Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihinanam-bilona, Tranom-biby

Fihinanam-bilona, Tranom-biby

Nandry tao anaty fihinanam-bilona i Jesosy zazakely no hitan’ny mpiandry ondry, izay nilazan’ny anjely ny nahaterahany. (Lk 2:7, 12, 16) Ilay hoe “fihinanam-bilona” eo dia avy amin’ny teny grika hoe fatne (“toerana fihinanana”), izay mety hadika koa hoe tranom-biby. (Ampit. Lk 13:15, Kat.) ʼEvos kosa matetika no teny hebreo nadika hoe “fihinanam-bilona.” Nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe fatne izy io sy ny teny hebreo telo nadika hoe “tranom-biby” (2Ta 32:28), ‘fahitra’ (Ha 3:17), ary “vilona” (Jb 24:6).

Nahita tavy lehibe vita tamin’ny vongana vatosokay ny mpikaroka tany Palestina. Tokotokony ho 90 sm ny lavany, 50 sm ny sakany, ary 60 sm ny halaliny. Natao fihinanam-bilona angamba ireo tavy ireo. Mety ho nolavahana koa ny rindrin’ny lava-bato natao vala mba hatao fihinanam-bilona, toy ny fahita ankehitriny.