Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihetsika sy Fanao

Fihetsika sy Fanao

Fihetsika sy fanao maro resahin’ny Baiboly no hita hoe mbola fanaon’ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Tsy menatra mampiseho ny fihetseham-pony ny mponina any raha oharina amin’ny ankamaroan’ny Tandrefana, ary be fihetseham-po kokoa. Tena misy heriny sy heviny lehibe ireny fihetsika ireny, na dia tsy miteny aza ilay olona.

Vavaka sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Mitsangana. Tsy lazain’ny Baiboly hoe nijoro na nipetraka foana rehefa nivavaka, ireo Hebreo sy hafa firenena voaresaka ao. Naneho fanajana lalina foana anefa izy ireo. Nahazatra ny olona ny nitsangana, araka ny hita tamin’ny tenin’i Jesosy. (Mr 11:25) Toa nitsangana koa izy tamin’izy nivavaka taorian’ny batisany. Nisokatra ny lanitra tamin’izay, nankeo amboniny ny fanahy masina niendrika voromailala, ary re avy tany an-danitra ny feon’Andriamanitra.​—Lk 3:21, 22.

Mandohalika. Fanaon’ny olona koa ny nandohalika rehefa nivavaka, toy ny nataon’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Lk 22:41) Nandohalika i Solomona rehefa nisolo tena ny firenen’Israely tamin’ny vavaka, nandritra ny fitokanana ny tempoly. (1Mp 8:54) Amin’ny endriny milaza maro matetika ny teny nadika hoe ‘lohalika’ ao amin’ny Baiboly. Mety ho lohalika iray monja koa anefa no naforitr’ilay nivavaka, toy ny ataon’ny Tatsinanana sasany.​—As 9:40; 20:36; 21:5; Ef 3:14.

Miankohoka. Nitodika nanandrify an’i Jerosalema sy ny tempoliny foana ny Jiosy rehefa nivavaka, na taiza na taiza. (1Mp 8:42, 44; Da 6:10) Niamboho ny tempolin’i Jehovah kosa izy 25 lahy hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana, ary niankohoka niantsinanana. (Ezk 8:16) Niankandrefam-baravarana ny tempolin’ireo nivavaka tamin’ny masoandro, ka nitodika niantsinanana ireo niditra tao. Nitodika niantsinanana kosa ny varavaran’ny tempolin’i Jehovah, ka niamboho ny fiposahan’ny masoandro ny mpivavaka tao.

Manandra-tanana. Namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra, na indraindray nanandra-tanana na nanatsotra ny tanany toy ny hoe niangavy, ny olona nitsangana na nandohalika. (1Mp 8:22; 2Ta 6:13; Ne 8:6) Mety ho nitraka koa izy (Jb 22:26), na niandrandra ny lanitra.​—Mt 14:19; Mr 7:34; Jn 17:1.

Mipetraka sy miankohoka. Nipetraka teo ambony voditongony koa ny olona rehefa nivavaka (1Ta 17:16), ary nandohalika sady niondrika na nataony nikasika tamin’ny tratrany ny saokany. Na mety ho nipetraka nininginingina toa an’i Elia izy, ary nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny. (1Mp 18:42) Nandohalika sy nitehina tamin’ny tanany roa na ny kihony matetika ny olona niankohoka, ary natehiny tamin’ny tany ny lohany. (Ge 24:26, 48; Ne 8:6; No 16:22, 45; Mt 26:39) Nihohoka sy nitsotra tamin’ny tany mihitsy aza ny olona sasany vonton’alahelo na nivavaka mafy. Mety ho niakanjo gony koa ilay olona rehefa ory dia ory. (1Ta 21:16) Mba niankohoka teo anoloan’ny andriamaniny koa ny mpanompo sampy (Ek 20:5; No 25:2; 2Mp 5:18; Da 3:5-12), sady nanoroka an’ireny.​—1Mp 19:18.

