Fikarakarana Faty
Fanisiana zavatra amin’ny fatin’olona na fatim-biby mba hitehirizana azy tsy ho lo. Mety hohosorana menaka manitra,
ohatra, ilay izy. Efa hatry ny ela ny Ejipsianina no nikarakara faty, na dia mety ho tsy izy ireo aza no nanomboka io fanao io. Nisy fomba hafa fikarakarana fatin’olona na fatim-biby ankoatra ny fanaon’ny Ejipsianina. Tsy ny Ejipsianina ihany fahiny no nikarakara fatin’olona, fa ny Asyrianina sy Persianina ary Skytianina koa.Fikarakarana ny fatin’i Jakoba sy Josefa. Fatin’olona roa monja no tantarain’ny Baiboly hoe nokarakaraina, ary tany Ejipta izany no nitranga. Maty tany i Jakoba, ka naneho ny alahelony an’io rainy io i Josefa. “Avy eo dia nasain’i Josefa nokarakarain’ny mpitsabo mpanompony ny fatin-drainy. Koa nokarakarain’izy ireo ny fatin’i Israely, ka efapolo andro katroka no nanaovany izany, satria izany no faharetan’ny fotoana fikarakarany faty. Ary nitomany azy fitopolo andro ny Ejipsianina.” (Ge 50:2, 3) Notehirizina ilay faty satria halevina any amin’ny Tany Nampanantenaina. (Ge 49:29-32; 50:13) Maty koa i Josefa rehefa 110 taona. “Ary nokarakaraina ny fatiny, ka napetraka tao anaty vatam-paty tany Ejipta.” (Ge 50:26) Mety ho noho i Josefa nitana toerana ambony no nanaovana ny fatiny toy izany.—Ge 50:24, 25; Ek 13:18, 19; Js 24:32.
Nataon’ny Ejipsianina tao anaty karbonatana sodioma nandritra ny fitopolo andro ny faty hokarakaraina, hoy i Hérodote. Resahin’ny Baiboly anefa fa “efapolo andro katroka” ny mpitsabo ejipsianina no nikarakara ny fatin’i Jakoba, “satria izany no faharetan’ny fotoana fikarakarany faty. Ary nitomany azy fitopolo andro ny Ejipsianina.” (Ge 50:3) Nitady hevitra hampifanarahana ny voalazan’ny Genesisy 50:3 sy ny tenin’i Hérodote àry ny manam-pahaizana. Mety ho tsy tafiditra tao anatin’ireo 40 andro, hono, ny nanaovana an’ilay faty tao anaty karbonatana sodioma. Mety ho diso koa anefa ny tenin’i Hérodote hoe naharitra 70 andro ilay izy. Nilaza i Diodore avy any Sicile, Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa naharitra 30 andro mahery ny nikarakaran’ny Ejipsianina faty. (Diodore avy any Sicile, I, 91, 5, 6) Mety ho nisy fomba hafa nampiasain’ny Ejipsianina koa nefa tsy noresahin’ireo mpahay tantara ireo, na mety ho tsy nitovy ny fomba fanaony taloha sy tatỳ aoriana.
Fandevenan’ny Hebreo sy Kristianina. Tsy fanaon’ny Hebreo sy ny Kristianina voalohany ny nikarakara faty hotehirizina ela be hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina, rehefa jerena ireo taolambalo hita tao amin’ny fasana any Palestina. Tsy ninoan’ny Hebreo tsy nivadika sy ny tena Kristianina mantsy hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona sy ny biby. Fantany fa miverina ho vovoka fotsiny ny olona sy ny biby rehefa maty. (Mpto 3:18-20; 9:5, 10) Tsy miresaka firy momba ny fikarakarana faty ny Soratra Masina. Toa porofo koa izany fa tsy fanaon’ny Hebreo sy ny Kristianina voalohany ilay izy.
Toy izao ny nandevenana an’i Asa Mpanjaka: “Natao teo ambony farafara nofenoina menaka balsama sy menaka fanosorana isan-karazany nampifangaroin’ny mpanao zava-manitra [izy]. Ary nisy zava-manitra be dia be nodorana tamin’ny fandevenana azy.” (2Ta 16:13, 14) Na dia azo lazaina aza hoe nampiasaina hikarakarana ny fatin’i Asa ireo menaka ireo, dia tsy nitovy tamin’ny fanaon’ny Ejipsianina izany.
Nitondra “miora sy hazo manitra iray fehezana nilanja tokony ho zato livatra” i Nikodemosy, rehefa maty i Jesosy Kristy. ‘Nalainy ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny fehim-paty niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa mikarakara faty halevina.’ (Jn 19:39, 40) Tsy hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina anefa izany, fa nomanina halevina fotsiny ny fatin’i Jesosy, toy ny nanomanana ny fatin’i Lazarosy. Tsy fanaon’ny Jiosy ny nikarakara faty mba hotehirizina ela, satria rehefa niteny i Jesosy hoe: “Esory ny vato”, dia hoy i Marta: “Tompo ô, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” Tsy ho niteny izany i Marta raha efa voakarakara tsy ho simba ny fatin’i Lazarosy. Nisy fehim-paty ny tongotra aman-tanan’i Lazarosy, ary “nisy fehy lamba ny tarehiny.” Tsy natao hitehirizana ny fatiny tsy ho lo anefa izany.—Jn 11:39, 44; jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA.