Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijinjana

Fijinjana

Fanangonana vokatra, ary anisan’ireo zavatra tsy hitsahatra mihitsy “raha mbola tany koa ny tany.” (Ge 8:22) Nahafaly be ny fotoam-pijinjana na dia asa mafy aza ny fanangonam-bokatra. (Sl 126:5, 6; Is 9:3; 16:9, 10) Nitranga tamin’io fotoana io ny tantara sasany resahin’ny Baiboly.​—Ge 30:14; Js 3:15; Mpts 15:1; Rt 1:22; 2:23; 1Sa 6:13; 2Sa 21:9; 23:13.

Sabata sy Jobily. Nisy didy momba ny fijinjana tao amin’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Fotoan-dehibe ny fijinjana nefa tsy maintsy notandremana foana ny Sabata, na dia nisy zavatra maika sy tsy nampoizina aza. (Ek 34:21; ampit. Ne 13:15.) Tsy nisy vokatra nangonina rehefa taona sabata sy Jobily, satria tsy azo natao ny namafy tamin’ireo taona ireo. Nety ho nisy naniry ihany anefa ny voa latsaka tamin’ny fijinjana farany, ka ireny no nohanin’ny tompon’ilay saha, ny mpanompony, ny olona nokaramainy, ny mpiavy sy vahiny, ary ny biby fiompy sy bibidia. Tsy azo nojinjaina anefa ireny vokatra ireny.​—Ek 23:10, 11; Le 25:3-7, 11, 12, 20-22.

Voaloham-bokatra sy fiahiana ny mahantra. Tokony hatolotra ho an’i Jehovah ny voaloham-bokatra, isaky ny nisy fijinjana. (Le 23:10, 11; De 26:1-4) Ny taona fahadimy ny voankazo vao azon’ny tompony notazana sy nohanina.​—Le 19:23-25.

Nahazo niditra tao amin’ny saha na tanimboalobok’olona ny Israelita noana, ka nihinana izay vokatra tao mandra-pahavokiny. Tsy azony natao tao anaty harony anefa ilay izy, na nojinjainy tamin’ny antsy fijinjana.​—De 23:24, 25; ampit. Mt 12:1; Lk 6:1; jereo FITSIMPONANA.

Tsy tokony hojinjain’ny Israelita tanteraka ny sisin’ny sahany na halainy ny vokatra navelan’ny mpijinja. Tokony havelany ho an’ny ory sy ny vahiny kosa izay sisa tavela teny amin’ny saha sy tanimboaloboka.​—Le 19:9, 10; 23:22; De 24:19.

Toetrandro. Mahalana vao avy ny orana rehefa fotoam-pijinjana any amin’ny Tany Nampanantenaina, na taloha na ankehitriny. Nampisy orana sy kotroka anefa i Jehovah ho valin’ny vavak’i Samoela, mba hampisehoana fa tena ratsy ny nangatahan’ny Israelita mpanjaka. (1Sa 12:17-19; jereo koa Oh 26:1.) Tondraka kosa ny Reniranon’i Jordana satria nisy orana faramparany tamin’ny fiandohan’ny lohataona, ary niempo ny lanezin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona.​—Js 3:15; 5:10, 11.

Mafana ny andro amin’ny fotoam-piotazana, ka mahafinaritra rehefa betsaka ny ando. (Is 18:4) Toa rano mangatsiatsiaka nasiana lanezy avy any an-tendrombohitra ilay resahin’ny Ohabolana 25:13 hoe mamelombelona, fa tsy lanezy mirotsaka izay manimba voly amin’ny fotoam-pijinjana.

Rongony, vary orza, varimbazaha. Notapahina tamin’ny antsy fijinjana ny vokatra (De 16:9; Mr 4:29), na nongotana tanteraka taloha, indrindra raha karakaina ilay tany, satria vitsy ny mololo ary somary ivaiva ny voly. Nangonina ny vokatra voajinja, natao amboara, ary natao antontany teny am-pamoloana angamba.​—Ge 37:6, 7; Rt 3:6, 7.

Nanomboka nijinja rongony ny teny akaikin’i Jeriko tamin’ny volana faha-12 na Adara (Febroary-Martsa), na tany am-piandohan’ny Nisana (Martsa-Aprily), volana voalohan’ny taona ara-pivavahana hebreo. Nongotana na nohadina ny tahon-drongony ary nohamainina. Nisy tahon-drongony teny an-tampon-tranon-dRahaba tamin’izy nanafina ireo mpitsikilo (Js 2:6), tany am-piandohan’ny Nisana.​—Js 2:16, 22, 23; 3:1, 2; 4:19.

Fotoam-pijinjana orza ny volana Nisana (Martsa-Aprily). Tamin’izay no tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, izay nanomboka nihinana ny vokatry ny tany ny 15 Nisana. (Js 3:15; 5:10, 11) Mbola nijinja orza ny olona teny amin’ny havoanan’i Palestina tamin’ny volana Ziva na Iara (Aprily-Mey), fa nanomboka nijinja varimbazaha kosa ireo teny amin’ny tany lemaka.​—Rt 1:22; 2:23; 2Sa 21:9.

Tamin’ny volana Sivana (Mey-Jona) vao nojinjaina ny varimbazaha teny amin’ny toerana avo. Noraisin’ny mpijinja tamin’ny tanan’ila ny tahom-barimbazaha, ary notapahiny tamin’ny antsy fijinjana. (Ampit. De 23:25; Is 17:5.) Hazo na taolana nanatsofohana vatoafo maranitra ny antsy fijinjana taloha. Tatỳ aoriana vao nampiasaina ny antsy misy lelany mifaingoka fahita ankehitriny.