Fihetsiky ny mpanompo sampy. Hahita loza, hoy i Joba, izay manaiky ho voafitaky ny fony hivavaka amin’ny masoandro na volana na zavatra hafa, ka angamba manoroka ny tanany ho fanajana azy ireny, hoatran’ny nataon’ny mpanompo sampy sy ny mpivavaka tamin’ny volana. Nanda an’ilay tena Andriamanitra ireo nanao an’izany, ka tokony hampamoahina noho ny fahadisoany.​—Jb 31:26-28.

Fihetsiky ny Kristianina. Nivavaka tamim-pahatsorana teny imason’olona i Jesosy sy Paoly ary ny hafa. Nampirisika ny hivavahana mitokana koa i Jesosy. (Mt 6:5, 6) Tsy nankasitrahany anefa ny manao vavaka lava be ho fisehosehoana fotsiny, toy ny fanaon’ny mpanora-dalàna sasany. (Mr 12:40; Lk 20:47) Maro tamin’ireo fomba amam-panaon’ny Jiosy nivavaka tao amin’ny synagoga no tsy nolazain’Andriamanitra hoe ratsy, ka nalain’ny Kristianina tahaka. Voaresaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina izy ireny, nefa tsy voalaza ao hoe hita tamin’ny endrik’izy ireo na ny fihetsiny hoe mody niseho ho mpivavaka be na masina be izy ireo. Tsy hoe nisy fihetsika tsy maintsy nataony koa isaky ny nivavaka, toy ny hoe natao nifampipetaka ny felatanana roa na natao nifamihina ny rantsantanana. Mety ny mivavaka mangina sy tsy atao fantatry ny hafa, raha eo am-panaovan-javatra na sendra ny tampoka. (Ampit. Ne 2:4.) Tokony hanao “vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra” ny Kristianina.​—Ef 6:18.

Fanajana, fanetren-tena. Mandohalika. Nitovitovy ihany ny fihetsiky ny Tatsinanana rehefa nivavaka na nifaneho fanajana, ary indrindra fa rehefa niangavy olona ambony. Nandohalika teo anatrehan’ilay olona niangaviany, ohatra, izy ireo. Tsy hoe nivavaka taminy akory izy ireo, fa nanaiky ny toerana ambony notanany sady tena nanaja azy.​—Mt 17:14; Mr 1:40; 10:17; 2Mp 1:13.

Miankohoka. Fanao matetika rehefa niarahaba olona, na nifampiraharaha ara-barotra taminy, na ho fanajana lalina azy. Niankohoka impito, ohatra, i Jakoba rehefa hihaona tamin’i Esao. (Ge 33:3) Niankohoka teo anatrehan-dreniny koa i Solomona ho fanajana azy, na dia mpanjaka aza.​—1Mp 2:19.

Niankohoka koa ny olona nanaiky fa resy. (Is 60:14) Mety ho nisikina lamba gony teo anatrehan’ny mpandresy izy ireny, ary nanisy tady teo ambony lohany sady nitalaho fiantrana. (1Mp 20:31, 32) Misy kosa milaza fa natao teo amin’ny tenda ilay tady mba ho hita fa babo izy ireny ary nanaiky an’ireo mpandresy azy.

Niankohoka teo anatrehan’ny manam-pahefana ny Jiosy, ho fanajana azy. Tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana Agagita anefa i Mordekay, satria azo inoana fa Amalekita izy io. Efa nilaza mantsy i Jehovah fa hofafany tanteraka tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita, ary hiady amin’izy ireo hatramin’ny taranany fara mandimby Izy. (Ek 17:14-16) Tsy te handika ny didin’Andriamanitra àry i Mordekay, ka tsy nety niondrika na niankohoka teo anatrehan’i Hamana. Toy ny hoe nihavana taminy mantsy izy, raha nanao izany.​—Es 3:5.

Niankohoka teo anatrehan’ilay “lehiben’ny tafik’i Jehovah” i Josoa. Tsy hoe nivavaka tamin’ilay anjely akory izy, fa nanaiky kosa ny toerana ambony tanany sy niaiky hoe irak’i Jehovah izy io.​—Js 5:14.

