Fifehezan-tena
Mifehy tena ny olona iray rehefa mahatandrina ny teniny sy ny ataony ary ny eritreriny, sady mahavita mitana ny fihetseham-pony. (Ge 43:31; Es 5:10; Sl 119:101; Oh 10:19; As 24:25) Midika ara-bakiteny hoe mahavita mitana tena, na miezaka handresy ny tena, ny teny hebreo sy grika mifandray amin’ny hoe mifehy tena. Anisan’ny ‘vokatry ny fanahin’Andriamanitra’ ny fifehezan-tena. (Ga 5:22, 23) Nifehy tena foana i Jehovah, na dia tsy manam-petra aza ny heriny. Tsy nosaziny avy hatrany, ohatra, ny mpanao ratsy fa navelany handeha ny fotoana mba hahafahan’izy ireny hiala amin’ny ratsy ka hahazo sitraka aminy.—Je 18:7-10; 2Pe 3:9.
Nanome fotoana hibebahan’ny olona Andriamanitra, kanefa tsy nifehy tena tsy hampihatra didim-pitsarana izy rehefa azony antoka hoe tsy hibebaka intsony ilay olona. Rariny tokoa ny an’Andriamanitra satria tsy nahay nanararaotra ny famindram-pony ilay olona. Izany, ohatra, no nataon’i Jehovah tamin’ireo nandrava an’i Jerosalema. Hadinon’izy ireny fa i Jehovah no namela azy handresy an’ireo Israelita mba hanafaizana azy ireo noho ny nivadihany taminy. Nampijalijaly tsy nisy antra an’ireo Israelita àry izy ireny, ka nihoatra noho izay notakin’Andriamanitra no nataony. (Ampit. Is 47:6, 7; Za 1:15.) Efa fantatr’i Jehovah mialoha izany ka nambarany tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany fa ho avy ny fotoana tsy hifehezany tena intsony ka hanasaziany an’ireny mpandrava ireny. Hoy izy: “Efa hatry ny ela aho no nangina, ary mbola nangina sy nifehy tena foana. Hitaraina sy hisefosefo ary ho sempotsempotra toy ny vehivavy efa hiteraka anefa aho. Handrava tendrombohitra sy havoana aho, ary hataoko maina ny zavamaniry rehetra eny.”—Is 42:14, 15.
Nifehy tena koa i Kristy Jesosy. Hoy ny apostoly Petera rehefa avy niangavy ny mpiasa an-trano hanaiky ny tompon’izy ireo: “Ho amin’izany lalana izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany. ... Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.”—1Pe 2:21-23.
“Amin’ny andro farany”, dia anisan’ny toetra mampiavaka ny olona tsy manaraka ny tena Fivavahana Kristianina ny tsy fahaizana mifehy tena. (2Ti 3:1-7) Ny Kristianina kosa tokony hanahaka an’Andriamanitra sy ny Zanany (1Ko 11:1; Ef 5:1), ka hiezaka hifehy tena amin’ny zava-drehetra. (1Ko 9:25) Hoy ny apostoly Petera: “Ny finoanareo ampio hatsaran-toetra, ary ny hatsaran-toetranareo ampio fahalalana, ary ny fahalalanareo ampio fifehezan-tena, ary ny fifehezan-tenanareo ampio fiaretana, ary ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ary ny fahafoizanareo tena ho an’Andriamanitra ampio fitiavan-drahalahy, ary ny fitiavanareo ny rahalahy ampio fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo ireo toetra ireo, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra ianareo raha ny amin’ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—2Pe 1:5-8.
Ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana no tena tokony ho hita hoe mahafehy tena. (Tit 1:8) Tsy maintsy mahafehy foana ny zavatra lazainy sy ataony ny mpiandraikitra, raha tiany ny hahay hiatrika ny olana eo anivon’ny fiangonana. Nanoro hevitra an’i Timoty toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka koa ianao handa ny fanontaniana adaladala sy ny fanontaniana tsy misy dikany, satria fantatrao fa mampiady izany. Fa tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra, ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky.”—2Ti 2:23-25.
Mety ho simba ny lazan’ny olona iray tsy nivadika efa hatramin’ny ela, raha tsy mahafehy tena indray mandeha monja izy. Hahita olana maro koa izy noho izany. Nitranga tamin’i Davida Mpanjaka izany. Nifikitra tamin’ny fivavahana marina izy, ary tena tia an’ireo fitsipika marin’Andriamanitra (ampit. Sl 101), nefa nijangajanga tamin’i Batseba. Nasainy nalefa teo amin’izay nisy ady tena nangotraka koa i Oria vadin’i Batseba, mba ho azo antoka fa ho faty. Nanjary nisy olana lehibe maro àry tao amin’ny ankohonany, nandritra ny taona maro. (2Sa 12:8-12) Hita tamin’izay nanjo azy koa fa fahendrena ny miala amin’izay toe-javatra mety hahatonga antsika tsy hahafehy tena. Afaka niala teo an-tampon’ny lapany i Davida, nefa tsy izany no nataony fa nijery foana an’i Batseba nandro izy ka lasa te hanao firaisana taminy.—2Sa 11:2-4.
Tsy tsara ho an’ny olona tsy mahafehy tena koa ny mijanona ho mpitovo raha afaka manambady ara-dalàna izy, satria hiaro azy tsy hijangajanga izany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza hoe: “Raha tsy mahafehy tena ... izy, dia aoka izy hanambady, fa aleo manambady toy izay harehitry ny filan’ny nofo.”—1Ko 7:9, 32-38.