nanao ilay fifanekena tamin’izy ireo i Jehovah tamin’ny 1473 T.K., taloha kelin’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (De 29:1; 1:3) Saika ny Lalàna manontolo no notanisain’i Mosesy indray sy nohazavainy tamin’izay. Natao hampirisihana an’ireo Israelita tsy hivadika amin’i Jehovah ilay fifanekena. Nisy lalàna nahitsy sy lalàna vaovao koa satria niova ny fiainan’ny Israelita. Tsy hifindrafindra monina intsony mantsy izy ireo. (De 5:1, 2, 32, 33; 6:1; ampitahao Le 17:3-5 sy De 12:15, 21.) Tsy nanan-kery intsony io fifanekena io, rehefa nofoanana ny fifaneken’ny Lalàna, satria anisan’ny Lalàna ihany izy io.

Fifanekena tamin’i Davida Mpanjaka. Nataon’i Jehovah tamin’i Davida, izay nisolo tena ny fianakaviany, izy io rehefa nanjaka tao Jerosalema izy (1070-1038 T.K.). (2Sa 7:11-16) Nilaza i Jehovah fa hataony mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny zanak’i Davida, ary io zanany io no hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah. Fikasan’Andriamanitra mantsy ny hanome tarana-mpanjaka ho an’ny Jiosy, sy hanome an’i Jesosy (mpandova an’i Davida) ny zo ara-dalàna hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida na “seza fiandrianan’i Jehovah” (1Ta 29:23; Lk 1:32), ary hampahafantatra fa i Jesosy no Mesia. (Ezk 21:25-27; Mt 1:6-16; Lk 3:23-31) Tsy nisy mpisorona ireo mpanjaka taranak’i Davida. Ny Levita ihany mantsy no mpisorona, ary niara-niasa tamin’ny mpanjaka izy ireo. Samy hafa mihitsy ny asan’ny mpisorona sy ny asan’ny mpanjaka teo ambanin’ny Lalàna. Maharitra mandrakizay io fifanekena tamin’i Davida io, satria hampiasain’i Jehovah mandrakizay ilay fanjakan’ny taranany.​—Is 9:7; 2Pe 1:11.

Fifanekena fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka. Voalaza ao amin’ny Salamo 110:4 io fifanekena io, ary asehon’ny Hebreo 7:1-3, 15-17 fa i Kristy ilay mpisorona. Nataon’i Jehovah tamin’i Jesosy Kristy irery ilay fifanekena. Toa niresaka momba azy io i Jesosy, rehefa nanao fifanekena tamin’ny mpianany momba ny fanjakana iray. (Lk 22:29) Nianiana i Jehovah fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka i Jesosy Kristy, ilay Zanany tany an-danitra. Mpanjaka sady mpisoron’Andriamanitra teto an-tany anefa i Melkizedeka. Ho Mpanjaka sy Mpisoronabe koa àry i Jesosy Kristy, saingy tsy eto an-tany, fa any an-danitra. Lasa Mpisoronabe mandrakizay izy rehefa niakatra tany an-danitra. (He 6:20; 7:26, 28; 8:1) Manan-kery mandrakizay àry io fifanekena io, satria ho Mpanjaka sy Mpisoronabe mandrakizay i Jesosy.​—He 7:3.

Fifanekena vaovao. Tamin’ny taonjato fahafito T.K. i Jehovah no nilaza fa hanao fifanekena vaovao, izay tsy hitovy amin’ilay fifaneken’ny Lalàna tsy nohajain’ny Israelita. (Je 31:31-34) Niresaka momba an’io fifanekena vaovao io i Jesosy Kristy, rehefa nisantatra ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ary nilaza fa ny sorona hataony no hampanan-kery azy io. Ny alina talohan’ny nahafatesany ny 14 Nisana taona 33 tamin’izay. (Lk 22:20) Nandray ny fanahy masina avy tamin’ny Rainy izy, ka nandatsaka izany tamin’ireo mpianany tafavory tao Jerosalema, 50 andro taorian’ny nitsanganany ary 10 andro taorian’ny niakarany tany an-danitra.​—As 2:1-4, 17, 33; 2Ko 3:6, 8, 9; He 2:3, 4.

Nanao an’ilay fifanekena vaovao tamin’ny “Israelin’Andriamanitra” na ireo nateraky ny fanahy, i Jehovah. Tafaray amin’i Kristy izy ireo, ary fiangonana na vatan’i Kristy. (He 8:10; 12:22-24; Ga 6:15, 16; 3:26-28; Ro 2:28, 29) Ny ran’i Jesosy Kristy izay nanao sorona ny ainy no nampanan-kery an’ilay fifanekena, ary natolony an’i Jehovah ny vidim-panavotana tamin’izy niakatra tany an-danitra. (Mt 26:28) Ampidirin’Andriamanitra ao anatin’ilay fifanekena nataony tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy (Sl 50:5; He 9:14, 15, 26) ny olona fidiny ho any an-danitra. (He 3:1) I Jesosy Kristy no Mpanelanelana amin’ilay fifanekena vaovao (He 8:6; 9:15), ary izy no voalohany amin’ny Taranak’i Abrahama. (Ga 3:16) Ampiany koa ireo ao anatin’ilay fifanekena mba ho tena taranak’i Abrahama. (He 2:16; Ga 3:29) Avelan’i Jehovah àry ny helok’izy ireo, ka ambarany ho olo-marina izy ireo.​—Ro 5:1, 2; 8:33; He 10:16, 17.