Nisy olona niankohoka teo anatrehan’i Jesosy fony izy tetỳ an-tany mba hangataka zavatra taminy, nefa tsy nibedy azy ireny izy. (Lk 5:12; Jn 9:38) Efa voatendry ho Mpanjaka mantsy izy, matoa nilaza hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Mr 1:15) Ho mpanjaka handova ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy, ka mendrika ny hohajaina.​—Mt 21:9; Jn 12:13-15.

Tsy namela ny hafa hiankohoka teo anatrehany kosa ny apostolin’i Jesosy Kristy. Tsy avy tamin’izy ireo mantsy ny fanahy masina nanasitranany sy nanaovany fahagagana, ka tsy nekeny ny hivavahan’ny olona taminy. Fantany fa i Jehovah Andriamanitra no nanome hery azy ireo, ka Izy no tokony homem-boninahitra sy hivavahana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Solontenan’i Jesosy fotsiny izy ireo.​—As 10:25, 26.

Ny teny hoe prôskyneô matetika no ilazana ny fanajana nomena an’i Jesosy. Midika hoe “miankohoka amim-panajana” izy io, nefa nadika koa hoe ‘mivavaka.’ (Mt 2:11; Jn 4:23) Tsy hoe neken’i Jesosy hivavaka taminy akory ny olona niankohoka teo anatrehany, satria Andriamanitra irery no tokony hivavahana. (Mt 4:10) Fantany kosa fa nanaiky ny fahefana nomen’Andriamanitra azy izy ireny. Andriamanitra irery tokoa no tokony hivavahana, matoa tsy nanaiky ny hivavahan’i Jaona taminy ilay anjely izay nirahin’i Jesosy Kristy hampahafantatra taminy ny hafatra hosoratana ao amin’ny Apokalypsy.​—Ap 19:10; jereo FIANKOHOFANA; FIVAVAHANA, FANOMPOANA.

Misaron-doha. Fanehoan’ny vehivavy fanajana, ary fanao koa teo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy ny apostoly Paoly momba ny tokony hanajan’ny Kristianina fahefana: ‘Izay vehivavy rehetra mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mampahamenatra ny lohany. Izany no antony itondran’ny vehivavy marika eo amin’ny lohany, dia mariky ny fanajana fahefana, noho ny amin’ny anjely.’​—1Ko 11:3-10; jereo FAHEFANA No. 1.

Manaisotra kapa. Fanehoana fanajana lalina. Samy nasaina nanala kapa, na i Mosesy nanoloana an’ilay voaroy nirehitra, na i Josoa teo anatrehan’ny anjely. (Ek 3:5; Js 5:15) Tsy nanao kapa, hono, ny mpisorona rehefa nanao ny andraikiny, satria masina ny tranolay masina sy ny tempoly. Asa noheverina ho ambany sady fanaon’ny mpanompo ny namaha ny tadin-kapan’ny olona iray na nitondra ny kapany. Nanetry tena izay nanao izany, ary nihevitra ny tenany ho ambany noho ny tompony. Mbola manala kapa ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane isaky ny miditra ny trano. Ny mpanompo koa anefa indraindray no manala an’ilay izy.​—Mt 3:11; Jn 1:27; jereo KAPA.

Manondraka rano eo amin’ny tanana. “Ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia” no niantsoana an’i Elisa, mpanompon’i Elia. Rehefa avy nisakafo no tena nila notondrahana ny tanana, ary ny mpanompo no nanao izany. Nihinana tamin’ny tanana mantsy ny olona tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, fa tsy nampiasa antsy sy forsety. (2Mp 3:11) Fanehoana fahaiza-mandray vahiny sy fanajana ary indraindray fanetren-tena koa ny fanasana ny tongotry ny hafa.​—Jn 13:5; Ge 24:32; 43:24; 1Ti 5:10.

Fifanekena, fiaraha-miasa. Mifandray tanana sy mifampikapoka felatanana. Fanaon’ny olona rehefa manao fifanekena, sy manamafy fiaraha-miasa na fifanarahana ara-barotra. (Ezr 10:19) Tsy tsara ny mifanaiky amin’ny olona ka mifandray tanana aminy mba hiantoka olon-kafa nisambo-bola. (Oh 6:1-3; 17:18; 22:26) Nifandray tanana na nanolotra ny tanany koa izay nifanaiky fa hiara-miasa.​—2Mp 10:15; Ga 2:9.

