Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihazana sy Fanaratoana

Fihazana sy Fanaratoana

Efa taorian’ny Safodrano ny olona vao nahazo nihaza sy nanarato mba hahazoana sakafo. (Ge 9:3, 4) Mety ho nisy nihaza ihany anefa talohan’ny Safodrano, mba hahazoana hodi-biby hanaovana akanjo sy zavatra hafa.​—Ampit. Ge 3:21.

I Nimroda no lehilahy voalohany nalaza ho “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, taorian’ny Safodrano. (Ge 10:8, 9) Nataony fialam-boly fotsiny ny nihaza, toy ny nataon’ny mpanjakan’i Asyria sy Ejipta ary firenen-kafa tatỳ aoriana. Tsy nanao toy izany kosa ny Israelita. Nihaza gazela sy serfa anefa izy ireo mba hatao sakafo (1Mp 4:22, 23), ary namono bibidia mba hiarovana ny tenany (Mpts 14:5, 6) na ny biby fiompy na voly.​—1Sa 17:34-36; To 2:15.

Naverin’ny Lalàn’i Mosesy ilay didy taorian’ny Safodrano hoe tsy azo hanina ny ran’ny biby nohazaina. (Ge 9:4; Le 17:12-14; jereo RA.) Biby maloto koa ny bibidia sasany ka tsy azo nohanina. (Le 11:2-20; De 14:3-20) Tsy azo nalaina niaraka tamin’ny atodiny na ny zanany ny vorona. Ho mora nosamborina ilay vorona satria niaro ny zanany, kanefa tokony halefa izy mba ho afaka hanatody indray.​—De 22:6, 7.

Anisan’ny nampiasain’ny mpihaza ny tsipìka sy zana-tsipìka (Ge 21:20; 27:3), pilotra (1Sa 17:34, 40; Jb 41:1, 28), fandrika, harato, lavaka, faraingo (Sl 140:5; Ezk 17:20; 19:4, 9), sabatra, lefona, zana-tsipìka kely, kibay, ary lefom-pohy.​—Jb 41:1, 26-29.

Nisy nanantona harato mba hisamborana biby. Nikotaba ireo mpihaza ka natahotra ireo biby ary nihazakazaka nankeo amin’ny harato, izay nilatsaka teo amin’izy ireo. Lavaka norakofana rantsankazo sy tany kosa no namandrihana an’ireo biby nenjehina avy tao aoriana. Nisy koa nampiasa fandrika maningotra ny tongotry ny biby, na lavaka sy harato.​—Ampit. Jb 18:8-11; Je 18:22; 48:42-44; jereo FANDRIKA; MPAMANDRI-BORONA.

Fanaratoana. Asa fiveloman’ny Hebreo ny nanarato fa tsy fialam-boly fotsiny. Nampiasa harato, vy maranitra, lefona, fintana, ary tadim-pintana ny mpanarato. (Jb 41:1, 7; Ezk 26:5, 14; Ha 1:15, 17; Mt 17:27) Alina izy ireo matetika no nanarato. Natsipy avy teo an-tsambo ny harato tarihina, avy eo nosintonina nankeny amoron-drano na nankao an-tsambo ka nararaka tao ireo trondro. Nofantenana izay navelan’ny Lalàna hohanina, fa nariana kosa izay tsy azo nohanina. (Mt 13:47, 48; Lk 5:5-7; Jn 21:6, 8, 11) Harato kely noho ny harato tarihina no nampiasain’ny mpanarato nirobo-drano na nijoro teny amoron-drano.​—Jereo HARATO TARIHINA.

Asa mafy ny fanaratoana satria nila herim-batana ny mpanarato, indrindra rehefa nisarika harato feno trondro (Jn 21:6, 11), na nivoy sambokely nefa notoherin’ny rivotra. (Mr 6:47, 48) Niasa mafy nandritra ny alina izy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona indraindray. (Lk 5:5; Jn 21:3) Nohamainina ilay harato avy eo, ary namboarina izay simba.​—Ezk 47:10; Mt 4:21.

Mpanarato i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona, sady niara-niasa. (Mt 4:18, 21; Lk 5:3, 7, 10) Niara-nanarato, indray mandeha fara fahakeliny, ny fito tamin’ny mpianatr’i Jesosy, anisan’izany i Natanaela sy Tomasy. (Jn 21:2, 3) Mety ho i Andrea rahalahin’i Petera ny mpanarato iray tsy voalaza anarana resahin’ny Jaona 21:2, ary i Filipo angamba ilay faharoa satria avy any Betsaida (“Tranon’ny Mpihaza (na Mpanjono)”) izy.​—Jn 1:43, 44.

Heviny an’ohatra. Toy ny hoe manarato ny firenena manafika. (Am 4:2; Ha 1:14, 15) Noharin’i Jesosy tamin’ny mpanarato olona kosa ireo manao mpianatra. (Mt 4:19) Resahin’ny Jeremia 16:16 hoe ‘haniraka mpanjono maro sy mpihaza maro’ i Jehovah. Mety hanana heviny tsara izy io hoe hokarohina ny Jiosy sisa nibebaka satria hampodiana any amin’ny taniny. (Je 16:15) Mety hanana heviny ratsy koa anefa izy io hoe fahavalo nirahina hikaroka ny Israelita nivadika ireo mpanjono sy mpihaza, ka tsy hisy ho afa-mandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah ny Israelita.​—Ampit. Ezk 9:2-7.