Voaloboka, antrendry, aviavy, oliva. Nanomboka masaka ny voaloboka tamin’ny volana Tamoza (Jona-Jolay), ka niandoha ny fiotazana tamin’ny volana Aba (Jolay-Aogositra). Masaka koa tamin’izay ny oliva teny amin’ny toerana iva. Nitohy ny fiotazana voaloboka nandritra ny volana Elola (Aogositra-Septambra), masaka ny antrendry sy ny ampongabendanitra, ary nangonina ny aviavy. (No 13:23) Ny volana Etanima na Tisry (Septambra-Oktobra) no tapitra ny fijinjana, na dia nety ho nisy nanangona oliva ihany aza tany avaratr’i Galilia tamin’ny volana Bola na Hesvana (Marhesvana) (Oktobra-Novambra). Nokapohina tamin’ny hazo ny oliva rehefa notazana.​—De 24:20; jereo KALANDRIE.

Fety. Tamin’ny fotoam-pijinjana no natao ireo fety lehibe telo tany Israely. (Ek 23:14-17) Tamin’ny fotoam-pijinjana orza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay nanomboka ny 15 Nisana. Nahetsiketsiky ny mpisoronabe teo anatrehan’i Jehovah ny amboaran’ny voaloham-bokatry ny vary orza ny 16 Nisana na “ny ampitson’ny sabata” (tsy voatery ho sabata isan-kerinandro, satria sabata foana ny andro voalohan’ilay fety, na andro inona na andro inona).​—Le 23:6-11.

Ny andro faha-50 nisaina nanomboka ny 16 Nisana kosa ny Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta. Fotoam-pijinjana varimbazaha tamin’izay. Natao fanatitra ahetsiketsika ho an’i Jehovah ny mofo roa nisy lalivay vita tamin’ny voaloham-bokatry ny varimbazaha. (Le 23:15-17) Toa ireo herinandro fito fijinjana nanelanelana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay sy ny Pentekosta ireo ‘herinandro voatondro hanaovana fijinjana’ noresahin’i Jeremia. ‘Nambenan’i’ Jehovah izy ireo satria tsy nandatsaka orana izy sao simba ny vokatra.​—Je 5:24; ampit. Am 4:7.

Ny Fetin’ny Trano Rantsankazo na Fetin’ny Fanangonam-bokatra, izay nanomboka ny 15 Etanima na Tisry (volana fahafito) no namarana ny taom-pambolena. Faly ny olona satria saika vita daholo ny fijinjana.​—Le 23:33-36, 39-43; jereo ny hoe FETY sy ireo lahatsoratra momba ny fety tsirairay.

Heviny an’ohatra. Ilazana matetika ny vokatry ny natao (vokany ratsy na tsara) ny hoe mijinja ao amin’ny Baiboly. Izao no toro lalana hita ao: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana, hoy i Paoly, fa “izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.” Nomeny toky ny Kristianina tany Galatia fa hijinja raha tsy reraka. (Ga 6:7-9; Oh 22:8; Ho 8:1, 7) Hoy koa izy rehefa nampirisika ny Korintianina mba halala-tanana tamin’ny Kristianina sahirana tany Jodia: “Izay kahihitra ka mamafy kely dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be kosa dia hijinja be.”​—2Ko 9:5-7.

Oharina amin’ny fijinjana ny fodiana avy any an-tsesitany sy ny fanangonana an’ireo hahazo ny fiainana (Ho 6:11; Mt 9:37, 38; Lk 10:2) sy ireo ratsy fanahy haringana (Je 51:33). Nirahin’i Jesosy Kristy ny mpianany “hijinja” na hanangona an’ireo nandray tsara ny hafatra notoriny ka lasa mpanara-dia azy. (Jn 4:35-38) Nilaza izy tao amin’ilay fanoharany momba ny “vary” sy ny “tsimparifary” fa “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” no fotoam-pijinjana. Haniraka ny anjeliny ny Zanak’olona mba hijinja na “hanangona an’izay rehetra mahatonga ny hafa hanota sy izay mpandika lalàna, ka hamoaka an’ireny avy ao amin’ny fanjakany.” Hatsipy any amin’ny lafaoro mirehitra an’ohatra ireny “tsimparifary” (“ny zanak’ilay ratsy”) ireny, fa hotehirizina kosa ny “vary” (“ny zanak’ilay fanjakana”) ka “hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.”​—Mt 13:24-30, 36-43.

I Jesosy Kristy mpanjaka be voninahitra no mitarika an’io asa fijinjana sy fanavahana io. Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana mantsy i Kristy, izay ‘tahaka ny zanak’olona nanana satroboninahitra volamena teo amin’ny lohany sy antsy fijinjana maranitra teny an-tanany.’ Nisy anjely nilaza taminy hoe: “Arosoy ny antsy fijinjanao ka mijinjà, satria tonga ny ora fijinjana, fa masaka tanteraka ny vokatry ny tany.” “Nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany” àry izy, “ka voajinja ny tany.” Nangonina avy eo “ny voaloboky ny tany”, ary natsipy mafy “tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.”​—Ap 14:14-20; ampit. Ap 19:11-16; jereo FAMBOLENA SY FIOMPIANA.