Fitsofan-drano. Mametraka tanana eo amin’ny loha; manandra-tanana. Misy ifandraisany amin’ny teny hebreo (barak) nadika hoe mitso-drano ny hoe mamoritra lohalika sy mandohalika. Mety ho nandohalika sy niondrika nanoloana an’ilay nitso-drano azy àry ny olona iray, ka napetrak’ilay nitso-drano teo amin’ny lohan’izy io ny tanany. (Ge 48:13, 14; Mr 10:16) Raha maromaro kosa no notsofina rano, dia nasandratr’ilay nitso-drano tandrifin’izy ireo ny tanany sady niteny izy.​—Le 9:22; Lk 24:50.

Fianianana. Manangan-tanana; mametraka tanana eo ambany fe. Nanangana ny tanany havanana ny olona nianiana. Voalaza fa toy ny hoe nanao izany koa Andriamanitra. (De 32:40; Is 62:8) Nanangana ny tanany havia sy havanana ho amin’ny lanitra ilay anjely nianiana, tao amin’ny fahitan’i Daniela. (Da 12:7) Fanaon’ny olona nianiana koa ny nanao ny tanany teo ambany fe na maojan’ilay nanaovany fianianana. Izany no nataon’ny mpanompon’i Abrahama tamin’izy nianiana fa haka vady ho an’i Isaka avy amin’ny havan’i Abrahama. (Ge 24:2, 9) Izany koa no nataon’i Josefa rehefa nianiana tamin’i Jakoba fa tsy haleviny any Ejipta izy. (Ge 47:29-31) Avy eo amin’ny maoja hatreo amin’ny lohalika no atao hoe “fe.” Eo koa no misy ny taolam-pe. Fanaon’ny mpanompo na zanakalahy (izay tokony hanaja an-drainy) ny nametraka ny tanany teo ambany fen’ny tompony na rainy rehefa nianiana, hoy ilay raby jiosy atao hoe Rashbam. Fanaon’ny mpanompo fahiny koa rehefa nianiana, hoy i Abraham Ibn Ezra, manam-pahaizana jiosy, ny nametraka ny tanany teo ambany fen’ny tompony, izay nipetraka teo ambonin’ny tanany. Nidika izany fa teo ambany fahefan’ilay tompony izy.​—Ireo Boky Dimy Voalohany Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1956, p. 122.

Alahelo, henatra. Manipy vovoka eo ambony loha; mandrovitra akanjo; mitafy lamba gony. Matetika ny olona nalahelo no nitomany (Ge 50:1-3; Jn 11:35), nitanondrika (Is 58:5), nanipy vovoka teo ambony lohany (Js 7:6), nitombina tamin’ny tany (Jb 2:13; Is 3:26), nandrovitra ny akanjony (1Sa 4:12; Jb 2:12; jereo MANDROVITRA AKANJO), na indraindray nanisy lavenona teo ambony lohany (2Sa 13:19). Jiosy “maro no natory teo ambony gony sy lavenona” rehefa namoaka didy handringanana ny Jiosy i Ahasoerosy Mpanjaka. (Es 4:3) Nasain’i Jehovah nisikina lamba gony sy nihosin-davenona i Jerosalema satria hisy loza hanjo azy. (Je 6:26) Nasain’i Mika ‘nihosinkosina tamin’ny vovoka’ koa ny mponin’i Afra tany Filistia.​—Mi 1:10.