Ho mpisorona lefitr’i Kristy Mpisoronabe ireo rahalahiny nateraky ny fanahy ireo, ka sady ho “mpisorona no mpanjaka.” (1Pe 2:9; Ap 5:9, 10; 20:6) Mpisorona manao “fanompoana ho an’ny besinimaro” (Fi 2:17) izy ireo, ary antsoina hoe “mpanompon’ny fifanekena vaovao.” (2Ko 3:6) Tsy maintsy manaraka akaiky ny dian’i Kristy izy ireo, ary tsy mivadika mandra-pahafatiny. Hataon’i Jehovah fanjaka-mpisorona izy ireo rehefa miara-mandova amin’i Kristy any an-danitra. Ho fanahy tahaka Azy izy ireo, ary tsy ho faty na ho lo intsony. (1Pe 2:21; Ro 6:3, 4; 1Ko 15:53; 1Pe 1:4; 2Pe 1:4) Ny hangalana olona hitondra ny anaran’i Jehovah ka ho ‘taranak’i’ Abrahama, no anton’ilay fifanekena. (As 15:14) Izy ireo no ‘ampakarin’i’ Kristy, sy nanaovany fifanekena momba ilay Fanjakana, izany hoe hiara-manjaka aminy. (Jn 3:29; 2Ko 11:2; Ap 21:9; Lk 22:29; Ap 1:4-6; 5:9, 10; 20:6) Tsy hanan-kery intsony io fifanekena vaovao io rehefa atsangana ho any an-danitra ny farany amin’ireo anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” Haharitra mandrakizay anefa ny soa entin’io fifanekena io, ka izany no antony iantsoana azy io hoe “fifanekena mandrakizay.”​—He 13:20.

Fifanekena nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany. Nanao io fifanekena io tamin’ny apostoliny 11 tsy nivadika i Jesosy ny alin’ny 14 Nisana taona 33, rehefa avy nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo. Nampanantena izy fa hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ireo. (Lk 22:28-30; ampit. 2Ti 2:12.) Nohazavainy tatỳ aoriana fa hiara-manjaka aminy koa izay rehetra nateraky ny fanahy ka “mandresy.” (Ap 3:21; jereo koa Ap 1:4-6; 5:9, 10; 20:6.) Nanomboka nanan-kery io fifanekena io tamin’ny Pentekosta. Nohosorany tamin’ny fanahy masina mantsy ireo mpianany tafavory tao Jerosalema tamin’izay. (As 2:1-4, 33) Hiara-manjaka aminy àry ireo mifikitra aminy ao anatin’ny fitsapana sy manaiky ho faty toy ny nahafatesany. (Fi 3:10; Kl 1:24) Hanan-kery mandrakizay io fifanekena nataon’i Jesosy Kristy tamin’ireo mpiara-manjaka aminy io.​—Ap 22:5.

Fifanekena hafa. a) Nanao fifanekena tamin’ireo Kananita nipetraka tao Gibeona i Josoa sy ny mpiadidy teo amin’ny Israely fa hamela azy ireo ho velona. Voaozona izy ireo ka tokony haringana, nefa tsy novonoina satria efa nanaovana fifanekena. Noho izy ireo voaozona anefa, dia natao mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny Israelita izy ireo. (Js 9:15, 16, 23-27) b) Nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Josoa fa hanompo an’i Jehovah izy ireo. (Js 24:25, 26) d) Nanao fifanekena tamin’i Jefta tao Mizpa ny anti-panahin’i Gileada fa hataon’izy ireo lohany eo amin’ny mponin’i Gileada izy, raha ampian’i Jehovah handresy an’ireo Amonita. (Mpts 11:8-11) e) Nanao fifanekena i Jonatana sy Davida. (1Sa 18:3; 23:18) f) Nanao fifanekena tamin’ny lehiben’ny Karianina mpiaro ny mpanjaka sy ny lehiben’ny mpihazakazaka i Joiada mpisorona. (2Mp 11:4; 2Ta 23:1-3) g) Nanao fifanekena tamin’i Jehovah ny Israelita fa handroaka an’ireo vadiny hafa firenena. (Ezr 10:3) h) Hataon’i Jehovah antoka (a.b.t.: fifanekena) ho an’ny olona ny mpanompony. (Is 42:6; 49:8) i) Nanao fifanekena tamin’ny anti-panahy rehetran’ny Israely i Davida, tao Hebrona. (1Ta 11:3) j) Nanao fifanekena ny vahoaka tamin’ny andron’i Asa Mpanjaka fa hitady an’i Jehovah amin’ny fony sy ny tenany manontolo. (2Ta 15:12) k) Nanao fifanekena tamin’i Jehovah i Josia fa hitandrina ny didiny ao amin’ny Lalàna. (2Ta 34:31) l) Nihevitra ireo “mpirehareha” nifehy an’i Jerosalema fa tsy hisy loza hanjo azy, satria efa nanao “fifanekena tamin-dRafahafatesana” izy ireo.​—Is 28:14, 15, 18.