Manapaka na manongotra volo; mikapo-tratra. Nanapaka ny volony (Jb 1:20), nanongotra volombava (Ezr 9:3), nisaron-doha (2Sa 15:30; Es 6:12), nanarona volombava (Ezk 24:17; Mi 3:7), ary niloloha tanana (2Sa 13:19; Je 2:37) ny olona kivy na menatra sy ankona. Misy mihevitra fa nitambesatra teo ambonin’ilay olona ory ny tanan’Andriamanitra matoa izy niloloha tanana. Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa i Isaia ho famantarana fa ho menatra i Ejipta sy Etiopia. (Is 20:2-5) Mety ho nikapo-tratra koa ny olona iray nalahelo mafy na nibebaka (Mt 11:17; Lk 23:27), na mety ho nikapoka ny feny satria nanenina, menatra, afa-baraka, na ory.​—Je 31:19; Ezk 21:12.

Fahatezerana, fanesoana, fanivaivana, ary fanozonana. Mihivingivin-doha; mamely tehamaina. Sady niteny no nanao fihetsika samihafa matetika ny olona rehefa tezitra, nankahala, naneso, nanome tsiny, nanamavo, sy ny toy izany. Nisy nanondro molotra sy nihivingivin-doha, nanifikifi-tanana (2Mp 19:21; Sl 22:7; 44:14; 109:25; Ze 2:15), namely tehamaina (Jb 16:10; Mt 5:39; Jn 18:22), na nanongotra ny volombavan’ilay niresahany (Is 50:6). Nalam-baraka tanteraka i Jesosy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy satria nororana sy nasiana tehamaina. Nosaronana ny lohany ary nasiana totohondry izy sady nesoina hoe: “Maminania aminay, ry Kristy! Iza ilay namely anao teo?” (Mt 26:67, 68; Mr 14:65) Nanala baraka azy toy izany koa ny miaramila.​—Mt 27:30; Mr 15:19; Jn 19:3.

Manipy vovoka. Fihetsika maneho fanambaniana. Nanipy vovoka sy nanozona ary nitora-bato an’i Davida i Simey. (2Sa 16:13) Tezitra be ny vahoaka tao Jerosalema nahare ny fiarovan-tenan’i Paoly, ka nanandratra ny feony sy niantsoantso, nanipy ny akanjony ivelany, ary nanipy vovoka teny amin’ny rivotra.​—As 22:22, 23.

Mitehaka. Mety ho nisy nitehaka rehefa te hiantso olona (Js 15:18), nefa matetika kokoa rehefa tezitra (No 24:10), nanambany na naneso (Jb 27:23; Ft 2:15), nalahelo (Ezk 6:11), nankahala, ary faly tamin’ny fahavoazan’ny fahavalo na mpampahory. Sady nitehaka izy no nanatontona tongotra tamin’ny tany indraindray.​—Ezk 25:6; Na 3:19.

Fanendrena. Fanosorana. Nisy fihetsika natao rehefa notendrena hanao asa na nomena fahefana ny olona iray. Nohosorana menaka masina, ohatra, i Arona rehefa napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisorona. (Le 8:12) Nohosorana koa ny mpanjaka. (1Sa 16:13; 1Mp 1:39) Tsy nisy solontenan’i Jehovah nanosotra menaka an’i Kyrosy mpanjakan’i Persa. Nantsoina hoe voahosotr’i Jehovah anefa izy, satria voatendry handresy an’i Babylona sy hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra. (Is 45:1) ‘Voahosotra’ i Elisa satria voatendry ho mpaminany, na dia tsy nohosorana menaka aza. (1Mp 19:16, 19) Fanahy masina, fa tsy menaka, no nanosoran’i Jehovah Rainy an’i Jesosy. (Is 61:1; Lk 4:18, 21) I Jesosy kosa no nanosotra an’ireo rahalahiny kristianina nateraky ny fanahy (2Ko 1:21; As 2:33), ka voatendry sy mahafeno fepetra ho mpanompon’Andriamanitra izy ireo.​—1Jn 2:20; 2Ko 3:5, 6; jereo VOAHOSOTRA, FANOSORANA.

Mametra-tanana. Nametrahan-tanana izay olona notendrena hiantsoroka andraikitra na hanao asa sasany, toa an’ireo fito lahy notendren’ny apostoly hizara sakafo teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema. (As 6:6) Notendren’ny anti-panahy rehetra teo anivon’ny fiangonana hanao fanompoana manokana i Timoty. (1Ti 4:14) Nomen’ny apostoly Paoly fahefana hanendry olon-kafa koa izy tatỳ aoriana, nefa nila nandinika tsara aloha.​—1Ti 5:22.

Midika ho fanekena koa ny hoe mametra-tanana. Nametra-tanana teo amin’ireo biby hatao fanatitra, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa nanaiky fa natolotra hanaronana ny fahotany izy ireny. (Ek 29:10, 15) Manaiky koa no dikan’ny hoe mametra-tanana ao amin’ny Levitikosy 4:15.

Midika koa hoe manome fitahiana na hery ny hoe mametra-tanana. Sitrana, ohatra, ireo nametrahan’i Jesosy tanana (Lk 4:40), ary nahazo ny fanahy masina ireo nametrahan’i Paoly tanana. (As 19:6) Tsy hoe niampita tamin’ny alalan’ny tanan’i Paoly akory ny fanahy, fa nomena fahefana hanendry an’izay mahafeno fepetra hahazo ny fanomezan’ny fanahy kosa izy satria solontenan’i Kristy. (Jereo koa As 8:14-19.) Tsy voatery nametrahan-tanana anefa ny olona iray vao afaka nahazo ny fanomezan’ny fanahy. Nanatrika teo fotsiny, ohatra, ny apostoly Petera rehefa nahazo ny fanahy masina i Kornelio sy ny ankohonany ka nahay fiteny samihafa.​—As 10:44-46.

Fankasitrahana. Mijoro eo anoloan’ny olona ambony. Izany no nahalalana fa nankasitrahan’ilay manam-pahefana ny olona iray. Tsy maintsy nahazo alalana mantsy ny olona iray vao nahazo nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka. (Oh 22:29; Lk 1:19; 21:36) Ankasitrahan’Andriamanitra ilay vahoaka be resahin’ny Apokalypsy 7:9, 15, matoa mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianany.

Asandratra ny lohan’ny olona iray. Izany indraindray no ilazana an’izay olona nasandratra na nahazo sitraka indray.​—Ge 40:13, 21, f.a.p.; Je 52:31, f.a.p.

Fenoina fahefana ny tanana. Fenoina fahefana ny tanan’ny mpisorona na omena fahefana ho mpisorona izy. Izany no nataon’i Mosesy (mpanelanelana) rehefa napetrany teo ambony tanan’i Arona sy ny zanany lahy ny fanatitra samihafa. Nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ny tanan’izy ireo avy eo, mba hampisehoana fa vonona hanompo an’i Jehovah foana izy ireo.​—Le 8:25-27.

Fisakaizana. Manoroka; manasa tongotra; manosotra menaka ny loha. Nanoroka ny namany ny olona iray (Ge 27:26; 2Sa 19:39), na niantoraka teo amin’ny vozony sy nanoroka azy ary nitomany raha nihetsi-po be. (Ge 33:4; 45:14, 15; 46:29; Lk 15:20; As 20:37) Nanao an’ireto fihetsika telo ireto foana ny olona nahay nandray vahiny: Nanoroka an’ilay vahiny ho fiarahabana azy, nanasa ny tongony, ary nanosotra menaka ny lohany.​—Lk 7:44-46.

Miankina eo an-tratran’ny olona iray. Ny namana akaiky na olona nankasitrahana no nanao izany rehefa nandry ilika hisakafo, tamin’ny andron’i Jesosy. (Jn 13:23, 25) Io fihetsika io no resahin’ny fanoharana ao amin’ny Lioka 16:22, 23 sy Jaona 1:18.

Miara-misakafo na miara-mihina-mofo. Fanaon’ny mpinamana sy izay nihavana tsara. (Ge 31:54; Ek 2:20; 18:12) Sakaiza manody ireo niara-nihina-mofo tamin’ny namany nefa avy eo nanisy ratsy azy, toy ny nataon’i Jodasy mpamadika.​—Sl 41:9; Jn 13:18.

Tsy fananan-tsiny, fialana andraikitra. Manasa tanana. Nanao izany ny olona rehefa te hampiseho fa tsy nanan-tsiny na tsy tompon’andraikitra tamin’izay nitranga izy. (De 21:6) Nilaza ny mpanao salamo fa nanasa ny tanany izy satria tsy nanan-tsiny. (Sl 73:13; jereo koa Sl 26:6.) Tsy te ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Jesosy i Pilato, ka nanasa ny tanany teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’io lehilahy io aho, fa raharahanareo izany.”​—Mt 27:24.

Manakopaka fitafiana. Nakopak’i Paoly ny fitafiany mba hampisehoana tamin’ireo Jiosy nanohitra ny fitoriany tany Korinto, fa afaka adidy tamin’izy ireo izy. Hoy izy: “Ianareo ihany no ho tompon’andraikitra ny amin’izay hanjo anareo. Afaka adidy aho. Hankany amin’ny olona hafa firenena aho manomboka izao.” (As 18:6) Nakopak’i Nehemia ny ‘tratran’akanjony’, satria tiany haseho fa holavin’Andriamanitra tanteraka izay tsy mankatò Azy.​—Ne 5:13.

Manintsana ny vovoka amin’ny tongotra. Fomba nampisehoan’ny olona iray fa tsy tompon’andraikitra amin’izay hitranga izy. Nasain’i Jesosy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony ny mpianany, rehefa nisy toerana na tanàna tsy nandray na tsy nihaino azy ireo.​—Mt 10:14; Lk 10:10, 11; As 13:51.

Fifaliana. Mitehaka. Nitehaka (2Mp 11:12; Sl 47:1) sy nandihy (matetika niaraka tamin’ny mozika) ny olona faly. (Mpts 11:34; 2Sa 6:14) Faly na velom-pisaorana ny mpiasa, indrindra rehefa nioty voaloboka, ka nihorakoraka sy nihirahira.​—Is 16:10; Je 48:33.

Fanoherana. Manambana amin’ny tanana. Fihetsiky ny olona manohitra.​—Is 10:32; 19:16.

Manatraka ny loha. Midika fahavononana hanao zavatra, toy ny hoe hanohitra, hiady, na hampahory.​—Mpts 8:28; Sl 83:2.

Manainga tanana hikomy. Ilazana fikomiana amin’ny manam-pahefana.​—2Sa 18:28; 20:21.

Milelaka ny vovoka. Milaza faharesena na faharavana.​—Sl 72:9; Is 49:23.

Tanana na tongotra eo amin’ny hatoky ny fahavalo. Midika hoe resy ny fahavalo ka lasa nandositra, ary nenjehina ka tratra.​—Ge 49:8; Js 10:24; 2Sa 22:41, f.a.p.; Sl 18:40, f.a.p.

Mandray fahefana na manao zavatra. Mitsangana. Midika hoe mandray fahefana na manao zavatra. Voalaza fa mitsangana ny mpanjaka rehefa mahazo fahefana hitondra, na manao zavatra miavaka mandritra ny fitondrany. (Da 8:22, 23; 11:2, 3, 7, 21; 12:1) Mitsangana i Jehovah rehefa hampihatra didim-pitsarana amin’ireo firenena. (Sl 76:9; 82:8) Nitsangana hahatonga loza teo amin’ny Israely i Satana, rehefa nampirisika an’i Davida hanisa azy ireo.​—1Ta 21:1.

Misikina. Ilazana fahavononana hanao zavatra. Fanaon’ny olona fahiny mantsy ny namoritra ny akanjony sy namatotra izany teo am-balahany tamin’ny fehikibo, mba tsy ho voahelingelina izy rehefa miasa na mihazakazaka, ohatra.​—Jb 40:7; Je 1:17; Lk 12:37.

Fihetsika hafa. Matory eo an-tongotra. Te hampahatsiahy an’i Boaza i Rota hoe mpanavotra i Boaza, ka nanatona azy izy indray alina, nanaisotra ny lamba nandrakotra ny tongotr’izy io, ary natory teo an-tongony. Hoy izy rehefa taitra i Boaza: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra ianao.” Vonona hanaiky an’i Boaza hitondra loloha azy àry i Rota.​—Rt 3:6-9.

Endrika rehefa mifady hanina. Ilazana ny olona nifady hanina ny hoe ‘nampahory tena’, nefa azo ilazana koa an’izay nisaona, niaiky fahotana, nibebaka, na nanenina. (Le 16:29, 31; 2Sa 1:12; Sl 35:13; Jl 1:13, 14) Nampiseho endrika malahelo sady tsy nikarakara tarehy ny mpihatsaravelatsihy tamin’ny andron’i Jesosy rehefa nifady hanina, mba ho hita hoe “masina be.” I Jesosy kosa nilaza tamin’ny mpianany fa tokony hohosoran’izy ireo menaka ny lohany ary hosasany ny tarehiny, mba tsy ho hitan’ny olona hoe mifady hanina izy ireo, satria ny fo no jeren’ny Ray. (Mt 6:16-18) Mety ho nifady hanina koa ny Kristianina, rehefa te hifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy.​—As 13:2, 3; jereo FIFADIAN-KANINA.

Manakimpy ny mason’ny olona maty. Nilaza tamin’i Jakoba i Jehovah fa ‘ny tanan’i Josefa no hanakimpy ny masony rehefa maty izy.’ (Ge 46:4) Adidin’ny lahimatoany anefa ny nanao izany. Toa te hilaza àry i Jehovah fa tokony homena an’i Josefa ny zon’ny lahimatoa.​—1Ta 5:2.

Misioka. Fanao rehefa gaga na talanjona. Nisioka ireo nahita an’i Joda lao tanteraka sy ireo nahita an’i Babylona ravarava.​—Je 25:9; 50:13; 51:37.

Mitehina amin’ny sandry. Fanaon’ny mpanjaka na manam-pahefana ny nitehina tamin’ny mpanompony na olona iray nofeheziny, toy ny nataon’i Jorama mpanjakan’ny Israely. (2Mp 7:2, 17) Nitehina tamin’ny tanan’i Namàna mpanompony i Beni-hadada II Mpanjaka, rehefa niankohoka tao an-tranon’i Rimona andriamaniny.​—2Mp 5:18.

Heviny an’ohatra. Manasa ny tongotry ny hafa. Nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy (toy ny fanaon’ny Tatsinanana), satria tiany ny hampianatra azy ireo hanetry tena sy hanompo ny hafa. Nangataka azy hanasa ny tanany sy ny lohany koa avy eo i Petera. Hoy anefa i Jesosy: “Izay efa avy nandro dia tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo.” (Jn 13:3-10) Ny tongotr’ilay olona tokoa sisa no nila nosasana rehefa avy nandro tany ivelany izy ka tonga tao an-tranony, satria mety ho voan’ny vovoka avy tamin’ny kapany ny tongony. Fahadiovana eo amin’ny lafiny ara-panahy anefa no tena noresahin’i Jesosy eo.

Mandeha. Midika hoe manaraka fomba fiaina iray voafaritra tsara ny hoe “mandeha”, toy ny amin’ilay hoe “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Noa. (Ge 6:9; 5:22) Nanaraka ny fomba fiaina natoron’Andriamanitra ireo niara-nandeha taminy, ka nankasitrahany. ‘Mandeha’ no ilazana ny fomba fiainan’ny olona iray, na talohan’ny nanompoany an’Andriamanitra na tamin’izy efa lasa Kristianina, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Ef 2:2, 10; 4:17; 5:2) Midika hoe manao zavatra koa ny hoe “mihazakazaka.” (1Pe 4:4) Nilaza Andriamanitra fa “nihazakazaka” ny mpaminany tao Joda nefa tsy nirahiny, izany hoe naminany izy ireo nefa tsy nahazo alalana taminy akory. (Je 23:21) Noharin’i Paoly tamin’ny ‘hazakazaka’ koa ny fiainan’ny Kristianina. Toy ny mpihazakazaka àry ny Kristianina, ka tsy maintsy manaraka fitsipi-dalao raha te hahazo ny loka.​—1Ko 9:24; Ga 2:2; 5:7.